Alarobia Maizina! Famantarana ve?

2012-10-27 @ 07:31 in Andavanandro

Hotsarovan'ny mponina eo amin'ny tantarany ny toe-javatra nitranga tamin'ny alarobia  24 oktobra lasa teo teto Antananarivo. Tsy fantatro aloha izay nitranga talohan'ny nahaterahako sy nipetrahako tamin'ity renivohitr'i Madagasikara ity fa hatramin'izay niainako tsy mbola nahita ny toy izany mihitsy aho. Tantara iray hita tamin'ny Baiboly no nisy nitovitovy tamin'izany saingy be ny olona no tsy mino fa mety hisy ("possible") ny toy izany, sady nentina nilazana fa tsy milaza ny marina io boky iray asandratry ny kristiana io fa manamboamboatra ny zavatra soratana ho feno fahagagana fotsiny. Raha ny zavatra tsikaritro anefa dia tsy tamin'io andro io ihany no nisy toe-javatra hafahafa fa efa nisy hafa koa tamin'ny faran'ny herinandro na dia mety ho tsy dia betsaka aza ny nahatsikaritra, saingy nisy dia nisy tokoa ny nahita. Atomboka amin'io nolazaiko farany io ny resaka :


Tamin'ny (farany sa fiandohany?) herinandro tokoa ary, efa nanantena orana fatratra ny olona noho ny setroka efa manempotra dia manempotra tokoa an'Antananarivo. Tsy izany akory no faratampon'ny setroka raha ny fitadidiako satria mbola nahatazana tsara an'i Manjakamiadana izahay raha mijery fa ny tamin'ny 6 novambra 1995 na tamin'ny nahamay ny rova tsy nahita ny nahamay an'i Tranovola izahay (hatreny 67ha) ary tsy tsaroako loatra na nahita nanjavozavo na tsia ny fahamaizan'i Manjakamiadana ihany koa. Ny tany an-tanàna lavitra ambony tendrombohitra no mety ho nahita ny mazava noho ny haintrano fa izahay aloha dia sarotra ny nahita azy. Amin'izao fotoana izao kosa hita ihany ny lavitra fa dia manjavozavo hafahafa noho ny setroka fotsy mitady hivadika ho loko volombatolalaka. Nitady orana izahay, fa tsy nety nirotsaka teto Antananarivo izany. Nisy ny olona no nanesoeso hoe lasa tsy mahay mamantatra ny toetr'andro intsony ny ao amin'ny sampan-draharaha misahana izany fa niteny hoe "ho avy! ho avy!" kanjo tsy nety ho avy. Tsy ny mpisahana izany no tsy mahay fa ilay setroka mihitsy no manakana ny orana tsy hilatsaka. 


Ny teto Antananarivo no tsy nilatsaka ny orana fa re kosa hoe avy ny orana tany amin'ny manodidina sy ny faritra hafa. Tonga ary ny alina fa akory ny hagaganay izay mpirava taraiky amin'ny valo ora fa nisava ny setroka teto Antananarivo. Ny mahavariana dia izao: tany amin'ny 30 kilometatra miala an'Antananarivo any ireo faritra nilatsahan'ny orana ireo nefa dia nahasava ilay setroka teto an-tanàna. Mba nisava kosa ny setroka, hoy izahay, na dia tsy nisy orana aza teto an-tanàna fa ny mahazatra, raha lazaina ihany koa hoe mahazatra, dia rehefa mirotsaka mihitsy ny orana eo amin'ilay faritra vao mampadio ny rivotra iainana izany. Izay angamba ny endrika hitamason'ilay hoe mamelombelon'aina ny zavamananaina ihany koa ny filatsahan'ny orana. Teto kosa : nisava tsy nisy orana ny teto Antananarivo. Hita tsara toy ireny mahafinaritra ireny raha alaina sary amin'ny alina ny renivohitra. Izaho manokana nieritreritra tao anatiko tao hoe mba hafa kosa izany! Efa mpitranga taloha ve fa tsy tsikaritro sa izay vao nisy toy izany? Tsy afa-mamaly io fanontaniana io ny tenako. Hita tsara avokoa ny jiro mirehitra amin'ny alina ary mazava tsara tahaka ny "carte postale" ny mijery ny rovan'i Manjakamiadana.

 

Tamin'iny alina indray mandeha iny ihany no nisava tahaka izany ny tany sy ny lanitra fa vao nigadona fotsiny ny maraina (maraimben'ny alatsinainy!!!) ary tsy mbola niposaka ny masoandro dia efa hita sahady indray ny tontolo manjavozavon'ny setroka teo an-drenivohitra izay mampafana ratsy hatrany ny eto an-tanàna. Tsy zavona voajanahary manome ando isa-maraina ilay zavona fa ilay mampafana manempotra ireny. Tsy mbola miposaka ve ny masoandro dia efa mafana tahaka ny any amorontsiraka ireny? Toe-javatra iray mahavariana io fa mety ho tsy tena nanaitra loatra. Tahaka ny hoe famantarana io amiko saingy fomba fijery manokana tsy hanereko anareo mpamaky izany.


Dia tonga ity alarobia, somary mangatsiaka hafahafa ny maraina saingy tsy nivonona hitondra akanjo mafana, satria fantatra fa tsy maintsy hafana io andro io rehefa hisandratra ny masoandro. Tsy diso no eritreritra fa tena nafana ratsy ilay andro ary tonga amin'ilay tena mahakamo mandeha an-tongotra ireny, na miresaresa fandeha rehefa tsy maintsy handeha. Taorian'ny fisakafoanana sy ny fakana aina vetivety dia hita avy hatrany fa mitanik'orana ilay andro izany hoe tokony ho avy mihitsy ny orana amin'ilay hafanana. Efa nivonona hitondra elo ny tena noho izany. Teo ampikononkononana rahateo dia nahjita fa efa maizimaizina ilay andro ka nieritreritra aho hoe ho avy sahady ve izany orana izany? Lasa aho nivoaka niandrandra ny lanitra, tsy hitako ilay mahamaloka dia maloka ny andro raha tazanina, toa tsy hitako akory izay rahona matevina fa lokon-drahona fotsy manopy volombatolalaka ranoiray, vokatry ny setroka fa tsy natoraly, toa mbola ahatarafana ny hamanga tanora ny lanitra aza no hitako manakona ny masoandro. Raha jerena amin'izao ho'aho mety ho hariva dia hariva ny orana vao hirotsaka ka ny fieritreretana izany angamba no nanadinoako indray ilay elo saiky hoentina. An-dalana hiasa aho moa vao nahatsiaro ny eloko sy ny fanalahidin'ny fiasana koa, saingy tsy nanosika ahy hiverina haka ireo fitaovana roa ireo izany fa nanohy ny diako aho fandrao tara fidirana, sady tsy miasa irery aho fa natoky fa nahatondra ny fanalahidiny ny mpiray birao amiko.


Tonga tany am-piasana, niverina nazava dia nazava indray ny andro. Tsy mahita ny lanitra hatreo amin'ny biraoko fa mahatsapa tsara kosa ny hazavana miditra ao an'efitrano. Nanomboka tamin'ny efatra ora anefa dia nanomboka nihamaizina amin'izay... somary efa mahazatra ihany io fa nanomboka amin'ny dimy latsaka fahefany amin'izay ny fahagagana. Maizina sady mandrahona ho avy orana no tazana koa fa toy ny alina lasa aloha.  Tena ho avy mihitsy amin'izay ny orana ho an'izay tsy nijery tany ivelany fa nipetraka tao amin'ny biraony ihany (tsy ora firavanay moa izany!) fa hafa mihitsy ny fijery ny lanitra ho an'izay nitazana teny ivelany. Aizi-kitroka anie izany ry zareo! Tahaka ny tsy mivolon-ko avy orana ilay andro ny fijery azy fa dia hoe maizina tsotra izao. Raha mbola tsy nirotsaka ilay "ora-madinika" dia tsy sasatra nijery famataranandro sy nieritreritra hoe maty antenatenan-dalana angamba izy ity teo. Saiky voafitaka avokoa izay tsy manana afa-tsy famataranandro tokana an-trano. Fa ho an'ireo teny an-dalana kosa, maro ny nikorapaka fandrao tratran'ny orana, efa nisy ihany koa ireo niteny hoe: "nampatahotra ilay hariva", hafahafa ilay aizina ka mahatonga horohoro. Mety ho zavona mainty ve ity mandrakotra ny hariva lasa alina mialoha? Ny zava-nisy dia maro ireo mari-koditra ka mety nahatonga ilay fitenitenenana hoe farandro na dia tsy resy lahatra tamin'izany aza aho. Nirotsaka ihany ny orana rehefa avy eo fa tsy nety nivatravatra fiavy. Mitsitaitaika fotsiny na somary naharitraritra adiny iray teo ho eo aza. Ny toa anay moa dia nieritreritra hoe aleo mba hoavy fa manempotra loatra ny hafanana.


Efa nitsahatra ny orana vao nirava izahay (amin'ny valo ora eo ho eo). Rehefa toy ireny moa dia nieritreritra hoe tokony mba hisava indray izany ilay alina ka hahatsinjo jiro lavitra indray. Gaga teny an-dalana fa tsy nahala ny setroka ilay orana teo. Toy ny tsy nisy orana izany! mbola toy ny anaty setroka hatrany ny mitazana an'Antananarivo, na dia alina aza izany fotoana itazanana azy izany. Toa tsy nisy nilana azy akory noho izany ilay orana teo. Tsy nisy fiantraikany tamin'ny rivotra iainana hany ka noheverina ho toy ny tsy misy. Izay angamba no mahatonga ny maro tsy nahatadidy ilay orana, na tany amin'ny faritra nisy anay no nisy orana fa tsy nisy ny tany an-kafa? Ilay aizina no ambetin-dresaky ny maro hany ka na ny fahitalavi-panjakana aza dia nitantara ny filatsahan'ny aizi-kitroka tamin'ny dimy ora hariva na dia tokony hazava hatramin'ny enina sy sasany any ho any aza ny andro amin'izao fotoana. Ho ahy manokana, izay tsy voatery haharesy lahatra anao mpamaky, dia mbola tohin'ilay famantarana nambarako tetsy ambony io toe-javatra iray io.

 

Eritrereto anie hoe tamin'ny sivy ora maraina dia maizina tanteraka toy ny tamin'iny fotoana iny ny andro? Hanao ahoana ny fikoropahan'ny besinimaro? Hay ve tsy voatery hoe milentika ny masoandro vao mety hahamaizi-kitroka tanteraka ny tany? Famantarana ireo hieritreretan'izay mahay mieritreritra fa mety ho tontosa ny zavatra tsy eritreretina ho tontosa. Azo raisina ho politika ilay zavatra tian-kambara ary mety ho resaka sosialy na fivavahana ihany koa. Koa raha misy ny adihevitra rahatrizay hoe ahoana ny hisian'izany maizina manomboka amin'ny sivy maraina na mitataovovonana izany dia holazaiko azy fa efa niaina ny tahaka izany aho na dia noraisin'ny mpiara-belona amiko ho zava-maivamaivana aza iny toe-javatra iny. Raolombelona ô! ahoana ny eritreritrao?

 

Jentilisa 27 oktobra 2012,

Bitika raha mba miteny!

2012-10-03 @ 19:47 in Toekarena

Efa ady sy tolona vao mba mahasoratra! Asa! efa tsy liana intsony amin'ny famoahana izay hita sy re ve? tsia kosa angamba fa ny fakam-panahy mety mahazo dia variana mamaky izay soratan'ny hafa fotsiny. Na mety ilay efijery (fafana hoy ny sasany) no kely loatra na ny kitendrin'ny finday no tsy mampazoto? Tsy fantatra intsony fa mbetika te-hanoratra nefa tsy misy lahatsoratra mivoaka akory avy eo. Ity soratako ity izao efa herinandro (alarobia) no nangidihidy tao an-dohako tao fa izao angamba vao tontosa. Tiana holazaina izany fa tsy hoe manoratra ny hafa dia manoratra koa ny tena fa ilay lohahevitra mihitsy no mamaivay any anaty any fa "tahaka ny tsy mba misy mpiresaka andavanandro" na izany aza! Diso tanteraka anefa izany fiheverana izany fa ny fampahalalam-baovao vaventy mihitsy no toa fady ve sa voarara tsy hiresaka azy ity? Aza gaga ianao noho izany raha mbola haba (fehin-tanana) "Power Balance" ihany no ifantohana etoana.


Raha manoratra ity vokatra malaza sy manangom-bola fatratra eto amin'ny firenena ity ny tena tsy hamerina intsony izay efa nolazain'ny hafa. Izao fotsiny no mahavariana. Nazoto sy narisika nandritra ny braderie tetsy Mahamasina ry zareo ary anisan'ny nahazo mpividy be indrindra sy nilaharana aza teo amin'ny tranoheva nivarotany. Ny mpanombana no nilaza fa raha vitsy indrindra dia 1000 ny isan'ny olona nividy hafa isaky ny tapak'andro izany hoe 2000 isan'andro, averina indray hoe raha vitsy indrindra izany. Ny vidin'ny haba iray, araka ny takelaby fanaovana dokambarotra dia Ar30000 fa namidy Ar25000 tao amin'ny "varoboba", nolazaina ihany koa fa averina ny vidim-pidirana raha mividy ilay haba ao anatiny ianao izany hoe Ar24000 ny vidiny nandritra ity "varoboba" ity. Nisy ihany koa ny filazana fa raha mividy iray dia omena iray fanampiny maimaipoana. Andro iray noho izany raha kely indrindra ny vola azon'ny mpivarotra ity marika haba ity dia mitentina  Ar 48.000.000 any ho any. Nandritra ny dimy andro no nanaovana ny varoboba ka heverina ho Ar 240.000.000 na 1,2 miliara farantsa malagasy raha kely indrindra. Koa inona no iraharahiany izay tabatabanao raha mahazo izany vola izany izy mandritra ny "varoboba" tao Mahamasina ry zareo? Ianao indray ary no ahiana ho fatifaty foana tsy amin'antony na voasambotra ho mpanakorontana raha hiseho hitabataba amin'izany eny ankalamanjana eny, izay no nahatonga ilay lohateny hoe: Bitika raha mba miteny!


Variana ny tena manao hoe tsy nampaninona anie raha mivarotra haba tahaka ny zavatra rehetra ry zareo ary tsy misy antony hanenjehana azy raha resaka lamaody fotsiny no ividianan'ny olona. Hafa kosa ny fandehany, ary ahiako ho izay no safidin'ny mpaninjara azy, raha lazaina fa manana hery mampanao na mahavita izatsy na izaroa izy... averiko indray "ahiako" satria tsy maharaka izay fanazavana lavabe nataony ampahibemaso aho.  Fa inona no mahamaika handafo azy haingana dia haingana? sa mila vola maika? Ny resaka ataon'ny olona an-jorony, izany hoe tsy ampitain'ny fampahalalam-baovao be mpanaraka aminao velively noho ny vola mifafy angamba, dia matetika manao hoe "tsy hitako izay fiantraikany tamiko!" satria niandry fahagagana ry zareo. Raha nisy ny fiandrasana fahagagana dia nisy noho izany ny nampanantena tao ambadimbadika tao. Eo no tena misy ny hafetsena... Mody tsara fanahy amin'ny hoe raha mividy iray dia omena iray maimaipoana! fa izao: tsy mety ampindrampindramina iny haba azonao iny fa ho anao ihany, simba ny "heriny" raha vao hoe anaovako ilay izy androany dia ny vadiko indray na ny zandriko indray no manao azy rahampitso. Noho izany tokony hanana tsirairay ny ao an-trano hampety ny tantana. Raha maro an-trano dia bebe ihany koa ny fandaniana hividianana azy. Fanintonana ataony, araka ny tsilian-tsofina, ny hoe manatsara kokoa ny fahasalamana ny fanaovana azy. Roboka ny besinimaro fa mba hoe tsy ampy sakafo ny tena ka aleo mihafy mividy sitrany ahay! saingy ilay besinimaro tsy mahalala mikaroka amin'ny aterineto sy tsy mba misy mpampahafantatra moa ireo... na resy lahatra tanteraka fa fanosoram-potaka ihany izay voalazan'ny sasany. Akory moa atao fa zakao ny anao rehefa nolazaina saingy :"Misy Mihaaaaiinoo?"


Fa dia miandry fijoroana vavolombelona amin'ireo izay nahazo fahasoavana avy amin'ny fanaovana azy ity izany izahay e! Saingy izao manko, ho be ny ho menatra hoe izaho dia voambaka, rehefa tsy nisy fiantraikany tamin'ilay olona ilay izy fa ny vola teo am-pelantanana no nihena aloha! Tsy afa-manoro hevitra loatra satria tsy niditra tamin'ny fividianana azy ity ny tena ary nanazava tamin'ny olona izay efa nitranga tany Aostralia raha misy manontany. Hoy fotsiny ny eritreritro hoe raha izaho ilay voambaka nefa tsy mety mandray ny fitarainako izay atoniko dia mihevitra aho fa fanakanana ahy tsy hilaza na hamoaka ny tsapako izay ary karazana fanohintohinana ny fahalalahana miteny amin'ny fomba ankolaka (noho ny herin'ny vola indrindra indrindra) dia lasa aho manao trakitra mametaka ny momba ity eny amin'ny andrin-jiro manerana ny tanàna. Fa na eto Antananarivo ihany aza no amoahako azy dia hiely vetivety tsy amin'ny alalan'ny famoaham-baovao be mpihaino na be mpanaraka ny momba ity marika haba ity. Saingy noho izaho tsy voambaka ary tsy nividy azy dia kamo aho ny hanaparitaka izany trakitra izany eny rehetra eny fa dia ny famoahana ny hevitro eto ihany no ataoko. Eto vao tsapako fa na "Bitika raha mba miteny!" aza ny tena dia ilaina ihany ny fananana sehatra tahaka itony ifampizaran-kevitra ary tena zava-dehibe sy tokony tandrovana mafy ny fiarovana ny sehatra tahaka itony. Misy ny sivana ara-toekarena, noho ny vola azo avy amin'ny dokambarotra, amin'izao fotoana izao fa tena sarobidy kokoa noho izany ny fahalalahako manoratra sy mampita aminareo ny tsinapa sy ny eritreritra. 

 

 

Jentilisa 3 oktobra 2012

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2012 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox