Rado: Mahazo maty ve ny tenany? Fa iza moa izy?

2008-09-16 @ 08:20 in Kolontsaina

Araka ny efa nosoratan'ny namana New2dago dia nodimandry halina (15 septambra 2008) ilay mpanoratra fanta-daza amin'ny anarana Georges Andriamanantena naka ny anarana malagasy antsoina hoe Rado. Efa naiditra hopitaly ny tenany tamin'ny herintaona ary mbola novelomin'aina ihany koa talohakelin'izao nandehanany nitsaitsaika tanaty alin-diavolana izao. Lasa izy raha mbola varian-dalao amin'izay manahirana azy avy ny manodidina azy.

Tsy dia mahalala zavatra betsaka azy aho. Tsy fantatro tahaka ny paosiko izy satria na ny paosiko aza tsy tadidiko akory izay nataoko tao anatiny ary tsy fantatro marina ny refin'ny halaliny. Izay kely fantatro ihany no ampitaiko mba hitovitovy ny fahalalantsika momba ity olomangan'ny firenena ity.

Zanaka mpitandrina ny tenany, teraka tamin'ny 1 oktobra 1923 (tapabolana sisa manko) ary Ankadivato ilay fonenana nahalehibe azy. Notezaina tanatin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tanindrazana tahaka ireo hafa novolavolaina tanaty lasitra protestanta nandritra ny fanjanahantany. Jereo anie ny lalam-piainana nodiaviny:

Nianatra teny amin'ny sekolim-panjakana (Ecole Officielle) tamin'ny taona 1929 ary teny amin'ny sekolim-pinoana protestanta rehefa avy eo ( Teny amin'ny frenjy Ambohijatovo Atsimo 1933-1941 sy teny amin'ny Kolejy Paul Minault 1942). Nandalo teo ambany saokan'i Al. Ravoajanahary tao Ambohijatovo sy ny Mpitandrina Ravelojaona tao amin'ny Paul Minault). Nandritra izany fotoana izany dia notezaina ihany koa tanaty fanabeazana skoto (Tily eto Madagasikara) ho fanamafisana ny fanolokoloana tany an-trano nandritra ny takariva "amorom-patana" nampitiavan'ny rainy Mpitandrina ho an'ireo zanany ny teny malagasy. Nampianarina hahaleo tena fa tsy hiankina aman'olona hany ka na dia nahazo asa tao amin'ny Preservatrice Assurances ary nandray karama be tamin'izany aza (1942 - 1955) dia naleony nihafy nanorina gazety (hehy) niaraka tamin'ny rahalahiny Celestin Andriamanantena (1955 - 1966). Efa nianarana tany Strasbourg rahateo ny fanaovan-gazety.

Nanambady an-dRavololona Edwige izy ary nataony tamin'ny teny malagasy avokoa ny anaran-janany rehetra (enina ka manana ny anarana Noro, Ony, Lanto, Haingo, Andry, Rija...nitohy tany amin'ny zafikely ny nanomezana izany anarana malagasy izany) ary efa loa-jafy rahateo.

Maro ny karazan-talenta ananany ka ao ny fanaovana sary hosodoko, ny paik'afo (pyrogravure), ny Tosi-by (metal repoussé), ny kiky fitaratra (gravure sur verre) ary tsy latsa-danja amin'izany ny famoronana hiram-bavaka, hita tokoa ny tenany fa notezaina ho kristiana. Fa ny tena ahafantaran'ny maro azy moa dia ny tononkalo izay tsy nitsaharany mihitsy raha tsy amin'ny fotoana tsy ahafahany manao izany intsony. Izany no nahafahany namoaka boky fito miaty ny sasany amin'izany tononkalony izany dia Dinitra (1973), Ando (1977), Zo (1989), Sedra (1993), Ny teny Malagasy (1994), tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany (2002 ary ny Voninkazo adaladala (2003) sy ny fiteny roa (2008). Aza atao mahagaga antsika anefa raha mbola mety hisy ny asa sorany hivoaka aorian'izao nandaozany antsika izao. Ny fanalan'andro nankafiziny dia ny manjono, fitiavana notahafiny avy tamin'ny rainy, sy ny fiaraha-milalao amin-jafikely.

Ankoatra izany dia ananany avokoa ny mari-boninahitra malagasy rehetra... hahavariana ihany raha hahazo mari-boninahitra avy any ivelany izy satria nandala tamin'ny fony manontolo ny teny malagasy izy. Zavatra iray mampanontany tena ahy dia ny fahalalana izay heviny amin'izao fanoherana ataon'ny maro an'isa izao ny fampianarana amin'ny teny malagasy izao. Zavatra iray nahavelom-panantenana azy ny fitakian'ny mpianatra tamin'ny 1972 hampianarana azy ny zavatra mifanaraka amin'ny tontolo eto an-toerana ka nahatonga azy hahasoratra hoe "Mahazo maty". Tsy aritro fa omeko anareo aloha:

Isaky ny ady sarotra
izay manambana an-tokonako
Impiry aho no niady varotra
hitombo ny hery hitolomako?

Impiry koa no nirariako
hohalavaiina refy ny androko
hiarovako ny tiako
synyanjara masoandroko?

Ny sandry anefa ity toa trotraka
Kiry sisa mitsingevana
Raha mbola hiady sao dia potraka
fa efa hazo amoron-tevana!

Kanjo, indro, fa nitraka
ny zatovon'ny tanànako:
nifandrombaka sy naka
ilay "fanilo" teny an-tanako.

Nohirainy tsy miambatra
ny fitiavany ny taniny.
Nomeny toky fa ho sambatra
izato firenena maminy.

Lasa teo ny fieremako
ny adi-varotro nofoanako
"Mahazo maty ialahy, ry tenako!
Fa mijoro ny taranako"!

Rado 4 mey 1972

Nijoro tokoa manko ilay taranaka fa navilin'ny mpanao politika ny lalana, nosimbainy ilay filamatra ka maro no miaka-tosi-dra raha vao maheno teny hoe "fampianarana amin'ny teny malagasy". Misy ihany koa ny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa teny merina ihany io fa tsy teny malagasy ary fitadiavana hanaovana ny imperialisma merina sy fanandevozana ny tanindrana ny fikasana hampianarana amin'ny teny malagasy. Na izany na tsy izany lehilahy voky andro no nandao antsika ary ny mpanakanto tsy mba maty koa ho tsaroan'ny taranaka fara aman-dimby anie ny soa rehetra navelany ho antsika.

Ahoana ny hevitrao: Hivarotra ny tiko tokoa ve Ravalomanana?

2008-09-15 @ 16:32 in Toekarena

Manonjanonja moa ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao ka mandeha daholo amin'izay ny paik'ady rehetra. Tamin'iny hernandro iny no nisy do-tandroka nilazana fa mety hiala Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina. Tsy naheno izany filazana izany mihitsy aho aloha satria tsy maharaka gazety loatra rehefa dinihina. Dia nanambara moa ny Ben-ny tanàna fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoana iasany izy. Dia asa raha raha ao anaty paik'ady amin'izao fotoana izao ihany koa ny filazana etsy sy eroa fa hamidin-dRavalomanana ny tiko (ilay mpanao ny yoghurt, ronono ary fromage). Tsy ialany ny menaka sy ny vary, tazoniny ny magro sy ny mbs fa ilay tiko ihany no alefany.

Aminao ary: azo inoana ve izany mety ialan-dRavalomanana amin'ny  tiko izany?

 

Andry Rajoelina: Invité de zoma endriny hafa

2008-09-13 @ 10:19 in Politika

Ataoko fa nandrasan'ny maro ny resaka nifampitafan'i Onitiana Realy tamin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Andry Rajoelina amin'ilay fandaharana fifanazavan-kevitra isaky ny zoma ao amin'ny Tvplus. Io fandaharana io dia manana ny toerana fanaovana azy ao amin'ny trano fiasan'ny tvplus ao Anosizato Atsinanana ao. Izaho izany raha manoratra eto dia manana fijery mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, noho izany anjaranao ny mandanjalanja izay lazaiko.

Fanamarihana voalohany, fanindroany izao araka ny fitadidiako no vahin'ity fandaharana ity ranamana ity nefa dia samy tsy nisy tao amin'ny toerana (desk) fanatontosana ny fandaharana hatrany no nanaovana izany; ary araka ny fitadidiako hatramin'izay nisian'ny fandaharana dia i Andry Rajoelina irery ihany no nanaovana zavatra miavaka tahaka izao. Na Minisitra aza tsy nanaovana tahaka izany. Ny voalohany raha mbola kandidà ny tenany dia tany an-tokantranony no nanatontosana ny fandaharana. Nentina nanehoana ny hakanton'ny atitrano aloha iny e! Ny faharoa ity indray dia tsy fantatro loatra hoe taiza fa eo amin'ny pilipitran'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra aloha ny Ben'ny tanàna no mijoro na mipetraka... tsy fantatra loatra raha eo amin'ny sary. Mampanontany tena hoe mananjò hangataka toerana hanatontosana ny fandaharana tahaka izany ve izay asain'ny fandaharana invité de zoma rehetra sa fanajana manokana ilay nasaina izao natao izao. Tsy mazava amiko aloha eto ny fitsipiky ny lalao.

Faharoa manaraka izany, mety ho lafiny tsara raha mitohy fa mbola mampanontany tena ihany. Maro ny vahiny mipetraka ao amin'ny fandaharana... mipetraka manatrika eo ihany koa manko ny mpanao gazety avy amin'ny fampahalalam-baovao hafa vitsivitsy sy indrindra ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Ben'ny tanàna sy ny lohalisitry ny mpanolotsainan'ny TGV fony mbola kandidà (tsy adinoina ihany koa ny vadin'ny Ben'ny tanàna). Mila fanohanana maoraly avy amin'ny manodidina azy ve ny Ben'ny tanàna? izay angamba no maha-"fandaharana manokana" araka ny filazan'i Onitiana Realy azy.

Votoatin-dresaka amin'izay, nihaona tamin'ny filoham-pirenena tokoa ny tenany, resaka tekinika fa tsy politika. Amin'ny ankapobeny ny takian'ny TGV dia ny zony mba ho toy ny fahefana ananan'ny mpitondra nandritra ny valo taona teo aloha no ananan'ny TGV vao valo volana nitondrana. Nesorina tsikelikely tamin'ny Ben'ny tanàna manko ny fahefana rehetra teo ampelatanany. Voalohany indrindra tamin'izany ny fanendrena ny sefom-pokontany. Tsy mbola nisy fiovany amnko hatramin'izao ny sefom-pokontany.

Manaraka izany dia nosahiranina hatrany ny Mpitantana ny tanàna. Teo aloha ny filazana ny trosa tsy maintsy aloa, izay mahatratra 800 000 000Ar. NIteny hoy izy ny Banky Mondialy fa tokony ho foana manontolo tamin'ny famafana ny trosa tsy zakan'ny mpitrosa intsony iny trosa iny ka tsy tokony haverina intsony. Tsy maintsy voalaza koa manaraka izany ny resaka fako izay efa niteraka ny sahoan-dresaka tao ho ao. Voalaza ary, hoy izy, fa averina amin'ny CUA ny fisahanana ny fako, fa tsy ny SAMVA... izany hoe araka ny fahazoako azy dia notapahina ny fifanarahana tamin'ny SAMVA satria tsy nanatontosa ny asany ity farany araka ny fifanarahana - ny mety hampifangaro manko dia tsy ny SAMVA izany no averina amin'ny CUA.

Ho valin'ny filazana ary fa toa mimenomenona loatra ny Mpitantana an'Antananarivo (rehefa mandova fitondrana dia mandray ny actif sy ny passif rehetra) dia novaliany fa samihafa ny mimenomenona sy ny fitenenana ny zavamisy. Toa misy manko ny trosa "surprise". Momba ny gare routiere moa dia heveriny hatrany ho anatin'ny konokonon'ny hafa hatrany io. Nefa aleo hajaina, hoy izy, ny sata repobilikana, andraso ny fifidianana ho avy. Momba ny Lapan'ny tanàna kosa dia noho ny vesatry ny fanaovan-draharaha no mampitarazoka azy. Tsy maintsy natao, hoy izy ny "etude de sol" (torohevitra entina hamaliana ny tsikera io araka ny fijeriko satria tany efa nanorenana trano teo aloha ve no hadihadiana indray ny momba azy? nefa aleo ny manampahaizana ihany no hilaza ny zavamisy amin'ny fanaovana azy), fa ho fantatra amin'ny alatsinainy na talata ho avy izao ny hisahana ny fananganana ny trano.

Momba ny fanomezana alalana ny trano ivoriana moa dia nolazainy fa tsy afa-manakana ny fivoriana anaty trano ny tenany rehefa tsy misy mampiasa ny trano. Raha mangataka ny Zoma moa ny mpanohitra satria efa feno hatrany ny fandaharam-potoana ny sabotsy sy alahady maromaro. Izaho indray moa mieritreritra fa ny hivoahan'ny vaovao ho Asabotsy no tanjona ivoriana Zoma, eo manko no tena be mpividy ny gazety. Hatramin'izao ihany koa dia ny Kaominina irery ihany no manome alalana ny fanotorana tany, tsy misy afa-tsy iray ihany ny alalana nomena nandritra ny fotoana efa nandraisany ny fitantanana... malaza dia malaza manko ilay fanotorana tany eo amin'ny Digue amin'izao fotoana izao ka mahalasa saina izay rehetra efa nahita.

Momba ny lalana tsy voamboatra loatra sy feno lavadavaka indray dia nambarany fa tsy an'ny Kaominina irery ny fanaovana azy fa tokony hisy avy amin'ny FER (Fonds d'entretien Routier) ihany koa. Raha tany aloha nahazo vola 18 miliara Iraimbilanja ny Kaominina, ny anay kosa 3 miliara 500 hatramin'izao, tsy ahavitana afa-tsy lalana iray kilaometatra monja. Ny CUA anefa no mandoa vola betsaka indrindra ho an'ny FER. Aoka re tsy hatao zanak'Ikalahafa tahaka ny nanjò an'i Toamasina (sy Fianarantsoa) tsy nahazo na dia iraimbilanja tamin'ny FER ny CUA amin'izao fotoana izao.

Momba ny mpivarotra amorondalana izay miroborobo fatratra amin'izao fotoana izao dia noho ny fikatonan'ny Orinasa afak'haba vao nandroaka an-dalambe mpiasa mahatratra 6000 tamin'ity herinandro ity ary hiakatra ho 40 000 izany afaka roa volana no mahabetsaka ireny mpivarotra ireny. Ezahina noho izany ny hampidirana ireny mpivarotra rehetra ireny ho amin'ny sehatry ny ara-dalàna azy rehetra ary omena toerana malalaka dia malalaka avy eo ka tsy hisy fanampiny intsony avy eo. Eo amin'ity resaka ity aloha dia heveriko tsy hiditra amin'izany toerana izany mihitsy ny mpivarotra rehefa tsy amorondalana be olona izany. Any ihany manko izy araka ny fiheverany no mahazo vola ka mbola ho sahirana amin'izany ihany ny CUA araka ny fijeriko.

Izay raha atao ambangovangony ny resadresaka nifanaovan'ny Ben'ny tanàna tamin'ny mpanao gazety, satria nisy mpanao gazety hafa nanontany ihany koa. Misy ihany ny fanontaniana nanitikitika ahy tsy nolazaina tao. Ohatra: tsy efa niomananareo ve ny olana mitranga amin'izao fotoana izao sy ny olana hafa rehetra mbola ho avy? Aiza ho aiza ny vola azo tamin'ny FAR (Fitiavana an'Antananarivo Renivohitra) sa efa nitsaha-ketrika ny fitia tsy mba hetra nanohanan'ny be sy ny maro ara-bola ny TGV? Heveriko fa iray amin'ny vahaolana ara-bola mianjady amin'ny Kaominina izay voatery manao fitsitsiana manko ny mba mitatitra ny toy ireny. Ny tena fanohanana manko dia ny manampy izay atokisana fa hanatsara ny tanàna. Izaho manokana ohatra tsy manao izany satria tsy matoky ny itantanana ny vola aho, sady izaho koa anie tsy nifidy azy e!

Tokony ho anjara adidin'izay nifidy azy izany satria izaho ohatra efa nanambara fa tsy hanampy na hanome ny anjarany araka izay azo atao ny Kaominina tsy nifidy azy tahaka an'i Fianarantsoa sy Toamasina teo aloha mihitsy ny fitondrana foibe. Efa mahalala izany avokoa ny rehetra ka ny safidy natao mitondra adidy.

Farany, tsy te-hilaza mihitsy ilay Ray aman-dreny nanelanelana ny Ben'ny tanàna sy ny filoham-pirenena mihitsy ny Ben'ny tanàna satria ny filoha mpanorina ny avi teo aloha (Norbert Lala Ratsirahonana) izany araka ny gazety. Fantatra ihany anefa fa maro amin'ny mpiara-miasa akaiky amin'ny Ben'ny tanàna ankehitriny no fantatra tsara fa avi. Tsoriko fa mpanohana avi aho tany aloha fa tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ihany no nandrotsaka AME ho amin'ny mpanolotsaina ary TIM (fanindroany) tamin'ny Ben'ny tanàna.

Antananarivo Kaominina tsy mahavita azy!

2008-09-11 @ 10:52 in Politika

Dia miala tsiny aho fa hanohitra ny tohanan'ny be sy ny maro eto amin'ity Antananarivo renivohitra ity. Efa fantatra ihany hatramin'izay niasany izay fa tsy hahavita zavatra loatra izy fa fanaon'ny be sy ny maro moa ny miteny hoe "Avelao aloha izy hiasa". Miasa tokoa aloha izy e! fa rehefa vita tapany ny asa dia tena fandravana tanteraka no ataony. Tsy misy hojerena intsony ohatra ilay zaridaina teo amin'ny lapan'ny tanàna nokasaina haorina tsy fantatra izay tohiny.

Raha jerena dia ny hamefena ny toerana haingana araka izay azo natao no nokendrena tamin'iny volana mey iny... mba hanaovana fety eo tamin'ny volana jona, fa raha mbola teo manko ny zaridaina mahafinaritra iny sarotra ny hametrahana ilay sehatra hihiran'ny aritisita. Mba tsy hiverenana amin'ny fanapahan-kevitra intsony dia nongotangotana haingana avokoa ireo zava-maitso nanome endrika ity toerana ity. Rehefa simba tanteraka ny toerana dia sahirana amin'izay fa tazonin'ny fanjakana ny vola tokony ho anay. Tsy misy intsony ahitana taratra amin'izay mety hanohizana ny asa. Fa misy bandy tsy manjary koa, fa toa miray tsikombakomba amin'ny TGV, aloha ao amin'io fanjakana io e! Tsy hilaza ny zaridainan'Andohalo nandraofana ilay somary avoavo misolampy toerana namantarana ny fikabarian'ny mpanjaka taloha aho sao miteniteny foana eo.


Fa tamin'ny alatsinainy maraina raha andeha hanasa sary aho ka nandeha betax nandalo an'iny Anosy akaikin'ny Cercle Centre Franco-Malagasy iny no nahita fiaraben'ny Kaominina Antananarivo renivohitra mitondra rano mijanona soa aman-tsara mibahana ny lalana tokony andehanan'ny fiara. Manondraka ny voninkazo eo manko ny mpiasan'ny fivondronana (tsy laitra fa tsy manavanana ilay Kaominina e!). Satria asa no atao dia tsy raharahiana ny manodidina izay sahirana. Ianao rahateo fiarabe ary tsy hita mihitsy izay ao alohanao ho an'izay ao aorianao. Jereko ny fiara tao aoriana ka efa mahatratra anjatony metatra sahady no mikatso ao aoriany. Sao dia tsy ora hanondrahana zaridaina kosa tamin'io na tsy mety ny toerana nametrahana ny fiara?

Soa ihany aloha fa manana fantsona ry zareo fa raha izany no toy ny an'ny Fivondronana Mahajanga izay ny siny ihany no hanondrahana ny zaridaina dia asa fotsiny ny manjo ny rehetra. Mety hisy koa ny fihomehezana sy ny esoeso mihatra amin'ilay mpikarakara zaridaina.

Mbola resaka zaridaina ihany ary hiverina eny Analakely aho. Na ireo zaridaina sisa tavela aza manko dia miharatsy ny endriny no feno poti-pako any anatiny rehetra any. Nataon'ny mpitondra teo aloha angamba ka tsy hahazoana voninahitra ny manohy ny asany mikajy ho marevaka ity toerana ity. Ny manimba ny endriny tsy ahafahana maka sary tsy misy dokambarotra aza no natao. Vola miditra ho an'iza moa ireny tsatoby fametrahana dokambarotra eny anelanelan'ny zaridaina ireny? Amiko manokana efa nahakasika ny fetra tsy maintsy itenenana hoe aoka izay ny Kaominina nametraka ireny tsatoby fanaovana dokambarotra ireny. Aoka izay sao dia tahaka ny hita any Mahabibo Mahajanga tsy ahafahana mijery ny hakanton'ny tanàna no hitranga eto Antananarivo renivohitra ihany koa. Aoka koa aloha izay ity lahatsoratra etoana ity fa efa betsaka izay ny mitroatra satria ny tiana no kitikitihina.

Tim sa Distim? anao ny safidy!

2008-09-10 @ 11:59 in Politika

Alohan'ny zava-drehetra aloha dia lazaiko vetivety ny fiovana madinika amin'ny anaran'ny bolongana. Natao hoe Maharesaka VETO indray ny anarany satria mihamafana ny toe-draharaha eto Antananarivo raha ny avoakan'ny gazety no tsinjovina. Teraka indray izany fikambanan'ny vahoaka madinika izany. Miala tsiny aloha fa tena mankaloiloy ahy ny mandre izany fitenenana hoe "vahoaka madinika" izany fa ny parasy sy ny kongona no vahoaka madinika fantatro... koa raha te-hitovy torosy amin'izy ireny moa ry zareo atao akory.

Dia tahaka izay indrindra, Maharesaka satria izay rehetra tsy mifanaraka amin'ny eritreritro dia voapala avokoa na iza izy na iza. Tsy tongo-bolo ka tapenam-bava. Eto aloha dia ny Tim no mahazo ny anjarany. Tim sa Distim?

Raha mba manana fahalalana kely tahaka ahy ihany dia toa zavatra mifanohitra tanteraka ireo amin'ny fiteny tandrefana. Ohatra: Ny mifanohitra amin'ny qualifié dia ny disqualifié eo amin'ny teny Firantsay. Raha jerena indray ny teny angilisy ny mifanohitra amin'ny appear dia ny disappear! koa ahoana indray ity distim fototry ny tim ity? angamba manko raha natao hoe timdis dia milaza fa diso ny tim amin'iny. Raha izao manko mba hoe fivondronana ihany no nilazana azy fa tsy izany disitirika mba olana iray voavaha amin'ity anarana hafahafa ao amin'ny tim ity.

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox