Nahariharin'ny karatra

2009-03-31 @ 04:55 in Politika

Nitamberina tany amin'ny fitantarako tamin'ny faraparan'ny volana janoary indray ny saiko rehefa mahita ny zavatra ankehitriny. Nanao famorian'olona ny mpanohana ny TGV ny sabotsy 24 janoary 2009, feno ny kianjan'ny demaokrasia (ilay ilany natokana hivoriana io). Nidina avy hatrany teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ry zareo satria heveriny fa manana ny tanjaka amin'izay. Namaly izany tamin'ny alalan'ny fitsenana avy eny Ivato ny mpanohana an-dRavalomanana ny alahady 25 janoary 2009. Tamin'io fotoana io tsy nety nino izay nitantarana fa efa misy ny andian'olona natao hanakorontana sy hifandramatra tamin'ny mpanohana ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Teo ireo ankizy kely tsy mahalala izay hahafaty azy fa teo ihany koa ireo tena jiolahimboto manana sandry vonona ny hifampitana mihitsy amin'ny mpitandro ny filaminana mpiaro ny filoha. Nahavakisana fitaratra mihitsy ny fiara mpanaraka ny filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, ary nopotehina ny tetezana fiampitan'olona maomaorina kely izany nesorina tanteraka tsy ho hita intsony amin'izao fotoana anoratana izao (31 martsa 2009). Tonga ny alatsinainy 26 janoary 2009, ilay andro anisan'ny matroka indrindra tamin'ny tantaran'Iarivo sy Madagasikara, niditra tamin'ny lalao maloto tanteraka ny TGV, tamin'ny fandoroana ny RNM, TVM, MBS, Magro, ny foiben'ny TIM, nitohy izany fandrobana sy fandoroana izany ny talata 27 janoary 2009. Mbola nisy ihany ny nahasahy niteny ihany fa Ravalomanana no nampaniraka ny olona handoro ireo fananany sy fananam-panjakana ireo na dia efa mazava taminay aza fa heverina ho "Fahavalo" tanteraka ny filoha tamin'izany fotoana izany. Tokony ho nahatsapa kosa ny filoha tamin'izany fotoana izany fa efa tsy voafehiny intsony ny tafika fa manao izay tiany atao fotsiny, nandà ny hisambotra ireo olona mandoro trano ireo. Ny mpamonjy trano hay koa moa efa nahazo baiko ny tsy hamono ny afo velively. Nanomboka tamin'io fotoana io dia nisy hatrany ny fandrobana isaky ny mirava ny fivoriana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey.

Ankehitriny indray, efa hitan'ny rehetra eto Antananarivo, ireo olona voakarama na sivily na miaramila na polisy natao hamotika ny hetsika hamerenana ny ara-dalàna, satria hono hialana amin'ny fandrobana sy fanimbana fananan'olona sy manakana ny varotra tsy handeha. Tamin'ny sabotsy 28 marsa 2009 rehefa teny amin'ny toeran'ny mpitana hazo sy vato ary vy aho dia hitako fa tsy nandefasana baomba mpandatsa-dranomaso, na baomba mankarenin-tsofina mihitsy ny "mpiaro ny kianjan'ny 13 mey" afa-tsy indray mandeha teny amin'ny tokontany tsy misy olona. Ny tery amin'ny olona midina tsotra anefa feno dia feno ny baomba mpandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina nalefa taminy saingy tsy nihontsona ireo olona ireo ka efa nahakivy ambony ihany ireo tety amin'ny ilany mpisetrasetra. Tifi-danitra sy tifitra nikendrena olona vao nampihemotra ireo vahoaka betsaka noho izay voangon'ny TGV fony izy nanao fihetsiketsehana farany teo Ambohijatovo ireo. Ny baomba sy ny tifitra tamin'io fotoana io tany amin'ny olona nidina avy teny Ambohijatovo ihany fa mitady hametraka tantara diso ny gazety Ao raha sy l'express de madagascar (izay an'i Edgar Razafindravaha malaza ihany koa amin'ny fanaova-mofo nolazain'ny mpitondra jiolahimboto fa hampidina ny vidin'ny mofo dipaina) hoe samy nahazo anjara betsabetsaka avokoa na Ambohijatovo na 13 mey. Tsara angamba ny manasongadina fa tamin'ity fotoana ity no nisy fifamaliana voalohany ny teo amin'ny tafika sy ny polisy, tsy nanaiky ny hitifitra olona manko ny polisy ka nahatezitra ny tao amin'ny Capsat izany. Lasa namonjy ny tobiny moa ireo polisy ireo avy eo... samy manana ny baiko azony manko ny vondrona fa tsy iraisana toy ny tamin'ny andron'ny Emmo Nat intsony baiko.

Omaly alatsinainy indray, mody tsy nipoitra intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fanamiana fa "sivily" ihany no vonona hiaro ny kianjan'ny 13 mey. Nahazo henatra lehibe noho izay nataon-d"Razily" sy ny namany angamba ka naleo niova paika. Maro amin'ireo "sivily" ireo anefa no manana basy (kalachnikov) somary nanapahana mba ho mora afenina kokoa ilay fitaovam-piadiana. Nataony mihitsy izay hihantsiana ny olona hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hoe ny samy sivily no nifandona nefa dia nandrenesana feom-basy maro tao. Efa mailo dia mailo anefa ny mpitarika ny hetsika ho amin'ny famerenana ny ara-dalàna ka namepetra mafy ny mpiara-dia aminy, na dia misy tokoa aza ny tsy nanaiky izany baiko tsy handalo mihitsy ny kianjan'ny 13 mey izany fa hitady lalan-kafa hodiana na hamonjena asa. Efa nisy miaramilan'ny capsat nanao fitafian'olo-tsotra rahateo tao anatin'ny mpanao fihetsiketsehana. Reny mazava loatra ny fameperana ka dia ry zareo Capsat nanao fanamiana sivily sy ireo voakaraman'ny mpanao politika hitoratoraka indray no hanafika an'Ambohijatovo ka efa tonga teo anoloan'ny RM1, tsy atahorany hivoaka satria namana mahafatra-po tamin'ny tifitra nataony ny sabotsy lasa teo moa ny lohany tamin-dry zareo. Hatreo, mbola sarotra ny hamoaka ireo basy nafenina satria mbola voavaka tsara ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany. Azo lazaina kosa aloha eto fa efa manakaiky ny arivo any ho any ireto sivily vonona ny handrava tolona ireto.

Dia nanao fanambarana ihany koa ireo "gadra politika" navoaka fa hamory olona eo amin'ny kianjan'Ambohijatovo anio talata 31 marsa 2009. Efa nisy rahateo moa ny filazana nataon'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa tsy maintsy maka alalana indray vao mahazo mamory olona eo Ambohijatovo, izany hoe azo atao noho izany ny mandà ny fangatahana... paika entina handravana ny tolona avokoa moa izany. Mba hitandroana ny filaminana sy hialana amin'ny gidragidra moa dia naleon'ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna mandefitra amin'ity andro ity. Tsy maninona mety hisesisesy ny hetsika ataon'ny mpanohana ny tetezamita fa hahariharin'ny karatra ihany avy eo ny zavatra rehetra. Niaiky moa ny Minisitra tetezamita amin'ny filaminana anatiny fa tena samihafa tokoa ny tolona nataon'ny teo aloha sy ny ankehitriny na dia navadiny aza ny resaka avy eo. Efa tolona hafa mihitsy noho izany ny ady amin'ny fandefasan-dainga asesisesin'ny mpitondra tetezamita sy ny mpanara-dia azy amin'izao fotoana izao. Efa mibolistra tanteraka ny mpitondra ankehitriny... lainga indray ny afafiny nefa tsy ekena izany fa tsy maintsy haharihary ny marina.



Jentilisa, talata 31 marsa 2009 tamin'ny 06:55 maraina


28 marsa 2009: Ilay mahery fo tsy fantatra anarana!

2009-03-28 @ 22:16 in Politika

Andron'ny sabotsy 28 marsa 2009 andro mialoha indrindra ny fahatsiarovana indray ny ny 29 marsa 1947. Soa fa mbola misy ihany Malagasy tsotra, tsy ampoizinao, nefa hanamarika indray ny tantaran'i Madagasikara. Ilay tranga teo Andohan'Analakely ahitana lehilahy iray miakanjo maitso mitrotro kitapo mena manandratra avo ny sainam-pirenena Malagasy hitantsika any amin'ny vohikala hafa any no nampihetsi-po ahy indrindra tamin'ity tontolo andro ity. Hetsika manambara fahasahiana manoloana ireo miaramila malagasy mitondra basy efa hisambotra azy. Notapahin'ny vaovao mba nahitana ity fihetsika ity moa ny sary. Voadaroka ve ranamana sa nampiakarina tao anaty fiara pick up fotsiny? Ny fanatika minia mikimpy sisa no tsy mahita ny fihetsika maha-te-hidera nataon'ity lehilahy ity... Mahatsiaro latsaka ambany dia ambany eo anatrehany aho. Mahery letsy ialahy, fa tsy namaly ireo rehetra manoloana an'ialahy, tsy nandray vato ialahy mba hamaliana ny tsy rariny amin'ireto heverina fa tandroka aron'ny vozona natao hiaro ny vahoaka malagasy nefa mahasahy misambotra an'ialahy tahaka ireny hoe vahiny tsy miraharaha izay sainam-pirenena malagasy any izy, fa efa miaramila eo ambany fifehezan'ny firenena vahiny ve ireto miaramila ireto no olona tsy naninon-tsy naninona azy no samboriny? Efa nisy sahady koa moa taorian'ity lehilahy ity, fotoana fohy monja, no nanaraka ny nataony ary dia nosamborina ihany koa. Efa hatry ny nandraisan'ity mpandrobam-pitondrana ity ny fahefana no nahatsapako tao anatin'ny tenako tao fa niverina ho zanatany i Madagasikara, fa eto kosa... miharihary amiko tanteraka ny toe-draharaha. Toa te-haka ilay tamin'ny tononkalon'i Rado manao hoe: "Mahazo maty ialahy ry tenako! fa mijoro ny taranako!" iny aho. Ataoko fa hanana fifaliana ireo zokiolona tia tanindrazana raha mahita io lahatsary io! Sisa azoko natao: mitantara sy midera ny nataony.

Lasa adino tery ny isan'ny maty 3 (nolazain'ny matv ary tany amin'ny hopitaly miaramila soavinandriana io atontan'isa io) sy ireo maratra maherin'ny 30 tany amin'ny hopitaly. Tsy manamaivana ny nanjo azy ireo anefa sanatrian'izany! sady efa hitantsika rahateo fa tsy nisy nahasahy nilaza ireo fahafatesan'olona ireo na ny tvplus na ny rta. Milaza ny habibiana vitan'ny tetezamita manko izany ka sao mampihetsika ny hambom-pon'ny Malagasy. Izaho moa tsy afaka naka sary intsony fa simba ny fakantsary. Etsy andaniny ihany koa dia tsy maintsy namonjy toeram-piasana ihany koa aho, fa miditra amin'ny roa tolakandro manko. Na izany aza dia tsy maintsy hitantara aho ny zavatra hitako teo an-kianjan'ny 13 mey tamin'ity andro ity satria lalako handeha hiasa moa eo androany. Nihazakazaka nanala ny fiarany avokoa ny olona nanamorona iny manoloana ny 13 mey mizotra ho eny Tsaralalàna Conforama iny. Efa vonona amin'ny vato sy ny hazo kosa ny "mpiaro ny kianjan'ny 13 mey" mihoatra ny zato ary mihorakorak'hafaliana aoka izany isaky ny misy baomba alefa any amin'ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna. Mahasahy miteny mihitsy moa hoe: "ny novidian'ny dadan'ialahy ihany no alefa ho an'ialahy". Tsy anavahana izy ireto fa na lahy na avy ao avokoa. Efa miharihary fa tsy mikitika ireto mihitsy ny miaramila satria miara-miasa amin'izy ireo rahateo manko ireto mpitora-bato ireto.

Hitako tery lavitra tery ihany koa fa tsy nihontsona tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny baomba mankarenin-tsofina intsony ny mpanao fihetsiketsehana. Voatery nihemotra mihitsy moa ny miaramila. Ny mpitoraka kosa moa dia mahazo baiko ny haka ny lafin'Ambodifilao mandrakariva, any manko no betsaka olona tsy hahitana tsara izay tena mpitoraka. Ary dia raikitra ny toraka natao tamin'ireo lohalaharana! Taty amin'ny misy anay nahita tsara ireo miaramila nandeha tamin'ny pick up niala avy tany amin'ny nisy ny gara tany, somary nampiahotra ireo "mitora-bato" saingy tsy nataony na inona na inona moa ny "akamany" e!

Na izany na tsy izany, hilaza izay teny sy hevitra tsy ankasitrahako loatra aho. Tsy ankasitrahako ny tenin'ny senatera Lanto Rabeatoandro avy any Antsirabe miteny hoe: "raha mahay manapotika izy, isika koa mahay manapotika, raha mahay mandoro izy isika koa mahay mandoro..." tena tsy ao anatin'ny fanahin'ny tolona mihitsy manko io fomba fiteny io fa manosihosy mihitsy aza. Tsy ankasitrahako ihany koa ny mety ho fikasana hampidirana ny tafiky ny SADC satria izay fihetsika izay no andrasan'ny tafika frantsay efa miatrana any amin'ny nosy manodidina antsika. Hampizotra ny korontana ankehitriny hahatratra aman-taonany manko izany, ary mandritra io fotoana io no angalaran'ny mpanararaotra ny harena voajanaharin'i Madagasikara rehetra. Henatra ho an'ny tafika malagasy manontolo sy ny polisy rehetra miasa amin'izao fotoana izao rahatrizay ny tranga ankehitriny... satria hivandravandra ny fanekena ny halatra natao. Mahatsiaro ho tsy te-hifandray amin'ireto manana fitaovam-piadiana anatin'ny asany ireto mihitsy moa aho amin'izao fotoana izao.

Fa misy ihany koa ny zavatra tsara ampahatsiahivina ny mampaky, sady mbola tsy voalaza any an-kianja rahateo moa. Tsy miasa feno moa ny tiko amin'izao fotoana izao fa ny komandin'olona ihany no omena fahafaham-po. Aoka anefa ho fantatry ny mpamaky fa raha misy fiara mitondra ny entana amidin'ny tiko ka fantatry ny mpitandro ny filaminana dia raofin-dry zareo ho azy avokoa ireo entana ireo. Tsy "analana" velively amin'izay "trosan'ny tiko sy ny vondrona miaraka aminy" na oviana na oviana anefa ireny entana amidy ireny. Raha nanao fanambarana ny filohan'ny tetezamita tamin'ny zoma 27 marsa 2009 fa tonga ny vary izay hamidy mora, dia adidiko ny milaza aminao, fa vary nafaran'ny tiko saiky hanoloana ny vary efa norobaina tamin'ny volana voalohan'ny taona iny ireo vary ireo. Izany hoe, maka ny fananan'ny tiko maimai-poana izy ireo, ary dia amidy "mora" amin'ny vahoaka izany avy eo. Vary "halatra" izany no amidin'ny tetezamita amin'ny vahoaka malagasy mihevitra fa tena mitsinjo azy mihitsy ny tetezamita. Malahelo anaty fotsiny moa izahay mahafantatra ity vaovao ity.



jentilisa, alahady 29 marsa 2009 amin'ny 00:15 maraina

Fa maninona ny gadra politika no tsy mety tafavoaka?

2009-03-26 @ 04:25 in Politika

Araka ny iaraha-mahita amin'ny vaovao an-tsary amin'ny jery tsy miankina ohatra dia re fa nampiaka-peo ny gadra politika ny amin'ny mbola tsy namoahana azy ireo fa mbola ipetrapetrahan'izy ireo eny amin'ny resto gasy eny Anjomakely manaraka iny lalampirenena fahafito iny. Eto aloha dia tsara ny manasongadina tranga iray izay mbola tsy voantantara tsara hatramin'izao. Efa niarahan'ny rehetra nandre fa anisan'ireo noafahan'ny hivoaka ny fonjaben'i Tsiafahy ny kolonely isany Kotity sy Balbine. Tena tsy mety io filazana io hoe anisany io fa i Kotity indrindra no notadiavin'ny miaramila voalohany havoaka mialoha ny rehetra fa miandry ny sonia ara-panjakana fotsiny sisa. Tsy manaiky mihitsy ny miaramila hoe afaka ny hafa raha tsy io fanta-daza ho mpamono olona io aloha no afaka voalohany. Mahafantatra tsara anefa na dia ny fitondrana tetezamita aza fa na dia ny mpankasitraka azy aza tsy hanaiky velively izany trangan-javatra izany (nefa maro amin'izy ireo no tsy hanambara azy ampahibemaso aloha). Saingy, manosika mafy dia mafy ny miaramila izay nahazoany ny fitondrana ka eo no manahiran-tsaina indrindra ny ao amin'ny fitondrana tetezamita. Na tiany na tsy tiany dia tratran'ny kendarorok'ireo heriny ihany ny ao amin'ny fitondrana tetezamita.

Io toe-javatra io dia efa mampiharihary sahady fa tsy voafehin'ny mpitondra tetezamita velively ny miaramila, fa ny miaramila no "mibaiko" ireo mpitondra ireo. Fantatry ny mpitantana orinasa tsara io tranga io, hany ka na dia eo aza ny fangatahan'ny mpitondra tetezamita manerana ny orinasam-panjakana sy ny orinasa tsy miankina dia aleon'ireo mpandraharaha kokoa mandoa ny "rakitra" any amin'ny miaramila na dia mba mahazo ny anjarany ihany aza ny tena mpitantana ny tetezamita. Tsy mahagaga raha lasa mirobaroba mihitsy ny ao amin'ny tobin'ny Capsat amin'izao fotoana izao satria ry zareo no mahazo vola kokoa noho ny mpitondra. Tamin'ny voalohany ny miaramila no mitety orinasa maka rakitra fa ankehitriny kosa ny any amin'ny orinasa no mhazakazaka mandoa ny rakitra any amin'ny toby miaramila eny Fiadanana Soanierana indrindra indrindra. Tsy mba misy izany velively anefa any amin'ny toby miaramila hafa. Raha ny fomba fijeriko aloha dia toa izao toe-javatra izao no fanaon'ny mafia sy loharanom-bolany ihany koa. Dia samia mieritreritra isika mianakavy.

Manaraka izany, hita ho mihamitombo isan'andro ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ity fitondrana azo tamin-kery ity. Tafiditra anatin'izany avokoa ny sarangan'olona rehetra misy eto Antananarivo na dia somary vitsy an'isa kokoa aza ny avy eny ambany tanàna. Tsy mahagaga raha tsy mahazaka izany ireo mpanohana ny TGV mihevitra fa faritaniny tsy azo kitikitihina ny kianjan'ny 13 mey na dia ataonay ho lalana fandalovana fotsiny aza io toerana io. Manomboka eo anoloan'ny tohatoha-baton'Antaninarenina (tohatohabato Ranavalona voalohany) izany fihantsiana izany, ka nahantonga ireo teo amin'ny voalohan-daharana nihafihafy ka taty ampitan'ny fandehanana tongotra aza no nandeha an-tongotra. Nisy nahita izany ireo olona taty aoriandriana ka tonga dia nofehieziny mihitsy ny arabe iray manontolo, vaky nandositra aloha ny voatavo tsy mifandraka tsy mahalala izay hampididoza ho azy nefa miseho ho mpitolona politika mafana fo sahady. Raikitra indray ny fitorahana tavoahangy plastika feno amany. Niala fotsiny ny mpanao fihetsiketsehana fa tsy mbola namaly, satria zaza amam-behivavy mpanohana ny TGV saingy fantatry ny rehetra amin'ny fiantso hoe "Quatr'amis" ve no ifamaliana?

Fa ny tora-bato ataon'ny mpanohana ny TGV any ambadiky ny arcades amin'izay no somary bebe ka nampitroatra ny tanora  hamaly bontana, hita mihitsy fa te-hanjakazaka sy te-hanao ny fanaony ny mpanendaka sy ny mpanao an-keriny fa mody afenina ambadiky ny tolona politika ilay izy. Nahazo teny tsy hamaly moa ny mpanao fihetsiketsehana nefa ataoko fa tsy mety intsony ny mandefitra amin'izao tranga izao. Ireo any amin'ny faraparan'ny laharana hatrany manko no tena mahazo sotasota satria efa lasa manko ny maro amin'iny. Izany no nahatonga ny vehivavy sasany ho voaendaka tamin'ny alatsinainy ohatra (mibaribary fa te-hanendaka no tiana atao voalohany). Ny tena mahasorena manko dia efa misy zandarin'ny FIGN (ireo nioko voalohany tao amin'ny zandarimaria) iray kamiao niantsona hatramin'ny maraina teo amin'ny esplanade Analakely nefa tsy nanao na inona na inona mihitsy nandritra ny sotasota nataon'ny mpanohana ny TGV saingy niditra an-tsehatra amin'izay rehefa vonona ny hamaly bontana ny mpanohitra ny tetezamita. Mibaribary fa mankaloiloy an-dry zareo ny fandalovan'ny mpanao fihetsiketsehana an'Analakely rehefa hody. Hevitro manokana: aleo tsy mandefitra mihitsy manoloana izao sotasota izao satria mitady ny hanaovana an'Analakely ho toeram-panjakazakany ny mpangalatra, mpanendaka, mpandroba zatra ny fanaony tamin'ny fotoana nitolomany vao tsy ela akory izay. Omeo alalana ny tanora mpanao fihetsiketsehana hanafay ireo mitady hanakorontana ireo.



Jentilisa, 26 marsa 2009 amin'ny 06:23

21 mars 2009: sary hafa Ambohijatovo sy Mahamasina

2009-03-21 @ 22:21 in Politika

 Vao maraina tamin'ny fito ora no tonga tamin'ny taxi-brousse ny fiara maro avy any amin'ny faritany toy ny avy any Mahajangà sy Fianarantsoa na Ihosy. Hatrany lavitra any mba hanatrika ny fianianan'ny Filoha Avon'ny Tetezamita hotontosaina eo amin'ny kianjaben'i Mahamasina. Teo anoloan'ny Instat sy ny minisiteran'ny Asa Vaventy avokoa ireo fiara ireo no nanatitra ireto mpitolona avy any amin'ny faritany ireto. Mbola tsy nisokatra ho an'ny besinimaro ny kianjaben'i Mahamasina amin'io fotoana io. Marihina tokoa moa fa raha nandalo teny Mahamasina aho ny omaly Zoma 20 marsa 2009 dia tsy maintsy nosavaina avokoa ny entan'ny ankizy mpianatra hanao fanatanjahantena ato anatin'ity kianja ity. Efa mailo dia mailo tokoa ry zareo fandrao manko misy "Menalamba" tafiditra tampoka eo any an-kianja any.

 

 

 Tsy azo nidiran'ny fiarakodia kosa ny lalana manomboka eo amin'ny rond-point manoloana ny lapan'ny Antenimierandoholona ka hatreny amin'ny tsangambaton'ny Firaisambe Afrikana ery anjoron'Ambohitsorohitra ery. Ny tena mahavariana ahy amin'ny fandaminana ataon'ny mpikarakara ity lanonana ity dia ny nanaovana lalatokana ny avy any amin'ny tonelina (lozoka)  Ambohidahy ka hatreny amin'ny rond-point Ampatsakana. Ny avy aty Ampefiloha sy 67ha ary Isotry dia tsy manana fahafahana mizotra ho any Ambohijatovo mihitsy fa na miverina mankany Isotry mandalo Tsaralalana iny no mankany Analakely, na voatery mihodidina mankany Ankadimbahoaka sy Soanierana, Tsimbazaza na Manakambahiny iny. Voasazy hiodidina avokoa noho izany izay rehetra tsy manana anton-dia ho any Mahamasina ka tsy mahalala io fanapahan-dalana tampoka io. Ny fiara fitaterana moa no tena voa mafy indrindra satria lany fotoana be dia be. Mba iza koa ary no nibaiko ny fandaminana ny fifamoivoizana tahaka izao? Fantatra ihany mankony fahavitsian'ny lalana eto Antananarivo renivohitra.

 Ireo fiara hatrany amin'ny tonelina Ambohidahy kosa dia tonga dia mivantana mandalo an'Ampefiloha fa tsy mametraka olona any amin'ny fiantsonana eny Mahamasina, na Anosy intsony. Voasazy mandeha an-tongotra noho izany izay avy any amin'ny faritra atsinanana sy avaratra any kanefa hizotra ho any Anosibe ohatra. Sazy ho an'ny mpandeha an-tongotra tsy te-hiditra ho any an-kianjan'i Mahamsina ihany koa izany. Tsy mahagaga loatra noho izany raha maro ny mpandeha an-tongotra manaraka iny lalana manoloana ny rindrin'i St Michel manamorona ny farihin'Anosy iny. Heveriko ho politika hisarihina ny olona sao dia hivily lalana hanatrika ny fianianana moa izany saingy samy manana ny anton-dia ny olona fa tsy hoe tsy manana atao te-hivezivezy fotsiny tsy akory.

 

 

 Vory lanona tokoa ny mpanatrika ity lanonana ity, hatramin'ny mpiandry izay hitako nihamaro ny isany (toa mpiandrin'ny FLM toby fanantenana 67ha no maro amin'izy ireo sady tao anatin'ny fikarakarana ny fotoam-pivavahana tao Mahamasina rahateo ny Pastora Péri Rasolondraibe, ka dia nisara-kevitra aloha izahay amin'ity resaka ity) ka hatramin'ny mpitandro ny filaminana miandry ny manodidina ny tanàna. Samy ao avokoa moa ny karazany telo amin'ny mpitandro ny filaminana koa azo heverina fa karazany voafehin'ny tetezamita tokoa ireto mpitandro ny filaminana ireto. Samy manana ny lohany sy ny fomba fisainany tokoa ny olona.

 

 Mandeha am-pianakaviana mihitsy kosa ny mpanohana ny TGV hamonjy ity fotoana ity. Hatramin'ny antitra ka hatramin'ny zaza dia mandeha avokoa, mazava loatra fa maro an'isa dia maro an'isa tokoa ny zaza sy ny tanora no te-hijery fety indray. Tsy maintsy mba manao tsaratsara kosa  fa nandresy ny tolona koa. Fa na izany aza dia mbola hita hatrany ny tsy fahaiza-mandamina olona. Misy ny ahitana filaharana lava dia lava, nefa ny vavahady lehibe hidina, nefa dia misy ny vavahady no miandry olona hosavaina sy ampidirina. Izy io dia tsy ankifidy fa na malagasy ianao na vahiny (nahazo fanasana manokana toy ilay hita manao complet amin'ny sary io) tsy maintsy atao ny fisavana. Ny tsy fantatro fotsiny, satria tsy nahita vehivavy mpisava aho, dia hoe ry zalahy ihany koa ve no misava ny vehivavy? Tsapan'izy ireo ve fa mety hanafintohina olona raha ny lehilahy no hisava vehivavy? Enga anie mba ho diso hevitra aho!

 

 

 

 

 

 Fa ny tena nampiaiky ahy, ary mety ho fampitandremana ho an'ny mpitondra vaovao amin'izao andro voalohany maha-ofisialy azy izao dia ny nahafahan'ny olona maro niara-nientana tampoka teo nefa tsy manana haino aman-jery loatra intsony aza ny mpanohitra ny tetezamita amin'izao fotoana izao ary tsy nisy ihany koa ny filazana an-gazety. Efa nosoratako ihany fa maro loatra ny toerana nokasaina nifamorivoriana saingy ny toerana roa ihany no toa tena fantatra avy eo dia ny teny amin'ny fanaovam-baolina eny amin'ny digue akaikin'ny tetezana ho any Ambohitrinimanjaka sy ny teo amin'ny zaridainan'Ambohijatovo. Tena tsorina aminareo, fa ankoatra ny teto amin'ny sehatry ny siniben-tserasera, dia ny antso finday sy ny SMS ihany no tena niasa hamoriana izao olona hitanareo izao. Fitenenana kely roa segondra fotsiny tao amin'ny vaovaon'ny tvplus madagascar omaly zoma 20 marsa 2009 no nahataitra ny mpanohana an-dRavalomanana. "Mikasa ny hamory olona eo amin'ny kianjan'ny demaokrasia Ambohijatovo kosa ny tsy mankasitraka izao fitondrana tetezamita izao rahampitso Sabotsy", izay fotsiny no teny rehetra natao mikasika ity fihaonana teny Ambohijatovo izao dia nahavory ireo olona hitanareo ireo. Andro voalohany isika, amin'ny alatsinainy indray koa ny andro faharoa, ary tsy hifarana raha tsy miala koa izao fitondrana tetezamita izao.

 

 Ny mahahafakely azy ity ihany koa dia tsy nisy fikambanana nijoro nikarakara azy fa olona niray hevitra tsy manaiky ny endrim-panjanahantany vaovao entin'ny "Taranak'i Gallieni Vaovao" sy ny fanalam-baraka ny Malagasy amina fanonganam-panjakana izany no nanamasaka ny fotoana. Nisy ny nifamotoana mialoha, omaly teny an-jaridainan'i Mahamasina, olona vitsy izy ireo, no lasa nifanenjika tampoka tamin'ny Capsat ka voasambotra tamin'izany ny iray tamin'ny mpikarakara... Tsy mbola nilaza ny famotsorany avy tany amin'ny Capsat moa ranamana izay fantatra amin'ny fanampin'anarana hoe Jules io ka asa na mbola tsy navotsotra na tsy sahy intsony rehefa nogidrahan'ny Capsat tao amin'ny tobiny. Ireo mpikarakara no namoaka vola am-paosy hahazoana manofa fanamafisam-peo hanentanana ny olona. Olona mafana fo tsy anaty fikambanana politika noho izany no maro amin'izy ireto ka azo heverina ho karazana "Menalamba" ao anatin'ity taonjato faha-21 ity. Saingy "Menalamba" tsy mivonona ny handroba sy ny hamaky trano velively. Eo no tena mila fitandremana satria mety homora mibirioka raha vao tsy mafy ny fifehezana. Tsy nisy mpanao politika fantatra tao na dia iray aza, fa ny hany fantatro manokana kosa dia i Gégé Rasamoely,mpanentana tao amin'ny RNM taloha no sady mpilalao fototra tamin'ny oronantsarimihetsika vaovao mitondra ny lohateny hoe "Horombey" iny.

 

 Tsorina ihany koa fa tena tsy manana programa matotra mihitsy ireto "Menalamba" mpanentana ireto fa dia samy afaka miteny avokoa izay te-hiteny rehetra. Eo ny fanentanana, eo ny tononkalo ary eo ny fanarahana hira izay ahafantarana ny filoha Marc Ravalomanana moa. Ny hany masaka dia ny hoe atao isan'andro ity raharaha ity ka eny Ambohijatovo no fotoana. Ny manahirana moa, dia misy sahady ireo mihevitra ny ho eny amin'ny kianjan'ny 13 mey avy hatrany. Noho ny hafanam-po dia efa mitady hizarazara sahady ny hevitra. Izaho manokana moa dia aleo ihany aloha eny Ambohijatovo mandra-pahatongan'ny 29 marsa 2009 izay efa karazana fotoan-dehibe andrasan'ny maro sahady. Mazava loatra fa mety hanatrika ny fotoam-pivavahana karakarain'ny FJKM ny "Menalamba" amin'ny alahady heriiny ary avy eo dia manao rodobe mankeo Ambohijatovo eo amin'ny tsangambaton'ny MDRM na iza efa ao na iza. Tsy maintsy atao henon'i Madagasikara manontolo ny hetsika. Raha sanatria koa moa voasakana anelanelan'andro izao hetsika hamerenana amin'ny toerany ny mpitondra nesorina an-keriny izao, tsy hisy hahasakana na fiadiana na fandrahonana rehefa tonga ny andron'ny 29 marsa 2009.

 

 

 Rehefa noravana mialoha ny rehetra mba tsy hifanena amin'ireo izay avy any Mahamasina, na dia noferana mafy aza hoe "tonga dia mody" fa tsy mivilivily lalana dia mbola nirohotra nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey hatrany ny ankamaroan'ny mpanatrika. Nampihomehy moa fa nisy ny diso hevitra mbola nanao marika V hatrany, ka voasioka avy hatrany moa. Marihina fa ny avy teto Ambohijatovo no nandalo an'Analakely voalohany, ary hitako fa nilamina tsara ny olona rehetra nidina avy any Ambohijatovo ka hatreny Analakely... tsy nisy fanimban-javatra natao na dia kely aza... fa rehefa tonga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey izahay dia niparitaka avy eo. Nirava ihany koa ny avy eny Mahamasina dia namonjy an'Analakely tahaka ny dia nataonay, tsy fantatro kosa aloha izay nitranga tamin'ny fandalovan'ireto andiany avy tany Mahamasina ireto fa malaza koa manko (ny tsaho fa) namaky ny fitaratry ny fiara izay tsy mitovy hevitra aminy, hono, ireo nizotra nanaraka iny Analakely iny. Ny karazan'ny ankamaroan'ny olona nandeha fotsiny dia mety ahatarafana hoe iza no mety hahavita zavatra mamoa-fady.

 

 Mariho ary fa ny sary ato ka mampiseho an'Ambohijatovo sy Analakely dia sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny tetezamita fa tsy avy eny Mahamasina izay nandalo teo ihany koa tao aoriananay. Asa aloha izay ho fandehan'izao raharaha izao satria mbola azo heverina hatrany  fa hetsika tsy manana lohany ity hetsika ity. Misy ny manao hoe "biby tsy manan-doha tsy mandeha"! nefa mety hipoitra avy amin'ity hetsika ity ny mpitarika vaovao mety hahatsapa ny adidiny hirotsaka lalindalina kokoa amin'ny raharaham-pirenena. Tamin'ny roa latsaka fahefany izahay no niparitaka avy teo an-kianjan'ny 13 mey!



jentilisa, vita ny soratra ny 22 marsa 2009 tamin'ny 02:15 teto Antananarivo.

 

Misaritaka loatra ny hetsi-panoherana sabotsy!

2009-03-20 @ 23:17 in Politika

Be ireo mihevitra ny hihetsiketsika ny sabotsy 21 marsa 2009 izao. Kely fanantenana ihany aho satria karazany hoe ora farany vao naheno ny vaovao sasany. Mikorontana ihany koa ny zava-drehetra. Ny sasany milaza ho etsy Ambohijatovo, ny hafa eny anoloan'ny 13 mey, misy ny eny amin'ny 13 mey avy hatrany. Ao ireo manao hoe eo anoloan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, misy ny miteny eny anoloan'ny Masoivoho frantsay. Dia aiza ihany izany no izy? Hita tokoa hoe "menalamba" ka lasa samy te-hitarika noho ny hafanam-po. Mbola manana fahabangana lehibe noho izany ny manao ity hetsi-panoherana ny fitondrana tetezamita ity: ny fifandaminana sy ny famondronana ny hery!

Ekeko tokoa fa tsy misy afaka manakana ny hetsika kasaina atao Sabotsy nefa misy ny fotoana iray izay tsy azon'ny sasany sakanana dia ny Alahady 29 marsa ho avy izao. Ny eto Antananarivo nantenaiko ihany mba hanao fotoan-dehibe ny FFKM saingy asa angaha inona no mahazo azy. Maninona ny eto Antananarivo raha amin'io alahady io eny Mahamasina miaraka amin'ny FJKM? Misy iomanana tsara koa amin'izay fotoana izay fa toa ady koropaka mety ho afo-mololo fotsiny izao fisaritahana izao ka tsy hahavitan-javatra. Enga anie mba hahay hivondrona isika ary samy hametraka ny 29 marsa any amin'ny misy antsika tsirairay avy ho fotoan-dehibe. Aoka noho izany mba hahay hiomana tsara isika fa tsy entin'ny fo ka mety hahavita zavatra tsy mety sanatrian'izany! tsy aleo ve atomboka amin'ny fotoam-pivavahana ity, eny fa na dia mety ho reformé fotsiny aza ny fotoana amin'ny Alahady 29 marsa 2009 dia izay indrindra ny fotoana ivoriana. Azo atao ihany koa anefa ny miaraka amin'ny an'ny FFKM tokony hisy ny tolakandro, satria fanao isan-taona izany! Tolo-kevitra ampahibemaso ny ahy ry zareo fa anareo no mandinika!



jentilisa, 21 marsa 2009 amin'ny 01:46

Hatezerana sy ompa izany azoko androany izany an!

2009-03-19 @ 21:40 in Politika

Aza taitra amin'ny lohateny ianao, na dia misy fahamarinany ihany aza izany nanjo ahy izany. Nanomboka androany alakamisy 19 marsa 2009 no tena nanaovako ity fitsapana ny hevitry ny olona amin'ny ankapobeny amin'ny toe-javatra ankehitriny. Tsy afaka miteny ny any ivelan'Antananarivo aho fa izay azoko nanaovana izany no nanaovana izany, ireo mpifanena sy mifankafantatra tarehy fotsiny fa tsy voatery ho mpifanerasera. Sarotra fantarina amin'izay tena ao am-pony ny olona fa tsy maintsy itadiavana hevitra tsy ampoizina. Tsy miresaka amin'izay efa tena fantatro hevitra intsony aho fa ireo tena baraingo amiko ny safidiny no nanaovako ity andrana ity. Ahoana ary hoy ianao? Etsy ary fa zavatra tsotra ilay izy!

Rehefa hitako mitady hila resaka ilay olona dia vetivety dia fantatra ny heviny. "Ahoana e? Dia arahabaina fa nahazo filoha vaovao isika e!" na "arahabaina fa nahazo filoham-pirenena vaovao isika e!" na "arahabaina fa nendresy ny tolona e!" sady mitady ny tanany hoharabaina ianao. Eo noho eo ihany dia azonao ny valiny. "Filohanareo izany fa tsy anay!" na "izahay tsy nifidy azy" na "Filoha amin'ny ahoana koa e?", ireo no atao hoe valinteny mihaja indrindra fa betsaka ny nanompa tamin'ny valin'arahaba... Fa ahoana kosa? hoy aho nanatsafa, ary dia ambarany tsy miahotra ny heviny. Tena variana aho fa maro dia maro tokoa no tsy mankasitraka izao fitondrana tetezamita izao. Tsoriko kosa fa misy dia misy tokoa ny faly sy ny mamaly tsy sazoka fa vitsy dia vitsy ry zareo mitaha amin'izay tezitra. Tsy haiko aloha fa mety ho nisafidy loatra izay nanontaniako angaha aho.

Zavatra iray azoko notsoahina avy amin'io dia ny mety ho fahatsapan'izay miresaka amiko fa ny tsy mankasitraka no maro kokoa noho izay mankasitraka sy faly. Lazain'ny gazety sy haino aman-jery vahiny diso fantatra moa fa maro ny nifety tamin'ny fotoana nahazoan'i Andry Rajoelina ny PHAT (Présidence de la Haute Autorité de la Transition), saingy raha notarafina tety amin'ny nisy anay aloha, isy dia nisy tokoa ny nitabatabam-pifaliana fa ny hafa kosa nangina toa tsy niraharaha izany. Mety hisy ihany koa anie ny fahamenarana noho ny zava-mitranga e!

Izany eo ihany, fa tezitra toa nanao fandrahonana ambadika mihitsy ingahy Komandà nitondra ny filohan'ny FJKM hogadraina tany amin'ny tobin'ny Capsat, ary ny heloky ny pasitera tamin'izany moa dia mbola naveriny tamin'ny mpanao gazety ihany fa "mpamadika" izy, henjana koa izany antom-panenjehana izany! Tsy mendrika ny maha-pasitera anao, hoy ranamana ny ataonao, mamorona fotsiny fa "tsy nisy nampisotro amany azy izany". Nanao fanambarana manko ny foibe FJKM ka niteny izany fampisotroana fivalanan-drano nampanaovin'ny miaramila azy izany tamin'ny iray amin'izy ireo ny Mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina. Nanao fotoam-pivavahana moa ny FJKM teny Andrainarivo fahasoavana omaly, ho an'ny filohan'ny FJKM, noho ny fisamborana azy ary nahazo olona io fotoana io na dia tanaty ora fiasana aza. Heverina fa mbola hanao izany ny FJKM indray alahady, ka na inona na inona fandraisanao azy, zavatra hafa no mety ho fandraisan'ny olona azy ka entiny hanehoany ny "heviny" izay tsy voatery hankasitraka izao fitondrana voafidim-bahoakan'i 13 mey izao io fotoana io raha tanteraka, hanehoany olona ihany koa fa tsy matahotra ramatahora velively ny olona fa mitady filaminana kosa. Mety hisy zavatra hitranga amina fiangonana FJKM (fandrobana na fahamaizana) iray va re? Enga anie ka tsy hisy satria hiampanga tena izy raha mitranga izany! Na izany na tsy izany miandry ny Asabotsy sy izay fahamaroan'ny olona ho tonga eny Mahamasina ny mpitazana. Niniako natao koa ny "manasa ny olona" ho tonga eny fa ahafantarana ny hevitry ny olona ihany koa io, rehefa miala bala izy dia fantatrao avy hatrany ny heviny... na tsy voatery ho marina 100% aza izany paikako izany!




jentilisa, 19 marsa 2009 amin'ny 23:40

Ho an'ny tanindrazana!

2009-03-18 @ 21:54 in Politika

Variana dia variana aho rehefa nilaza indray ny Masoivoho Amerikana fa sady tsy mampialoka ny filoha teo aloha Ravalomanana izy no tsy eo ambany fiarovana araka ny re na novakiana omaly ity filoha malagasy teo aloha ity. Azo heverina fa noho ny fanerena mety ho mahazo an-dry zareo no mahatonga izany filazana izany indray. Fantatra ihany ny mokon-dohan'ireto miaramila mpioko ireto ary nahita ny endrikendriny rahateo ny masoivoho Amerikana omaly talata 17 febroary 2009. Tsy te-ho voateritery ry zareo na ho tratran'ny tsy ampoizina avy amin'ireto mitana ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Mety ho vitan-dry zalahy manko ny maka teratany Amerikana ho takalon'aina raha mijery izao fomba fihetsiky ry zalahy izao. Lasa mitaintaina tsy fidiny ny mpanohana azy mieritreritra izay tokony ho misy azy mivady mba ray aman-drenin'ny Malagasy ihany. Lasa tsy gaga aho ohatra raha tsy fantatra marina izay manjò ny filohan'ny FJKM amin'izao fotoana izao. Efa tafody ve sa mbola nohidian-dry zalahy? Azo heverina ho akaikin'ny filoha Ravalomanana manko ity mpitondra fivavahana ity ka sady ataon'ny mpioko lasa mpanjakazaka ankehitriny ho karazana takalon'aina no mety tereny ihany koa hilaza amin-dry zareo izay misy ny filoham-pirenena.

Fa hiverina kely any amin'ilay filazana ho ody ratsy sa sampin-dRavalomanana aloha aho. Misy manko ny milaza fa azon'ody izahay itony ka tsy mahita ireny mivandravandra amin'ny sary ireny. Tao amin'ny tvplus moa dia miserana vetivety loatra ny zavatra naseho, hany ka mahatonga ny eritreritra fa fanasoketana ihany koa no tena betsaka. Ny tena betsaka tamin'ireo "ody" sa "sampy" ireo (na izany aza moa tsy hain-dry zareo loatra ny nanavaka ireo zavatra roa ireo) dia karazana tavy tanimanga mora vaky miendrika ondrilahy (nefa averimberina foana ho osy) izay nolazaina moa fa tao ambany lampihazo iray izay (toa ivelan'ny trano izy io fa tsy sahy mitompo teny fatratra aho) no nahitana azy. Dia eo ny hazo mpanjakaben'ny tany miendrika tehina roa mazava loatra fa mety ho niankina tany anaty trano tany; izaho kosa indray tsy mahalala loatra ny "hasin'izy itony" na dia fahitako tsindraindray aza, ary misy talenta ny fanamboarana azy ireny ho ravaky ny trano na dia mety ho avy amin'ny hazo tsotra aza no nakana azy (karakaraina manko izy ireny fa tsy hoe hazo mairy malagasy, ary tena tsiambaratelo ho an'izay mahalala azy ny fomba fanamboarana itony mpanjakaben'ny tany itony araka ny tafa avy amin'ny olona iray zatra azy itony).

Dia eo ihany koa ilay hoe peratra "alliance" teny amin'ny vavahady. Mahavariana izy itony, saingy tsy fantatra loatra izay nametraka izany peratra izany tany ambanin'ny tany teny am-bavahady. Nandehandeha hatreny ve izy dia napetrany tao sa olona no nirahiny handevina azy itony? Efa mba olona maro ihany manko no nifandimby nampiasa io trano io saingy Ravalomanana moa no niantrano farany tamin'ity toerana ity. Manaraka izany indray ilay sokitr'ondrilahy na osilahy (ondrilahy no tokony ho izy kokoa raha ilay tandroka miodina ambany fa tsy miranga tahaka ny tandrok'omby ireny; fa ianareo hatrany no asaiko mitsara hoe inona tokoa) kely volamena fametraka ambony birao fiasana ireny. Tsy mety izy ity raha atao am-paosy na atiritirina omem-panajana fa tena fametraka ambony birao ihany no mety aminy, tsy mety ho fitondra ihany koa izy ity. Nolazaina moa izy ity fa mariky ny devoly, tsy hitako izay ambara fa raha toa ianao mba manana haingon-databatra mahafinaritra ny masonao ny mijeryazy eo amin'ny biraonao, mahimahiana ihay fandrao dia io no sampinao. Mety hisy moa ny hilaza hoe tafahoatra kosa ny fahamaroan'ny osy (ary eto kosa dia averiko indray fa ondrilahikely volamena) manodidina an-dRavalomanana, dia hoy aho hoe fitiavana io, ka raha izay fitiavana tafahoatra mba mahita zavatra tahaka ireny no atao hoe sampy dia tsy hitako izay ambara. Raha tena notompoiny ireo zavatra ireo nataony nanaraka azy fa tsy navelany irery tato amin'ity lapa ity, raha atao hoe azy koa aza!

Manaraka izany indray moa ilay sarintanin'i Madagasikara maneho ny faritany dimy (mba sary taraiky be koa izy izany fa mety ho talohan'ny lalàna lasitra 1956 aza raha  izany) misy sariolona manodidina ka ny sarin-dravalomanana no eo afovoany indrindra. Mariky ny fanjakazakana an'i Madagasikara hoe izy io. Raha mahita ireny sarintanin'i Madagasikara ireny ianareo ka ny sarin'i Manjakamiadana (indrisy! tsy hotohizana intsony ve ny fanamboarana io lapa io amin'izao Ravalomanana namindra ny fahefana izao?) eo afovoany dia maneho ny fanjakazakan'ny Merina angamba izy ireny na fitadiavana hamerina ny fanjakan'andriana. Fa iza tokoa re no nametrka izany tao e? Eo ihany koa ireo "voanjavatra sy ranomanitra": Eto indray mety ho azo eritreretina tokoa ny fironana ho amina finoana saingy mety hahavariana ny sasany angamba ny hitsidika tranona karana raha mahita tahaka itony... nefa fandroahana bibikely ihany koa manko izy ireny e! Raha anaty finoana tokoa no anaovana ireo rehetra voalaza ireo dia mety ho fihoarana amin'ny finoana kristiana protestanta mihitsy fa raha tsy azy ireo ohatra, na zavatra toy ny zavatra rehetra kosa dia fanasoketana marindrano, sady ny haha-afa-baraka ny filoha ihany koa anie no tena tanjona e! Tsarovy anefa fa efa nandritra ny alina aloha no nifehy ny toerana ny miaramila mpioko, nefa efa mazava kosa vao nanao ny asany ny mpiandry. Fomba fijeriko izay! fa raha sanatria moa ka ao anaty finoan-dRavalomanana tokoa ireo zavatra ireo dia tsara ho azy tokoa ny "miala sasatra aloha" mialoha ny hiverenany indray.

Dieny eto ihany isika, mitovitovy tahaka ity ihany koa manko ny tao amin'ny lapan'Iavoloha tao. Tanàna azo lazaina ho milamina izy io raha hevitreverina ho niala tao ny filoha Ravalomanana, saingy rehefa nifehy azy tamin'ny takariva ny Capsat, nanjakazaka tao an-dapa nandritra ny alina, dia tokotany mikorontana tanteraka indray no hita tao an-dapa. fanaka miparitadritaka any an-tokotany sy potipotika ao an-trano no hita. Izay vao miaraka amin'ny minisitryny filazam-baovaon'ny governemanta an-dalambe nahazo fahefana, dia efa tsy kaonty intsony amiko. Ny fiaran'ny Capsat ihany manko no hany afaka nifamoivoy ary nahita ny entana ihany aho tanatin'ireny kamiao fitondran-dry zalahy ka takonan-dry zalahy na tomeriny tsy ho hitan'ny olona izay nentiny saingy nahita ihany aloha aho. Fakam-panahy koa mahazo olombelona e!

Tokony ho efa mifarana hatreo aloha izany ity tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ity! Nanamarika izany tamin'ity taona ity ny loko volomboasary nefa tsy tokony hohadinoina ny nangaronan-dry zalahy ny paosin'ny "minisitry ny filaminana anatiny" nandritra izany tolona izany ka nahalasa ny "portefeuille" sy ny  fahaverezan'ny "gourmette" volamenan'ny praiminisitra tao anatin'ny andro iray monja, henjana ny mpangaro-paosy raha hiasa e! tsy mahagaga loatra ny "filoha" raha nisavasava ny paosiny rehetra (hita tamin'ny fahitalavitra) raha somary voadonan'ilay miaramila mpiambina azy ny lehilahy androany 18 marsa 2009. Somary nitsiky moa ilay miaramila mpiambina nahita ny fihetsiky ny PHAT. Ho hita eo ny fomba fametrahana ny filohan'ny tetezamita amin'ny Sabotsy izao eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina hoe tahaka ny ahoana satria nahavariana ihany manko raha tonga dia ny sonian'ny fahefana avo no vita, taratasy efa vonona no nalain'Atoa Ratsirahonana Norbert Lala. Ampio aho hitady ny tahirinkevitra nanambaran'ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana am-bava sy an-tsary ny maha-ara-dalàna ny maha-filoha an'i Andry Rajoelina fa mampiahiahy ahy ihany ny toe-draharaha indrindra rehefa raiki-tapisaka ao an-tsaina ny voalohany nahazo ny Visy Amiraly Ranaivoniarivo minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha tamin'ny fanivaivana imasom-bahoaka nihatra taminy.

Farany, izay aho vao hiresaka (efa fantatry ny maro loatra ny fanaoko) ny tiako lazaina androany. Marina fa amin'izao fotoana izao dia maro ireo mpanohana ny filoha Ravalomanana no te-hitroatra, tsy hanaikinaiky foana izao toe-javatra izao. Raha amin'ny foko tokoa dia te-hanao menalamba aho  na "résistance" amin'ny teny frantsay saingy moa ve tombotsoantsika ny hampitarazoka ity toe-draharaha efa mampandositra diplaomaty maromaro ity (ny androany aloha no hitako ka andehanana daholo na ho any Johannesbourg na ho any Mauritius). Ho an'ny tanindrazana dia miantso fitoniana araka ny efa nambaran'ny filoha ihany koa aho. Fahendrena ho antsika ny mangina aloha fa hiteny hatrany izay tsy mety kosa isika mba tsy higorisa any amin'ny tsy izy ny zavatra ataon'ny ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany. Fahadisoana lehibe nataontsika ilay fomba fiteny hoe "avelao aloha izy hanao ny asany fa mbola eo ampanaganana izy" ka nahatonga ny fivilian-dalana ataon'ny mpitondra matetika. Tsara ny miteny, tsy voatery ho an-dalambe izany fa na dia ny tahaka izao ataontsika izao sy izao sehatry ny aterineto izao fotsiny aza. Mody ataontsika tsy tadidy aloha ireny zavatra maro manafintohina nandritra ny tolona nataony ireny sady efa nanao izany rahateo isika. Mitaky ny hamotsorana ny filohan'ny FJKM tsy misy hatak'andro aho; aoka re tsy hatao takalon'aina io lehilehy io fa toa kazarana fomba entina hampiadiana ny mpivavaka izy izany. Na izany na tsy izany: Aiza ho aiza moa ny fanamboarana ny lapan'ny tanàna fa tsy nandre ny tohiny aho? Ho an'ny tanindrazana, aza manakorontana  azy amin'ny fety ataony mihitsy isika, aleo tsy mandeha mankany fotsiny raha mahatsiaro ho marary fo mahita ny hafaliany. Fa andao ary isika hiarahaba azy ireo nahatafita ny tolona nahazo ny fahefana. Tsara indrindra raha tsy mora mivadika palitao isika fa miandry ny fotoana hampahery antsika indray, dia mba ho fifandimbiasam-pahefana araka ny safidim-bahoaka no hiverenantsika fa tsy amin'ny alalan'ny basy aman-tafondro. Dia mba hisy fivoarany mankany amin'ny tsara ny fomba politika eto fa tsy manao politikan-tanalahy lava izao.





Jentilisa, Alarobia 18 marsa 2009 amin'ny 23: 56

17 marsa 2009: Lasan'i Andry ny fahefana!

2009-03-17 @ 22:01 in Politika

Efa hitantsika teto ihany fa nomen'ny filoha Ravalomanana ho an'ny manana voninahitra amin'ny tafika ny asa sy ny andraikitry ny filoham-pirenena. Mety ho mahavariana tokoa ny tsy nanomezana io fahefana io ho an'ny filohan'ny Antenimieran-doholona. Izay famindram-pahefana noho ny fialana. Heveriko anefa, noho ny fahazarana eo amin'ny fandraharahana fa mety ho tsy mifanaraka loatra amin'ny fepetran'ny Lalampanorenana, no nanaovany izao fihetsika izao. Karazana fahadisoana ihany izay lalana nataon'ny filoha tsy nanaraka ny voalazan'ny Lalampanorenana izay saingy tsy mahavaha olana velively ny famindrana ny fahefana araka ny voalaza. Fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila manko no misy eto ka vahaolana mifandraika amin'ny asa miaramila no noraisiny. Mety tsy te-hamindra ny tsindry mahazo azy ho an'ny filohan'ny Antenimiera ny lehilahy.

Ny ankamaroan'ny olona dia nandre fotsiny hoe "niala, hono, Ravalo" araka ny nolazain'ny onjam-peo vitsivitsy. Tsy misy mahafantatra izay tena votoatiny. Ny tahaka anay aloha dia tsy nino mihitsy fa miandry ny fanambarana mivantana ataony ihany, efa be loatra manko ny tsaho sy ny do-tany sy kapo-tandroka fanao amin'izao tolona politika izao. Tamin'ny radio fahazavana tamin'ny telo sy sasany mahery teo ho eo amin'izay no re tsara ny teniny nanome fisaorana ireo rehetra niara-niasa taminy hampandroso an'i Madagasikara ka tafiditra ao anatin'izany mazava ho azy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny famindram-pahefana (fa inona tokoa moa no mahasamihafa izay fomba filaza izay amin'ny teny hoe 'fametraham-pialana? io fiteny io manko no nampifanolana ihany koa ny filoha Phillibert Tsiranana tamin'ny Lehiben'ny tafika ny Jeneraly Ramanantsoa sy antony nanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny oktobra 1972).

Tsy nisy tena nahare ny votoatin'ny taratasy ihany koa ireo rehetra nantsoina tao amin'ny Bucas Antanimena indrindra fa ireo avy amin'ny fitondrana an-dalambe nahazo hery be noho ny miaramila mpioko. Akory moa ny fahatezerana teo amin-dry zareo rehefa fantany amin'izay ny voasoratra. Nivoaka ny efitra ry zareo miaramila mpioko niaraka tamin'i Andry Rajoelina, ka nanambara indray ilay fomba fiteny mahazatra hoe "tsy misy mahazo mivoaka eo!" ny iray tamin'izy ireo. Vao nivoaka ny Jeneraly iray dia raikitra ny ankamahana basy sy ny tabataba avy amin'izay tsy lazaina intsony. Nampidiriny tao anaty fiara io. Vao nivoaka ny efitra ihany koa ny filohan'ny FJKM dia raikitra ny hoe "ity no tena mpamadika" Raikitra ny tositosika sy ny totohondry nampidirana io mpitondra fivavahana io tao anaty fiara. "Hisy raha any Soanierana" hoy ny iray tamin'ireo teo an-toerana. Letra avokoa ny ankamaroan'ny mpijery. Dia nampidirina tao anaty fiara ihany koa ny Jeneraly roa hafa nivoaka tao amin'io toerana io. Hatezerana tsy hatezerana moa no nasehon-dry zareo miaramila tao anatin'izany rehetra izany. Vao eo ampanombohana isika izao. Tsy fantatra mazava ny nahazo ireo Jeneraly telo mirahalahy voatanan'ireo miaramila mpioko ireo fa dia nanao fanambarana mazava namindra ny fahefana 'fitondrana miaramila' ho an'ny "Filoha" Andry Rajoelina ry zareo sady nanasonia ny didy hitsivolana "voalohany sady farany" mifandraika amin'izany famindram-pahefana izany niaraka tamin'ny filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana taloha efa elaela ihany dia Atoa Ratsirahonana Norbert Lala izany.

Nolazain-dry zareo moa fa "izao fanambarana izao dia nataonay an-tsitrapo tsy misy teritery ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin'ny firenena." Sarotra ihany anefa ny hieritreritra izany saingy izao, tsy hanaiky mihitsy ny miaramila mpioko raha tsy amin'Atoa Andry Rajoelina no hanomezana ny fahefana feno amin'ny maha-"Filoha avon'ny Tetezamita" azy. Vita hatreo izany ny tolona politika teo amin'ilay zalahy ity fa dia hiasa amin'izay ny tenany. Manahy dia manahy aho raha ny zavatra hita androany no ijerena ny ampitso fa dia tena faneriterena tsy misy toy izany no hihatra amin'ny tsirairay hanatanterahana ny sitrapon'ny mpitondra vaovaon'ny firenena izay lazaiko sahady fa tsy ekeko satria an-terisetra no nanaovany ny zavatra rehetra. Dia ahoana izany ry zareo ilay nambarako hoe "inona no hitranga amin'ny 18 marsa 2009?



jentilisa, 17 marsa 2009 amin'ny 23:59

Directoire militaire: mikorontana tanteraka i Madagasikara!

2009-03-17 @ 14:44 in Politika

Nanome ny fahefana ny directoire militaire hanao ny asan'ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra Atoa Ravalomanana. Tsy nanaiky izany ny miaramila mpioko ka dia nosamboriny avokoa ny jeneraly dimy heverina ho manana ny grady ambony indrindra sy zokiolona indrindra. Nosamboriny ihany koa ny pasitera Lala Rasendrahasina araka ny vaovao nampitain'ny Radio Antsiva amin'izao fotoana izao. Mbola misaritaka tanteraka ny eto an-tanàna amin'izao fotoana izao.

Fivoriana saiky hatao tao Antanimena tao amin'ny katolika  no nisian'izany toe-javatra izany izao folakandro izao.

 

jentilisa, 17 marsa 2009

Fa maninona no matahotra fitsapa-kevi-bahoaka fadiranovana? sy zavatra hafa!

2009-03-16 @ 22:28 in Politika

Eo ampanafihana ny filoham-pirenena moa amin'izao fotoana izao ny antsoina hoe tafika malagasy, nefa tsy manakana ahy hilaza ny biby mampatahotra ny mpanohitra sy ny tafika aloha izany izao, ka mahatonga azy ireo maika amin'izao zavatra kasainy izao. Ninia naka ny fihevitr'ireo mpomba ny fanonganam-panjakana amin'izao fotoana izao aho io takariva io ka ny tao amin'ny mpiara-miasa ihany no nitsapako izany. Ninia aho nody nanomboka ny teny hoe: "tsy hitako izay ilana ny referendum".

Nivoaka ho azy ny hevitra rehetra, na ny an'ny mpanohana na ny an'ny mpanohitra ny referendum. Tsy misy ilàna izany intsony fa efa niteny ny vahoaka, hoy ny nambara, dia tena ny tenin'ny filohany navela teo. Efa vita, hoy izy izany referendum izany, hala-bato no ho ao anatin'izany. Fandrika izany, ary ny tena mahavariana dia ny teny hoe "raha tiana hivaha ny olana dia miala Ravalo ihany no izy." Ninia amin'izay aho nanolo-kevitra hoe : Omena anareo manontolo ny minisiteran'ny atitany sy ny fikarakarana ny referendum, ka ahoana? sahy ianareo sa tsy sahy? fa tsy nisy nety namaly io tolo-kevitra io. Inona no dikan'izany? Mahatsapa ihany ry zareo fa tsy haharesy na oviana na oviana rehefa tena anontaniana ny amin'ny heviny mihitsy ny mpankasitraka izao fanonganam-panjakana mivantana ataon'ny tafika amin'izao fotoana izao. HIta tsara fa na ilay lehiben'ny tafika "vaovao" aza dia nitsipaka marindrano io fitsapa-kevi-bahoaka io. Manontany anareo rehetra manantsaina eto amin'ny aterineto manohana izao fanonagnam-panjakana izao indray aho. Ahoana? sahy ve ianareo amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka fa omena anareo ny minisiteran'ny atitany? saino ary ny antony isalasalanareo...

Nahoana ary Ravalomanana no nanaiky, na nanao io tolo-kevitra io e? Amiko, izany no tena fomba demaokratika arahin'ny firenena rehetra fa tsy izao mifampizara seza lava izay handaniam-bola amin'ny tsy misy dikany izany. Io no lalana tsotra indrindra amin'ny marimaritra iraisana nefa hifamely ambadika hatrany tsinona. Nefa tsy io ve ny fomba tsara indrindra? raha heverina ho 30% ankehitriny ny salam-pitokisana ny filoha frantsay Sarkozy no manao ny tahaka izao ataon-dRavalomanana izao dia miala ho azy izany i Sarkozy! Anontaniana fotsinyhoe ekena mbola hitondra sa tsia, dia atahorana mafy! Mbola samy hotsarain'ny tantara ary isika rehetra!

Fanontaniana manaraka? Nahoana ny mpanohana an-dRavalomanana no vonona hiaro azy ankehitriny, miaritra ny hatsiaka sy ny orana mety ho avy, miari-tory, vonona ny hisedra fahafatesana sy ny basy aman-tafondron'ny miaramila? Tsotra! mahatsapa izy ireo fa voahosihosy ny safidiny ary indrindra indrindra ny fiandrianam-pireneny. Resy lahatra izy ireo fa misy firenena vahiny te-hamotika an'i Madagasikara amin'ny fomba rehetra rehefa tsy ho "voazanaka" amin'ny fomba ankolaka nahazatra azy hatramin'izay. Lasa mariky ny fitiavan-tanindrazana, nolovaina tamin'ny Menalamba rehefa resy teo anoloan'ny tafiky ny mpanjana-tany ny tafika malagasy talohan'ny fanjanahantany. Tsaroanareo ve? Ny hasin'ny mpanjaka Ranavalona III ihany sisa no fantatry ny Menalamba tiany arovana fa ny hafa rehetra tsy nisy noraharahiany intsony. Dia tahaka izany koa ny ankehitriny. Lasa ny sata sy ny ain'ny filoham-pirenena sisa no mariky ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin'izao fotoana izao. Toy ny adidy ny miaro izay sisan'ny fiandrianam-pirenena Malagasy izay. Mahazo maneso ny taranak'i Rasanjy rehetra, raha tojo fahafatesana ireo olona ireo, saingy tsy ho adinoin'ny tantara na oviana na oviana izao hetsika fiarovana ny filoha sy ny ainy izao.

Manaraka izany, misetra ny tafika eo aminy ihany ireo mpanohana an-dRavalomanana ireo. Mampahatsiahy tantarana firenena iray izany dia i Chili nialoha ny fitondrana miaramila sy jadona nataon'ny mpanongana azy: Fantatrao ve na tadidinao ve fa nisy izany Salvador Allende Gossens izany? Olo-tsotra no niaro ny lapany tompoko ary ny tafika tao aminy ihany no nanafika ireo olo-tsotra ireo. Tany amin'ny taom-polo 70 izany ry zareo. Ankehitriny, eto Madagasikara indray no misy izany toe-javatra izany. Tsarovy fa na ho inona vokatr'izao fanonganam-panjakana izao na ho inona, hipetraka eo anivon'izao tontolo izao ny tantara fa nisy izany Madagasikara izany, olo-tsotra no niaro ny filohany ary ny tafika tao amin'ny kosa no mitetika ny hisambotra, na hamono ny filoha... tantara hampisaina ny taranaka aoriana hieritreretany fa nisy izany Malagasy maro niaro ny safidiny izany, na dia teo aza ny fahalemen'ny filohany. Ho henatra ho an'ireo nanafika kosa ka ho afeniny tsy hampahafantariny ny taranany fa izy ilay nitam-piadiana hanafika filoham-pirenena manana olo-tsotra maro vonona ny hiaro azy na dia eo aza ny hery tsy mitovy!

Koa na iza ianao mpamaky na iza! na inona safidinao na inona! efa manana tantaram-pitiavan-tanindrazana ho reharehan'i Madagasikara sahady ny mpanohana ny filoham-pirenena Ravalomanana amin'izao fotoana izao. Soa ihany aho fa tsy ao anatin'ny tafika amin'izao fotoana izao na dia nofinofy fahakely aza izany ho zandary izany! Mahazo mihomehy na mitsiky ianao izay tsy mankasitraka ny fanolora-tenan'ny mpanohana ny filoha saingy tsarovy fa ho tonga eo amin'ny feon'ny fieritreretanao ihany, ary ahiako hisandohanao aza izany hoe... "izahay niaro an-dRavalomanana fony nanongana azy ny miaramila" tahaka ireo be dia be milaza ny tenany ho mpitolona menavazana tamin'ny 1947. Farany, ianareo mpamaky ny bolongako... tadidinareo ve ny ankamantatro hoe inona no hitranga amin'ny 18 marsa 2009 izay andro faha-77 amin'ity taona 2009 ity? Milalao ny isa ahafantarana an-dRavalomanana ihany koa ny mpanongana azy amin'izao fotoana izao ka ny hany ambarako anao etoana: izao alatsainainy alina, ny talata ary ny alarobia izao no ho mafy indrindra ny fiarovana ny filoham-pirenena (ny talata alina indrindra indrindra)... Izay ihany no hambarako  fa tsy hilaza ny tohiny aho na dia efa fantapantatro aza izany! (mbola tony aloha ny eny Iavoloha amin'izao ora anoratako izao)

Ity misy zavatra noadinoiko!

Mahalasa     saina ahy lalina ity: Nahoana no amin'izao fotoana izao fa hanendry ny masoivohony ny Frantsay? Mahavariana io toe-javatra io, ary manahy aza aho fa mety io mihitsy no mitondra mpikarama an'ady hafa any na mpiara-miasa ho amin'ny fanakorontanana an'i Madagasikara. Tena tsy mino kisendrasendra amin'ity raharaha ity aho tsinona.
 
 
 
 
jentilisa 17 marsa 2009  amin'ny 00:28

Nisy nisambotra ny sefom-pokontaninay sy fanonganam-panjakana tohiny!

2009-03-14 @ 10:50 in Politika

Tamin'ny marainan'ny androany sabotsy 14 marsa 2009 dia nisy olona nanambara tamiko fa nisy zatovolahy izany teto amin'ny fokontany 67ha avaratra andrefana nitondra ireo miaramila tsy manao beret nanondrotondro trano vitsivitsy maromaro azy ireo, ny nahavariana dia tranon'ny mpikambana TIM avokoa ireo notondroin'ilay zatovolahy ireo. Tsy noraisiko ho zavatra matotra io filazana io, na noheveriko hoe mety tsy ho lasa lavitra. Kanjo renay amin'izao fotoana izao, niantso ny vadiny ny marimarina kokoa, fa nisy naka tsy misy fanazavana tao an-tranony ny filoham-pokontaninay ary tsy fantatra izay misy azy amin'izao fotoana izao. Teo aho vao vaka... Raikitra ve ny fisamborana izay TIM fantatra rehetra eto amin'ny tanàna? Tsy maintsy manoratra izao aho ho fampahalalàna anareo. Inona no anton'izao fisamborana izao? Be moa no niteny fa misy kakay matoa misy izao toe-javatra izao. Fa raha misy moa ny fisamborana ny TIM rehetra dia mivandravandra fa tsy hampihatra izany demaokrasia izany velively ny tariky ny TGV sy ny ao ambadikany izay toa firenena nifankazatra loatra tamin'ny Malagasy.
 
 
Aza mihevitra ianareo fa raha tsy manoratra i jentilisa dia leo politika izy izay! tsia dia tsia tokoa! Manara-baovao tsara izy nefa tsy te-hiditra anatin'ny tsaho isan-karazany. Na izany aza dia tsara ny mampahafantatra ny vaovao izay mahavariana fa tsy mba lazain'ny gazety ary toa tsy hita aty amin'ny aterineto koa aza, na andeha mody atao hoe mbola tsy naharaka ny famoaham-baovaon'ny sasany aho. Nosomparan'ny mpanohana ny TGV indray manko ny tandrom-pandefasana sary sy feo sy ny kojakoja miaraka aminy ao amin'ny RNM sy ny TVM eny Ambohimihitsimbina. Raha nanontany havana tany ivelan'Antananarivo aho dia novalian'izy ireo fa mahita TVM ry zareo saingy ny feo no ratsy dia ratsy. Efa io famotehana ny sary sy feo hielezan'ny tsaho manerana an'i Madagasikara io no nokendren'ny TGV tamin'ny fandorana ny RNM sy ny TVM Anosy, saingy tsy nahomby moa izany tetika izany. Natao indray izany ny fanimbana fanananam-panjakana teny Ambohimitsimbina omaly Zoma 13 marsa 2009, mba tsy handrenesan'ny vahoaka intsony ny feo avy eny Iavoloha ka ny fitondrana an-dalambe naverin'ny miaramilan'ny Capsat hivory eny an-kianjan'ny 13 mey ihany no ho re!

Mba mahafantatra ihany ny tena fa eny Ivato (ao amin'ny RDB ) no misy ny ankamaroan'ny fitaovan'ny radio Antsiva sy ny radio tele VIVA saingy moa ilaina ve ny misotasota ireo haino aman-jery telo karazana ireo, sady mampisy olana amin'ny katolika indray izany. Miaramila miambina ireo fitaovana ireo moa no niteny izany tamin'ny tena ka aza atao mahagaga anao loatra, izany no izy rehefa be resaka eny am-pisotroana toaka eny akaiky eny e! Fa hadalan'ny mpanohana an-dRavalomanana sady itsiniako azy mihitsy ny fikasana nataon'ny sasany handoro ny Tvplus tezitra taorian'ny nanafihan'ny miaramilan'ny Capsat ny mpanohana an-dRavalomanana teny Anosy niambina ny minisitera iny, lasa manaraka ny fomba ratsy ataon'ny sasany indray ve? Hita mihitsy fa mbola tsy zakan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny izany hoe demaokrasia izany raha ny tena marina fa resaka fotsiny ka atao. Mbola tsy ao anatin'ny kolontsaina malagasy io matoa misy ireny fandoroana ny tranon'ny tsy mitovy hevitra amin'ny tena ireny ihany koa tahaka ny nandrobana sy ny nandorana ny tranon'ny PDS Guy Rivo Randrianarison sy ny nandrobana ny tranon'ny depiote Mamy Rakotoarivelo iny.

Hitantsika tsara fa saiky isan'andro dia misy hatrany ny hetsika nataon'ny miaramila handrobahana ny fahefana. Ny andro voalohany iny efa nolazaiko iny. Ny andro faharoa azo lazaina fa nitovitovy tamin'ny natao tany amin'ny minisiteran'ny fiarovana ihany no natao teny amin'ny Etamazaoro Andohalo, saingy tsy noterena hilaza teo anoloan'ny mpanao gazety ny fametraham-pialany intsony ny lehiben'ny etamazaoro teo aloha.  Tonga indray ny andro fahatelo, dia ny teny amin'ny lapan'ny praiminisitra avy hatrany no nandehanan'ny praiminisitra tetezamita niaraka tamin'ny miaramilan'ny Capsat, natao endrika fitsidihana sy fihaonana teo amin'ny praminisitra roa tonta moa io fa efa mazava ny hafatra tiana ampitaina tao ambadik'izany fihetsika izany. Hafa mihitsy ny Malagasy rehefa manongam-panjakana an! mampiseho fotsiny hoe azy ny hery dia mazava amin'ny andaniny ny filazana. Andro fahaefatra, efa nakarina teto Antananarivo ny fiara mifono vy, saingy nandeha dia nandeha ny fanentanana hiarovana ny lapan'Iavoloha... ary nisy ireo nirodorodo teny, tsy nisy loatra ny nampiseho sary ireo olona ireo, nefa indrisy na izaho ihany koa aza tsy afaka mankeny noho ny fotoana tsy mifametra hahitana izay hamaroana na havitsian'ny olona eny. Niezaka ny nandà ny filazana fanafihana ny lehiben'ny etamazaoro "vaovao" saingy hita amin'ny resaka nataony fa nisy tokoa ny manam-boninahitra efa niomana ho amin'izany fanafihana izany. Nisy ny nanao fanambarana fa entina hanakanana ny fihavian'ny "mpikarama an'ady" no nampakarana ireo fiara mifono vy ireo, nefa na ny lehiben'ny etamazaoro "vaovao" aza milaza fa tsy mahalala vaovao momba izany, fa tsaho fotsiny izany, araka ny nambarany.

Rehefa dinihina ny fihetsik'ireto miaramila ireto, dia miandry olon-kafa hitondra ny firenena izy, fa tsy ny "filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita" loatra no heveriny hitantana vonjimaika ny firenena. Efa manahy aza aho fa mitovy amin'ny ataon'ny polisim-pirenena amin'izao fotoana izao nametraka ny manana grady ambony indrindra dia ny Jeneraly Jacky Rahaingo (kintana efatra) ho filohan'ny komity hiaingan'ny baiko no tetik'ireto miaramila ireto ihany koa... ary raha miteny izany manana ny grady ambony indrindra moa dia izay manana ny grady Amiraly no ao an-tsaina voalohany... saingy ny an'ny polisy moa mbola amperinasa io lazaina fa manana ny grady ambony indrindra io. Eritreritra ny ahy fa tsy milaza aho hoe izay no marina.

Fa inona no mahatonga an-dRavalomanana tsy manaiky hiala, araka ny fitakian'ny miaramila sy ny mpanohitra nefa tsy manana hery hiaro azy intsony izy e? Tetika manko ny an'ny miaramila, fa azo atao hoe mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny fialana tsy ho filoha ankoatra ny fampiatoana mipetraka eny amin'ny Fitsarana avon'ny Lalampanorenena izay sarotra tanterahina sy ny fahafatesana ( ao anatin'ity ve ny famonoana ny filoha?). Raha mametra-pialana manko araka ny hevitro ny filoha dia "tsy manana zo" intsony hirotsaka hofidiana intsony rehefa avy eo. Dia mihazohazo ny toe-draharaha na azo lazaina ho tsy manana hery intsony aza ny filoha ankehitriny. Ao anatin'ny lalampanorenena moa fa ny filohan'ny Antenimierandoholona no misolo ny filoha... koa izay angamba ny antony nametrahan'ny praiminisitra an-dalambe tohanan'ny miaramila  'mpioko', taratasy fampiatoana ny filoham-pirenena sy ny antenimiera roa tonta teny amin'ny lapan'i Mahazoarivo androany Sabotsy maraina teo.



jentilisa, 14 marsa 2009  amin'ny 12:50
 

Fanonganam-panjakana: dingana voalohany indray!

2009-03-10 @ 22:47 in Politika

Maro dia maro ny zavatra tian-kambara tamin'ity andron'ny 10 martsa 2009 ity nefa izay voasoratra ihany aloha no atolotra. Andro manjombona eo amin'ny fanajana ny sata repoblikana sy demaokratika kely mba ananan'i Madagasikara ny androany. Na tsy hita mivantana aza, fantatra tsara ny tsindry sy ny fandrahonana ho faty nahazo ny minisitry ny fiarovana ny vice-amiral Mamy Ranaivoniarivo tao amin'ny biraony tao. Zavatra voalohany aloha, efa nolazaina ihany omaly fa haka minisitera ny mpitokona. Ataoko fa vonona ny hampiseho ny fahavononany hiasa ny minisitry ny fiarovana matoa tonga teny amin'ny birao fiasany. Ny miaramila mpioko anefa no efa niandry sy nifehy ny Minisitera, indrisy, tafiditra tao anatin'ny fandrika ny lehilahy. Voatery nanasonia ny fametraham-pialana tsy ho minisitra intsony noho ny fanambanana basy efa natohoka taminy. Izany moa no inona fa tsy fanonganam-panjakana mivantana? Nahomby io fanonganam-panjakana io satria azon-dry tamin'ny taratasy ny sonia nanaovana izany fialana tsy ho minisitra izany.

Ny sary nasehon'ny vaovao an-tsary sisa no porofo manambara fa natao tao anatin'ny hery ny fahazoana izany fametraham-pialana izany. Anjaran'ny fitsarana angamba ny milaza na mety araka ny lalàna ilay fametraham-pialana na tsia fa tsy anjarantsika nanatri-maso sy nandre ary mamaky ny vaovao ankehitriny. Nandritra ny tontolo maraina izy no nohidiana birao, sady nohidiana rahateo vavahady fidirana ao amin'ny minisitera tsy nahafahany mivoaka. Efa karazana "gadra" izy izany raha tsy "takalon'aina". Mampalahelo ny mahita fa ny ambany grady indray no mibaiko ny manamboninahitra jeneraly, ary nisy aza ny nandrahona azy, ka teo anatrehan'ny mpanao gazety no nanatanterahana izany fandrahonana izany indray (ankoatra izay tany amin'ny birao any). Maty hasina ny sata repoblikana, mitamberina an-tsaina ihany koa ny fanaon'ny mpampihorohoro any amin'ireny sarimihetsika ireny. Tamin'ireo miaramila hita teny, izay tsy ao anatin'ny tafika misatroka mena (capsat) sy lokon-girady mena dia manaisotra izany amin'ny fanamiany tamin'ny ankapobeny. Ny hany manavaka ny Malagasy amin'ny hafa, dia tsy maika ny hamono avy hatrany ireo manana fitaovam-piadiana.

Ny mahavariana moa dia toa tsy mba naheno izay fanamelohana amin'ny ataon'ireto miaramila ireto mihitsy aho hatramin'izao. Sa azy ireo ny hery ankehitriny dia ny mangina ihany no mety? Izaho kosa hanambara izany: manameloka amin'ny heriko manontolo izao fanonganam-panjakana izao aho. Fanonganam-panjakana araka ny anarany satria manala izay "manjaka" na izay mitondra na/sy mitantana tsy araka ny lalàna sy ny fepetra mifandraika aminy raha amin'ny fiteny ankehitriny. Helohiko satria, sambany aho aloha aho no nandre izany minisitra no ambanana basy izany mba hialany tsy ho minisitra intsony. Io moa no tena mahavariana, ny any an-kafa ny filoha no hanaovana izany... fa ny eto kosa dia ny minisitra. Helohiko satria ho zary fanao indray ny tahaka izao rehefa misy ny tsy mahafaly ireto miaramila ireto. Helohiko satria miseho ho tompon'ny fahefana ny "collectif des sous-officiers" ka tsy maintsy maka alalana aminy sy mifanaraka aminy amin'ny ho fanendrena izay ho minisitry ny fiarovana, araka ny reko aloha izay nosoratako izay. Fikorontanam-pahefana tsy misy toy izay, ary ny toy izao mihitsy no tsy ahatantesako fa raha "mandresy" ity tolona ity, izany hoe efa tafapetrak'izay mitolona ankehitriny vokatry ny tolona izay ataony amin'izao fotoana izao, ny mpitondra ambony eto amin'ny firenena dia izay miasa no ho fatiantoka indrindra fa ny mpandroba sy ny mpangalatra kosa no hihevi-tena hanjakazaka satria tompon'ny tanàna sy tsimatimanota. Noho izany, tsy mandresy mihitsy ny tolona raha tsy ny fifidianana no manambara izany, ny fananganana tetezamita moa dia lalana tsy manara-dalàna sy tsy ara-drariny ao anatin'izany rehetra izany.

Manaraka izany, misy ny haino aman-jery minia na mody tsy mahafantatra ny anton'ny korontana teny Ambatomena. Nolazaina avy hatrany manko fa "andian'olona vitsy" mpanakorontana handrava ny fihetsiketsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ireny nifampitoraka tamin'ny mpitolon'ny 13 mey ireny. Ao anatin'ny sokajin'ny "mpilaza ny marina" anefa izany haino aman-jery minia tsy mahafantatra ny hafa sy izay ataony izany. Niniany natao izany mba ho ny marina tapany no ho henon'ny olon-drehetra, marina tsy feno ny minia tsy mahalala ny fikasan'ny hafa efa naseho ampahibemaso (Mahamasina) ka izay hevitra (noforonina) tao an-doha (hanakorontana ireto) no nambara tamin'ny mpijery ho marina. Tsy misy mihitsy anefa ny handrara azy tsy hankeny fa ny azy ny tahotra no be noho ny tsaho malaza loatra tonga any aminy angaha? Raha niainga ny mpiaro ny ara-dalàna teny Mahamasina dia ny hitaky ny hanalana an'i Andry TGV any amin'ny Ambasady Frantsay no antony, sy ny tsy hitsabahan'i Frantsa amin'ny raharahan-tokantranon'i Madagasikara. Mampihomehy indrindra manko raha olona "nialokaloka" teo alohaloha teo no afaka mandehandeha soa aman-tsara eto Madagasikara, afaka mikabary amin'ny famoriana olona eto Madagasikara, nefa mody any amin'ny masoivoho Frantsay rehefa avy eo. Tsy nitsipaka ny vaovao rahateo moa ny fitondrana Frantsay fa dia nilaza ny hanalana azy fotsiny avy eo. Dia io fa feno miaramila mpioko io manodidina ny tranony eny Ambatobe amin'izao fotoana izao.

Heverina avy hatrany ho fihantsiana ny nataon'ny mpanohana ny ara-dalàna raha nanakaiky ny kianjan'ny 13 mey ry zareo. Tsy nisy nahalala akory izay anton-dian'ireto "antokon'olona vitsy" ireto fa ny hoe mitady handrava fitokonana ihany ireto no masaka tao an-dohan'ny mpitolona. Dia nodradradradraina avy eo fa resy tosika ny mpanakorontana, inona anefa no nitranga? Nilefitra hanala an'i Andry tao amin'ny faritaniny i Frantsa! izay no notakian'ny teny Mahamasina. Faharoa, ny famoriana teny Mahamasina dia noheverina ho fivorian'ny ambany tanàna manohana ny ara-dalàna izay mijoro ao anatin'ny fikambanana antsoina hoe "O.Ba.Ma" na "Olom-BAnona MAlagasy", izay heverina fa ny PDS Guy Rivo Andrianarisoa no nanangana azy. Diso ihany koa izay, fa ireo mpihaino Radio Mada, ireo namaly ny antso ireo. Tsy anatina fikambanana izy ireo fa vondron'olona tsy mahazaka mipetrapetra-potsiny amin'izao toe-java-misy ankehitriny izao. Noho izay fiheverana diso izay indrindra, no nandehanan'ny mpanohana an'i Andry hankeny Ampasapito handoro ny tranon'i Guy Rivo Andrianarisoa, izay efa nodradradradraina matetika teo an-kianja ho lehiben'ny mpanakorontana eto Antananarivo.

Marihina fa tsy tena nisy ny fifandonana sy fifampitorahana teny Andohan'Analakely sy tohatoha-baton'Antaninarenina fa ny fifampihantsiana no betsaka. Teny Ambatomena sy teny amin'ny fiakarana ho eny Ampasamadinika kosa no tena betsaka ny toraka (avy amin'ny mpanohana an'i Andry satria tsy nivonona hanao izany loatra ny avy any amin'ny mpanohana ny ara-dalàna, ary tsy maninona na dia lazainao ho mandainga aza aho) ka izany no namparatra be dia be tamin'ny mpanohana ny ara-dalàna, nefa tsy nisy naharatrana kosa ny avy amin'ny mpitolona. Fahadisoan-kevitra faharoa ho an'ny mpanohana ny ara-dalàna izany. Ny fahadisoan-kevitra voalohany kosa dia ny tokony niakarana teo amin'ny tohatoha-baton'ny PSM taloha (na foiben'ny Pisodia io atsinanan'Ambohitsorohitra io ho an'izay tsy mahalala) fa tsy nizorana kosa tany anaty tonelina ka hatrany amin'ny REX vao miakatra toy ny hamonjy an'Ambatomena. Misy ihany koa ny milaza fa tsy tokony hanao izany fihetsiketsehana manoloana ny Masoivoho vahiny izany ny olona satria toy ny mitady hiditra an-keriny any amin'ny tany hafa izany. Na izany na tsy izany, mahazo vahana be dia be eo amin'ny fahavononantsaina ny mpitolona, ary etsy ankilan'izay kosa... mihakely hery hatrany ny mpanohana ny ara-dalàna tsy mahatanty gidragidra loatra.




jentilisa, 11 martsa 2009 amin'ny 00: 45

Fandrobana isaky ny mahazo vahana ny TGV sy ny baraziny

2009-03-09 @ 21:53 in Andavanandro

Efa tsy takona afenina intsony. Vao nisy ny fiokoana miaramila milaza fa "miaraka amin'ny vahoaka" ka nampiseho ny talentany teny Ankadimbahoaka ny mpioko dia fandrobana ny score sy ny leader price avy hatrany no tao an-tsaiko omaly iny. Tsy te-hanoratra izay mihitsy aho omaly fandrao lazaina fa izaho no nampirisika, nitombina tanteraka ny ahiahiko fa ny Francepub sy ny Jumbo score ary ny courts mbamin'ny SFOI no tratra fa mba tsy vita kosa i Leader Price. Inona no nitranga? natsangana ny barazy hanakanana izay tsy fantatra fa ny tena tanjona voalohany dia ny hakana vola izay mandalo amin'ny fiara rehetra. Nanararaotra ny fisarahan'ny mpitandro ny filaminana ry zalahy dia nataony izay tiany. Mbola sahy mampirisika ny hananganana ny barazy ihany etsy ankilan'izany atoa Alain Ramaroson fa izany, hono, no antoka tokana hanakanana ny fandrobana... nefa moa efa lasa mivandravandra ho an'ny rehetra hoe avy amin'iza no tena mpamaky ny tranombarotra horobaina.

Koa satria tsy handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin'izao fandrobana mahatsiravina, 26 janoary 2009-bis notontosaina androany 9 martsa 2009 izao, dia niantso ny mpanohana ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny hisian'ny barazy arahina fandrobana ny tao amin'ny radio mada. Nolazaina ho nanomboka tamin'ny 11 moa ny antso, izay vao natao io hadiva ho atoandro io ka tampoka ihany dia nahazo olona ihany ny teny Mahamasina nanomboka tamin'ny 2 ora teo. Nahavariana moa fa tsy sahy nitsofoka lalina tany akaikikaiky tany ny mpanao gazety fa natahotra ny ho  voadaroka angamba. Ny an'ny mpanohana ny TGV kosa moa dia ilay efa araka ny nosoratako teo ihany, tsy misy  afa-tsy ny fanavoana barazy efa fitakiam-bola sy arahina fandrobana ihany no entiny hanoherana ny fandrobana. Samy manana ny heviny tokoa aloha.

Fa karazany tahaka ny ahoana ny tena nivorian'ny mpitady filaminana tetsy Mahamasina? toromarika ny teny ka tsy hitako loatra izay lazaina, na ny marina kokoa dia tsy afa-nankeny aho noho ny asako, ny vokany fotsiny no nisy henoko. Nandrava barazy teny Tsarafaritra Tsimbazaza ny mpanohana an-dRavalomanana araka ny filaza azy, nafana tokoa ny fifampitorahana, fa manana miaramila mitam-basy miaraka aminy ny mpanao barazy ary nalaza avy hatrany fa tamy ihany koa ny avy any amin'ny Capsat (mpioko) hanohitra an-kery ireto mpandrava barazy ireto. Dia lasa ny saiko... hiaro ny vahoaka tokoa ve? be loatra ve ny fampihorohoroana ny vahoaka? leon'ny fandatsahan-dra ve? toa tsy izany mihitsy no tsapako amin'ireto miaramila ireto. Samy mitsara koa ny tsirairay.

Na izany na tsy izany, lasa fakantahaka tampoka teo ny fokontany 67ha avaratra andrefana (aleo lazaina amin'izay fa efa nisy gazety nilaza tsinona) tsy manaiky na oviana na oviana izany barazy izany. Ka mahatonga ny faritra manodidina tsy ahitana izany barazy izany. Angamba tiana ny hampielezana ny "andrimasom-pokonolona tsy manaiky ny isiana barazy" manerana an'Antananarivo koa dia izay aloha no atao. Tsarovy anefa, ny eto aminay tsy misy idirana fanohanana olona fa tsy fanekena barazy fitakian'ny jiolahimboto vola no iraisana. Ataoko fa tsy mahavita ary tsy hanao izany ny mpanohana ny TGV satria handroba minisitera aza mety hatao raha vonona ny olony. Asa izay ho fipoaky ny ampitso aloha fa mihamafana ny toe-draharaha... tsy mahalala izay fahasahiranan'ny any ambony any fa fiarovana ny sisa mijoro tamin'ny fandalovan'ny rivodoza olombelona masiaka eto Antananarivo no nijoroan'ny teny Mahamasina.

Mialoha ny farany, na eo aza anefa izany fahavononana izany, samihafa ny mandeha an-tongotra sy ny mandeha fiara. Ny tany amin'ny score digue sy ny shoprite Talatamaty indray no novakian-dry lemaizina ny tolakandron'ity andro ity. Tena potehina Antananarivo sy ny toe-karenany e! Tsy azoko mihitsy indraindray ny mbola mahatonga ny hafa mbola mifikitra amin'ilay toe-tsaina te-handroba sy ny fanao mirona mandrakariva amin'ny fandrobana. Mbola aiza izany raha sanatria hitondra ny firenena?

Farany, faly aho fa maro tamin'ny sosokevitra nosoratako tany alohaloha tany no noraisin'ny fanapahan-kevitry ny fanelanelanana teny Ambohimanambola Le Hintsy ka ny roa tononiko tsara dia ny "Fiarovana an'i Andry Rajoelina" sy ny "Fanaovana fihaonambem-pirenena amin'ity volana martsa ity" ka hotanterahina indrindra izany amin'ny 12-14 martsa ho avy izao. Kisendrasendra ve sa nisy tamin'izy ireo ny namaky ny bolongako? Na izany na tsy izany, manana fifaliana anaty avy amin'izany fanapahan-kevitra izany aho.


jentilisa, alatsinainy 9 martsa 2009  amin'ny 23: 53

Fa zava-mahafaly angaha izao fiokoana miaramila izao?

2009-03-08 @ 21:09 in Ankapobeny

Horakoraka ny an'ny mpomba ny TGV hatramin'izao rehefa nandre tamin'ny radio Antsiva androany alahady 8 marsa 2009 ny fiantsoana ny miaramila rehetra hiditra an-dakazery ka tsy handray baiko hamono vahoaka intsony. Nahatsapa tena ve izany ry zareo fa namono vahoaka tokoa? Na izany na tsy izany tsy hain'ny tafika tokoa ny mifanandrina sy mifehy vahoaka satria tsy asa nampiandraiketana azy loatra izany. Ny zandary no manana io talenta hifehy ny vahoaka io sy ny hanenjika dahalo moa izany, manana asa an-drenivohitra sy ambanivohitra noho izany ny zandary. Ny polisy kosa natao hanenjika ny mpangalatra sy ny mpanendaka an-tanan-dehibe. Koa raha naka ny CAPSAT ny miaramila sasantsasany efa notononin'ny radio tany aloha tany hoe "collectif des sous-officiers" dia azy izany, fantany ny miandry azy raha tsy mahomby izy nefa azo heverina ho fantany ihany koa ny tanjona tiany hatao. Mety ho azo heverina ny hoe tsy manao na inona na inona, sy ny hoe tsy mandray baiko na avy amin'iza na avy amin'iza, nefa moa ve hijanona hatreo? Hatreto aloha dia ireto miaramila ireto ihany no manao ity fiokoana ity, tsy mbola nandrenesana kosa ny avy amin'ny zandary, ny polisy moa tsy anatin'ny tafika nefa mpitandro ny filaminana ihany saingy mbola tsy nandrenesana ihany koa hoe ao anatin'ny fiokoana. Ny fiantraikany aloha hatreto dia "foana" ny emmo nat. Nizara tsinona ny tafika koa...

Rehefa tonga ny folakandro dia nisy ny sasantsasany tamin'izy ireo nampideradera ny fitaovam-piadiany arifomba sy matanjaka toy ny "lance roquette", nanakana fiara sy nanambana basy ireo izay tao anatiny... hiaro ny vahoaka izy amin'io fotoana io. Tsy fantatro loatra  izay tena nendahiny tao anaty fiara tao ary nisy vitsivitsy aloha no nanaovany izao fihetsika izao. Malahelo aho milaza hoe moa va tsy ry zalahy indray no mpanakana ny lalambe? raha manakana fiara tsy maka na inona na inona tsy maninona loatra fa mihoatra izany dia ataoko fa mihoa-pefy ry zareo.Manaraka izany koa, tapatapaka lahatsary koa moa no nojerena tao amin'ny tvplus, tsy azoko loatra ireto lehilahy azo heverina ho mpandalo nasain-dry zalahy nanala akanjo ambony, dia notapahina koa ny lahatsary... tsy nanao fanazavazavana loatra koa moa ny mpitantara ka dia ny manatrika izay hitany fotsiny no ataon'ny mpijery fahitalavitra. Efa nampidirin-dry zareo anaty tany miady aloha isika amin'izao fotoana izao ka tokony hampanginina ny fanamelohana izany fihetsika izany?  Efa fiokoana moa ny ataony amin'izao fotoana izao ka inona moa no tena tanjony tamin'izao fihetsiketsehana mifanatrika lavitra amin'Iavoloha izao ankoatra ny fihantsiana ny mpiambina ny filoham-pirenena? Toa ela loatra koa angamba ilay resaka vahoaka koa aleo raisina mihitsy ny fitaoam-piadiana. Rehefa izany no izy dia tokony hihatakataka ny sivily fa aleo ho an'ny miaramila ny hifampitifitra. Nefa ny nampihomehy nampalahelo ahy dia ireto olona marobe nanodidina ny miaramila mpioko tsy mahalala hatrany izay mety hahafaty azy. Izay tokoa angaha vao nahita miaramila nanao fihetsiketsehana an-dalambe. Tena zava-doza ry zareo ny fihetsiketsehan'ny miaramila an-dalambe fa modia any an-trano mipirina mba tsy ho maritioran'ny fitiavan-tanindrazana a!

Nandeha indray moa ny fanentanana tao amin'ny radio viva (mbola mandeha tokoa na dia efa nalain'ny emmo nat omaly sabotsy 7 martsa aza ny fitaovana tao) ny hamoriana ny olona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey rahampitso alatsinainy 9 martsa, mety ho fifaliana ho an'ny mpitolona izany nefa ahoana ny eo anivon'ny tafika? fiheverako manokana ny hanatontosana izay fihetsehana an-dalambe ataon'ny TGV izay no tanjon'ireto manamboinahitra lefitra araka ny voalaza ireto. Nefa inona no ataony raha misy indray ny fandrobana ataon'ny sasany avy nanao fihetsiketsehana? Hampiasa basy "hamono vahoaka" sa tsy hanao na inona na inona satria tsy andraikiny izany? Enga fotsiny anie mba tsy hisy ny fandrobana ary tsy hisy ihany koa ny fanafihana ny tanananay lasa malaza ho fokontany TIM satria nilaza ny mbola hamaly faty anay indray ny "sasany" resy tosika tamin'ny Asabotsy farany teo. Eto izany aloha, raha hitohy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta dia manana ny tombony kokoa ny TGV. Fa moa ve mamelavela fotsiny amin'izao ny tafika manoloana ity fiokoana ity? Tsy dia fanaon-dry zareo loatra aloha izany mitifitra amin'ny rahalahiny am-piadiana izany hatramin'izao. Saingy tsy fantatra aloha ny hiseho satria 'mpanaja lalàna' mandrakariva ny tafika amin'ny ankapobeny fa tsy 'mpanoa ny filoha' loatra na dia sarotra inoana aza hisian'izany fifampitifirana izany.

Mampahatsiahy ny tantara ny zavamisy ankehitriny, efa teo moa ny fiokoana nataon'ny Jeneraly Andrianafidisoa teny Ivato, tsy nahomby moa iny ka tsy lazaina loatra. Ny tany amin'ny 1975 no nitamberina, raha nioko tao Antanimora ny GMP (Groupe Mobile de Police). Tsy nety nifanandrina tamin'ireo mpioko ny tafika raha tsy maty aloha ny filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany. Nangidihidy ny lehilahy teto Antananarivo, hanafika ny mpioko saingy nosakanan'ny miaramila izany hatezeram-bahoaka izany, ary voatery ry zareo tafika nanafika "tsy fidiny" ireto mpioko ireto. Tsy nisy lohany intsony moa i Madagasikara ka izay no nampitsangana ny "directoire militaire". Efa azo veroka ihany fa hery hafa no tena namono sy nampamono ny Kolonely lasa Jeneraly Ratsimandrava rehefa nodimandry izy saingy efa natolaka tany amin'ny iray tamin'ireo mpioko ny rihitra. Ankehitriny, mafanafana ny toe-draharaha, tsy fantatra avokoa ny hery mifanandrina any ambadika any fa nanaitra ny sofiko aloha ny fanambarana nataon'ny fivondronamben'ny Eveka teto Madagasikara nanaraka ny fanambaran'ny Arshevekan'Antananarivo namely mafy ny fitondrana. Ny Arsheveka rahateo efa niantso ny tafika "hiaro ny vahoaka sy ny fananany" ka samy nanana ny fandraisany azy na ny manamboninahitra lefitra efa ela no te-hioko sy ny zandary hanaja ny "lalàna sy tanindrazana". Ny ankehitriny ihany koa efa mizarazara be ihany ny olona indrindra fa ny eto Antananarivo. Ankehitriny, toa mitovitovy amin'ny hery anatiny sy ivelany ahiahiana ho tena ambadik'izay namono sy nampamono ny filoha tamin'ny 1975 ihany ny hery ambadik'ity fanonganam-panjakana eo am-panatanterahana azy ity. Mariho tsara fa notapahina fotsiny ny fitsarana raharaha namonoana ny filoham-panjakana tamin'ny 1975 indrindra rehefa nitady hipoitra ny marina.

Na eo aza izany rehetra izany, tsy hitako mihitsy ny antony hifalian'ny sasany amin'ity fikomiana miaramila ity. Moa ve tsapan'izy ireo izay milaza ho manameloka ny fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana aminy fa efa antomotry ny ra mandriaka i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Izany ve no ifalianao sa hoe tsy maintsy miongana amin'izay ny filoha Ravalomanana? Fa angaha izy ity haongana fotsiny amin'izao indrindra fa efa tetehina ihany koa ny hamonoana na ny hanagadrana azy ary fantany tsara izany, izay indrindra ilay hoe antomotry ny ra mandriaka isika izao fa efa anatin'ny ady an-trano tanteraka kosa. Niantsoantso valifaty amin'izay manko ny maro tamin'ny mpitolona. Fiovana tsy ara-dalàna matetika izany ho hiainan'i Madagasikara koa nefa tsy hampandroso azy na oviana na oviana izany. Karazana sangisangy zary tenany no hamaranako ity lahatsoratra etoana ity: Inona izany no hitranga amin'ny 18 martsa 2009 andro faha-77 amin'ity taona faha-7 nitondran-dRavalomanana an'i Madagasikara ity?




jentilisa, alahady 08 martsa 2009 amin'ny 23: 08 ora

Nisy tantarany ny rotaka teto 67ha ny sabotsy 7 marsa 2009 teo

2009-03-07 @ 22:38 in Andavanandro

Mety ho variana isika tamin'izay mety ho fifampitorahana teo amin'ny mponin'i 67ha avaratra sy ny mpanao fihetsiketsehana ny 7 marsa 2009. hiezaka aho ny hanao fohy ny resaka mba tsy hahamonamoaina loatra, fantatrareo ihany ny fombako tsinona. Rehefa tsy navela hanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny mpitokona nanomboka ny alarobia 4 martsa 2009 dia nisy ny  fifanandrinana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny tanora mafana fo tamin'ny mpanao fihetsiketsehana nanodidina an'Analakely, toy ny teo Behoririka sy Soarano ary petite vitesse sy Ambohijatovo.

Ny ampitso (alakamisy 5 martsa 2009) dia tsy ny fakana an'Analakely intsony no nahamaika ny mpanao fihetsiketsehana fa ny hanaparitaka ny barazy manerana ny tanàna. Izany no natao dia ny mba hiparitahan'ny Emmo nat, ka rehefa mety hiparitaka nefa ahiana tsy ho ampy isa dia mety ho resy tosika ho azy. Nahay niparitaka tsara anefa ny Emmo nat ka tsy nampoizin'ny mpanao barazy ny halakin'ny fahatongavan'ny mpitandro ny filaminana. Tsorina fa betsaka ny faritra nametrahan'ny sasany barazy no vetivety dia rava tongavan'ny Emmo nat. Ny tena nafana vay indrindra tamin'ity andro ity dia ny teny amin'ny lalam-baovaon'Ankazomanga izay nahazoan-dry zalahy tao amin'ny Emmo nat nefa tsy nanana fiara handraofana ny azo ry zalahy. Tamin'ny alalan'ny 4X4 pick up manko no nandehanan'ny mpitandro ny filaminana, ary ny mahagaga ahy dia avy any amin'ny faritra tsy ampoizin'ny mpanao barazy hatrany amin'ny ankapobeny no ahatongavan'ny mpanao fihetsikatsehana. Rehefa nisy noho izany ny tratra nefa tsy tonga tany ny fiarabe mpitondra ny azo sambobelona vitsivitsy dia nakipilin-dry zalahy any anaty tatatra lehibe ireo tratra ireo, ny kendren'ny mpitandro ny filaminana dia ny hahakotsan'ny ranondolana an-dry zalahy tratra ireto. Nisy ny nahay niala ka tsy kotsa ny akanjony nefa dia noteren'ny mpitandro ny filaminana handena ny volony amin'ny rano. Valifatin'ny mpitandro ny filaminana no nanaovany izany.

Nifanenjika nanerana ny tanàna hatrany anefa ny mpanao barazy sy ny mpitandro ny filaminana, ny mpanao barazy moa mitaky vola amin'ny mpitondra fiara ka izay mahasahy mandà tsy manome vola dia vakiany fitaratra avy hatrany, maro dia maro ry zareo mandritra izany fotoana izany. Nitranga izany hatreny Talatamaty, Imerinafovoany, Ankazomanga vao nolazaina teo, 67ha, Ankorahotra, Ambanidia sns... ary izy rehetra ireo dia samy mitonona ho Andrimasom-pokonolona avokoa. Maro noho izany no tsy nitondra fiarany teto an-tanàna ka toy ny andro alahady hatrany ny tanàna. Tsy mijanona amin'ny toerana iray mihitsy noho izany ny mpandroba fa mivezivezy mandrakariva. Nisy ary ireo mpandroba nifanenjehana  nanerana ny lalan'Ampefiloha, mandalo an'Andavamamba, Tanambao, Ambodin'isotry sy 67ha.

Nisy noho izany tamin'ity andron'ny alakamisy 5 martsa 2009 ity ny mpandroba nandrahona ny taty amin'ny 67ha avaratra misy anay, mitady izay ho TIM hoe ry zareo hifampitana aminy. Nanafika ny sisiny atsimo indrindra tamin'ny fokontany nisy anay ary ry zalahy tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo ho eo. Resy tosika aloha ny tanora tamin'ireo faritra notafihiny ireo ka niantso fanampiana tamin'ny quartier hafa ry zareo. Nirohotra ny maro tamin'ny vatandehilahy... tsy anavahana io na TIM na TGV hanifika ireto mpandroba ireto. Resy tosika ry zalahy (efa fantatra rahateo fa ny hamaky magazay no tanjony tsinona) nefa nandrahona fa hamaly faty ny ampitso (zoma). Mbola tafajanona tany amin'iny faritry ny arabe roa (manoloana ny Ny Havana) iny ihany anefa ireto mpandroba ireto nanakan-dalana. Efa ren'ny vatan-dehilahy teto amin'ny fokontany nifanandrina taminy ilay fandrahonana hamaly faty, sady haka namana hafa, koa dia nifanome toromarika hifankafantarana ny mponina rehetra, miala tsiny aho fa tsy azoko lazaina anareo ilay fifamantarana ho fiarovana ny fokontaninay. Efa nivonona ihany koa fa rehefa tonga ny fanairana dia mirohotra avokoa indray.

Tonga ny ampitso zoma 6 martsa 2009, efa niandry izay mety ho fiavian'ny "TGV" (miala tsiny aho fa izay tsinona no anarana nentin'ny mpanafika ny fokontaninay) ny teto an-tanàna. Kanjo moa tsy tonga mihitsy ry zalahy fa sahirana niandry ny tranon'ny lehibeny teny Ambatobe angamba koa dia niandry vasoka ny teto an-tanàna. Tena hivaona kely indray aho, nanao ahoana tokoa ny teny Ambatobe. Ny nalaza moa dia ny fiantsoana ny "andrimasom-pokonolona" hiaro ny tranon'ny lehiben'ny governemantam-pikomiana satria saika hisy hisambotra hoe ny mpitondra avo ny alin'ny alakamisy 5 martsa hifoha zoma 6 martsa, ny Emmo nat (4X4 pick up) niaraka tamin'ny fiaraben'ny Samva (sampana misahana ny fandraofana fako eto Antananarivo) roa moa nandeha tamin'iny lalan'Ambatobe iny. Tsy tonga hisambotra olona izany fa hanala ny fanariam-pako lehibe lasa fanaovan-dry zalahy barazy no anton-dian-dry zareo. Tsy nahomby moa izany fa tavela ireo fiarabe roa noho ny fahavononan'ny mpiambina an'i Andry hifampitifitra amin'ny alalan'ny basy izay mitady hanafika azy. Hany herin'ny tao anaty pick up (Emmo nat) niala ny faritra. Hitantsika ao amin'ny sobika moa ny niafaran'ireo fiarabe roa an'ny Kaominina fa nangalarana piesy sy nodorana ireo fiara ireo (ka ny "TGV" no nandoro azy na dia fantatra aza fa fananam-panjakana ireny... mahatsapa tena ve ry zareo fa tsy hitantana an'Antananarivo intsony matoa nodorana ireo fiarabe roa ireo?

Ny atoandro moa  dia tsy ny hisambotra an'i Andry hatrany no iraka nampanaovina indray ny Emmo nat fa ny hanavotra ireo ankizy mpianatra tao amin'ny lisea frantsay. Nafana dia nafana ny fifandonana hatreny Andranobevava, Analamahitsy, Ambatobe nefa amin'ny mahaatoandro ny andro tsy maintsy natao izay hahatontosa ny iraka fa tsy handamoka toy ny alina teo indray. Eto no tsy mazava, tsy niantso ny Emmo nat ve ny tao amin'ny lisea (mba ahafahan'ny mpitandro filaminana frantsay miditra eto Madagasikara raha tsy nahomby teo ny asam-panavotana) satria nitady fifanarahana tamin'ireo mpanao barazy izay tsy namela ny mpianatra sy ny mpampianatra tao amin'ny lisea raha tsy mametraka kely (manome vola ny dikan'izany ho an'izay tsy mahalala tahaka ahy!). Ny nahavariana manko dia maro ireo mpitati-baovao frantsay no tsy nanisy teny mihitsy izay nataon'ny Emmo nat, tsy tao anatin'ny paika angamba ilay fahombiazan'ny mpitandro ny filaminana malagasy. Nasiaka tamin'ny alalan'ny tora-bato sy cocktail molotov manko ny mpiandry ny tanàna nefa dia resy tosika ihany sady nisy voasambotra aza.

Tonga ny sabotsy 7 martsa, hanao diabe hoe ry TGV ka dia nataony tokoa izany, niainga tany Ankatso tany ny iray kanefa voasakana teo anoloan'ny mascotte (Antsahabe). Raikitra ihany koa ny saiky hiakatra hatreny Ambohidahy saingy voasakana teo anoloan'ny faritany ireo mpitondra tenyn'ny mpanao fihetsiketsehana, somary lavidavitra ihany manko ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana. Toa ireto no nandeha tety amin'ny faritry 67ha manoloana ny Ny Havana. Niaraka tamin'ny tabataba moa izy ireto ka nanaitra ny mponin'i 67ha nisy anay. Velona ny fanairana, lasa izao. Fahadisoana hatrany hoy aho matetika ny fandalovan'ny mpanao fihetsiketsehana faritra iray ao anatin'ny maha andro tsena azy indrindra. Tsy mahagaga raha misy maromaro indray no voaroba vetivety teo ireo mpanao tsena Asabotsy aty. Azo noheverina fa nilamina ihany ny mpanao fihetsikatsehana kanjo nahazo tora-bato vetivety teo ry zareo. Velona amin'izay ny fifampitorahana, raha nojerena maimaika dia maro an'isa kokoa ny TGV noho ny mpiaro ny fokontaniny tsy ho voaroba. Samy tsy nisy niala mihitsy ny roa tonta (izahay mponin'i 67ha avaratra misy anay) sy ny mpanao fihetsiketsehana mety ho tsy nahalala akory izay handefasana azy aty 67ha (Valifatin'ilay resy tosika tamin'ny alakamisy). Marihina fa maro tamin'ny mponin'i 67ha no nifidy TGV ary mpanohana mafana fo tamin'izany ilay notonintononin'ny Viva ho lohan'ny "gros bras" (Ra-bidon... efa nitantara ity ranamana ity aho ho an'izay efa nanaraka ny bolongako hatry ny ela) nanampy ny Emmo nat saingy tsy manaiky kosa ny hanafihana sy handrobana ny fokontaniny. Rehefa ela nifampitana teo ny roa tonta dia nanapoaka basy tampoka ilay zandary mipetraka eto amin'ny fokontany ihany koa saingy nanao fanamiana sivily sy miaro ny fokontaniny, ka nampirifatra ireo "mpanafika" ka nitabataban'ny radio sasany fa nisy fizarana basy tety amin'ny tanàna hifamonoan'ny samy Malagasy.

Efa ho ora iray taty aorian'ny fifanandrinana kosa ny Emmo nat vao tonga, tena jenitra tokoa ry zalahy avy any, ka nampirifatra ny TGV hafa rehetra 'izany hoe ny saiky hanafika sy ireo tsy mahalala akory sy mety ho nihevitra ho nosotasotaina.' Ny tena nampihomehy tamin'ity tantara ity dia tsy fahalalan'ny tao amin'ny Viva ny olony, ka nandrisika ihany koa ny tao hoe tsy namantsika ireo nisotasota mitady handroba ireo ka... tena tsy tadidiko ny tohiny fa mety hifandraika amin'ny hoe sambory mihitsy ohatra. Andeha atao hoe mety ho nisy tamin'ny mpitolona tokoa ny nitady filaminana anatin'ity andro iray ihetsehana ity saingy tsy mahalala ny andefasana azy taty 67ha. Mazava loatra fa mety ho niteraka lonilony hafa koa izany noho ny tsy nahalalany ilay valifaty nokasaina hatao amin'ny fokontaninay. Nahita ny fanoherana mivaivay nataonay ihany koa ilay fokontany 67ha avaratra mifanila aminay ka nanampy anay ihany koa, ary nanala ny vato rehetra notadiavina atao sakana hakana vola ny mpitondra fiara eny an'arabe. Tafavondrona hanohitra ny barazy tampoka teo ny taty amin'ny 67ha avaratra manontolo tamin'ity andron'ny sabotsy 7 martsa ity. Lasa nanao ilay marika fifankafantarana ihany koa ry zareo (tsy fantatro mazava aloha hoe ambaratonga hatraiza no tena nanapa-kevitra tamin'ity marika fifankafantarana ity satrai taratara hatrany aho vao tonga taty an-tanàna.


jentilisa, alahady 8 martsa 2009 tamin'ny 00:36 ora maraina

Fandravana roba: andro voalohany!

2009-03-04 @ 22:19 in Politika

Androany alarobia 04 marsa no andro voalohany nanakanana ny fitokonana hofaranana hatreo eny amin'ny kianjan'ny 13 mey teto Antananarivo ary nahombiazana tamin'izany. Tsy midika velively izany fa izay no izy satria azo veroka ny mbola hitohizan'ny fifandonana rahampitso alakamisy 5 marsa, tsy hisy hanaiky ho resy vetivety fotsiny amin'izao manko taorian'izay fotoana maharitraritra izay. Efa ela ihany ny niandrasana ity fanapahan-kevitry ny Emmo nat ity, fa androany izany vao natao. Tranga vitsivitsy no azo heverina ho nanapahan-kevitra ho amin'izany.

Voalohany, fanapahan-kevitra iray tiako ny tsy faneken'ny GEM (groupement des Entreprises de Madagascar) ny hanaovan'ny mpiasa ao aminy fitokonana (politika) tsy manara-dalàna ka raha misy ny olona ivelan'ny orinasa mitady haka mpiasa (araka ny efa fanentanan'ny mpitarika ny TGV teny an-kianja ny talata) dia adidy ny miantso ny Emmo nat hanaparitaka ireo mitady hiditra an-keriny any anaty orinasa ireo. Efa taratry ny tsy faneken'ny mpandraharaha ny fanelingelenana sy ny famotehana ny toe-karena ataon'ny mpitolona ihany koa izany fanapahan-kevitra izany. Raha misy avy amin'ny mpiasa anatiny kosa indray moa mitarika ny olona hivoaka any ivelany dia raisina ho tsy fahatongavana tsy ara-dalana sy fandaozana asa tsy ara-dalàna izany rehetra izany. Tokony ho tolona sendikaly rahateo no ataon'ny mpiasa fa tsy tolona politika velively. Na hiteny sahala amin'inona aza manko ny mpitarika ny tolona ankehitriny tsy resy lahatra intsony ny mpandraharaha fa ho tombotsoan'ny orinasa malagasy sy eto Madagasikara tokoa ny anton'izao tolona izao, nangataka fanampiana tamin'ny oriansa rahateo moa ny mpitarika ny fitokonana hanohizana ny tolona.

Manaraka izany, na dia tsy misy mipika aza ny resaka nataon'ny masoivoho vahiny (tandrefana tsy nahitako kosa ny solontenan'i Vatican) dia efa tarataratra sahady fa fampitandremana no natao tamin'ny mpitarika ny tolona hampitsahatra ny fialana eo an-kianja ka hisintona olona any amin'ny minisitera sy sekoly ary orinasa afakaba any. Efa fandikana ankitsirano ny fahalalahan'ny hafa tsy hitokona manko ny fitadiavana hisintona olona any amin'ny misy azy any. Tsapan'ny mpitondra fanjakana ihany koa angamba ny mety ho ambadiky ny fihaonana tamin'ny mpitarika ny tolona sy ireo masoivohon'ny firenena vaventy ny talata tolakandro ity. Eo ihany koa ny fandalovan'ny solontenan'ny Firaisambe Afrikana teto Madagasikara ka iheverako avy hatrany fa na nahazo fampitandremana amin'ny tsi-fihetsehany Ravalomanana na nahazo fanekena ny amin'ny tokony handravana amin'izay ny tolona.

Ny mahavariana ao anatin'izany rehetra izany dia ny mbola nisian'ny fihaonan'ny solontenan'ny roa tonta mpitondra fanjakana sy mpitolona eny Ambohimanambola ao amin'ny Le Hintsy hatrany, efa tsy hitako intsony manko izay mbola mety ho anton'ny fihaonana afa-tsy ny taratasim-paneken'ny mpitolona fa resy izy ka mba omena fanalefahan-tsazy na fahafahana manomana ny entana hivoahana an'i Madagasikara sy tsy hanohintohina ny fandriampahalemana intsony angaha, na fitadiavana izay tena atidohan'ireto jiolahim-boto miseho azy ho mafy be ireto ka mitady ny hotifirina amin'ny bala tena izy mihitsy (heveriny manko fa tsy manana alalana hitifitra azy ireo mihitsy ny mpitandro ny filaminana ka fantany fa tsy haninona amin'izay ataony izy). Nefa nahavariana ihany ny halavan'ny fihaonana satria fotoana maromaro mihitsy no nanaovana ny dinika na dia efa nambara sahady aza fa tsy hisy ny fanambarana ho an'ny mpanao gazety amin'ity andron'ny alarobia ity. Ny hany fantatra hoe nifanatrika tamin'ity fihaonana ity manko dia ny solontena telon'ny mpitondra ara-dalàna (Minisitra Razafimahefa Ivohasina, Rakotondramboa Noel ary ny mpitarika ny delegasiona ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla Jacques), ireo filoha efatry ny fiangonana ao amin'ny FFKM miaraka amin'ny solontenan'ny Firenena Mikambana ary ny hany fantatra ho solontenan'ny mpitolona dia ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe. Somary mahavariana ahy ihany dia ny hoe mahatapa-kevitra ho avy amin'ny mpitokona tokoa ve ny solontenan'ny TGV(?) na dia milaza ho tsy hifampiraharaha sy hifampiresaka amin'ny mpitondra intsony aza ny mpitarika ny TGV?

Izay no ela fa azo fintinina ho fiarahabana ny Emmo nat no nataon'ny maro tamin'ity asam-pandravana tolona ity. Dia tena nirarak'ompana tokoa anie izany fankasitrahana ny nataon'ny Emmo nat izany e! Fony izaho teny Ambonin'ny tonelina Ambanidia aza (Ambohijatovo ambony tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro teo) dia nisy vitsivitsy nahasahy nitehaka isaky ny misy baomba mandatsa-dranomaso re, fa na izany na tsy izany tsy izay teny rehetra dia nankasitraka ny fandravana ny tolona avokoa (na maro an'isa kokoa aza izany teny) fa nisy ny tezitra niteny hoe fa tsy ho lany angaha ny balan'ialahy? Ilay efa nahavoa ihany tamin'ny 7 febroary 2009 iny ka nisian'ny tifitra variraraka fanindroany. Ny manahirana amin'ny resaky ny mpihaino dia misy hatrany ny mihoam-pefy toy ny "fangatahana tso-drano" handoro ny tranon'ny lehiben'ny TGV ohatra. Tsy tokony hanao izany loatra ny mpanohana ny ara-dalàna fa fandikan-dalàna izany na ho inona hatezerana na ho inona.

Na izany na tsy izany dia nanao zavatra tsy nety ihany koa ny nataon'ny mpanao gazety tao amin'ny TV Plus ohatra izay toy ny mampibaribary fa i Naina Andriatsitohaina (tompon'ny Les Nouvelles sy ny Taratra) no nibaiko ny mpikambana tao amin'ny GEM tamin'izay zavatra efa nosoratako tery ambony, ny fahatsapana tao anatiko tao dia tsy tiana aseho na iniana ampanginina mihitsy fa nisy fanapahan-kevitry ny komity mpanatanteraka tao nahatonga ny taratasy naely tamin'ny mpikambana fa toa te-hanondro na hibaiko ny mpitolona handoro ny Niag, ny Les nouvelles ary ny Taratra ny mpanao gazetin'ny Tv Plus rahampitso alakamisy 5 febroary. Ny an'ny Viva TV moa dia notononiny ny anaran'ny manamboninahitra nibaiko tamin'ny fifehezana ny kianjan'ny 13 mey ity toy ny hilaza amin'ny mpitolona hoe raha fantatrareo ny misy ny tranony dia amboary fa miseho azy ho mafy amin'ity tolona ity. Tiana ny manamarika amin'izao fotoana izao fa ny fantsona nisy ny mbs tv teo aloha dia efa lasa viva tanteraka nanomboka  tamin'ny enina hariva teo,  ary rehefa nohamariniko mihitsy aza ny isan'ny fantsona ahazoana ity Viva TV ity hatraty amin'ny faritra misy anay dia 9 ny isany ka voatsindriny ihany koa ny TV record, ny OTV moa dia voahelingelin'ny Viva TV saingy tsy niova tanteraka kosa... Nohamariniko indray ny tamin'ny Radio Fm fa eo amin'ny 100.8 Mhz ihany no ahenoako radio mada, ary izany aza manahirana ny mahazo azy. Ny mbs radio (95.4 Mhz) nahafahana nihaino radio mada teo alohaloha teo dia tsy misy na inona na inona intsony, fa ny Viva radio kosa aloha dia tsy heno intsony aty aminay... azo lazaina ho matanjaka ihany anefa ny radio fampiasako! Fa izaho aloha maniry indrindra ny hamotehana tanteraka ity tele sy radio viva ity fa be loatra ny fafy lainga ataony indrindra fa ny fandranitana isan-karazany e!

Tranga iray tsikaritry ny mpanao gazety ny nisian'ireo vazaha vitsivitsy nijorojoro nanatrika indrindra ny kianjan'ny 13 mey, mahavariana tokoa ny ijorojoroan-dry zalahy ho hitan'ny mpanao gazety eny fa izaho kosa aloha mankasitraka ny torohevitr avy amin-dry zlahy raha izay no hampilamina ity raharaha ity e! resaka tetipanorona ny azy fa tsy misy idirana fandraisana fitaovam-piadiana mihitsy tsinona. Ny tranga iray nambaran'ny gazety ihany koa dia ny fahitany fa misy ny fizaram-bola ireo mpikambana rehetra ao amin'ny Emmo nat ary ny re aza dia hoe 3 alina ariary no azon-dry zalahy... dia hoy aho hoe, any amin'ny satan-dry zalahy mihitsy ny filazana fa rehefa anatin'ny fotoana manokana tahaka ny amin'izao fotoana izao dia mandray 3 alina ariary isan'andro mihitsy ny zandary sy ny miaramila, kely dia kely tsy ampy ampahafolon'izany kosa no mba raisin'ny ao amin'ny polisim-pirenena. Manamboninahitra aloha no nandrenesako izany an!

Manaraka, tsikaritra nahavariana ahy mihitsy ny fahasahian-dry zalahy nifanandrina tamin'ny mpitandro ny filaminana ireto, efa nambarako tetsy aloha ihany izany saingy tena tsy aritro mihitsy. Tsy nanaiky ny hihemotra mihitsy ry zalahy. Nisy aza ny fotoana voatery nihemotra tonga hatreny anoloan'ny boriborintany voalohany (Soarano) ny mpitandro ny filaminana fa rehefa avy eo indray vao nanosika ireto tovolahy ireto hihemotra hatreny amin'ny tetezan'ny Behoririka hatrany. Ny zavatra hitako teny amin'ny Mascotte (Antsahabe indray) rehefa resy tosika ny andian-jatovo tamin'ny voalohany dia nifanolosolo akanjo aloha ry zalahy dia nanomboka niakatra hamonjy ny tonelina Ambanidia indray hidina ho any Ambohijatovo. Raha fariparitana moa ny faritra voatery nofehezin'ny mpitandro ny filaminana tamin'ity androany ity dia hatreny Ambohijatovo manoloana ny AFD, tonelina Ambohidahy, manerana ny pavillons Analakely, Antsahavola, Tsaralalàna manakaiky ny Anjary Hotel, petite vitesse, Soarano manontolo sy Ambodifilao manontolo ary tafiditra ho tsy azo nandehanana ny tohatoha-baton'Ambondrona raha azo nivezivezena kosa ny tohatoha-baton'Antaninarenina, Behoririka manakaiky ny Luxor na Cinema Soa taloha,  Antanimena iray manontolo, ka hatreny Ankazomanga rond point amin'ny lalam-baovao.

Nisy ihany ny fikasana hametraka barazy nataon'ny mpandroba tety amin'ny 67ha avaratra atsinanana manatrika ny parking saingy toa tsy vanona mihitsy izany raha tsy efa halina ny andro, tsikaritro fa sady miteny ireo mpampirisika ny hanangana barazy no lasa ry zalahy midifidify toy ny tsy teo, ny tena anavahana ireto lohandohan'ny fitarihana ny barazy ireto (izay nizara taratasy hanohizna ny tolona ataon'ny TGV miainga isam-pokontany ny alakamisy 5 martsa 2009) dia saiky mitady tee-shirt mena midorehitra avokoa ry zalahy. Asa aloha ianareo namaba hafa raha nahatsikaritra izay na tsia fa efa andro maromaro mihitsy no nahatsapako izany (tia akanjo mena manko aho, tsoriko izany, ka tohina aho amin'ny fihetsiky ry zalahy ireto). Niteny tamin'ny olona aho hoe tsy mety ve raha mivondrona isika hanaisotra an-dry zalahy ireto (satria tokotokony ho 20 eo ho eo ny isan-dry zalahy miaraka amin'ireo somary mody mihatakataka), nefa ny valinteny reko dia hoe adalan'ny tena ireny e! Tena loza mitatao anefa ry zalahy satria manao ilay fomban'ny mpandroba e: mihazakazaka tampoka hampikoropaka ny olona dia avy eo hifaoka tampoka izay azony eny ampandalovana. Efa be ihany ny mahalala izay paika izay ka tsy taitra intsony, kanjo hita ami'izay ny havitsian-dry zalahy! saiky hanakana ny lalam-baovao ry zalahy ka rehefa hitany fa vitsy izy ireo teo. Lasa ry zalahy avy eo nihazakazaka nanaraka ny lalambaovao nankany Ankazomanga any... hita hoe vahiny an'i 67ha no tena marina.

Izay aloha no voasoratra androany alakamisy 05 martsa 2009 amin'ny 00:16 ora maraina fa indro aloha soratako ihany ny tsapako omaly saingy tsy tafavoaka moa noho ny tsy fisian'ny zotram-piseraserana telma taty aminay omaly ka tsy nahafahana nivoivoy an'aterineto ihany koa raha tsy izao alina izao.


jentilisa 05 martsa 2009

Manomboka eto kosa ny saiky navoakako omaly saingy noho ny tsy fisian'ny aterineto dia tsy nivoaka izany: Saiky tsy te-hilaza ny antony itadiavako ny handravana ny hetsika tamin'ny Asabotsy (faran'ny volana febroary) aho fa tsy takatry ny sasany mihitsy angamba ny antony, na menatra ny "hampiasa hery" eo anatrehan'ny solotenan'ny Firenena Mikambana ry zalahy. Henjana ihany koa moa ilay fitakian'ny Arsheveka nanohana an-kolaka ny hisian'ny fihetsiketsehana etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey sy ireo toeran-kafa any amin'ny faritra any e! Ny ahy tena resaka teti-panorona mihitsy no antony: Efa fantatra ve fa volana martsa no tokony hiditra mianatra ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo dia tsy tokony hieritreritra ianao amin'ny handravana mialoha ny hahatongavan'izany volana martsa hidiran'ny mpianatra an-tsehatra izany? Tena tsy ampy mpahay ady na teti-panorona mihitsy ve manodidina ny filoha Ravalomanana amin'izany zavatra efa fantatra mialoha izany? Sa raha nilaza izany tetika izany mialoha aho dia mety ho nekena ihany ny hevitro? Inona ankehitriny ny vokany: hita ho miha-mahazo hery sy mihamahazo vahana ny mpitolona, ialako tsiny amin'ny mpanaja ny ara-dalàna izany, satria afaka mandà ny fepetra notakian'ny Arsheveka ianao fa tsy hirepirepy amin'ny fifanarahana fantatra fa tsy hitondra mankaiza. Izany fandravana ny tolona izany tsy midika velively hoe sambory ranona na sambory ranona satria tsy hahazaka izany ny fonja misy eto Madagasikara. Tsoriko anefa fa raha tsy misy ny fandraisana andraikitra goavana ataon'ny fitondrana amin'izao fotoana izao ny amin'io handravana ny fitokonana io dia miala tsiny aho fa efa mananontanona tsy azo ihodivirana ny firodanan'ity fanjakana ara-dalàna ity.

Hitan'ny olona ny fanaovana azy amin'izao fotoana izao: asiana barazy toy ny tany Goadelopy sy Martinika fotoana maromaro lasa izay ny lalana, ka na vitsy an'isa aza ry zareo dia nahabahana izay azo nosakanany rehetra! Tombon-dalana tsy misy tahaka izany, satria tsy mahay mivondrona na tsy avelan'ny fampielezam-peon'ny mpanohana an-dRavalomanana hivondrona hanohitra ny tsy rariny mihatra aminy ireo efa leo sy boboka tanteraka ny toe-draharaham-pikatsoana misy amin'izao fotoana izao. Mihevitra ve ireo ao amin'ny fitondrana fa vitan'ny mpitandro ny filaminana ny manao ny asam-pandravana ny barazy ataon-dry zalahy... Tsy voatery hanao herisetra anie ny olona amin'izany e! sa tena tsy manana mpanentana sa matahotra ny ainy ny TIM any anivon'ny fokontany any? Tsy hisy ho sahy hanohitra hoe tsy manaiky ireny barazy ireny izahay ve? Terena ry zareo mpanao barazy hoe raha toa ka misy fandrobana na fanendahana na fangalarana any amin'ny faritra tratran'ny barazy dia anjaran-dry zareo ny miandraikitra ny fisamborana ireo nihoa-pefy tamin'ny tokantranon'olona iharan'ny tsy rariny... ka rehefa tsy efan-dry zareo izany dia anjaran'ireo nanao ny barazy izany ny manolo ny zavatra very sy simba nahazo izay niharan'izany, mbola hahasahy hidongy hametraka ireny ihany ve ry zareo? Mino aho fa rehefa tena mifampizizo ny roa tonta hiala moramora ireny mpanao barazy ireny... indrindra rehefa hitany fa vitsy an'isa ry zareo. Sady ny hitako aloha hatramin'izao dia ny mpanendaka sy ny mpandroba no tena manao ny barazy amin'izao 2009 izao.

Indroa andro izay no nihorohoro hatrany izahay manakaiky ity faritr'Analakely ity. Isaky ny tapitra ny fivoriana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey dia misy ireny olona mitangorongorona ireny no miforona ho azy ho andian-jiolahy manakan-dalàm-be, tena hita mihitsy fa lasa mitovy any amin'ireny tany Afrikana misy gidragidra ireny e! Ny hitako ny alatsinainy 2 martsa 2009 fotsiny dia nahitana fa teren-dry zalahy hamoaka ny vola any aminy ny mpanamory fiarakaretsaka mbola nitonantonana hanavatsava an-dry zalahy. Ary dia tena voaendaka tokoa izay tratrany. Nohantsian-dry zalahy amin'izay ny Emmo nat miambina ny tranombarotra lehibe saiky hovakian-dry zalahy saingy tsy tontosa moa fa tonga aloha loatra ny Emmo nat na dia nisy aza ny sakan-dalana nataon'ny mpitolona eo Analakely tsy ahafahan'ny fiara miditra. Tena mazava dia mazava aloha fa ny handrangitra ny mpitandro ny filaminana fotsiny no ataon-dry zalahy rehefa tsy nahavaky tranombarotra teo akaiky teo ry zalahy. Fa ny nampihomehy dia nisy fiara nitondra mpitandro ny filaminana hafa efa nijokojoko tao an-damosin-dry zalahy tao. Rifatra ihany ny farany avy eo satria tsy nampoizin-dry zalahy ilay fivoahana avy tao an-damosin-dry zalahy iny. Nilamindamin-dratsy ny faritra tena manakaiky anay raha mbola nandrenesana baomba mpandatsa-dranomaso sy baomba mankarenintsofina ny tao afovoan'Analakely tao.

Ny talata 3 marsa 2009 indray efa ninia ny hiditra am-piasana taratara mihitsy aho hay tena tao anatin'ny ady mangotraka no nankanesako tao am-piasana. Nisy olona nivorivory manko teo anoloan'ny vavahady ka norarafan-dry zalahy Emmo nat baomba mpandatsa-dranomaso teo... tena maina vetivety teo ny tendako sy ny lelako, ary narary ny lohako, fa masiatsiaka noho ny sakay ity setroky ny baomba e! tena rotsa-dranomaso tsy nitomany izao nataoko izao ry zareo... tratra daholo izahay rehetra e! fa na dia efa tsy hitanao intsony aza ny setroka fa mbola mahery ny asan'ilay izy e! Tena hoy aho any an-eritreritro any hoe tsy maintsy hiaina tahaka izao hatrany izany isan'andro isaky ny mirava ny kianjan'ny 13 mey e! Nefa anie na dia teo aza izany vakin-dry zalahy hatrany ny Samckowa e! Ahoana ny nanaovany azy hoy ianareo? Mody avy ry zalahy amin'ny fitenenana hoe hanala faty fa mbola misy faty ao amin'ilay trano efa rava eo anilany eo, manararaotra tamin'ilay fisiana faty mbola nofongarina avy tao amin'ny trading center natapy andro teo amin'ny kianjan'ny 13 mey e (faty efa iray volana mahery ve ry zareo?)! hay ny rindrina no naboroakan-ndry zalahy tao anatin'ny fotoana fohy. Lasa ny entana e! tsy nampoizin'ny Emmo nat iny satria haingana dia haingana koa ny fandrobana natao... Efa misy miteniteny koa moa izao ny handrobana ny orinasa misy anay, efa nisy nampirisika ihany tamin'ny alatsinainy fa soa ihany fa tsy mbola naharesy lahatra ny be sandry tamin'ny mpandroba aloha!

Asa raha misy mahamarika ianareo fa misy ireny taratasy karazana afisy mipetaka ireny amin'ny tranombarotry ny karana ao Tsaralalàna. Teny arabo ilay izy ka tsy fantatry ny Malagasy loatra izay ambaran'ny taratasy, nikatona tanteraka anefa izay tranombarotra tratran'ireny taratasy amin'ny teny arabo ireny raha vao mahita ny taratasy ny tompom-barotra, nisy nilaza fa fandrahonana an-dry zareo hoe "anjaranareo indray izao no horobainay", tsy mahay teny Arabo aho nefa ny fikatonan'ny tranombarotry ny Karana mahalala tsara ny teny sy soratra arabo no mety hampirona ny fiheverako amin'ny mety hisian'ny fandrahonana.  Tsoriko kosa fa tsy nandre ny hanisiana marika mainty ny tranon'ny miaramila sy izay mpanohana TIM aho fa raha toa misy ny manao kivazivazy ratsy amin'izay dia marihiko mainty avokoa ny tranon'ny mpanohana ny TGV eto amin'ny tanàna. Mifankafantatra safidy daholo ihany manko izahay rehetra eto amin'ny manodidina.

Fa ny any amin'ny faritra kosa, nisy baomba nandatsa-dranomaso nipoaka ihany koa tany amin'ny faritr'i Tsaramandroso ao Mahajangà ao, hanaparitahana ireo mpandroba saiky hanao ny asany tany, nifanindran-dalana tamin'ny hetsiky ny mpanohitra moa ny fotoana saiky hanaovana ny fandrobana nefa azo heverina ihany fa karazana fanararaotana amin'ilay hetsika misy any ity fandrobana nokasaina hatao ity. Tsy fantatro kosa aloha raha nahavaky trano ry zalahy na tsia! Ny tao Fianarantsoa kosa indray dia faritra maromaro tokoa no nametrahan-dry zalahy barazy rehefa tonga ny hariva! izay no izy rehefa tsy navela na nampirisihana hivondrona ny mpanohana ny ara-dalàna. Eny e! mety hisorohana ny fifanandrinan'ny andaniny sy ny ankilany angamba izany, nefa anie tena hitroatra handray ny andraikiny mihitsy ny olona raha mbola manampi-tsofina amin'ny mpanohana azy ny fitondrana nefa dia lasa hetsika miparitadritaka izany e! Avondrony ny hery raha tiana ny mbola hijoroana... Fa raha tsy hanao izany nefa tsy handray andraikitra manoloana ny fanakatsakanana ny fivezivezen'ny olona sy ny entany mialà fa mampitombo sorisory fotsiny! Ny olona koa efa miandry ny faran'ity tantara ity ka hanamarina na handiso ny filazana hoe "oviana koa no nisy tolona tonga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey tsy tonga tany amin'ny fenitra notratrariny izany?". Ny any Antsirabe indray moa dia efa nodradradradraina fa ny alarobia 4 martsa no haka ny anjara katsaka eny ambany andrefana (toeram-pambolen-dRavalomanana) ny rehetra, eny Amboronomby ny fotoana ary samy efa nentanina hitondra gony hamenoana katsaka ny rehetra.

Na izany aza efa misy ny fanapahan-kevitra ankasitrahako tamin'izay efa natao tao ho ao. Iray amin'izany ny fanampenam-peo sy sary natao tamin'ny radio sy TV VIVA, minia mandainga tsotra izao manko ireo toby roa toa iray ireo. Iza no nanomboka ity raharaha ity? tsy fantatro loatra fa ny niharany voalohany indrindra fantatro dia ny radio fahazavana 88.6 Mhz ary ny nanampim-peo dia ny radio VIVA, tena nogafian-dry zalahy manko ny fandaharam-pivavahana mpandeha amin'ity radio ity. Nefa efa nahatsikaritra fahapatapahan'ny fandaharana tao amin'ny Mbs matetika aho (eo amin'ny maridrefin'ny mbs teo aloha manko no nandehanan'ny radio mada teo alohaloha kely teo ary mpihaino azy aho) tamin'ny fiandohan'iny herinandro efa nivalona iny na talohan'izay akory aza, farany aza dia tapaka tanteraka ny maridrefy 95.4 Mhz fa ny 100.8 Mhz sisa mandeha amin'izao fotoana izao. Heveriko fa namaly bontana ny tao amin'ny radio mada (tadidio fa trano iray mifanila birao ny misy ny radio mada sy ny radio fahazavana eny Faravohitra) nanomboka ny Zoma 27 febroary 2009 teo, vokany: sary tsy mihetsika no hita tamin'ny VIVA TV ny Sabotsy 28 febroary ary tsy nisy sary nivoaka intsony nanomboka ny 1 marsa 2009... ny eritreritro moa dia hoe angamba lany vola ry zalahy hampandehanana ilay tele... hay moa nitaraina ry zalahy avy eo!

Ny tao amin'ny radio Antsiva indray ataoko fa tamin'ny alahady folakandro no tsy heno izy nandritra ny ora maro satria tapaka avokoa ny jiro teto Antananarivo, noho izany tsy nisy nandeha ny radio sy ny tele rehetra ankoatra ny Radio don bosco sy ny radio mada irery ihany, RDB satria any Ivato ry zareo sady manana gropy fiandry fandefasam-peo sy sary rahateo, sy ny radio mada izay heverina fa tsy eny Faravohitra no tena mampandeha azy fa any ivelan'Antananarivo any. Ny fotoana hafa hoe tsy nandrenesako ny Antsiva kosa indray moa tsy fantatro loatra satria isakyny mamadika mihaino any aho reko hatrany ry zareo. Efa nilaza moa ny tao amin'ny jirama fa tsy misy ifandraisany amin'ny tolona nataon-dry zareo ny fahatapahan-jiro tsy nisy kotroka sy orana tamin'ny alahady iny fa olana tany Andekaleka tany.


jentilisa, 04 martsa 2009 00:40 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Martsa 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox