Tsy mataho-tody

2014-12-16 @ 21:35 in Andavanandro

Hafatra voaray avy amin'ny namana ity ka niangavy izy ny hampitaiko azy fa tsy zakany intsony ny tsy rariny ampiharina amin'izy ireo. Efa nosoratako taminy ihany fa tsy dia misy fiantraikany loatra ny famoahana azy amin'ny bilaogy fa tsy maninona izany hoy izy fa ny mba ho lesona ho an'ny hafa, hoy izy, no tiako amoahana azy. Toy izao manaraka izao ny votoatin'ny hafatra izay nampitainy aty amiko : 

Amin'ny ankapobeny aho tsy mitantara fiainana manokana izany loatra. Na dia misy aza ny tsy rariny sasantsasany ao anatin'ny fiaraha-monina dia misy ilay fomba fitenin'ny Malagasy manao hoe "Tokantrano tsy ahahaka!" Tsy midika velively izany hoe ao an-tokantrano no misy tsy rariny fa mety ho eo amin'ny mpiara-monina akaiky eo ihany. Eto kosa aho hamboraka ny hatezerako, tsy maintsy misy ny avoaka fandrao manimba ny tena ary efa tapa-kevitra fa tsy haka lagy, rehefa izay no tadiaviny dia aleo tanterahina araka ny sitrapony ka tsy hitsitsy intsony.

Raha misy ny zavatra iray mampikorontana na mampiady indrindra ny samy mpanofa trano dia matetika eo amin'ny resaka jiro sy rano izay. Matetika manko dia mitambatra kaonteran'ny jiro sy ny kaonteran'ny rano ny samy mpanofa ary matetika miaraka amin'ny tompontrano aza izany. Efa torohevitra mialoha sahady hoe rehefa mijery trano hofaina dia aza amaivanina mihitsy io resaka jiro sy rano io, raha vao misy zavatra mampiahiahy na dia kely monja aza dia aleo tsy mijabaka fa mitady hafa mety ho azo leferina na mifanaraka amin'ny rariny.

Raha nifindra trano izahay dia nanambara ny tompontrano hifindrana tamin'izany fotoana izany fa raha be fandanian-jiro dia tsy mety amin-dry zareo satria tsy dia matanjaka ny herinjiro nipetraka ary mety hanapatapaka ny jiro. Nekenay soa aman-tsara izany ary voahaja araka ny sakany sy ny lavany. Nandeha no roa volana, nandeha araka ny tokony ho izy ny lany teo amin'ny jiro sy ny rano sy ny vola naloa. Nilamina sy nisosa soa aman-tsara ny fiainana sy ny filaminana. Niala ny iray tamin'ny mpanofa avy eo fa voatery nifindra tanàna noho ny asa. Nisy mpanofa vaovao tonga fa dia nivadika tanteraka ny zavamisy nanomboka hatreo. Marihina fa lova angamba ny trano ipetrahana ka na dia iray trano lehibe aza no ipetrahana dia samy manana ny mpanofany ny tsirairay. Izay no iray amin'ny  maha-sarotra amin'ity raharaha ity na dia iraisana aza ny kaonteran'ny jiro sy ny rano.

Tsy nitsaha-nitombo ny fandaniana nanomboka teo ary dia noterena izahay hoe anisan'ny mampiasa jiro hatrany sy mampiasa solosaina (finday!) ka tokony handoa ny ambanimbany kely noho ny atsasaky ny fandaniana. Noezahina ny fanazavana hoe tsy hitovy mihitsy ny fandanian-jiro na hisy herinjiro lany hatrany aza ao aminay satria zavatra tsy mandany jiro avokoa no ampiasainay fa dia azon'ody angaha ny sasany sanatria fa rehefa mampiasa jiro dia mandany jiro ny dikan'izay. Nohazavaina taminy fa tsy hitovy fandaniana mihitsy ny 4L sy ny kamiao fa ny di-dohany ihany no di-dohany. Efa nanomboka letra ny tena tamin'izany fotoana izany.

Efa nifanarahan'ireo tompontrano amin'ny mpanofany avy fa tsy azo atao ny mampiasa zavatra mihinan-jiro fa nisy ireo nangalatra nampiasa ireo zavatra mandany jiro ireo ihany. Nifanendrikendrika amin'izay fa ranona mampiasa "rice cooker" sy fera fipasohana, tsy hitako anefa izay hakanay mpanampy sy handaniana saribao roa gony lehibe isam-bolana raha mbola handoa ny vidin-jiron'ny sasany ihany. Nilazana ary ry zareo hoe andao samy hampakatra "rice cooker" sy "fera fipasohana" any amin'ny tompontranony avy fa tsy nanaiky ry zareo fa ny fananany ve hoe ampirimina any amin'ny olon-kafa any. Miharihary aminay manomboka hatreo fa mpandany ry zareo nefa dia omen'ny tompontranony vahana amin'ny fampitoviana ny jiro aloa sy ny fampitomboana ny rano aloanay kosa satria izahay no maro kokoa noho ry zareo. Notakianay ny hampiasana ny kaontera mpitsinjara (divisionnaire) ary nolazainay avy hatrany mba hitovy marika sy mpanamboatra izany kaontera mpitsinjara izany ary samy manana ny azy. Tsy nohenoina mihitsy izahay. Ny manahirana dia tsy miteny mihitsy ny tompontranonay manoloana izany rehetra izany satria ny zandry manaja ny zoky.

Ny zavatra mampihomehy dia mahita lainga hoforonina foana ry zareo mpanofa ao ambadika rehefa andro iray mialoha ny hahatongavan'ny jirama manao "relevé". Mody nasainy niantso ny zanakay ny zanany sady miditra ao an-dakozia ihany izy... dia avy eo lasa mihazakazaka any ivelany any sady mitabataba hoe mampiasa "rice cooker" ry zareo. Ny nampihomehy dia tsy nisy izany "rice cooker" izany intsony tao aminay fa efa naterinay tany amin'ny tompon-trano ny zavatra rehetra ahiana mety hiteraka fandanian-jiro betsaka. Savao ao raha mahita izany ianareo satria tsy niala teo amin'ny vavahady ry zareo. Raikitra amin'izay ny fifanasana vangy ary dia hitan'ny fiaraha-monina manodidina mihitsy izany tabataba izany.
 
Tafakatra in-telo avo heny noho fahitanay mahazatra amin'izay ny jiro. Mazava loatra satria manararaotra mampiasa ny herin-jiro araka ny sitrapony ny sasany nefa izahay toa adala manao fitsitsiana hatrany. Na orinasa kely aza tsy manao izany fandaniana izany, araka ny fijeriko fa efa ny fandanianay iray volana no lany ao anatin'ny telo na efatra andro monja. Gaga ihany hoe ahoana ary izany fandaniana izany. Indray mandeha, nifoha maraina dia maraina aho ary nijery ny kaontera (sady mijery kaontera no maka lagy mahita ny marik'isa voasoratra fa lany). Nihodina dia nihodina tokoa ilay jiro nefa tsy  misy hitako mampiasa aminay samy mpanofa (mbola maizimaizina ny andro tamin'io fotoana io). Hiala maraina ao an-trano aho ka nobitsihako ny vadiko fa hotapahiko ny jiro fa mihodina loatra nefa tsy hita izay mampiasa azy. Sady niainga aho no nanapaka ny jiron'ny kaontera. Fotoana fohy monja taorian'izany dia hitako ny tompon-tranon'ny ao ambadika nankeo amin'ny fanasan-damba. Ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe ry zareo izany no tena mihinan-jiro ka ny mpanofa no atao izay hampiady azy dia masaka ny tetika. Nisy "fil" iray izay manko tsy mazava aminay mihitsy hoe mankaiza ny lalan'izy iny (efa notapahina tanteraka!)

Fotoana fohy taorian'izany dia raikitra indray fa asiana kaontera mpitsinjara ihany ho an'ny mpanofa trano. Ny nampihomehy dia samy hafa ny marika sy ny mpanamboatra amin'ireo kaontera mpitsinjara ireo, efa niezaka ny nanazava ihany izahay fa tsy nohenoina satria misy tanjona hafa tian-katao manko. Kaontera mpitsinjara telo samy hafa izany no ampiasain'ny mpanofa ka samy manana ny azy. Vao nandeha ny herinandro nampiasaina ilay kaontera mpitsinjara dia hita avy hatrany fa ny anay no kely indrindra tamin'ny lany, izahay anefa tsy nampihena inona loatra tamin'ny jiro fampiasainay fa ny sasany no namoro tanteraka ny zavatra mandeha herinjiro rehetra tao aminy. Ny anay atsasaky ny an'ny mpanofa iray izay tsy miditra "gidragidra ifanaovanay roa tonta", ary ny azy io kosa atsasaky ny an'ilay nanendrikendrika anay ho nampiasa "rice cooker".

Nahagaga fa nandritra ny volana nametrahana ilay kaontera mpitsinjara dia nihena dia nihena ny jiro satria nitombo kely noho ny tamin'ny fotoana nahatongavan'ireto mpanofa farany ny marik'isa nipetraka ary mbola ambany noho ny atsasaky ny lany tamin'ny volana teo aloha. Voalaza indray fa tsy neken'ilay tompontrano manao fitsinjarana ny vola aloa indray ny tondro napetraky ny kaontera mpitsinjara fa mety misy tsy mihodina tsara na lasa mihodina be loatra tsy araka ny tokony ho izy ny kaonteran'ny sasany. Noho izany toy ny teo aloha ihany ny vola tokony aloa ary mbola mandoa ny ampahany be amin'ny jiro ihany izahay. Na dia ny fizarana telo mitovy ny jiro aza dia tsy nekeny satria, nahoana ny mpanofa no tsy ao an-tranony nefa mandoa betsaka noho izahay?

Rehefa nilazana ny vola tokony naloanay izahay (izay tsy mbola nisy vola naloanay toa izany hatramin'izay niainanay!) dia nangataka tamin'ny tompontranonay ny hampidinana ny "rice cooker" sy ny fera fipasohana ary nilaza fa hampiasa izany izahay, hampiasa lafaoro ihany koa izahay manomboka izao fa tsy hitatatra hoan'ny Rainilezafy. Ny tanjona tamin'ity hametrahana kaontera hay dia ny saika hanaporofoana fa izahay no tena mpandany jiro indrindra; kanjo ny mifanohitra amin'izany tanteraka no nitranga. Koa rehefa izay no tadiavin-dry zareo dia hotanterahinay. Mandany vola vidin-tsaribao roa gony isam-bolana fotsiny izahay nefa toa ampandoavina ny lanin'ny sasany zara raha mandany gonin-tsaribao tapany ao anatin'ny roa volana. Ary ampahatsiahivo an-dry zareo amin'izao famaranana ny hafatra izao hoe enga anie tsy amin'ny olona tsy azo anaovan-dratsy no anaovanareo izao tsy rariny izao, tsy hisy dikany ny fitenenanana hoe hanody ny ratsy atao rehefa tsy mataho-tody ilay olona.

Dia izay sy izay ny hafatra nampitaina, ary noezahana mba ho araka ny fomba fitantarako azy no namoahana ny hafatra satria tsy dia tian-dry zareo hiharihary loatra na ny toerana na ny fokontany, eny fa na dia ny tanàna misy azy ireo aza. Ny tsy azoko tsara dia hoe mila domberina avy amin'ny fanehoan-kevitra ve ry zareo sa tsia satria efa nolazaiko azy mazava tsara fa tsy dia misy maneho hevitra loatra intsony amin'ny bilaogiko.


Jentilisa 16 desambra 2014

Ny fomba fampiasana ny Google Fandikanteny

2014-12-15 @ 23:21 in Ankapobeny

Nalaza vetivety teo amin'ny Malagasy Mpiserasera indray ny fijoroan'ny "Google Translate" na "Google Traduction" amin'ny teny malagasy tamin'ity volana desambra 2014 ity. Tsorina fa efa hatry ny ela ny tena no nitady fitaovana an-tserasera na milina an-tserasera na ivelan'ny serasera ahafahana mametraka dikanteny malagasy ireo teny vahiny fantatry ny tena. Efa nampiasaina ny tahalan'ny "tenymalagasy.org" sy ny "freelang" fa tsy mahafa-po loatra satria samy manan-tompo ireo [misy fizakàmanana manokana] fa tsy mametraka ny teny na dikanteny hita ao ho fananana iombonana iaraha-misalahy na andraisan'ny besinimaro anjara ("crowdsourcing"); mahafinaritra ny zava-bitan'izy ireo fa tsy mahafa-po ahy manokana satria ao amin'ny tahala notononina voalohany dia tsy fantatra hoe nekena ve sa tsia ny tolo-kevitrao nanolotra voambolana iray, ary ao amin'ny faharoa kosa mbola tsy nahita fandikana ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy aho. Nihevitra manokana aho fa tsy manaraka andro loatra ny votoaty ao amin'izy ireo.

Nitady milina an-tserasera na ivelan'ny serasera ahafahana mampiasa indray ny dika efa vita

Mitady fivoarana haingana dia haingana aho ary avy amin'ny tahala ahafahan'ny besinimaro mandray anjara mavitrika ihany no fomba ahafahana manajary izany fivoarana haingana izany, ahafahana mampiely haingana sy mampiasa ireo voambolana teknika sy teknolojika na an-tserasera hitan'ny mpiray tanindrazana na mpakamamy ilay tenindrazana iombonana, na ireo teny sarotra ho an'ny mpiray tanindrazana ny mitadidy azy. Tsy manampahaizana sady tsy manam-potoana hananganana rindrambaiko ahafahana mitahiry ireo voanteny vaovao na mahazatra, eny fa na mety ho tsy fampiseho masoandro noho ny fitaizana napetraky ny misionera vahiny ny tena ka ny tao amin'ny "google translate" ihany no tena nikirizako itadiavako lalana hoe ahoana no ahafahana mitahiry ireo teny nandikana ireo teny vahiny lasa gasiana fotsiny matetika.

Ny tena tao an-tsaiko voalohany raha nikaroka rindrambaiko na milina aho dia hoe ahoana ny fomba ampiasàna indray ireo lahatsoratra ao amin'ny Global Voices Online teny malagasy ho amin'ny fandikanteny avy amin'ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy farafaharatsiny. Mbola ny teny anglisy aloha no teny iraisampirenena voalohany sy maharaka [ny toetr'] andro ka rehefa voadika amin'io teny io ny tenintsika Malagasy dia mora kokoa ny handikana azy ho amin'ny tenim-pirenena maro dia maro na mba efa fantapantatra ratsy eo ny tian-kolazaina. Tsy mbola nahita aloha aho hatreto ary tsy mbola nisy nilaza fa dia hanomboka na hanohy miaraka amin'ity "google traduction" amin'ny teny malagasy ity aloha no akaiky indrindra hatreto.

Lalana izorana hanatsarana ny dikanteny ao amin'ny google

Sahirantsaina ihany ny tena rehefa mahita fa izay teny rehetra sarotsarotra dia voadika ho zavatra daholo na inona na inona. Hitako hatreto amin'ny fotoana nanoratana fa ny dika mandeha ho azy rehefa hamadika pejy iray ho amin'ny teny malagasy amin'ny "application" dia "zavatra" [mariho fa mamadika pejy iray ho teny malagasy no lazaiko hatreto fa tsy ilay fafana fampiasantsika izay ahitana ny "fampiharana" nefa mety hahaliana ihany koa ny "rindranasa". Ny voambolana "application" anefa tokony tsy ho azo gasiana fotsiny amin'izao noho ny fisian'ny litera "c" izay tsy tafiditra anaty abidia malagasy amin'ny fomba ofisialy, tahaka izany ihany koa ny mi-"tweet", mi-"facebook" sns. Noho izay toe-javatra izay dia tsorina fa tsy mifanaraka amin'ny toe-tsaina mamatam-bonona mihitsy ny tokony handraisana ity "google fandikanteny" ity fa mbola vao mandavaka sy mametraka ny fototra isika, izany hoe mbola lavitra dia lavitra ny lalana. Tsy maintsy misy fandraisana anjaran'ny daholobe manana fahalalana momba ny teny adika sy ny vokatra mivoaka izany rehetra izany. Mariho izany fa tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanatsarana ianao raha tianao ny hahahaingana ny fivoaran'ity milina ity. Tsy manampahaizana aho fa izay efa hitako sy nataoko ihany no tantaraiko aminareo.

Voalohany: miditra na manangana kaonty google vaovao

Mety misy ihany ny fahafaha-manitsy ireo fehezanteny nadika sy ny fehezanteny nivoaka fa ny tsaratsara kokoa, araka ny fihevitro manokana izay mety ho diso, dia entina ijerena ny mahamatotra ny firotsahana an-tsitrapo ho amin'ny fandikana nataonao ny miditra amin'ny kaontinao ao amin'ny google. Mba mety ho hitany ihany koa ny fahavitrihanao na mba mety ho faly amin'izay vitanao ihany koa ianao amin'ny fametrahana an-tserasera ny fandikanteny ho amin'ny na avy amin'ny teny malagasy.

Faharoa : miditra amin'ny pejy "google translate" na "google traduction"

Tsy maintsy miditra amin'io pejy io ianao raha hijery ilay fandikanteny. Azonao atao ny manao fandikana kapo-batana eo amin'ny fafana fa misy lalana iray hafa azo atao ihany koa, sady toy ny lalao ilay izy no mila saina mieritreritra ihany koa. Aza asiana na inona na inona eo amin'ny fafana ankavanana sy ny fafana ankavia. Eo ambanimbany eo somary afovoany misy fanamarihana hoe "Google fandikanteny ho an'ny orinasa..." eo ambonin'io misy soratra voaravaka loko mavomavo manao hoe "Please help Google Translate improve quality for your language here". Miloko hafa ny voambolana "here" ka io no tsindrio fa ho tafiditra ao amin'ny "Community" ianao. Eo amin'izay misy lohateny hoe "My languages", tsindrio io raha tsy efa misokatra avy hatrany ilay izy. Nasaina nisafidy teny moa aho ka telo no notsindriako dia ny Anglisy, ny Frantsay ary indrindra indrindra ny Malagasy. Vita izay safidinao dia "tehirizo" (Save na Sauvegarder).

Sady lalao no fanitaran-tsaina ilay "Improve Google Translate"

Zavatra telo no azonao atao rehefa tafiditra ao ianao, na mandika teny (soratra) na mitsara na manamafy, na manao ny roa amin'ireo telo ireo na manao azy telo mitambatra mifandimby. Rehefa mahavita maromaro ianao dia azonao jerena ny antontanisan'ny vitanao amin'ny fanindriana ny rohin'ny "My Answers". Raha mandika ianao ka mahita teny mbola tsy fahitanao dia azonao atao ihany ny mijery amin'ny ankihy - kiheba (onglet -tab) iray hafa ny google translate dia mijery ny ambaran'ny rakibolana eo ambany eo na mijery ny dikany amin'ny teny frantsay na teny hafa manavanana anao (ankoatra ny teny malagasy kosa angamba an!)

Na dia mety ho tsotsotra aza ireo nambarako ireo dia efa lavalava ihany ary mety mampihazakazaka mankany amin'ny fanatsarana ny dikantenin'ny milina koa dia mazotoa daholo ary!


Jentilisa 16 desambra 2014

Zavatra hafahafa talohan'ny hetsiky ny #wakeupmadagascar

2014-12-06 @ 23:02 in Ankapobeny

Na dia tamin'ny alalan'ny facebook ihany aza no sehatra voalohany nampitàn'ny mpiombon-kevitra tao amin'ny #wakeupmadagascar ny hetsika milaza fa hanomana tohivakana ataon'ny olompirenena ry zareo, ary herinandro teo ho eo no nanapahana sy nilazàna tao amin'ny pejy ny fotoana, dia nisy akony ihany ilay tohivakana nokarakarainy sady tsy nohamaivanin'ny mpifehy ny tanàna na oviana na oviana sy ireo vondro-tafika mpiaro azy ny ho fiantraikany fa efa niomana fatratra ry zareo. Noheveriny fa hisy ny fidinana hanitsaka io arabe io, noheveriny fa hisy ny kiakiaka na savoritaka na tabataba, noheveriny fa hisy ny kabary na fivorivoriana tsy amin'antony... saingy tsy araka izay noheveriny ilay zava-mitranga satria tsy azony tsara ny fandehan'ilay resaka.

Mifanindra-dalana tamin'ny fanomanana ity hetsiky ny Asabotsy 6 desambra ity dia hilaza aminareo ny zava-nitranga nialoha izay niainako aho. Nosoratana hahatsapantsika hoe tahatahaka ny ahoana ny zavanisy, na tahatahaka ny ahoana ny niainako ity herinandro ity, ka izay mifandraika indrindra amin'ny tohivakana nomanina no resahiko. Na andeha lazaina hoe izay heveriko fa misy mifampiditra amin'ny fahatapahan'ny facebook tamin'ity herinandro ity fa tsy kisendrasendra mahavalalanina ilay izy. Ny an'ny TGN na izay fantatry ny besinimaro amin'ilay hoe mpanao servisy Telma no resahina satria izay no nahitako ny tsikaritra.

Voalohany, ny alakamisy nanomboka atoandro dia saiky tapaka avokoa ny clé telma rehetra tamin'ny faritra maro, indrindra fa ny teto Antananarivo. Mariho fa tsy mahafantatra ny an'ireo clé hafa aho na dia nisy aza ny nilaza tamiko fa nitrangàna olana ihany koa ny an'ny orange ohatra, tsy dia nino izany loatra aho fa izay hitako ihany no tantaraiko. Nisy tamin'ireo sampana nampiasa clé telma (roa na telo) no namadika ny azy ho clé orange na clé airtel ahafahana mifandray amin'ny lohamilina (serveur) fa tsy nahavaha olana izany fa ilay telma ihany aza no nety nifandraisana tamin'ny farany. Toy ny tsy nisy intsony izany olana voalohany notantaraiko izany rehefa nanomboka ho maizina ny andro.

Faharoa, nifoha maraina aho ny zoma ary dia niditra facebook. Akory ny hagagana fa ela dia ela vao tafiditra ary lasa ratsy endrika ny tao anatiny rehefa nahatafiditra ny tenimiafina. Tsy afa-naneho hevitra tany amin'ny satan'ny olon-kafa na tao amin'ny satako aho fa ny "like" sy ny "share" kosa azo natao ihany. Azo natao kosa anefa ny nametraka sata hafa. Ny azo marihana ihany koa dia tsy hita intsony ny mari-panondroana ahafahana mivoaka amin'ilay tambajotra Facebook fa dia akatona amin'ny "X" mena etsy ambony fotsiny. Raha misy anefa olon-kafa hiditra facebook aoriako dia ho tafiditra avy hatrany ao amin'ny pejiko izay tsy azoko nakatona izy. Mampidi-doza izany amiko fa soa fa tato an-trano ihany no niserasera.

Nivadika tambajotra an-tserasera aho taorian'izany izay ahafahako mikirakira ihany koa ny votoatin'ny facebook-ko sy ny tambajotra an-tserasera hafa fa dia tafiditra soa aman-tsara tsy misy olana... misosa soa aman-tsara. Talohaloha tany anefa raha nanao izao fomba izao aho ka idirako avy ao ny facebook dia milaza aminao fa tsy afa-miditra ao amin'io "tambajotra" facebook io ianao. Taoriana kelin'izany olana tsy fahazoana miditra "facebook" na serasera hafa izany anefa dia ahitana hatrany ny vaovao iraisampirenena fa nanana olana tokoa ny lohamilin'ny facebook na tambajotra hafa efa nisedra olana tahaka izany. Teto anefa tsy nitranga izany karazana olana izany fa tena tafiditra soa aman-tsara aho. Tsy iraisampirenena noho izany ny olana raha misy fa anatiny, izany hoe eto Madagasikara ihany. Efa nampieritreritra.

Tamin'io andron'ny zoma maraina io dia ny facebook ihany no toa manana olana fa ny hafa kosa toa misokatra vetivety ihany, indrindra fa ny habaka iraisampirenena. Nony tonga ny atoandro dia niditra YouTube indray aho fa raha mandeha ilay izy amin'ny voalohany dia manodidina ny 10-30 segondra ihany no misosa ny fijerena sary fa mihantona avy eo ary tsy mihetsika intsony. Efa nanahinahy aho fa hisy fahatapahana ity raharaha ity. Kanjo inona tokoa...tokony ho tamin'ny dimy ora hariva teo ho eo (mety ho alohany na mety ho aorianany ihany koa!) dia nihanihisatra tsikelikely avokoa ny tranonkala (habaka) iraisampirenena rehetra ary tsy tafiditra intsony izay [.fr] na [.com] na [.org] rehetra avy eo fa mbola nisokatra tsy misy olana kosa ny habaka [.mg].

Nandefa fampilazana ny tao amin'ny TGN fa manana olana eo amin'ny hosina anelanelan'Ihosy sy Ambalavao. Ny tsikaritra anefa tamin'io fotoana io dia mbola afa-nifandray tamin'ny lohamilina avokoa ny sampana rehetra nanerana an'i Madagasikara na clé no nampiasainy na Adsl fa toerana iray tao Toliary ihany no tsy afa-nifandray tamin'ny lohamilina... tsy nanana olana toy izany anefa ny faritra hafa tao Toliary tao ihany. Fantatsika fa avy ao Toliary no miditra eto Madagasikara ny Hosina ampiasain'ny Telma. Misy fahatapahana tokoa ve ny hosina teto Madagasikara? Mila manampahaizana aho hamaly satria mety ho tsy takatry ny lohakeliko ny tena fandehan'ny raharaha sy ny mahalôjika izao fandehan'ny raharaha izao. Tsy tafiditra habaka iraisampirenena intsony ny tena na dia ny alimben'ny zoma hifoha asabotsy aza.

Tonga ny Asabotsy maraina. Nivaha avokoa ny olan'ny habaka iraisampirenena rehetra fa mbola nitoetra hatrany ny "olan'ny facebook" efa notantaraiko tetsy ambony. Afa-manoratra sata sy manao "like" sy "share" fa tsy afa-maneho hevitra amin'ny sata na pejin'ny olon-kafa. Rehefa tontosa kosa anefa ny hetsika nataon'ny #wakeupmadagascar dia niverina tamin'ny laoniny soa aman-tsara ihany koa ny facebook ary tsy nisedra olana ihany koa ireo habaka iraisampirenena hafa. Dia azo heverina fa tena kisendrasendra mahatalanjona ve ny fahatapahan'ny facebook tao anatin'ny telo andro raha niaina ireo toe-javatra ireo ianao? Aleo ny mpamaky ihany no hamoaka ny tsoa-kevitra.



Jentilisa 07 desambra 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2014 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox