« | »

Ny FahasahiandRainimamonjy

2007-10-22 @ 07:22 in Finoana

Iza amintsika moa no mahalala izany Rainimamonjy izany? Olona nijoro tamin’ny tarigetrany na dia niafinafina ihany aza. Niezaka namita ny heveriny fa adidy manoloana ny fanenjahana nahazo azy sy ireo mpiray fanantenana aminy izay nosamborin’ny fitondram-panjakana mijoro. Mazava loatra fa tsy zavamisy ankehitriny no tantaraiko aminareo fa tantara nisy teto amin’ity tanindrazantsika ity. Tantara tsy dia nisy mpahalala nefa tantarana Malagasy. 

 

Notokanana omaly alahady 21-10-2007 ny Akany Rainimamonjy ao amin’ny Fiangonana Amparibe Famonjena. Akany lehibe dia lehibe tokoa izy io fa misy rihana dimy be izao nefa azo akarina hatrany amin’ny rihana folo mahery raha ny tanjaky ny fototra no heverina. Azontsika jerena ato amin’ny vohikalan’ny fiangonana moa ny mombamomba izany. Fa ny nahasarika ahy dia ny tantaran’ity rangahy iray ity sy ny zavanisy nanodidina ny nananganana ity Akany ity. Ny filazan’ny mpitantara no soratako etoana saingy inoako izay lazainy. 

Tamin’ny fotoana hanorenana indrindra ity Akany ity dia tsy maintsy arenina hatrany ny tany anorenana. Isika izay mahafantatra ny toerana misy an’Amparibe dia mahita fa kazarana an-tehezantendrombohitra ihany ity toerana ity. Marihina aloha fa noho ny finoany dia nomeny hanorenana ny Kolejy teolojika Amparibe izay efa lasa trano lehibe fonenan’ny mpianatra ho mpitandrina ankehitriny ny taniny teo amin’io Amparibe io. Mpanankarena ve izy sa tsia? Ny fantatra dia nahafoy zavatra betsaka hoan’ny fiangonana izy. 

Teo ampanarenana ny toerana indrindra ny fiara mpitrongy tany tamin’ny taona 1991 no nikatso tsy nety nandroso. Nojerena izay nanakana ny fiara ka dia hita fa karandohan’olona tsy nisy vatana no teo. Gaga ny rehetra, nohadiana ny manodidina ka mbola nisy hafa ihany koa teo akaiky teo. Ahoana no nahatonga karandohan’olona amin’ity tanin-dRainimamaonjy ity? Nikaroka ny anton’io toe-javatra io ny mpikaroka! Tamin’ny boky nitantara ihany no nahalalàna ny valiny. 

Io Rainimamonjy io manko dia kristiana niaina tao anaty ny vanim-potoana nanenjehana ny kristiana teto Imerina nandritra ny fanjakan-dRanavalona reniny. Tsy tao anatin’ireo nitolo-batana izy raha nisy ny fanaikana hitolo-batana hoan’ireo kristiana fa tao amin’ireo izay niafina kosa. Nandritra ny fanenjehana ary dia nampijaliana sy novonoina ny kristiana, ary ankoatra izay dia ahantona amin’ny hazo lavabe ho hitan’ny olona rehetra (mandalo amin’ny vavahady ohatra) ny lohan’ireo novonoina ireo. Na heverina ho mampihoron-koditra antsika aza izany fanao izany dia efa izay mihitsy ny fomba fanao tamin’izany fotoana izany. 

Mazava loatra fa amin’ny andro voalohany ireo lohan’olona ireo no mety ho tsara ambina tokoa fa rehefa afaka kelikely dia mihamivaha ny fiambenana no mihamaimbo ihany koa. Tonga ny indray maraina tsy hita ny nalehan’ny karandohan’ny kristiana nahantona. Miverimberina hatrany izany tranga izany isak’izay misy famonoana sy fanehoana ampahibemaso ny lohan’ireo kristiana maritioran’ny finoany. Taty aoriana no nisy lahatsoratra navoakan’Atoa Rabary mpitandrina nilaza fa ity Rainimamonjy ity no naka ireny karandoha ireny amin’ny alina ary ny alika no namany amin’ny fakana ireny karandoha ireny. Ary dia aleviny ao amin’ny taniny ihany izy ireny satria tsy mahita izay hametrahana azy ireny izy. 

Ankehitriny, hoan’izay mandalo ao amin’ity fiangonana Amparibe ity dia eo avaratry fiangonana mifanatrika amin’ny alitara no misy ny nametrahana ireo karandoha ireo ho an’izay  mety ho lasa saina amin’ny nanaovana azy avy eo. Tantaran’olona nandika lalàna tamin’ny fangalarana karandohan’olona teo ampelatananàn’ny fanjakana (ahoana tokoa ny amin’ity halatra taolam-paty eto amin’ny tanàna ity e?) nefa dia noheveriny fa adidiny kosa manoloana ireo izay nahasahy nijoro hatramin’ny fahafatesana ho vavolombelon’I jesoa Kristy.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox