Ny hitako tamin'ny 18/10/10 teto Antananarivo

2010-10-19 @ 00:02 in Politika

Nisy zava-nitranga kely indray teto Antananarivo ny alatsinainy. Efa fanentanana makotroka teo amin'ny kianjan'ny Finoana Behoririka moa ny Asabotsy teo ny hankanesana eny amin'ny Fitsarana ity alatsinainy ity. Araka ny tatitra dia tonga maro tokoa ny olona teny Anosy (tsy miresaka toeran-kafa aloha aho eto). Tsy nanatrika izay tany anefa ny tena noho ny asa (tsy miankina amin'ny fanjakana) izay atao. Rehefa nirava fotsiny ny atoandro no nahita tamin'ny aterineto fa eny Ambohijatovo ny mpanao fihetsiketsehana amin'io fotoana io. Dia niolomay ny tena hijery ny zava-misy.

 
Tsy sahy niditra anaty kianja ny maro 
 
Tonga teny moa dia nahita ny olona maro nanao tazan-davitra manodidina ny tsangambato 1947 no voamariko voalohany fa tsy sahy niditra tao amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Ampahan'olona no nahasahy niditra tao an-jaridaina fa maro kokoa ireo manahy sao misy fisamborana angaha satria efa nisy mpitandro ny filaminana teo anoloan'ny zaridaina tamin'izaho tonga. Ny vaovao an-tsary manko no nahitako fa toa ny mpanao fihetsiketsehana no tonga mialoha vao tonga ireto mpitandro ny filaminana ireto. Tsy nieritreritra hijanona lavitra aho fa tonga dia niditra tsy nisalasala. Efa nahita ireo andia-miaramila niditra tao anaty kianja ka nanaraka ny sisiny atsimo iny aho nefa tsy nahiako izany satria tsy hita ho mampatahotra velively ireto miaramila hitako ireto.


Ny resaka henoko no toa nahafantarako vinany fa ampahan'ireo teny Anosy ihany no nilahatra nankaty Ambohijatovo fa misy maromaro no nionona ihany tamin'ny fihetsehana teny Anosy. Ny tsy hahatontosa ny fotoam-pitsarana manko no nokendrena ka rehefa vita iny dia ampy azy ireo izany. Ireto andiany hitako ireto kosa ireo nitaky ny hankanesana ato amin'ity toerana ity. Eo sahady izany dia efa nisy fizaran-kevitra teo amin'ny mpiara-dia. Samy manana ny maharesy lahatra azy moa. Dia somary taraikiraiky angaha ny fanombohana teo Ambohijatovo satria nahita hatramin'ny voalohan'ny kabary ny tena.
 
 
Nanomboka izany Ramatoa Ravololomanana ary nanohy sy namarana azy avy hatrany Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianirina. Tokony ho Andriamatoa Zafy Albert no namarana ny fotoana saingy tsy nandray fitenenana moa izy. Ny ambangovangon'ny kabary moa dia filazana fa mba tsy ekena intsony ny fanonganam-panjakana ary hiomana amin'ny fandraisana ny fahatongavan'ny filoha teo aloha mirahalahy mianaka amin'izay izao. Teo koa no nilazana fa mirava avy eo fa mamonjy ny fotoana rahampitso eo an-toerana eo ihany. Tsy dia naheno io loatra ny mpanatrika fa nanaraka ilay atao hoe toromarika hoe eny an-kianja no fotoana. Raha tena mahay mikajikajy anefa ny mpitari-tolona dia azo heverina tsara ny manomboka ny tontolo andro amin'ny rodobe mankeny amin'ny toby Ankadilalana indray. Faritra mena anefa io ka saropady ihany saingy miankina amin'ny fahasahian'ny olona ihany izany. 


Azo lazaina fa tsy tena nitovy isa tamin'ny tolona voalohany natao tamin'ny 21 mars 2009 raha ny hamaroan'ny olona nanatrika teto fa ny fahasahiana aloha no tena nananany. Ny somary mahavariana ihany koa dia somary niova izany amin'ny ankapobeny ireo olona mpiaradia amin'ny movansa telo teto raha ampitahaina ny tamin'ny herintaona. Asa izaho angamba no tsy dia mpanaraka loatra intsony noho ny asa aman-draharaha fa hita mihitsy ho sarangan'olona antonony somary sahirana ireto tafaraka amiko ireto nefa tsy menatra ny amin'izany. Maromaro kokoa ihany koa ireo zokiolona efa karazan'ny mandrafitra ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny Finoana izay mitolona ho an'ny zanany sy ny zafikeliny amin'ny ankapobeny. 
 
 
Diabe efa tsy nisy Zafy sy Fetison intsony 

Vita ny kabary dia nidina indray ny daholobe nanatrika teo (anjatony kosa aloha no nahasahy niditra ny zaridaina). Rehefa teo amin'ny vavahady ambany dia niditra ny fiara ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Tsy nizotra ho any Analakely anefa ny lalan'ny mpitarika fa nirifatra ho any Ambanidia any. Tsy tena kôpy tsara ny olona teo satria tsy nahazo tsara ny kabary hoe mirava. Sodokan'ny hoe eny an-kianja notenenin'ny mpanentana iray angamba. Dia namakivaky an'Analakely ny olona avy eo. Ny somary nahavaka ahy teo dia somary nitari-dalana hafahafa izay ny kamiao mpitondra ireo mpitandro ny filaminana saingy nandeha mafimafy kokoa avy eo. Toy ny nahazo hery tsy natahotra ireo mpitandro ny filaminana ireo ny olona sady efa tao anatin'ny kabary rahateo moa ny tsy hifampiahantsy aminy. Nizotra tamim-pilaminana ihany ilay filaharana tsy nahazoana alalana izay nahavaka ny teny an-dalana rehetra ny nahita azy. Voamarika fa sady tsy nihoby ny olona loatra ny mpandalo no tsy nanaraby loatra ihany koa fa nangina tanteraka avokoa ny olona nandalovana. Tsy nisy tomika ny dia mandra-pahatonga teo Soarano akaiky indrindra ny Building Ramaroson.


Marihana aloha fa nandritra ny fiaingana avy teo amin'ny tsangambato Ambohijatovo ka tamin'ny dia rehetra dia nanaraka hatrany ny mpanao fihetsiketsehana avy eo aoriana ny kamiao sy ny fiara 4X4 an'ny mpitandro ny filaminana. Io tranga io angamba no tena nahavaka ny mpandalo... sady toy ny miandry izay mety ho fihoaram-pefy manko ireo mpitandro ny filaminana ireo no toy ny miambina ihany koa ny mpanao fihetsikesehana fandrao misy mamely azy ireo. Marihana ihany koa fa nisy andian'olona nandrava ny vavahady ambony mifanolotra amin'ny kianja fivoriana teny Ambohijatovo nialoha ny nahatongavan'ireo mpanao fihetsiketsehana. Io aloha ny famotehana voalohany tsikaritra efa ilazan'ireo tsy tia hoe "mpanimba zavatra" ny mpiara-dia. Teneniko eto izany fandrao lazaina fa manafin-javatra ny tena.
 
 
Sakoroka madinidinika 

Rehefa tonga teo amin'ny Seduction ilay lazaiko hoe akainy ny Building Ramaroson amin'izay no nisy fifampihantsiana voalohany avy tamin'ny mpanohana ny TGV, raha ny marina aloha dia ilay mpivarotra amoron-dalana izany. Somary lavitra ny tena ka tsy nahita tsara hoe iza no nanomboka fa somary nisy tambabe ihany tao ho ao nefa fantatra ihany teo amin'io toerana io hoe iza no maromaro kokoa. Ny nanaitra manko dia nisy ny toraka sezabory nalefa tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana ary dia nisy namerina toraka ihany io sezabory io avy eo. Ny varotra poketra nataon'ilay olona avy teo no nisy nanakorontana saingy tafaverina ihany tamin'ny ankapobeny ireo entana namidiny.
 
 
Ny fihantsiana faharoa indray dia ny toraka rano avy tany amin'ny rihana fahatelo na fahaefatra tao amin'ny tsenan-tshinoa iray (mitovitovy amin'ny Avance Center ireny no tiako lazaina sady eo akaikiny raha tsy hoe izy mihitsy angaha fa tsy tsaroako tsara) ka somary nampisendaotra ny mpilahatra ihany koa. Niravona ihany ny raharaha teo. Efa any Behoririka izany io toerana io dia nizara roa ny dian'ny mpilahatra raha ny fijery azy: nisy ny toy ny namonjy fodiana nankany Ambatomitsangana sy Andravoahangy, fa ny maro kokoa dia toy ny mankany Antanimena, any amin'ny faritra misy ny magro.


Tamin'ny mpivarotra lamba confection indray no nisian'ny karazana sakoroka madinika fahatelo hitako. Miainga amin'ny fihantsiana hatrany moa ilay izy ka rotika nisy nanaparitaka teo koa ny tsenany. Somary bebe tovolahy mpanararaotra ihany koa moa tamin'ireo nandrava, saingy tsy neken'ny olona kosa ny fitadiavana handroba (toa izany manko no kendren'ireto zatovolahy ireto) fa tsy maintsy averina amin'ny tompony ny entana. Toa nanatitra tsy fidiny ireo hitan'ny olona naka akanjo teo. Ireo telo ireo amin'ny ankapobeny ny karazana sakoroka teny an-dalana fa tsy nety nivadika ho ady saritaka mihitsy ny zavamisy. Hatrany amin'ny fandalovana iny tsena iny dia nitazona ny fahanginany avokoa ny mpivarotra nefa tsy nangorona ny entany loatra ireo amoron-dalana. Anjaran'ny tsirairay fotsiny no maminavina hoe inona no dikan'ilay fanginana?

 
Fahadisoan'ny mpanao fihetsiketsehana 
 
Teo ampiazoana ny Magro Behoririka amin'izay no nisy fihoaram-pefy nataon'ny mpitarika sasany. Nampisara-kevitra ny olona indray manko ny fitarihana hankany 67ha sy ny fijanonana teo amin'ny Magro. Nisy mpitarika fantatry ny olona no nandrisika ny handehanana amin'izany 67ha. Nampanontany tena ahy sy ireo izay tafaresaka tamiko ny anton'ny hankanesana amin'izany toerana izany. Ny tena nahavariana moa dia ny nahazoany olona hanaraka azy amin'izany fikasana izany. Fahadisoana io tamiko ary tsy tokony ho natao mihitsy satria lasa fanararaotana ny fahatsoran'ny mpitandro ny filaminana izany nanaraka fotsiny hatramin'izay tamin'ity andro ity. Voatery noho izany izy ireo nanaparitaka ny olona nitady handeha lavitra ireto tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanakaiky saiky hijanona teny manodidina an'i Magro ireto andia-mpitandro ny filaminana ireto saingy tonga ny andiany hafa izay mety ho nisolo azy ireo. Niova izany eto ireo mpitandro ny filaminana sy ny lehibeny tokony ho tamin'ny iray ora sy fahatelony teo ho eo.


Niditra tamin'ny fahadisoana manaraka indray ny tanora sasantsasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nijanona teo amin'ny Magro. Nanao barazy vato teo anoloan'ny vavahady manko ireto tanora vitsivitsy ireto hibahan-dalana. Tsy maintsy niditra an-tsehatra indray ireo mpitandro filaminana nisolo ny teo aloha ka nanala ny olona rehetra tao amin'ny Magro tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso. Tsy hitako mivantana intsony moa ity fehezan-kevitra farany tantaraiko ity fa ny hitako tamin'ny fahitalavitra no tantaraiko. Teo no nisiana zokiolona sempotra satria nipetraka tao anatin'ny faritra mihitsy ireo zokiolona fa tsy nanao ditra tahaka iretsy tanora vitsivitsy iretsy (tsy ampy folo aza no tena marina). Izay no hita sy azo tantaraina amin'ny fomab fitantarako azy satria tsy terena kosa aho hitovy hevitra amin'ny mpanao fihetsiketsehana hafa na dia anisany aza tamin'ity indray mitoraka ity. Rehefa diso dia diso. Mbola lesoka eo amin'ny fitolomana hatramin'izao ny tsy fahaiza-mandamina raha ny hita aloha; ary mbola misy dia misy ny heverina ho mpitarika miezaka hatrany mamotika ny tolona.


Jentilisa 19 oktobra 2010, amin'ny 02:02


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox