Rado: Mahazo maty ve ny tenany? Fa iza moa izy?
Araka ny efa nosoratan'ny namana New2dago dia nodimandry halina (15 septambra 2008) ilay mpanoratra fanta-daza amin'ny anarana Georges Andriamanantena naka ny anarana malagasy antsoina hoe Rado. Efa naiditra hopitaly ny tenany tamin'ny herintaona ary mbola novelomin'aina ihany koa talohakelin'izao nandehanany nitsaitsaika tanaty alin-diavolana izao. Lasa izy raha mbola varian-dalao amin'izay manahirana azy avy ny manodidina azy.
Tsy dia mahalala zavatra betsaka azy aho. Tsy fantatro tahaka ny paosiko izy satria na ny paosiko aza tsy tadidiko akory izay nataoko tao anatiny ary tsy fantatro marina ny refin'ny halaliny. Izay kely fantatro ihany no ampitaiko mba hitovitovy ny fahalalantsika momba ity olomangan'ny firenena ity.
Zanaka mpitandrina ny tenany, teraka tamin'ny 1 oktobra 1923 (tapabolana sisa manko) ary Ankadivato ilay fonenana nahalehibe azy. Notezaina tanatin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tanindrazana tahaka ireo hafa novolavolaina tanaty lasitra protestanta nandritra ny fanjanahantany. Jereo anie ny lalam-piainana nodiaviny:
Nianatra teny amin'ny sekolim-panjakana (Ecole Officielle) tamin'ny taona 1929 ary teny amin'ny sekolim-pinoana protestanta rehefa avy eo ( Teny amin'ny frenjy Ambohijatovo Atsimo 1933-1941 sy teny amin'ny Kolejy Paul Minault 1942). Nandalo teo ambany saokan'i Al. Ravoajanahary tao Ambohijatovo sy ny Mpitandrina Ravelojaona tao amin'ny Paul Minault). Nandritra izany fotoana izany dia notezaina ihany koa tanaty fanabeazana skoto (Tily eto Madagasikara) ho fanamafisana ny fanolokoloana tany an-trano nandritra ny takariva "amorom-patana" nampitiavan'ny rainy Mpitandrina ho an'ireo zanany ny teny malagasy. Nampianarina hahaleo tena fa tsy hiankina aman'olona hany ka na dia nahazo asa tao amin'ny Preservatrice Assurances ary nandray karama be tamin'izany aza (1942 - 1955) dia naleony nihafy nanorina gazety (hehy) niaraka tamin'ny rahalahiny Celestin Andriamanantena (1955 - 1966). Efa nianarana tany Strasbourg rahateo ny fanaovan-gazety.
Nanambady an-dRavololona Edwige izy ary nataony tamin'ny teny malagasy avokoa ny anaran-janany rehetra (enina ka manana ny anarana Noro, Ony, Lanto, Haingo, Andry, Rija...nitohy tany amin'ny zafikely ny nanomezana izany anarana malagasy izany) ary efa loa-jafy rahateo.
Maro ny karazan-talenta ananany ka ao ny fanaovana sary hosodoko, ny paik'afo (pyrogravure), ny Tosi-by (metal repoussé), ny kiky fitaratra (gravure sur verre) ary tsy latsa-danja amin'izany ny famoronana hiram-bavaka, hita tokoa ny tenany fa notezaina ho kristiana. Fa ny tena ahafantaran'ny maro azy moa dia ny tononkalo izay tsy nitsaharany mihitsy raha tsy amin'ny fotoana tsy ahafahany manao izany intsony. Izany no nahafahany namoaka boky fito miaty ny sasany amin'izany tononkalony izany dia Dinitra (1973), Ando (1977), Zo (1989), Sedra (1993), Ny teny Malagasy (1994), tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany (2002 ary ny Voninkazo adaladala (2003) sy ny fiteny roa (2008). Aza atao mahagaga antsika anefa raha mbola mety hisy ny asa sorany hivoaka aorian'izao nandaozany antsika izao. Ny fanalan'andro nankafiziny dia ny manjono, fitiavana notahafiny avy tamin'ny rainy, sy ny fiaraha-milalao amin-jafikely.
Ankoatra izany dia ananany avokoa ny mari-boninahitra malagasy rehetra... hahavariana ihany raha hahazo mari-boninahitra avy any ivelany izy satria nandala tamin'ny fony manontolo ny teny malagasy izy. Zavatra iray mampanontany tena ahy dia ny fahalalana izay heviny amin'izao fanoherana ataon'ny maro an'isa izao ny fampianarana amin'ny teny malagasy izao. Zavatra iray nahavelom-panantenana azy ny fitakian'ny mpianatra tamin'ny 1972 hampianarana azy ny zavatra mifanaraka amin'ny tontolo eto an-toerana ka nahatonga azy hahasoratra hoe "Mahazo maty". Tsy aritro fa omeko anareo aloha:
Isaky ny ady sarotra
izay manambana an-tokonako
Impiry aho no niady varotra
hitombo ny hery hitolomako?
Impiry koa no nirariako
hohalavaiina refy ny androko
hiarovako ny tiako
synyanjara masoandroko?
Ny sandry anefa ity toa trotraka
Kiry sisa mitsingevana
Raha mbola hiady sao dia potraka
fa efa hazo amoron-tevana!
Kanjo, indro, fa nitraka
ny zatovon'ny tanànako:
nifandrombaka sy naka
ilay "fanilo" teny an-tanako.
Nohirainy tsy miambatra
ny fitiavany ny taniny.
Nomeny toky fa ho sambatra
izato firenena maminy.
Lasa teo ny fieremako
ny adi-varotro nofoanako
"Mahazo maty ialahy, ry tenako!
Fa mijoro ny taranako"!
Rado 4 mey 1972
Nijoro tokoa manko ilay taranaka fa navilin'ny mpanao politika ny lalana, nosimbainy ilay filamatra ka maro no miaka-tosi-dra raha vao maheno teny hoe "fampianarana amin'ny teny malagasy". Misy ihany koa ny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa teny merina ihany io fa tsy teny malagasy ary fitadiavana hanaovana ny imperialisma merina sy fanandevozana ny tanindrana ny fikasana hampianarana amin'ny teny malagasy. Na izany na tsy izany lehilahy voky andro no nandao antsika ary ny mpanakanto tsy mba maty koa ho tsaroan'ny taranaka fara aman-dimby anie ny soa rehetra navelany ho antsika.