Nahariharin'ny karatra

2009-03-31 @ 04:55 in Politika

Nitamberina tany amin'ny fitantarako tamin'ny faraparan'ny volana janoary indray ny saiko rehefa mahita ny zavatra ankehitriny. Nanao famorian'olona ny mpanohana ny TGV ny sabotsy 24 janoary 2009, feno ny kianjan'ny demaokrasia (ilay ilany natokana hivoriana io). Nidina avy hatrany teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ry zareo satria heveriny fa manana ny tanjaka amin'izay. Namaly izany tamin'ny alalan'ny fitsenana avy eny Ivato ny mpanohana an-dRavalomanana ny alahady 25 janoary 2009. Tamin'io fotoana io tsy nety nino izay nitantarana fa efa misy ny andian'olona natao hanakorontana sy hifandramatra tamin'ny mpanohana ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Teo ireo ankizy kely tsy mahalala izay hahafaty azy fa teo ihany koa ireo tena jiolahimboto manana sandry vonona ny hifampitana mihitsy amin'ny mpitandro ny filaminana mpiaro ny filoha. Nahavakisana fitaratra mihitsy ny fiara mpanaraka ny filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, ary nopotehina ny tetezana fiampitan'olona maomaorina kely izany nesorina tanteraka tsy ho hita intsony amin'izao fotoana anoratana izao (31 martsa 2009). Tonga ny alatsinainy 26 janoary 2009, ilay andro anisan'ny matroka indrindra tamin'ny tantaran'Iarivo sy Madagasikara, niditra tamin'ny lalao maloto tanteraka ny TGV, tamin'ny fandoroana ny RNM, TVM, MBS, Magro, ny foiben'ny TIM, nitohy izany fandrobana sy fandoroana izany ny talata 27 janoary 2009. Mbola nisy ihany ny nahasahy niteny ihany fa Ravalomanana no nampaniraka ny olona handoro ireo fananany sy fananam-panjakana ireo na dia efa mazava taminay aza fa heverina ho "Fahavalo" tanteraka ny filoha tamin'izany fotoana izany. Tokony ho nahatsapa kosa ny filoha tamin'izany fotoana izany fa efa tsy voafehiny intsony ny tafika fa manao izay tiany atao fotsiny, nandà ny hisambotra ireo olona mandoro trano ireo. Ny mpamonjy trano hay koa moa efa nahazo baiko ny tsy hamono ny afo velively. Nanomboka tamin'io fotoana io dia nisy hatrany ny fandrobana isaky ny mirava ny fivoriana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey.

Ankehitriny indray, efa hitan'ny rehetra eto Antananarivo, ireo olona voakarama na sivily na miaramila na polisy natao hamotika ny hetsika hamerenana ny ara-dalàna, satria hono hialana amin'ny fandrobana sy fanimbana fananan'olona sy manakana ny varotra tsy handeha. Tamin'ny sabotsy 28 marsa 2009 rehefa teny amin'ny toeran'ny mpitana hazo sy vato ary vy aho dia hitako fa tsy nandefasana baomba mpandatsa-dranomaso, na baomba mankarenin-tsofina mihitsy ny "mpiaro ny kianjan'ny 13 mey" afa-tsy indray mandeha teny amin'ny tokontany tsy misy olona. Ny tery amin'ny olona midina tsotra anefa feno dia feno ny baomba mpandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina nalefa taminy saingy tsy nihontsona ireo olona ireo ka efa nahakivy ambony ihany ireo tety amin'ny ilany mpisetrasetra. Tifi-danitra sy tifitra nikendrena olona vao nampihemotra ireo vahoaka betsaka noho izay voangon'ny TGV fony izy nanao fihetsiketsehana farany teo Ambohijatovo ireo. Ny baomba sy ny tifitra tamin'io fotoana io tany amin'ny olona nidina avy teny Ambohijatovo ihany fa mitady hametraka tantara diso ny gazety Ao raha sy l'express de madagascar (izay an'i Edgar Razafindravaha malaza ihany koa amin'ny fanaova-mofo nolazain'ny mpitondra jiolahimboto fa hampidina ny vidin'ny mofo dipaina) hoe samy nahazo anjara betsabetsaka avokoa na Ambohijatovo na 13 mey. Tsara angamba ny manasongadina fa tamin'ity fotoana ity no nisy fifamaliana voalohany ny teo amin'ny tafika sy ny polisy, tsy nanaiky ny hitifitra olona manko ny polisy ka nahatezitra ny tao amin'ny Capsat izany. Lasa namonjy ny tobiny moa ireo polisy ireo avy eo... samy manana ny baiko azony manko ny vondrona fa tsy iraisana toy ny tamin'ny andron'ny Emmo Nat intsony baiko.

Omaly alatsinainy indray, mody tsy nipoitra intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fanamiana fa "sivily" ihany no vonona hiaro ny kianjan'ny 13 mey. Nahazo henatra lehibe noho izay nataon-d"Razily" sy ny namany angamba ka naleo niova paika. Maro amin'ireo "sivily" ireo anefa no manana basy (kalachnikov) somary nanapahana mba ho mora afenina kokoa ilay fitaovam-piadiana. Nataony mihitsy izay hihantsiana ny olona hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hoe ny samy sivily no nifandona nefa dia nandrenesana feom-basy maro tao. Efa mailo dia mailo anefa ny mpitarika ny hetsika ho amin'ny famerenana ny ara-dalàna ka namepetra mafy ny mpiara-dia aminy, na dia misy tokoa aza ny tsy nanaiky izany baiko tsy handalo mihitsy ny kianjan'ny 13 mey izany fa hitady lalan-kafa hodiana na hamonjena asa. Efa nisy miaramilan'ny capsat nanao fitafian'olo-tsotra rahateo tao anatin'ny mpanao fihetsiketsehana. Reny mazava loatra ny fameperana ka dia ry zareo Capsat nanao fanamiana sivily sy ireo voakaraman'ny mpanao politika hitoratoraka indray no hanafika an'Ambohijatovo ka efa tonga teo anoloan'ny RM1, tsy atahorany hivoaka satria namana mahafatra-po tamin'ny tifitra nataony ny sabotsy lasa teo moa ny lohany tamin-dry zareo. Hatreo, mbola sarotra ny hamoaka ireo basy nafenina satria mbola voavaka tsara ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany. Azo lazaina kosa aloha eto fa efa manakaiky ny arivo any ho any ireto sivily vonona ny handrava tolona ireto.

Dia nanao fanambarana ihany koa ireo "gadra politika" navoaka fa hamory olona eo amin'ny kianjan'Ambohijatovo anio talata 31 marsa 2009. Efa nisy rahateo moa ny filazana nataon'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa tsy maintsy maka alalana indray vao mahazo mamory olona eo Ambohijatovo, izany hoe azo atao noho izany ny mandà ny fangatahana... paika entina handravana ny tolona avokoa moa izany. Mba hitandroana ny filaminana sy hialana amin'ny gidragidra moa dia naleon'ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna mandefitra amin'ity andro ity. Tsy maninona mety hisesisesy ny hetsika ataon'ny mpanohana ny tetezamita fa hahariharin'ny karatra ihany avy eo ny zavatra rehetra. Niaiky moa ny Minisitra tetezamita amin'ny filaminana anatiny fa tena samihafa tokoa ny tolona nataon'ny teo aloha sy ny ankehitriny na dia navadiny aza ny resaka avy eo. Efa tolona hafa mihitsy noho izany ny ady amin'ny fandefasan-dainga asesisesin'ny mpitondra tetezamita sy ny mpanara-dia azy amin'izao fotoana izao. Efa mibolistra tanteraka ny mpitondra ankehitriny... lainga indray ny afafiny nefa tsy ekena izany fa tsy maintsy haharihary ny marina.



Jentilisa, talata 31 marsa 2009 tamin'ny 06:55 maraina


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Martsa 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox