Voalohany, tao anatin'ny herinandro latsaka teo ho eo dia hitako nihaniadana ny halakin'ny fiseraserana amin'ny aterineto fampiasako. Moov itony fandoa sara mialoha itony no fampiasako mandra-piandry izay mety hahafa-po ahy rehefa tena miasa ny Hosina (cable na fibre optique) ka mivoatra tokoa ny tontolon'ny serasera, izany hoe sady mihamora takatry ny besinimaro ny sarany no mihahaingana ny fahazoana soratra fototra (donnée). Mazava loatra fa vokajiko tsara sy raisiko naoty avokoa ny fandaniana ataoko hamantarako ny fotoana hampidirana fahana vaovao indray. Tsikaritra tsara noho izany, fa raha nahafapo ahy, izany hoe nahafahako nanangona fotsiny ny vaovao avy amin'ny vohikalam-baovao malagasy sy bolongana mpivoy hevitra mifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny folo minitra teo alohaloha teo dia tsy ahavitako ny toy izany intsony amin'izao fotoana izao fa sady manafosafo ny 20 minitra no sarotra vao miseho endrika ny ankamaroan'ny vohikalam-baovao mety ho tsy ampiantranoan'ny server eto Madagasikara (sady amin'ny moov koa angaha).
Tsikaritro manokana fa miandry amina minitra avokoa vao miseho tsara ny vohikala mpanome vaovao malagasy iray. Misy aza any amin'ny fito minitra any vao tafavoaka ny takelaka fidirana iray. Ny tena tratran'ireo toe-javatra ireo dia ireo atao hoe manana fahaleovan-tenany ihany amin'ny famoaham-baovao satria tsy mandoka loatra ny eo amin'ny fitondrana izy ireo. Fa ny miavaka indrindra amin'ireo rehetra ireo dia ny vohikala iray niorina am-bolana izao mpanohana ny FAT (Actumada) fa toa tsy manisa segondra aza dia tafasokatra avy hatrany. Ny tahaka ny an'io farany io angamba no fisokatry ny takelaka any amin'ny tany mandroso any, hoy ny eritreritro. Fahoriana tanteraka kosa izany hijery ny vaovaon'ireo vohikalan'ny gazety iraisam-pirenena (tandrefana) miresaka Madagasikara fa ampolony minitra no isaina vao tafasokatra azo vakiana ny soratra fa ahato kosa (stopper) izy tsy hamoaka sary sy dokambarotra fa manjary sintoniny hatrany ny fakana soratra fototra (donnée). Ilay soratra fototra moa dia araka izay fahazoako azy no lazaiko ka ahitsio aho raha misy tsy mety ny filazako azy.
Manangona vaovao fotsiny no lazaiko eto satria mpanara-baovao ny tena no ilaiko ihany koa izany horaiketina tantara amin'ny fotoany dia efa manahirana aoka izany ny mahazo azy eto Madagasikara. Tsy misy fanakanana na sivana mivantana izany fa dia lasa mandany vola kokoa aho rehefa ela kokoa ny fotoana iseraserako. Na izany aza dia manahirana ihany ny ataon'ny Mpanome Tolotra Iseraserana (fr: FAI) manao izay tiany atao amin'ny fitadiavam-bola ranofotsiny fa toa tsy miraharaha loatra ireo mpampiasa aterineto efa zatra. Ny dokambarotra fotsiny no atao mipoapoaka fa ny fikarakarana ny mpampiasa ny tolotra tsy raharahiana akory. Angamba mila fikambanana mpiaro ny zon'ny mpampiasa aterineto, hiteny ny ataon'ireto orinasa Mpanome Tolotra Iseraserana ireto fa ry zareo indray no manelingelina ny zo hahalala vaovao.
Olana iray ahy manokana aloha, tsy fantatro manko na izaho irery no tratran'ity olana ity na ahoana fa mba manontany ny hevitr'ireo mpampiasa moov mandoa sara mialoha aho, fa misy tahirin-kevitra iray mba tiako alaina izay ao amin'ny
lahatsoratr'i Achille 52 ao momba ny bolabola (bois de rose) fa tsy mety mahazo azy io mihitsy aho. Raha eo ho eo amin'ny 4.7 MB eo no lazaina fa vesatr'ilay tahirin-kevitra tiako sintonina dia eo amin'ny 1.2MB eo foana dia votsotra ny fitrohana ilay tahirin-kevitra, noho izay dia tsy mahasokatra ilay tahirin-kevitra mihitsy aho. Averiko indray fa mety ho olana ahy manokana ity noraisiko ohatra ity, nefa dia te-hanontany indrindra ny hevitry ny hafa mipetraka eto Madagasikara mampiasa Moov aho.
Mbola vao maka vaovao fotsiny no ambarako aminareo fa ny manome vaovao, indrindra fa ny mamoaka sary ihany koa dia mbola tantara hafa mihitsy. Tsy fantatro aloha ny any an-kafa any, fa tamin'ny mbola azoazo aza ny fiseraserana no namoahako ireny sariitatra maromaro ireny fa lazaiko anareo fa maherin'ny atsasakadiny (mba tsy ilazako hoe adiny iray latsaka fahefany) no namoaka azy ireny fotsiny. Izany matetika no mahatonga ny tena ho kamo hamoaka sary na dia mba mety hisy ihany aza ny azo avoaka. Dia hevero amin'izany ry mpamaky hajaina ny tolona ataonay te-hahalala vaovao sy te-hampahalala vaovao ihany koa. Saingy noho ny fitiavana manko no anaovana izany, avoaka ny marina sy ny zavamisy fa avoaka ihany koa ny hevitra.
Sao mba fitahiana ilay fikatsoana?Aza mora tezitra fa saino tsara ny zavatra soratako aloha. Mety ho gaga ny maro nefa izay mihitsy no sainiko. Tsy mety mifanaraka mihitsy ny efa-tonta amin'ny fandrafetana ny governemanta sy ny andrim-panjakana hafa. Lasa indray ny saiko manao hoe sao dia izay aloha no mety sy tsara amin'izao fotoana izao? Misy manko ny mifikitra hitantana ny zava-drehetra saingy tsy mety tontosa na tsy mety eken'ny hafa hatrany amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany. Dia velom-panantenana ny tena fa tsy very toky. Nahoana tokoa moa no terena hiasa ny mpankahala sy ny ankahalaina, ny nandroba sy ny voaroba, ny mpanangana sy ny mpandrava? Fa eto ihany koa no mifampitady ny hery sy ny diplaomasia.
Amin'izao fotoana izao dia tadiavina mafy ny hitantanan'ny sasany samirery ny firenena ary tsy tapaka ihany koa ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa kadradradradraina mafy ho toy ny loza mihantona ho an'ny Malagasy izany fahatapahan'ny fanampiana sy ny tetibola iarahamiasa izany. Ataoko fa raha nahavita tena samirery ny tao amin'ny FAT tokony tsy nifampiraharaha tamin'ny ankolafy hafa na oviana na oviana. Toa izay no tiany aseho amin'izao fotoana izao nefa voatery nifanaraka tamin'ny hafa ihany tany Addis Abeba sy Maputo. Mbola manahy zavatra hafa mihitsy aho eto. Ny fanahiana mazava ho azy tsy voatery ho marina saingy tamin'ity taona ity moa dia zavatra nihoampampana noho ny fanahiana hatrany no nitranga, ka dia matahotra aho.
Manahy aho fa iniana atao ny mampitarazoka ny zavatra rehetra, indrindra fa ireny misy fiaraha-miasa fitrosana ireny, hanehoana fa tsy maintsy hikoropaka ihany ny firenena lehibe mihevitra ho mitana ny ankamaroan'ny vola tadiavina. Mifanenjana amin'ny Amerikana sy ny vondrona Eoropeana araka ny fanahiako ny fitondrana FAT amin'izao fotoana izao ka izay iray milefitra eto. Raha milefitra ny firenena voalazako ireo dia hibata fandresena lehibe ry zareo. Fa raha tsy mety milefitra kosa ny Amerikana sy ny Eoropeana, ka tapaka tarangana ny fanampiana, dia azony atao tsara amin'izay ny miala... nefa misy tetika goavana hatrany ao ambadik'izany. Miala izy tsy noho ny fitakian'ny olona fa miala izy rehefa potika tanteraka ny toe-karena ary maizina tanteraka ny ho avy, ka izay misolo azy io no tena iangonan'ny rihitra rehetra, izany hoe mizaka ny tsy fisiana rehetra... dia afaka hitabataba ihany koa ry zareo fa tsy mahavita na inona na inona ihany koa izay nihevi-tena hisolo azy ary mbola mieritreritra ny hibata fandresena ihany koa izy ao anatin'izany. Eo ihany koa anefa ny fiheverany fa eo ampelatanany ny hery ka tsy hisy ho afa-manao na inona na inona eo raha mbola izy koa no mitondra, no tsy hisy hafa afa-mitoondra ankoatrany eo.
Fehiny: aza heverina ho fahadalana mihitsy izay ataon'Ilaikely izao (tsy hanonona ny anarany manontolo mihitsy aho tsy hahabe fanononana ny anarany amin'ny aterineto) fa hevero fa misy fanomezatoky azony na paika henjana tsy noeritreretintsika noho ny fitabatabana mialoha ataontsika hatrany fa fahadalana sy hakelezan-doha na fifikirana amin'ny seza fotsiny no ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe eo hatrany ihany fomba fiteny an'ny mpanjanatany hoe "Il ne faut jamais sous-estimer l'adversaire" fa io hatrany no efa nahavoa hatramin'izay. Na iza na iza tsy mahafantatra marina izay tena ketrehiny amin'ny farany na tanjony farany ankoatra ny tenany fa raha fantatsika izany tokony ho hay ny mamaha ny olana. Matoa kosa toa tsy mety taitra amin'ny zavamisy izy amin'izao fotoana izao dia mbola hitany fa tsy fantatsika ny tena tiany ahatongavana. Mety ho fotoana fotsiny, na ora na andro no andrasany ka tsy tokony hampitoetoetra antsika foana. Mba hitanareo mikaro-bahaolana ve izy? Efa nanome sosokevitra hanohizana ny asan'ny minisitra voatendry teo aloha anie izy e! Koa samia mandinika tsara sao mbola diso paika hatrany isika amin'izao fotoana izao.
jentilisa, 01 desambra 2009, amin'ny 00:47
Mitaintaina avokoa ny mpanara-baovao politika miandry ny fivoahan'ny mpikambana ao amin'ny governemanta iraisan'ny rehetra. Samy nanana ny paikany ny tsirairay tamin'ny fandrombahana ny toerana tsirairay. Nisy toerana nahitako ny lisitra manko ary rehefa notopazako maso dia tsy kisangisangy ilay izy fa azo heverina tsara (na sanatria mety ho tsy marina aza!). Somary nahavariana ihany ny filazana mialoha nataon'ny ankolafy sasany fa tsy azo soloina intsony ny minisitry ny fampianarana ohatra satria tsy mety ny manolo minisitra antenantenam-pianarana izany. Fantatra ihany fa tao anatina taom-pianarana no nanaovany izay tiany natao teto amin'ny firenena. Misy tetika ambadika tao anatin'io fifikirana minisitera tsy fiandrianam- pirenena io. Heveriko avy hatrany fa tiana ampiasaina ny mpiasam-panjakana ao amin'ny fampianarana hanao fampielezan-kevitra sy hitatitra haingana ny voka-pifidianana ka avy amin'izay no mety hanamboamboarana ny voka-pifidianana. ny minisiteran'ny fampianarana tsinona no maro mpiasam-panjakana (mpiasam-bahoaka) indrindra sy mieli-patrana mahazo hatramin'ny fokontany rehetra manerana an'i Madagasikara.
Izay no nanoratako tao amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter user jentilisa) ny tsy tokony ampiarahana velively ho ana ankolafy tokana ireo minisitera roa samihafa ireo dia ny fampianarana sy ny atitany. Ao amin'ilay tombatombana moa dia tsy tafaraka aloha ilay izy. Ny tena marina no tsy fantatra na hanao ahoana na hanao ahoana. Ny minisiteran'ny fahasalamana kosa indray dia mbola an'ny ankolafy hafa tsy iretsy ankolafy manana ireo minisitera roa tian-kotondroina etsy ambony. Azo heverina ho mahenika ihany koa an'i Madagasikara iray manontolo io minisitera iray io, na dia ekena tokoa aza fa tsy tonga hatrany amin'ny fokotany rehetra. Azo lazaina fa samy manana hafetsena mihitsy ireo ankolafy tsirairay na izaho no lasa lavitra loatra ny fisainako amin'ny hoe fanomanana fifidianana ho hatao mandritra ny tetezamita ka ireo fitsinjarana minisitera ireo no natao dia mba hanomanan'ny ankolafy indrindra indrindra izany fifidianana izany na dia eo aza ny andraikitra sahaniny ho an'ny vahoaka. Efa nisy ihany moa ny fetsifetsy nanao filazana tamin'ny mpiasam-panjakana rehetra any amin'ny sampan- draharaham- panjakana any fa ny filohan'ny tetezamita irery ihany na ny fiadidian'ny tetezamite irery ihany no tokony hotoaviny sy handraisany baiko. Atsahatra eo aloha ny amin'iny satria atao hoe tombana ihany no misy hatreto fa omena anao etsy ambany ihany izany lisitra hitako izany.
Fa ahoana ny resaka miaramila?
Toe-draharaha nanamarika ity herinandro ity ny fanambarana samihafa nataona manamboninahitra miaramila vitsivitsy. Nisy ireo manamboninahitra no mitady hanindry fa misy ny manana zo tsy azo ifampizarazaran'ny filoham-pirenena. Mba nijery rakibolana teny vahiny (na dia teny ofisialy aza) ihany ny tena ka nahita fa toy ny hoe tombontsoa manokan'ny Mpanjaka (nahavariana ahy io teny io fa naninona no tsy ny filoha no noraisiny?) io resaka zo tsy azo ifampizarana amin'ny hafa io. Soa ihany fa nisy ny manamboinahitra hafa avy hatrany dia nahasahy nijoro nilaza fa tsy voatery araka izay heverin'iretsy voalohany no andikana izany zo tsy azo ifampizarana izany. Ireo voalohany izay notarihan'ny Lt-Kl Charles Randrianasoavina sy Lt-Kl Lylison de Roland moa tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nanao ny fanambarany. Ireo nanohitra azy dia ny Kmdà Roger Luc sy ny Kp Mbohoazy Lahinilainy izay fantatra fa avy ao amin'ny 1°RFI kosa tsy fantatro mazava ny toerana nanaovany fanambarana.
Zava-mahavariana ireo fanamabarana ireo. Iretsy voalohany mety hihevitra fa ry zareo sy ny tariny no mahery ka tsy hisy ny hahasahy hanohitra azy ireo. Karazana fanindriana ny hafa rehetra no nataony. Etsy ankilany ihany koa anefa dia mety ho hevitra farany nataon'izy ireo ny fanambarana nataony hanavotany ny olona arovany mba hanandanja kokoa eo amin'ny firenena fa tsy ho vasok'ilay hoe tsy maintsy nifampizara fahefana. Nisy tampoka ny miaramila namaly ny fanambaran'izy ireo, nahasahy naneho ny heviny, nefa tsy voatery hanambara ny heviny manohitra ireo nanao fanambarana tao amin'ny Lapam-panjakana ka hampiseho hoe mizara ny tafika. Teny tsy zakan'ny ao amin'ny miaramila rahateo izany hoe "mizara" izany. Ny roa tonta nanao fanambarana dia samy tsy naka alalana tamin'ny Lehiben'ny etamazaoron'ny tafika na ny minisitry ny Fiarovana. Raha ny tokony ho izy izany dia mendrika ny hosaziana avokoa ry zareo rehetra ireo. Efa nanambara ny Kaomandà Roger Luc fa efa naharay ny saziny saingy tsy ahoany loatra izany rehefa tsapany fa nanao ny adidiny izy ary tsy manenina tamin'izay nataony. Izaho manokana dia mendri-piderana ny nataony, na dia ny hahatonga saina ireo mpanao fanambarana tsy nahazoana alalana ihany aza no mety ho tanjony. Te-hamerina ny Tafika amin'ny sehatra tokony hisy azy izy fa tsy hitsabaka amin'izay tsy tokony ho tsabahiny. Olona firy re no mba mahasahy ny manao ny tahaka azy ireo? Mandika ny lalàna hiarovana ny rariny sady manaiky ny sazy mifandraika amin'ny fandikan-dalàna nataony. Misy manko ireo mandika lalàna nefa tsy te-hanaiky ny sazy tokony hampiharina aminy tamin'izay nataony. Endrika fanajana ny lalàna amin'ny fomba hafa.
Ireto ary ny lisitra nisy namoaka izay lazaiko hatrany fa mbola miandry fanamarinana ofisialy:Eugène Mangalaza, Premier Ministre
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine
Raha raisina isaky ny ankolafy kosa dia tahaka izao:Ankolafy RajoelinaNy Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ankolafy RavalomananaManandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Ankolafy ZafyManoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine
Ankolafy RatsirakaJosé Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
Ankolafy hafaNirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
jentilisa, Asabotsy 21 novambra 2009 amin'ny 00:45