Tanàna kanto? Tsena mendrika? Nofinofy sy revin-gadra?

2016-01-23 @ 21:46 in Toekarena

Zavatra nahaliana ahy hatry ny fahazaza ny politika. Mety hahagaga anao angamba izany teny izany hoe fahazaza nefa dia izay no marina. Tamin'izaho folo taona no efa nentin'ny raiko hanatrika fiantsoan'ny Monima (antoko mpanohitra ao anatin'ny Mandatehezana Miaro ny Tolom-Piavotana) ny vahoakan'Antananarivo tao amin'ny Coum 67ha. Tamin'izany fotoana izany no nahalany depiote teto Antananarivo an'i Monja Jaona, izay indrisy moa fa nanenjika Merina taty aoriana. Antananarivo hany mijoro eo anatrehan'ny fitondrana foibe tamin'izany fotoana izany. Ilazako aminao izany fa novolavolaina tao anatin'ny fikatrohana politika ivelan'ny antoko politika aho ary efa nanana ny hevitro manokana ihany koa. Dia marihina eto fa hatramin'izay ka hatramin'izao aho dia tsy mbola nisoratra anarana tamin'ny antoko politika na fikambanana politika na iza na iza. Tsy adinoina ihany koa ny nitondrana ahy teny amin'ny Catalanes, nefa tsy azo itondrana zaza hoe ny famangiana manjò eo amin'ny fomba malagasy, tamin'ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimandrava filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany... Vao efa-taona monja aho tamin'izany fotoana izany.

Henjana dia henjana sy tsy mbola zakan'ny besinimaro amin'izao fotoana izao ny fihevitra sy fomba fiasa ara-politikako raha izay no azo ilazana azy. Tsy misy mahafapo ahy ihany koa ireo antoko politika rehetra misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa izay manakaiky indrindra amin'ny fototra na firehan-kevitro no nofidiako na be aza ny tsy itovizako amin-dry zareo. Raha heverina tsotra dia manana firehana henja-piheverana aho, revolisionera fa tsy mpisolelaka mamitaka mpitondra fanjakana. Tsy hisy hanaiky izany hoe esorina eto Antananarivo renivohitra ny tsena ankalamanjana rehetra izany, na isa-potoana iray ao anatin'ny herinandro aza, nefa dia izay no tadiaviko (ohatra ny tsena alakamisy eo Mahamasina).

Raha amin'ny zavamisy eto Antananarivo dia ataoko fa efa miharihary aminao ny fanohanako ny asam-panadiovana amin'izao fotoana izao. Sarotra dia sarotra io sady mandeha ambony hoditr'akondro ihany koa. Ny nandrafetana ny tanàna mihitsy no olana fototra ary amiko, ohatra, dia tokony nosaziana, na iza na iza, izay nanome alalana tamin'ny fananganana ireo trano fivarotana eo Behoririka amin'ilay antsoina hoe Gauloise taloha eo. Ety dia ety loatra ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, na navela hanao ny danin'ny kibony ny nanangana ny trano. Tokony nohalalahana ny lalana na ho an'ny fiara na ho an'ny mpandeha an-tongotra. Tsy tokony ho fiatoana fa fijanonan'ny fiara fitateram-bahoaka ihany koa eo.

Ireo tsena namboarina rehetra teto Antananarivo ihany koa, amiko dia tsy misy mety fa toy ny manenjika hampiditra isan'olona amin'ny toerana kely velarana, manome vahana ny mpangaro-paosy avokoa. Rafitra toy ny mitaiza ny olona hirona amin'ny kivarobarotra fa tsy mametraka ilay olona ho tena mpivarotra mandoa ny patanty sy ireo hetra sy haba rehetra tokony aloa fa tsy mihevi-tena ho madinika tsy mahaloa izany hetra izany. Tsy mety ihany koa ny toe-tsain'ny mpivarotra mamela ny hafa hivarobarotra eo anoloan'ny fandraharahana ataony, izay miteraka fibahambahanana avokoa, mety hahatezitra anao angamba izany fa hoe tsy misy fitserana ny mahaolona mihitsy ve? Amiko dia misy sandany izany fipetrahana sy fiasana eto amin'ny renivohitra izany. Fa raha ny fampidiran-ketra eto Antananarivo aza tsy voafehy dia ahoana ny ifehezana ny fampidiran-ketra manerana an'i Madagasikara? Tsy mahagaga raha manjaka ny kolikoly. Ny endrika tsena ho an'ny daholobe misy eto Antananarivo manakaiky indrindra amin'izay heveriko dia io Pavillons Analakely io, nefa io aza mbola tery loatra ny lalan'ny mpiantsena fa tokony hahatafiditra fiara na dia tsy azon'ny fiara aleha aza, izany hoe amin'ny ankapobeny dia lalana manana sakany efatra metatra raha kely indrindra fa ahafahan'ny fiarabe mpanadio tsena amin'ny alalan'ny fanasana azy amin'ny rano izany. Tokony hanintona olona indrindra ihany koa, tahaka ny taloha ny endrika tsena feno arcades na karazana lalana sy vavahadin-tsena iray mananan karazan'entana manokana amidy.

Arcades natao ho lalan'ny mpandeha an-tongotra irery ihany, tsy azon'ny fitaovana rehetra misy kodiarana andehanana afa-tsy amin'ny sasakalina ka hatramin'ny efatra maraina, fotoana ampidirana ny entana amidy ao an-tsena, soritana fa tafiditra amin'ny fampidirana na famoahana entana eto ihany koa ny fanadiovana sy fanangonana ny fako aterak'izany famindran'entana izany. Voafaritra ao anatin'ny fitaovana misy kodiarana avokoa ireo mandeha motera na voizin-tongotra na voizin-tanana, na apetaka amin'ny kiraro, fa ny hany karazana fitaovana misy kodiarana tokana azo entina dia ireo fitaovan'ny tsena, atosi-tanana, itondran'ny mpiantsena ny entany raisina sy ajanona eo am-bavahady efa misy itoerany manokana. Ireny ihany koa no itondran'ny mpivarotra ny entana amidiny rehefa tsy nahatratra ny ora fampidiran'entambarotra izy. Ny mpivarotra rehetra dia manana velaram-pivarotana sivy metatra tora-droa raha kely indrindra, tsy misy mpivarotra entana mijorojoro an-dalan'ny miantsena miaraka amin'ny zavatra amidiny fa heverina avy hatrany ho mpijirika sy jiolahy izay manao izany ka omena sazy henjana dia henjana. Ny tsena dia misokatra manomboka amin'ny dimy sy sasany maraina - izany dia noho ny sakafo maraina indrindra indrindra - ary ny fikatonan'ny tsena aloha indrindra azo ekena ankoatra ny fotoana manokana dia amin'ny valo ora alina, ny fisokafana farany azo ekena kosa dia amin'ny sivy sy sasany maraina. Azon'ny hafa atao kosa ny mivarotra hatramin'ny sasakalina. Fanadiovana faobe ny tsena ataon'ny mpitantana kosa manomboka amin'ny telo ka hatramin'ny dimy maraina, fandraofana ireo fako nangonin'ny mpivarotra tamin'ny fampidirana entana sy fanasana ny tsena iray manontolo.

Tsy azo leferina ny halatra sy ny fandrobana, ny fanendahana sy ny haro-paosy ao an-tsena ka hatramin'ny 50 metatra manodidina ny tsena fa heverina ho fananihana lapam-panjakana ahazoana ny sazy ambony indrindra, tahaka ny tamin'ny andron'ny Ombalahibemaso. Tsotra ny antony: iankinan'ny ain'ny mpiantsena sy ny mpivarotra, ny aim-bahoaka sy ny fandraharahana ary ny toekarena iray manontolo ny tsena ka miteraka fatiantoka goavana na ho an'ny tsirairay na ho an'ny tanàna sy ny firenena ny fanohintohinana ny fampandehanana ny tsena. Amin'ireo fitantarana sy fanazavana rehetra ireo dia sainina fa tsy kivarobarotra no atao fa tena fandraharahana mihitsy, tsy asan'olon-tokana fa olona maro mifandimby sy mifampita raharaha, tsy maintsy misy ny famoronan'asa. Efa lava loatra sahady nefa zavatra hafa mihitsy no saiky hosoratana fa dia tsakotsakoy aloha izay!


Jentilisa 23 janoary 2016

  

Ny taona no miova...

2016-01-04 @ 21:44 in Ankapobeny

Eto ampanombohana dia miarahaba ny rehetra indray nahatratra ity taona vaovao diavina ity. Ho taom-pahombiazana sy ho taom-pifaliana ho antsika anie ity taona ity. Tsy ho lava taria aho fa hiditra amin'ny anton-dresaka amin'izay.

Toy ny hafahafa ihany raha tsy tohizana ny fitantarana izay niainana tamin'ny volana desambra lasa teo. Tsy misy intsony ve izany ny tohin-dresaka? Sa nisy zavatra nitranga dia lasa ankamantatra amin'izay hoe mba nanao ahoana? Sa ve hoe efa taona vaovao izao no iainana ka aleo mba zavatra tsara aloha tantaraina voalohany? Izay angamba no nahatonga ny lohateny manao hoe :"Ny taona no miova..."

Minia tsy manoratra ny malaza amin'ny tambajotra sosialy toy ny fanasana olona hihinambe eny Iavoloha na hianoka ny fofona maimbon'Antananarivo feno fako aho fa resaka fiainam-piarahamonina hatrany izy ity na izany aza. Seha-piarahamonina mihatra mivantana amin'ny tsirairay ihany koa satria karazany mihatra aman'aina na mihatra amin'ny mahaolombelona. Karazana tombana no soratako etoana.

Vita ny fety, nisy ireo voatery niasa hatrany na krismasy na taombaovao. Nisy ireo afaka nifandamina ka izay tsy niasa krismasy no miasa taombaovao ary ny niasa krismasy kosa no tsy niasa taombaovao. Tsy ilaozam-pifamaliana anefa izany toe-javatra izany rehefa mitontona andro iray ny safidin'ny rehetra tsy iasana. Nisy ireo nahasahy nilaza fa sady tsy hiasa izy krismasy no tsy hiasa taombaovao saingy azo isaina amin'ny rantsa-tanana izany na efa naka congé mialoha (raha omeny!). Tsikaritra fa misy ireo karazana mpiara-miombon'antoka amin'ny fanomezana toerana ivarotana ho an'ny orinasa, afaka manao fampilazana mialoha rehefa tsy ho afaka ny hisokatra, no nahatsapa ny ngidin'ny manjò ny mpiasa ka nanapa-kevitra ny hikatona mihitsy tamin'ireo andro roa ireo, mba ahafahan'ny mpiasa miara-mifaly amin'ny ankohonany (latsaky ny atsasany izy ireo). Misy kosa ireo mpiara-miombon'antoka ireo no tsy miraharaha izany mahaolombelona izany fa ny vola miditra aminy ihany no fantany (mihoatra ny atsasany izy ireo). Manana fahafahana feno tsy azo teriterena loatra ireo mpiara-miombon'antoka ireo rehefa amin'ny tranga tahaka izao. Voamarika mazava tsara amin'izany fa mbola ezaka manokana hoan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny ny fitsinjovana ny hafa.

Zavatra iray nahavariana ihany koa dia nisy tamin'ny mpiasa ihany koa no nitalaho tamin'ireo mpiara-miombon'antoka mba hisokafan'ny toeram-pivarotany fa tsy misy atao, hono, izy amin'ireo fotoana ireo. Mbola tanora loatra angamba ka tsy mahatsapa ny hamamin'ny fiainam-pianakaviana sy ny fiarahana indrindra rehefa amin'ny andro fety. Mety ho eo ihany koa ny matimatin'ny mahazo ravin-taratasy iray rehefa miasa andro fety tahaka ireny, izany hoe atakalo ravin-taratasy misy sandany ny fiainam-pifaliana ao anaty. Mety ho antony iray hafa ihany koa ny te-ho tsara naoty eo anoloan'ny mpampiasa ka mety hiakatra voninahitra vetivety, tsy nisy fampanantenana ny amin'izany loatra anefa. Ny andro iasana andro fety anefa dia tsy soloina andro hafa tsy iasana... ankoatra ny an'ireo "nanery" hivarotra tsy niasa mangingina ny ampitson'ny andro fety.

Nenjakenjanina fatratra ihany koa ny fifampifehezana tamin'ny faramparan'ny taona teo ka raha nomena saran-dalana ho an'ny taxi ny mpiasa-mpivarotra manatitra entana sy fitaovana eny amin'ny foibe (fanao tsy mahazatra fa tsindraindray ihany) dia nandrasana tamin'ny fakantsary avokoa ry zareo ka izay tonga tamin'ny taxibe na an-tongotra teo amin'ny foibe dia nahazo sazy avokoa. Ny mampihomehy amin'ilay saran-dalana anefa dia vola tsy ampy mihitsy (indrindra rehefa faran'ny taona) no nomena ary raha sanatria ka very na misy manendaka na dia eo anoloan'ny foibe aza ireo mpiasa-mpivarotra ireo dia soloin-dry zareo (voaendaka) manontolo ny very. Karazana antsojay itadiavana antony amin'ny fanapahan-kevitra atao ao aoriana kely ao angamba no tena anton'io kendritohina io.

Fehiny: ireo heverintsika ho tsy rariny hitantsika mivandravandra rehetra ireo, toy ny fako misavovona, ny fanasana olona an'arivony hisakafo, ny fividianana  mpividy vaventy miharo fandrahonana raha tsy manaiky fifanarahana mandritra ny fifidianana, ny tsindry eny amin'ny fitsarana dia miainga avy any amin'ny isan-tokantrano na isaky ny orinasa na isan'ambaratongan-drafitra ifotony avokoa. Raha tsy mahajoro amin'ny sehatra ifotony dia tsy mahagaga raha menomenona fotsiny no vita rehefa amin'ny sehatra mahasahana ny tanandehibe iray manontolo na mahasahana ny firenena iray manontolo ihany koa aza. Mifototra amin'ny tahotra izany, dia tahotra manoloana ny fahefana afa-mamelona na afa-mamono anao. Izay angamba no mahatonga ahy tsy niresaka loatra ireo olana atrehin'ny firenena raha misy ireo manao danin'ny kibony tsy voakitikitika na aroarovana any amin'ny sehatra kely na antonony any amin'ny misy azy any. Rehefa mahavita miray hina ny voatsindrihazolena rehetra any amin'ny misy azy ka mametraka fifandanjan-kery tsy manan-tahotra na dia amin'ny heverina ho tsy azo toherina aza dia ho tara loatra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mahefa hiaro tena rehefa mahatsapa ny heriny ireo voatsindrihazolena iharan'ny tsy rariny rehetra ireo. Ka tsy aleo ve mampihatra ny ohabolana milaza hoe "gouverner c'est prevoir" ny mpitondra fanjakana ambony sa mbola ny fitadiavam-bola ihany aloha izao no laharam-pahamehana?


Jentilisa 4 janoary 2016

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2016 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox