Tandindonin'ny ady an-trano?
Nampisaina lalina ahy hitodika tsara tany amin'ny 26 janoary 2009 (andron'ny fandrobana) indray ny toe-draharahan'i Ejipta sy Alzeria nandritra ny lalao baolina fandaka tamin'ny herinandro lasa iny. Nadikako ho amin'ny teny malagasy mihitsy moa ny lahatsoratra mitantara izay tsy ambaran'ny haino aman-jery mahazatra loatra tamin'iny raharaha tsy baolina fandaka intsony iny. Hitako tao anatin'izany fitantarana izany fa nentina manokana tamin'ny fiaramanidina maromaro ny jiolahimboto Alzeriana tsy mpijery baolina mahazatra, handrava tsena, hampihorohoro ny tanàna, hamono izay Ejipsiana hitany fa tombony ho azy ireo fotsiny ny manatrika ilay lalao izay nandresen-dry zareo ihany koa. Mariho tsara ilay hoe fiaramanidina an'ny miaramila no nitatitra ireo jiolahimboto ireo. Manahy aza aho fa miaramila ihany ireo nampihorohoro ireo matoa miaramila Sodaney 15000 aza tsy nahafehy an-dry zareo. Moa tsy azo sainina ho nisy tahaka izany koa ve teto Madagasikara tamin'ireny 26 sy 27 janoary 2009 ireny? Hita any amin'ny gazety (Taratra sy Tia Tanindrazana) indray fa mbola mitaky ny valin-kasasarany ny "miaramila amperinasa teo aloha" na "rezervista tanora" nametraka ny tetezamita amin'ny toerany. Nojereko tsara indray mandeha fa nisy kamiao tsy an'ny miaramila (noho ny lokony fotsy ary heveriko ho nitondra ireo fitaovam-piseraserana azo nentina tao) nivoaka ny RNM sy ny TVM tamin'iny andron'ny 26 janoary iny rehefa nanomboka may ireo tranom-panjakana roa ireo.
Manaraka izany, efa hitahitantsika eny ihany koa ny adin'ny "mpanjaka" eo amin'ny samy Antakarana amin'izao fotoana izao. Navoakan'ny gazety iray indray koa fa bokon'hozatra maro dia maro no notaterina tamin'ny kamiao ka nanafika ny zomba sy ireo tao anatiny. Ny olana amin'ity raharaha iray ity dia noho ny fomba fanomanana ny tsanga-tsaigny nokasain'ny iray hotontosaina amin'ity herinandro ity fa izay mahatsangana ny saina amin'ny fomba rehetra manko no hekena ho mpanjaka. Efa tsy dia nahazatra loatra angamba ilay fifanafihana nisy noho ny marimaritra iraisana nahazatra ny mpiray foko nefa toa ao anatin'ny "fanao" ilay hoe amin'ny fomba rehetra. Karazana kilalao ratsy ihany izy ity ary ny tena manahirana dia ny nitsabahan'ny fitondrana foibe tamin'ity raharaha iray ity. Mety ho resaka politika no antony ambadik'ity raharaha ity nefa mety hisy ihany koa ny lafiny vola mety mandehandeha ao anatiny (fampanofana tany sy ny tombontsoa mifandraika amin'izany). Mariho tsara indray fa mbola tafiditra mpikarama an'ady ihany koa ity raharaha iray ity.
Mampanahy ihany ny ataon'ny mpitia baolina lavalava sasantsasany satria tsy mahazaka resy mihitsy ry zareo hany ka manapaka hatrany ny fizotry ny lalao. Soa aloha fa tsy tonga hatrany amin'ny gidragidra tambambe tamin'ity indray mitoraka ity. Ny manahirana aminy dia ny lonilony ao amin'izy ireo rehefa resy ka mora entim-po. Mora tarihina amin-javatra tsy azo visavisaina manko ny olona tahaka ireny, nefa ny tena tsy mifanalavitra amin'izy ireo ihany koa ka sao mipitika aty aminay ary ny rà hoy ny fomba fitenenana izay. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy no hihavian'ny soa. Ny tena mahakamo manko dia enjehina am-pitenenana hatrany aloha ny mpanohana ny ankolafy ho sakana hatrany amin'ny fampandehanan-draharaha misy amin'izao fotoana izao. Ilay resaka manko tsy ilay olona mpitarika intsony no enjehin'izy ireo na haratsian'izy ireo sy melohin'izy ireo fa ireo mpanaraka ihany koa. Eto aho no miteny fa tsy mitondra mankaiza mihitsy ny fifandrahonana ambava mety hitondra mankamin'ny fifamonoana eo amin'ny samy mpanaraka ny andaniny syny ankilany satria tsy mipaka velively any amin'izay naniraka ny faharatram-po mety ho teraka avy amin'izany.
Mivadika indray ny resaka eto, manahirana ahy ny mbola andrenesana ireo minisitra teo aloha, miresaka ny amin'ny asany izay efa tokonyho fampandehanan-draharaha tsotra sisa. Ny tena tsy ankasitrahako dia ny mbola hakan'ny mpanao gazety resaka amin'ny maha-minisitra azy ireny hatrany. Karazany fanakorontanan-draharaha sy fampisavorovoroana ny fiaraha-monina amiko ny fanaon'ny mpanao gazety manontany azy ireo amin'ny mahaminisitra azy ireo izay. Maninona moa raha mampitandrina ny manao gazety rehetra hoe ireo izay mitonona ho minisitra rehetra dia efa tsy tokony ho minisitra intsony ary tsy mba manaja tena manao taratasy fialana na filazana ampahibemaso fa fampandehanan- draharaha sisa no atao mandra-piavin'ny tokony ho governemanta iraisana. Karazana etika no apetraka amin'ny mpanao gazety tsy hanontany ireo olona ireo amin'ny maha-minisitra azy intsony. Heverina ho fanakorontanam-bahoaka ny mbola finiavana manontany azy ireo amin'ny raharaham-panjakana izay tsy tokony hanaovan'izy ireo filankevitra na fanapahan-kevitra ao anatin'ny minisitera intsony.
jentilisa, 24 novambra 2009 amin'ny 13:45