Tafasaraka tamin'ny HMF ny Vondrona Kristiana

2010-10-21 @ 23:10 in Finoana

Mety ho hitantsika any amin'ny sehatra hafa any fa hisy fotoana nomen'ny fikambanana antsoina hoe Vondrona Kristiana lazaina ho misolo ny HMF hotontosaina ny Asabotsy 23 Oktobra 2010 ho avy izao eny Antsahamanitra. Maro moa no manontany tena hoe fa iza avy no ao amin'ity fikambanana ity ary manao ahoana ny tanjony? Ataoko fa amin'io andro io avokoa no mety hahafantarana bebe kokoa momba azy. Ny zavatra azo singanina kosa anefa dia tsy miara-dia amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana intsony ity Vondrona Kristiana ity na dia misy aza ny gazety milaza fa misolo ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny fikambanana.


Taorian'ny raharaha 20 mey 2010 dia voatery niafina avokoa ireo mpitarika tao amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Ireo izay tsy notadiavina kosa nanohy tsimoramora ny hetsika na dia somary lefy kokoa aza ny heriny. Fotoana vitsy taty aoriana dia nanapa-kevitra ireto karazana vato namelan-kafatra fa misy amboarina kely ny rafitra nitantanana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ampandraisina anjara bebe kokoa amin'ny fitarihana ny Lahika, dia novaina ihany koa ny anarana ka natao hoe Hetsiky ny Mpitory Fahamarinana indray. Tsy nankasitraka izany fanovana anarana izany, sy ny karazana fanovana rafitra tsy nifampierana izany, ny mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana... sady nanorina rahateo ny Hetsika.


Tsy nitovy ny tadin-dokanga nanomboka teo satria karazana famadihana avy hatrany ny Hetsika ilay fanovana anarana tsy nifampierana tamin'ny mpikambana rehetra tao anatiny, ary tsy nifampierana tamin'ireo mpanorina indrindra indrindra. Faharoa, karazan'ny fampilazana fa vita hatreo ny amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton'ilay fanovana anarana nefa tsy novana ny famantarana. Notakian'ny tany ampiefenana ny hanambarana amin'izy ireo ny tatitra ara-bolan'ny Hetsika saingy fahatezerana sy fisintahana no setrin'izany. Amin'izao fotoana izao raha efa nanambara ny hiditra amin'ny Hetsika indray ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia ny Vondrona Kristiana novaina avy amin'ny Hetsiky ny Mpitory ny Fahamarinana indray no hanatontosa izany etsy Antsahamanitra. Dia miandry izay ho tohiny aho hoe hanao ahoana tokoa re ny hataony ary?


Jentilisa, Zoma 22 oktobra 2010 amin'ny 01:08



Ny hitako tamin'ny 18/10/10 teto Antananarivo

2010-10-19 @ 00:02 in Politika

Nisy zava-nitranga kely indray teto Antananarivo ny alatsinainy. Efa fanentanana makotroka teo amin'ny kianjan'ny Finoana Behoririka moa ny Asabotsy teo ny hankanesana eny amin'ny Fitsarana ity alatsinainy ity. Araka ny tatitra dia tonga maro tokoa ny olona teny Anosy (tsy miresaka toeran-kafa aloha aho eto). Tsy nanatrika izay tany anefa ny tena noho ny asa (tsy miankina amin'ny fanjakana) izay atao. Rehefa nirava fotsiny ny atoandro no nahita tamin'ny aterineto fa eny Ambohijatovo ny mpanao fihetsiketsehana amin'io fotoana io. Dia niolomay ny tena hijery ny zava-misy.

 
Tsy sahy niditra anaty kianja ny maro 
 
Tonga teny moa dia nahita ny olona maro nanao tazan-davitra manodidina ny tsangambato 1947 no voamariko voalohany fa tsy sahy niditra tao amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Ampahan'olona no nahasahy niditra tao an-jaridaina fa maro kokoa ireo manahy sao misy fisamborana angaha satria efa nisy mpitandro ny filaminana teo anoloan'ny zaridaina tamin'izaho tonga. Ny vaovao an-tsary manko no nahitako fa toa ny mpanao fihetsiketsehana no tonga mialoha vao tonga ireto mpitandro ny filaminana ireto. Tsy nieritreritra hijanona lavitra aho fa tonga dia niditra tsy nisalasala. Efa nahita ireo andia-miaramila niditra tao anaty kianja ka nanaraka ny sisiny atsimo iny aho nefa tsy nahiako izany satria tsy hita ho mampatahotra velively ireto miaramila hitako ireto.


Ny resaka henoko no toa nahafantarako vinany fa ampahan'ireo teny Anosy ihany no nilahatra nankaty Ambohijatovo fa misy maromaro no nionona ihany tamin'ny fihetsehana teny Anosy. Ny tsy hahatontosa ny fotoam-pitsarana manko no nokendrena ka rehefa vita iny dia ampy azy ireo izany. Ireto andiany hitako ireto kosa ireo nitaky ny hankanesana ato amin'ity toerana ity. Eo sahady izany dia efa nisy fizaran-kevitra teo amin'ny mpiara-dia. Samy manana ny maharesy lahatra azy moa. Dia somary taraikiraiky angaha ny fanombohana teo Ambohijatovo satria nahita hatramin'ny voalohan'ny kabary ny tena.
 
 
Nanomboka izany Ramatoa Ravololomanana ary nanohy sy namarana azy avy hatrany Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianirina. Tokony ho Andriamatoa Zafy Albert no namarana ny fotoana saingy tsy nandray fitenenana moa izy. Ny ambangovangon'ny kabary moa dia filazana fa mba tsy ekena intsony ny fanonganam-panjakana ary hiomana amin'ny fandraisana ny fahatongavan'ny filoha teo aloha mirahalahy mianaka amin'izay izao. Teo koa no nilazana fa mirava avy eo fa mamonjy ny fotoana rahampitso eo an-toerana eo ihany. Tsy dia naheno io loatra ny mpanatrika fa nanaraka ilay atao hoe toromarika hoe eny an-kianja no fotoana. Raha tena mahay mikajikajy anefa ny mpitari-tolona dia azo heverina tsara ny manomboka ny tontolo andro amin'ny rodobe mankeny amin'ny toby Ankadilalana indray. Faritra mena anefa io ka saropady ihany saingy miankina amin'ny fahasahian'ny olona ihany izany. 


Azo lazaina fa tsy tena nitovy isa tamin'ny tolona voalohany natao tamin'ny 21 mars 2009 raha ny hamaroan'ny olona nanatrika teto fa ny fahasahiana aloha no tena nananany. Ny somary mahavariana ihany koa dia somary niova izany amin'ny ankapobeny ireo olona mpiaradia amin'ny movansa telo teto raha ampitahaina ny tamin'ny herintaona. Asa izaho angamba no tsy dia mpanaraka loatra intsony noho ny asa aman-draharaha fa hita mihitsy ho sarangan'olona antonony somary sahirana ireto tafaraka amiko ireto nefa tsy menatra ny amin'izany. Maromaro kokoa ihany koa ireo zokiolona efa karazan'ny mandrafitra ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny Finoana izay mitolona ho an'ny zanany sy ny zafikeliny amin'ny ankapobeny. 
 
 
Diabe efa tsy nisy Zafy sy Fetison intsony 

Vita ny kabary dia nidina indray ny daholobe nanatrika teo (anjatony kosa aloha no nahasahy niditra ny zaridaina). Rehefa teo amin'ny vavahady ambany dia niditra ny fiara ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Tsy nizotra ho any Analakely anefa ny lalan'ny mpitarika fa nirifatra ho any Ambanidia any. Tsy tena kôpy tsara ny olona teo satria tsy nahazo tsara ny kabary hoe mirava. Sodokan'ny hoe eny an-kianja notenenin'ny mpanentana iray angamba. Dia namakivaky an'Analakely ny olona avy eo. Ny somary nahavaka ahy teo dia somary nitari-dalana hafahafa izay ny kamiao mpitondra ireo mpitandro ny filaminana saingy nandeha mafimafy kokoa avy eo. Toy ny nahazo hery tsy natahotra ireo mpitandro ny filaminana ireo ny olona sady efa tao anatin'ny kabary rahateo moa ny tsy hifampiahantsy aminy. Nizotra tamim-pilaminana ihany ilay filaharana tsy nahazoana alalana izay nahavaka ny teny an-dalana rehetra ny nahita azy. Voamarika fa sady tsy nihoby ny olona loatra ny mpandalo no tsy nanaraby loatra ihany koa fa nangina tanteraka avokoa ny olona nandalovana. Tsy nisy tomika ny dia mandra-pahatonga teo Soarano akaiky indrindra ny Building Ramaroson.


Marihana aloha fa nandritra ny fiaingana avy teo amin'ny tsangambato Ambohijatovo ka tamin'ny dia rehetra dia nanaraka hatrany ny mpanao fihetsiketsehana avy eo aoriana ny kamiao sy ny fiara 4X4 an'ny mpitandro ny filaminana. Io tranga io angamba no tena nahavaka ny mpandalo... sady toy ny miandry izay mety ho fihoaram-pefy manko ireo mpitandro ny filaminana ireo no toy ny miambina ihany koa ny mpanao fihetsikesehana fandrao misy mamely azy ireo. Marihana ihany koa fa nisy andian'olona nandrava ny vavahady ambony mifanolotra amin'ny kianja fivoriana teny Ambohijatovo nialoha ny nahatongavan'ireo mpanao fihetsiketsehana. Io aloha ny famotehana voalohany tsikaritra efa ilazan'ireo tsy tia hoe "mpanimba zavatra" ny mpiara-dia. Teneniko eto izany fandrao lazaina fa manafin-javatra ny tena.
 
 
Sakoroka madinidinika 

Rehefa tonga teo amin'ny Seduction ilay lazaiko hoe akainy ny Building Ramaroson amin'izay no nisy fifampihantsiana voalohany avy tamin'ny mpanohana ny TGV, raha ny marina aloha dia ilay mpivarotra amoron-dalana izany. Somary lavitra ny tena ka tsy nahita tsara hoe iza no nanomboka fa somary nisy tambabe ihany tao ho ao nefa fantatra ihany teo amin'io toerana io hoe iza no maromaro kokoa. Ny nanaitra manko dia nisy ny toraka sezabory nalefa tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana ary dia nisy namerina toraka ihany io sezabory io avy eo. Ny varotra poketra nataon'ilay olona avy teo no nisy nanakorontana saingy tafaverina ihany tamin'ny ankapobeny ireo entana namidiny.
 
 
Ny fihantsiana faharoa indray dia ny toraka rano avy tany amin'ny rihana fahatelo na fahaefatra tao amin'ny tsenan-tshinoa iray (mitovitovy amin'ny Avance Center ireny no tiako lazaina sady eo akaikiny raha tsy hoe izy mihitsy angaha fa tsy tsaroako tsara) ka somary nampisendaotra ny mpilahatra ihany koa. Niravona ihany ny raharaha teo. Efa any Behoririka izany io toerana io dia nizara roa ny dian'ny mpilahatra raha ny fijery azy: nisy ny toy ny namonjy fodiana nankany Ambatomitsangana sy Andravoahangy, fa ny maro kokoa dia toy ny mankany Antanimena, any amin'ny faritra misy ny magro.


Tamin'ny mpivarotra lamba confection indray no nisian'ny karazana sakoroka madinika fahatelo hitako. Miainga amin'ny fihantsiana hatrany moa ilay izy ka rotika nisy nanaparitaka teo koa ny tsenany. Somary bebe tovolahy mpanararaotra ihany koa moa tamin'ireo nandrava, saingy tsy neken'ny olona kosa ny fitadiavana handroba (toa izany manko no kendren'ireto zatovolahy ireto) fa tsy maintsy averina amin'ny tompony ny entana. Toa nanatitra tsy fidiny ireo hitan'ny olona naka akanjo teo. Ireo telo ireo amin'ny ankapobeny ny karazana sakoroka teny an-dalana fa tsy nety nivadika ho ady saritaka mihitsy ny zavamisy. Hatrany amin'ny fandalovana iny tsena iny dia nitazona ny fahanginany avokoa ny mpivarotra nefa tsy nangorona ny entany loatra ireo amoron-dalana. Anjaran'ny tsirairay fotsiny no maminavina hoe inona no dikan'ilay fanginana?

 
Fahadisoan'ny mpanao fihetsiketsehana 
 
Teo ampiazoana ny Magro Behoririka amin'izay no nisy fihoaram-pefy nataon'ny mpitarika sasany. Nampisara-kevitra ny olona indray manko ny fitarihana hankany 67ha sy ny fijanonana teo amin'ny Magro. Nisy mpitarika fantatry ny olona no nandrisika ny handehanana amin'izany 67ha. Nampanontany tena ahy sy ireo izay tafaresaka tamiko ny anton'ny hankanesana amin'izany toerana izany. Ny tena nahavariana moa dia ny nahazoany olona hanaraka azy amin'izany fikasana izany. Fahadisoana io tamiko ary tsy tokony ho natao mihitsy satria lasa fanararaotana ny fahatsoran'ny mpitandro ny filaminana izany nanaraka fotsiny hatramin'izay tamin'ity andro ity. Voatery noho izany izy ireo nanaparitaka ny olona nitady handeha lavitra ireto tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanakaiky saiky hijanona teny manodidina an'i Magro ireto andia-mpitandro ny filaminana ireto saingy tonga ny andiany hafa izay mety ho nisolo azy ireo. Niova izany eto ireo mpitandro ny filaminana sy ny lehibeny tokony ho tamin'ny iray ora sy fahatelony teo ho eo.


Niditra tamin'ny fahadisoana manaraka indray ny tanora sasantsasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nijanona teo amin'ny Magro. Nanao barazy vato teo anoloan'ny vavahady manko ireto tanora vitsivitsy ireto hibahan-dalana. Tsy maintsy niditra an-tsehatra indray ireo mpitandro filaminana nisolo ny teo aloha ka nanala ny olona rehetra tao amin'ny Magro tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso. Tsy hitako mivantana intsony moa ity fehezan-kevitra farany tantaraiko ity fa ny hitako tamin'ny fahitalavitra no tantaraiko. Teo no nisiana zokiolona sempotra satria nipetraka tao anatin'ny faritra mihitsy ireo zokiolona fa tsy nanao ditra tahaka iretsy tanora vitsivitsy iretsy (tsy ampy folo aza no tena marina). Izay no hita sy azo tantaraina amin'ny fomab fitantarako azy satria tsy terena kosa aho hitovy hevitra amin'ny mpanao fihetsiketsehana hafa na dia anisany aza tamin'ity indray mitoraka ity. Rehefa diso dia diso. Mbola lesoka eo amin'ny fitolomana hatramin'izao ny tsy fahaiza-mandamina raha ny hita aloha; ary mbola misy dia misy ny heverina ho mpitarika miezaka hatrany mamotika ny tolona.


Jentilisa 19 oktobra 2010, amin'ny 02:02


Ny mahavoa ny metisy

2010-10-17 @ 22:53 in Andavanandro

Ireo mpamaky ahy hatramin'ny ela dia efa mahafantatra tsara ny fomba fanoratro. Angamba tsy dia mivaona amin'izay ity ataoko etoana ity. Gaga ihany ny tena raha nahita fa feno setroka sy mafana ratsy izany ny teto andrenivohitra omaly alahady. Tsy nahare vaovao loatra moa ny tena sady tsy niserasera, no tsy manaraka haino aman-jery rahateo fa hay nisy nandoro ny ala tokana any amin'ny Itasy antsoina hoe Ambatofolaka, araka ny nolazain'ny namana iray tao amin'ny twitter, sady mpiara-mandika lahatsoratra ao amin'ny GlobalVoicesOnline.org teny malagasy ihany koa moa. Raha ny vanim-potoana dia fanaovan'ny olona ny doro-tanety tokoa izao ary dia ataony ihany koa ny doro-ala. Saingy tena mampalahelo sy mahonena kosa ny toe-tsaina amin'ny fandoroana ny tanety sy ny ala ka mahatonga ny eritreritra indraindray adala ka manao anankampo hoe maninona raha ajedaka any ny olona tratra manao tsinontsinona ny firenena sy ny ho avin'ny taranaka tahaka izao?


Mitovitovy amin'izany ihany izay tantaraiko etoana. Nisy nandoro ny fako tao anaty daba fanariana azy, ka nitady hahatratra ny fefy voajanahary na fefy kipreso ana villa ipetrahana vazaha tale-na banky iray eto Antananarivo ny Asabotsy atoandro teo tamin'iny manodidina an'Ankatso iny. Nanao hazolava (nitady fanampiana) tamin'ny mpiara-monina manodidina io vazaha io hamono ilay afo. Tonga tokoa ny fokonolona satria mety ho tratran'ny afo rahateo ny tranon-dry zareo akaiky io afo tamina fanariam-pako io. Vao nahita ny firodorodon'ny olona anefa ramatoa metisy vazaha-malagasy (izay handraisanareo azy fa metisy gasy izy izany aloha!) vadin'ilay vazaha tale-na banky dia nandroandroaka ny olona sady nanompa izay averiko eto angamba satria tsy mampaninona loatra antsika mpamaky rehefa amin'ny teny frantsay ilay ompa: "Allez cochons! Couillons! Vous, les Malgaches, ne savez que voler!" Hatezerana ny an'ny olona ka dia lasa avokoa, samy niaro ny tranony tsy ho azon'ny afo sisa. Izany hoe rehefa amina toe-javatra sasany, toy ny hirotsaka hofidiana filoham-pirenena na solombavam-bahoaka ohatra, dia mihazakazaka ny ho Malagasy ny Metisy SASANY fa any no misy ny tombontsoa fa amin'ny toe-javatra hafa kosa indray dia manava-tena ho tsy Malagasy ny Metisy SASANY. Manahirana izany rehefa tsy Malagasy manontolo ilay olona amin'ny toe-javatra sarotsarotra ka mahasahy manompa ny Malagasy, izay tsy sahin'ny tena vahiny natao loatra.


Tonga ny Mpamonjy voina izay nanao sarimihetsika ihany koa. Fiara roa no hitan'ny fiarahamonina tonga fa mody najanona tery ambany lavidavitra tery ilay fiarabe mahazaka rano betsaka kokoa fa fiara somary kely kokoa no tonga teo an-toerana. Ireo mpamonjy voina "Sapeurs-pompiers" ireo ihany no afa-niditra tao amin'ny faritr'ilay villa izay efa may ny tranon'ny mpiambina ny tanàna fa efa niredaka tamin'ny hazo kypreso moa ny afo. Lany vetivety ny rano nentin'ny fiarabe voalohany dia mody niantso ny lehiben'ireo mpamonjy voina tonga tao an-toerana. Nampaneno anjombona amin'izay ilay fiarabe najanona tery lavidavitra somary takona tery ka nitabataba ery ry zalahy hoe iny fa tonga ny renfort, te-hiseho amin'ny tompon-trano izany ry zalahy fa tena manao ny asany sady vetivety amin'ny zavatra atao.


Maty ihany ny afo nony ela ny ela, lasa ny mpamonjy voina vao gaga ry tompontrano fa nisy entana sarobidy maromaro no nanjavona tao an-tranony izay tsy tena voakasiky ny afo loatra ankoatra ny manoloana ny trano sy ny lavarangana. Tsy nisy fokonolona tafiditra aloha tany fa ny mpamonjy voina sy ny tompontrano ihany no afaka nivezivezy tao. Dia lasa amin'izay ny eritreritra hoe efa fikasana mialoha ve ny hangalarana tao an-trano ka mody nandoroana fako teo akaiky teo hanasaritaka ny fifantohana amin'izay mpangalatra mety ho efa tafiditra tao an-trano; sa tamin'ireo mpamonjy voina no misy fainga-tanana satria raha efitra betsaka kokoa no may dia heverina hoe may koa ny zavatr'olona tsy hita? Dia ahoana moa izany fa marina ihany ny tenin'ilay vehivavy metisy malagasy mandà ny maha-malagasy ny tenany niteny hoe : "Allez cochons! Couillons! Vous, les Malgaches, ne savez que voler!". Tsy io kosa aloha ny nataoko ho lohateniny fa mba famelezana ny metisy no nataoko...


Jentilisa, alatsinainy 18 oktobra 2010


Ampihimamban'ny rano eto Madagasikara?

2010-10-15 @ 22:37 in Andavanandro

Manohy ny #BAD10 – Blog Action Day 2010 - water na andro ihetsehan'ny bolongana momba rano amin'ity 2010 ity angamba ny lahatsoratro. Nahatalanjona ny tena tokoa ny nampifandraisan'i simplex tamin'ny resaka nifanaovan'i Jesoa tamin'ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana toy ireny fitantarana sarimihetsika fitoriana fitiavana ireny. Ho an'izay tsy maharaka loatra ny fandehan'ny tantara nataony moa dia tsara ihany koa ny mamaky ny Evanjely na Filazantsara na Vaovao Mahafaly nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy faha-6 ka hatramin'ny faha-15, izany hoe ao amin'ny baiboly. Antoky ny fiainan'ny zavamananaina rehetra ny rano na ho an'ny biby izany na ho an'ny zavamaniry, ka tsy mahagaga raha manana ny anjara toerany manokana ihany koa amin'ny fivavahana io rano io, fitaovam-panadiovana izy amin'ny ankapobeny ary endriky ny fahateraham-baovao raha ny eo amin'ny sehatra kristiana raha ny batisa na batemy no heverina.


Saingy na dia toa miresaka fivavahana aza ny tena dia tsy any akory ny resaka fa ny momba ity rano ity aty an-drenivohitra. Fahakely dia mba nisotro rano tamin'ny paompy tokoa izahay indraindray. Nozarina ihany anefa ny tena hisotro rano avy nampangotrahana na dia efa mangatsiaka aza izany rano izany mba hahafaty ny mikroba mety hahatonga areti-kibo. Taty aoriana dia lasa nizatra tamin'ny rano tamin'ny tavoahangy novidiana somary lafolafo ihany. Toy ireny hoe miakatra fari-piainana ireny rehefa mividy rano amin'ny tavoahangy raha ny vahiny mpizahantany ihany no hita mpividy ireny ampolony taona lasa izay.  Ka ireny, hono, no tsara antoka ho mahasalama ka dia izay izany. Tsy dia nahazatra loatra ny misotro rano notantavanina na dia tokony ho mora kokoa aza ny vidin'izy ireny.


Fa ny somary mahavariana ahy amin'ny resaka rano amin'ny tavoahangy ity dia ny endrika ampihimamba manjaka eto amin'ny firenena. Ny fantatro aloha dia telo no tena fantatra amin'ny fivarotana rano amin'ny tavoahangy amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Ny roa voalohany dia ny Eau Vive sy ny La Source mahasahana ny ampahany be dia be amin'ny tsena eto an-toerana dia orinasa iray ihany no miandraikitra azy. Henjana dia henjana angamba ry zareo amin'ny resaka dokambarotra ka saiky lasany ambongadiny manontolo ny tsena. Efa tsy hita intsony tokoa moa ny Olympiko izay nifaninana soa aman-tsara tamin-dry zareo ka tsy dia misy manohintohina loatra intsony ny lalany. Ny iray farany kosa no mora indrindra fantatro sady tsy ratsy velively saingy tsy mety mahasahana ny tsena fa dia ifampitadiavana vao mety hita, tsy mba mitatitra any amin'ny mpivarotra ihany koa angamba ry zareo ka izay no tsy mba ahitana azy loatra : Sainto. Araka ny fanamarihana nataona olona iray izay dia tokony ho amin'ny teny malagasy no hamakiana io vokatra farany io (Sento) saingy noho ny mety tsy hahaizan'ny vahiny mamaky ny anarany (hitanareo fa fatra-panaja vahiny loatra isika Malagasy) dia natao tahaka io ny anarany. 


Mety hisy ny hafa any ho any amin'ny vokatra eto Madagasikara fa ireo ihany aloha no fantatro. Tsy dia niresaka loatra ny rano sy ny fiainana any ambanivohitra ny tena fa mba anjaran'ny hafa no tena mety. Ny tena moa tsy dia mpisotro rano loatra fa karazan'ny terena mihitsy vao mety hahatratra ny fatran'ny rano 1,5 litatra isan'andro izany. Fa mihamafana moa ny andro eto an-toerana ka dia mitady rano daholo ihany ny olona sy ny tena ka mba mahazo betsaka kosa ny mpivaro-drano sy zava-pisotro.


Jentilisa 16 oktobra 2010, amin'ny 00:36

Solika tokoa ve no trandrahan'ny Shinoa ao Sakaraha?

2010-10-14 @ 10:16 in Toekarena

Somary rere tao ho ao fa hitrandraka solika ao Sakaraha hoe ny Shinoa. Sendra nisy namana nandeha nianatsimo ka nandalo iny faritra Sakaraha iny. Hitany ilay toerana lazaina fa hitrandrahan'ny Shinoa solika. Olo-tsotra ranamana ka sarotra ho azy ny hiditra any amina toby tahaka ireny. Na dia olo-tsotra aza anefa izy dia mba mahafanta-javatra ihany ka hitany tokoa tao an-toerana ny milina fandahavana tany hisintonana ny solika... fa mifanila amin'izany ihany koa dia nahita milina fanasivanana vato fahita any amin'ny toerana fitrandrahana vatosoa izy. Lasa ny sainy nanao hoe Solika ihany ve no trandrahiny eo amin'io toerana io sy voarakitra ao anaty fifanarahana sa mitrandraka vatosoa ao ihany koa ny Shinoa fa mody tsy tenenina? Fantatra ihany manko fa toerana malaza be safira iny toerana iny ary somary mavesatra ny solika amin'iny toerana iny ka manaitra ny rehetra ihany ny tena.


Jentilisa 14 oktobra 2010 , amin'ny 12: 17

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox