Tsy mataho-tody

2014-12-16 @ 21:35 in Andavanandro

Hafatra voaray avy amin'ny namana ity ka niangavy izy ny hampitaiko azy fa tsy zakany intsony ny tsy rariny ampiharina amin'izy ireo. Efa nosoratako taminy ihany fa tsy dia misy fiantraikany loatra ny famoahana azy amin'ny bilaogy fa tsy maninona izany hoy izy fa ny mba ho lesona ho an'ny hafa, hoy izy, no tiako amoahana azy. Toy izao manaraka izao ny votoatin'ny hafatra izay nampitainy aty amiko : 

Amin'ny ankapobeny aho tsy mitantara fiainana manokana izany loatra. Na dia misy aza ny tsy rariny sasantsasany ao anatin'ny fiaraha-monina dia misy ilay fomba fitenin'ny Malagasy manao hoe "Tokantrano tsy ahahaka!" Tsy midika velively izany hoe ao an-tokantrano no misy tsy rariny fa mety ho eo amin'ny mpiara-monina akaiky eo ihany. Eto kosa aho hamboraka ny hatezerako, tsy maintsy misy ny avoaka fandrao manimba ny tena ary efa tapa-kevitra fa tsy haka lagy, rehefa izay no tadiaviny dia aleo tanterahina araka ny sitrapony ka tsy hitsitsy intsony.

Raha misy ny zavatra iray mampikorontana na mampiady indrindra ny samy mpanofa trano dia matetika eo amin'ny resaka jiro sy rano izay. Matetika manko dia mitambatra kaonteran'ny jiro sy ny kaonteran'ny rano ny samy mpanofa ary matetika miaraka amin'ny tompontrano aza izany. Efa torohevitra mialoha sahady hoe rehefa mijery trano hofaina dia aza amaivanina mihitsy io resaka jiro sy rano io, raha vao misy zavatra mampiahiahy na dia kely monja aza dia aleo tsy mijabaka fa mitady hafa mety ho azo leferina na mifanaraka amin'ny rariny.

Raha nifindra trano izahay dia nanambara ny tompontrano hifindrana tamin'izany fotoana izany fa raha be fandanian-jiro dia tsy mety amin-dry zareo satria tsy dia matanjaka ny herinjiro nipetraka ary mety hanapatapaka ny jiro. Nekenay soa aman-tsara izany ary voahaja araka ny sakany sy ny lavany. Nandeha no roa volana, nandeha araka ny tokony ho izy ny lany teo amin'ny jiro sy ny rano sy ny vola naloa. Nilamina sy nisosa soa aman-tsara ny fiainana sy ny filaminana. Niala ny iray tamin'ny mpanofa avy eo fa voatery nifindra tanàna noho ny asa. Nisy mpanofa vaovao tonga fa dia nivadika tanteraka ny zavamisy nanomboka hatreo. Marihina fa lova angamba ny trano ipetrahana ka na dia iray trano lehibe aza no ipetrahana dia samy manana ny mpanofany ny tsirairay. Izay no iray amin'ny  maha-sarotra amin'ity raharaha ity na dia iraisana aza ny kaonteran'ny jiro sy ny rano.

Tsy nitsaha-nitombo ny fandaniana nanomboka teo ary dia noterena izahay hoe anisan'ny mampiasa jiro hatrany sy mampiasa solosaina (finday!) ka tokony handoa ny ambanimbany kely noho ny atsasaky ny fandaniana. Noezahina ny fanazavana hoe tsy hitovy mihitsy ny fandanian-jiro na hisy herinjiro lany hatrany aza ao aminay satria zavatra tsy mandany jiro avokoa no ampiasainay fa dia azon'ody angaha ny sasany sanatria fa rehefa mampiasa jiro dia mandany jiro ny dikan'izay. Nohazavaina taminy fa tsy hitovy fandaniana mihitsy ny 4L sy ny kamiao fa ny di-dohany ihany no di-dohany. Efa nanomboka letra ny tena tamin'izany fotoana izany.

Efa nifanarahan'ireo tompontrano amin'ny mpanofany avy fa tsy azo atao ny mampiasa zavatra mihinan-jiro fa nisy ireo nangalatra nampiasa ireo zavatra mandany jiro ireo ihany. Nifanendrikendrika amin'izay fa ranona mampiasa "rice cooker" sy fera fipasohana, tsy hitako anefa izay hakanay mpanampy sy handaniana saribao roa gony lehibe isam-bolana raha mbola handoa ny vidin-jiron'ny sasany ihany. Nilazana ary ry zareo hoe andao samy hampakatra "rice cooker" sy "fera fipasohana" any amin'ny tompontranony avy fa tsy nanaiky ry zareo fa ny fananany ve hoe ampirimina any amin'ny olon-kafa any. Miharihary aminay manomboka hatreo fa mpandany ry zareo nefa dia omen'ny tompontranony vahana amin'ny fampitoviana ny jiro aloa sy ny fampitomboana ny rano aloanay kosa satria izahay no maro kokoa noho ry zareo. Notakianay ny hampiasana ny kaontera mpitsinjara (divisionnaire) ary nolazainay avy hatrany mba hitovy marika sy mpanamboatra izany kaontera mpitsinjara izany ary samy manana ny azy. Tsy nohenoina mihitsy izahay. Ny manahirana dia tsy miteny mihitsy ny tompontranonay manoloana izany rehetra izany satria ny zandry manaja ny zoky.

Ny zavatra mampihomehy dia mahita lainga hoforonina foana ry zareo mpanofa ao ambadika rehefa andro iray mialoha ny hahatongavan'ny jirama manao "relevé". Mody nasainy niantso ny zanakay ny zanany sady miditra ao an-dakozia ihany izy... dia avy eo lasa mihazakazaka any ivelany any sady mitabataba hoe mampiasa "rice cooker" ry zareo. Ny nampihomehy dia tsy nisy izany "rice cooker" izany intsony tao aminay fa efa naterinay tany amin'ny tompon-trano ny zavatra rehetra ahiana mety hiteraka fandanian-jiro betsaka. Savao ao raha mahita izany ianareo satria tsy niala teo amin'ny vavahady ry zareo. Raikitra amin'izay ny fifanasana vangy ary dia hitan'ny fiaraha-monina manodidina mihitsy izany tabataba izany.
 
Tafakatra in-telo avo heny noho fahitanay mahazatra amin'izay ny jiro. Mazava loatra satria manararaotra mampiasa ny herin-jiro araka ny sitrapony ny sasany nefa izahay toa adala manao fitsitsiana hatrany. Na orinasa kely aza tsy manao izany fandaniana izany, araka ny fijeriko fa efa ny fandanianay iray volana no lany ao anatin'ny telo na efatra andro monja. Gaga ihany hoe ahoana ary izany fandaniana izany. Indray mandeha, nifoha maraina dia maraina aho ary nijery ny kaontera (sady mijery kaontera no maka lagy mahita ny marik'isa voasoratra fa lany). Nihodina dia nihodina tokoa ilay jiro nefa tsy  misy hitako mampiasa aminay samy mpanofa (mbola maizimaizina ny andro tamin'io fotoana io). Hiala maraina ao an-trano aho ka nobitsihako ny vadiko fa hotapahiko ny jiro fa mihodina loatra nefa tsy hita izay mampiasa azy. Sady niainga aho no nanapaka ny jiron'ny kaontera. Fotoana fohy monja taorian'izany dia hitako ny tompon-tranon'ny ao ambadika nankeo amin'ny fanasan-damba. Ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe ry zareo izany no tena mihinan-jiro ka ny mpanofa no atao izay hampiady azy dia masaka ny tetika. Nisy "fil" iray izay manko tsy mazava aminay mihitsy hoe mankaiza ny lalan'izy iny (efa notapahina tanteraka!)

Fotoana fohy taorian'izany dia raikitra indray fa asiana kaontera mpitsinjara ihany ho an'ny mpanofa trano. Ny nampihomehy dia samy hafa ny marika sy ny mpanamboatra amin'ireo kaontera mpitsinjara ireo, efa niezaka ny nanazava ihany izahay fa tsy nohenoina satria misy tanjona hafa tian-katao manko. Kaontera mpitsinjara telo samy hafa izany no ampiasain'ny mpanofa ka samy manana ny azy. Vao nandeha ny herinandro nampiasaina ilay kaontera mpitsinjara dia hita avy hatrany fa ny anay no kely indrindra tamin'ny lany, izahay anefa tsy nampihena inona loatra tamin'ny jiro fampiasainay fa ny sasany no namoro tanteraka ny zavatra mandeha herinjiro rehetra tao aminy. Ny anay atsasaky ny an'ny mpanofa iray izay tsy miditra "gidragidra ifanaovanay roa tonta", ary ny azy io kosa atsasaky ny an'ilay nanendrikendrika anay ho nampiasa "rice cooker".

Nahagaga fa nandritra ny volana nametrahana ilay kaontera mpitsinjara dia nihena dia nihena ny jiro satria nitombo kely noho ny tamin'ny fotoana nahatongavan'ireto mpanofa farany ny marik'isa nipetraka ary mbola ambany noho ny atsasaky ny lany tamin'ny volana teo aloha. Voalaza indray fa tsy neken'ilay tompontrano manao fitsinjarana ny vola aloa indray ny tondro napetraky ny kaontera mpitsinjara fa mety misy tsy mihodina tsara na lasa mihodina be loatra tsy araka ny tokony ho izy ny kaonteran'ny sasany. Noho izany toy ny teo aloha ihany ny vola tokony aloa ary mbola mandoa ny ampahany be amin'ny jiro ihany izahay. Na dia ny fizarana telo mitovy ny jiro aza dia tsy nekeny satria, nahoana ny mpanofa no tsy ao an-tranony nefa mandoa betsaka noho izahay?

Rehefa nilazana ny vola tokony naloanay izahay (izay tsy mbola nisy vola naloanay toa izany hatramin'izay niainanay!) dia nangataka tamin'ny tompontranonay ny hampidinana ny "rice cooker" sy ny fera fipasohana ary nilaza fa hampiasa izany izahay, hampiasa lafaoro ihany koa izahay manomboka izao fa tsy hitatatra hoan'ny Rainilezafy. Ny tanjona tamin'ity hametrahana kaontera hay dia ny saika hanaporofoana fa izahay no tena mpandany jiro indrindra; kanjo ny mifanohitra amin'izany tanteraka no nitranga. Koa rehefa izay no tadiavin-dry zareo dia hotanterahinay. Mandany vola vidin-tsaribao roa gony isam-bolana fotsiny izahay nefa toa ampandoavina ny lanin'ny sasany zara raha mandany gonin-tsaribao tapany ao anatin'ny roa volana. Ary ampahatsiahivo an-dry zareo amin'izao famaranana ny hafatra izao hoe enga anie tsy amin'ny olona tsy azo anaovan-dratsy no anaovanareo izao tsy rariny izao, tsy hisy dikany ny fitenenanana hoe hanody ny ratsy atao rehefa tsy mataho-tody ilay olona.

Dia izay sy izay ny hafatra nampitaina, ary noezahana mba ho araka ny fomba fitantarako azy no namoahana ny hafatra satria tsy dia tian-dry zareo hiharihary loatra na ny toerana na ny fokontany, eny fa na dia ny tanàna misy azy ireo aza. Ny tsy azoko tsara dia hoe mila domberina avy amin'ny fanehoan-kevitra ve ry zareo sa tsia satria efa nolazaiko azy mazava tsara fa tsy dia misy maneho hevitra loatra intsony amin'ny bilaogiko.


Jentilisa 16 desambra 2014

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox