« | »

Tsy mety amintsika mihitsy ny bileta tokana

2007-10-23 @ 07:29 in Politika

Lamaody ve sa fiheverana fa izay no fomba tsotra indrindra hialana amin’ny halabato? Ambetintenin’ny avy amin’ny mpanohitra manontolo ka nakany mandrakariva ny fon’ny FFKM [Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara] hatrany ny momba ity bileta tokana ity. Savily hialana amin’ny tsy fananan’ny mpanohitra vola intsony araka ny fijeriko azy no tena antony hamerimberenana ity lazaina fa tsy maintsy tanterahina raha te-hahita ny mpanohitra handray anjara amin’ny fifidianana ny ao amin’ny fitondrana.

 

 Dia sambany tokoa raha ho tontosa ihany vao hiray feo ny avy amin’ny fanoherana hiara-mitaky ny hampanaovana ny fifidianana ami’ny alalan’ny latsabato tokana fa misy ny lisitra maro isafidianana kosa. Raha nandre ny fanambarana aho dia tsy izay nolazain’ny mpitondra teny no henoko fa izay nanakoako tao anatiko tao fotsiny manao hoe:

Efa fantatrareo mpifidy fa tsy manambola intsony izahay mpanohitra hifaninanana amin’ny avy ao amin’ny fitondrana amin’io fifidianana ho Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ao amin’ny tanàna io ka dia aleonay tsy mirotsaka. Fantatrareo ihany koa fa sady tsy tianareo izahay mpanohitra no misy tsy zakanareo ihany koa ny ataon’ny ao amin’ny fitondrana ka izay no nahakamo anareo tsy hifidy tamin’ny farany teo. Dia mody nailakay fa efa tsy matoky ny fitondrana intsony ny vahoaka matoa kamo nifidy tamin’ny farany teo nefa fantatray fa izahay koa tsy itokisanareo intsony dia aleonay aloha mody midradradradra sao mahavoa ihany ny goavy manta.

 Efa fantatray mpanohitra fa aim-bery maina fotsiny ny anay raha mbola mitohy izao asan’ny fitondrana izao ary raha mbola tsy mahita olona azo itokisana atolotra ny vahoaka izahay koa aleo tsitsiana ihany ny vola dia tsy hirotsaka izahay. Efa fantatra ihany ny hafetsen’ny mpitondra amin’ny safelipelika madinidinika fa raha te-hanatanteraka ny MAP hiantraika any amin’ny Kaominina misy ny tena dia ny antokoben’ny fitondrana ihany no mendrika hofidiana dia sarotra ho anay ihany ny hahazo ny vaton’ny mpifidy hibatana ny fandresena ao anatin’izany rehetra izany. Efa fantatray fa rehefa nahazo ny maro an’isa tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny antokoben’ny fitondrana dia sarotra ihany ny hanatsimbadika io fironana io ao anatin’ny enimbolana raha tsy noho ny antony izay tena goavana izay tsy mbola hitanay manangasanga hatramin’izao.

 

 Noho ny maha mpanao politika anay anefa dia tsy azonay atao ny miaiky ampahibemaso fa resy tsy miady izahay dia tsy maintsy nitady hevitra izahay anilihana ny tsy fahombiazanay dia hitanay fa ny bileta tokana no paika mody apetraka fa tsy hilalao izahay raha tsy ampiharina io. Tsy ho eken’ny avy ao amin’ny fitondrana na oviana na oviana manko io bileta tokana io fa raha misy izany dia toy izay nitranga tao Anjozorobe no mora indrindra hanatanterahina azy. Tsy misy afa-tsy TIM manko no nirotsaka tany ka vita ho azy ny bileta tokana. Koa dia takianay io mba hisian’ny fitsitsiana amin’ny fandaniana hataonay amin’ny fifidianana nefa fantatray tsara fa na hanatanteraka izany (izay tsy azo inoana) aza nyao amin’ny fitondrana dia tsy hoafa-mirotsaka izahay noho ny tsy fanananay vola sy tsy fanananay olona hatolotra. Dia aleo faranana hatreo ity resaka matavy tsy nolazaina fa noeritreretina fotsiny ity fa hilaza ny hevitro kosa aho ny amin’ny tsy fetezan’ny bileta tokana.

 

 Voalohany eo amin’ny tantara: efa nobeazina tamin’ny alalan’ny fisiana bileta maromaro isika eto Madagasikara hatramin’ny fanjanahantany (1946 no mankaty) ary ho an’ny Malagasy manokana dia sarotra dia sarotra ny manova zavatra eny fa na dia izay heverina ho bitika indrindra aza. Ny bileta ihany koa dia mbola nolokoina hanavahana azy amin’ny biletan’ny hafa. Ny antony dia mbola maro an’isa hatramin’izao ny tsy mahay mamaky teny ka tsy ho sahy hanatona biraom-pifidianana ny olona raha vao mahatsiaro ho tsyhahafehy izay zavatra ataony ao anaty biraom-pifidianana ao.

 

 Faharoa ny rafitry ny antoko politika ihany koa dia tsy misy hamerana ny isan’ny kandida fa amin’ny isan’ny mpifaninana voafetra ihany (lisitra efatra aza dia efa be dia be) no tena mety amin’izany bileta tokana izany. Hagegena ny hijabaka hanatontosa ity raha mbola voalaza amin’ny fomba ofisialy fa maherin’ny zato ny isan’ny mpifaninana. Mety ho fahasahiranam-be amin’ny mpifidy na dia ny fomba hamoretana fotsiny iny gazety mivoaka isaky ny fifidianana iny aza. Ilaina aloha ny tena hahitana marina ny tena antoko politika hiditra na hiandry ny fifandimbiasam-pahefana fa rah amiandry rotaka dia tsyhampahomby na oviana na oviana ny fampandrosoana ny firenena.

 

 Manaraka izany dia handany fotoana be dia be ny fampiasana azy amin’ny dingana rehetra hatao mandritra ny fifidianana. Hatramin’ny fandrafetana ka hatramin’ny fanisana fotsiny no hotanisaiko amin’izany. Ataoko fa mila fahaizana ihany ny fandrafetana ny ho endriky ny bileta amin’io fotoana io. Mety ho fanina tampoka ihany koa ny mpifidy hikaroka ny lisitra tadiaviny afa-tsy raha hoe lisitra efatra raha be indrindra no atolotra hofidiana amin’izany bileta tokana izany. Tsy ho azo ferana amin’izany anefa ny mpanao politika afa-tsy raha hoe miaiky fa tsy tian’ny olona dia milaza fa tsy handrotsaka kandida tahaka ny amin’ity volana desambra ho avy ity.

 

 Ny fanisana ihany koa dia ho tantara be indrindra fa injay ka miverina mazoto hifidy indray ny olona. Ny fanisana amin’izao fotoana izao manko na dia tazanin-davitra aza dia fantatra avy hatrany noho ny lokon’ny bileta narotsaky ny mpifidy iray. Amin’ny bileta tokana dia mety tsy ho hita mihitsy ny vato maty fa mety azo atao tsara ny mody fanina eo anatrehan’ny be sy ny maro hoe io jereo (na mety tsy ho hita lavitra aza) ny nasian’ny mpifidy marika. Ny hanaovana ny endriky ny marika aza moa dia efa mety hampisalasala ny  mpifidy rehefa ao anatin’ny trano fisainana izy. Marihina anefa fa raha tsy mahay mamaky teny no asainao hitazona penina dia aleony tsy tonga toy izay mety ho afa-baraka eo. Mety hampihena indray ny taham-pahavitrihana io bileta tokana io noho ny fampiasana penina. Handany ora maro ny fanisana hanamarinana na lisitra tokana ihany no nomarihiny na sanatria nanamarika lisitra roa na mihoatra izy dia lasa vato maty izany. Dia hanao ahoana ihany koa no hitranga raha toa ka valo pejy ilay gazety manokana?

 

 Dia lasa ny eritreritra eo ampamaranana hoe sao dia mba mitady tetika ihany koa ry zalahy hampihena ny mpifidy dia izay mahay mamaky teny sisa no hifidy, izany hoe ny aty amin’ny tanandehibe ihany no tena kendrena. Marihinamanko fa mbola mihoatra ny atsasa-manilan’ny mpifidy anie no tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara e! raha tsy mahay ireo tsy voatery noho ny fahakamoany na noho ny saranga misy azy fa isika manampahaizana mihitsy no tsy liana intsony amin’ny fanabezana ny mpiara-belona amintsika.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox