« | »

Tsy matotra izay be hevitra ary tsy manankevitra izay matotra

2007-10-31 @ 08:54 in Ankapobeny

Eto ampanombohana aloha dia somary mba nanaitra ahy ihany ilay hevitry Paul Valery, mpanoratra Frantsay sady Filozofa, ary io nataoko lohateny io, niteny hoe: “Un homme qui a des idées n’est jamais sérieux, Un homme sérieux n’a jamais d’idées”[Tsy matotra mihitsy ny olona manan-kevitra be dia be, Tsy manan-kevitra mihitsy ny olona matotra]. Izany hoe raha raisina ho marina io petra-kevitra io dia olona tsy matotra mihitsy aho izany satria fantatro ihany ny tenako fa manan-kevitra be dia be amin’ny lafin-javatra maro mahaliana ahy, nefa raha izany aleoko tsy matotra toy izay tsy manan-kevitra. Raha izany ihany koa manko dia tsy ho nanoratra ho anareo mihitsy aho fa miandry fotsiny izay soratan’ny hafa. Ary ianareo mba ahoana?




Dia hampiseho anareo ny tsy fahamatorako voalohany aho. Tsy tadidiko na efa nanazava ity aho taloha na tsia ka tsy tany amin’ny famoahankevitra fa tena anaty lahatsoratra mihitsy. Teny iray mba fanaoko, nefa noforoniko ny teny hoe ankotriho. Teny noraisiko avy amin’ny teny hoe Ankehitriny na Ankehitrio ka mibaiko no namoahako ny teny hoe Ankotriho. Efa fiteny mahazatra ihany ilay ankehitriny sy ankehitrio ary tokony ho azo atao teny mibaiko ity teny faharoa ity nefa nanahy ihany aho sao dia tsy azon’ny olona dia aleo namorona teny akaiky. Tsy fantatro izay mety ho fetezany sy tsy fetezany na ara-pitsipi-pitenenana izany na ara-tantara fa dia soratako ny ahy aloha. Na izany aza dia hiteny araka izay fantatro ihany aho.


Amin’ny fiteny malagasy mahazatra indrindra no misy ny teny hoe Ankihy (Anky indray hoy Regis Rajemisa Raolison). Mety ho tsy manaiky ianao nefa dia ny ankihikely sy ny ankihibe no tiako tondroina amin’izany. Anarany foana no hoe ankihikely sy ankihibe raha ny rantsatanako no jerena (ny anareo no tsy fantatro) fa mitovy mihitsy ny halavany raha raisina amin’ny tsipika ivelany izy roroa ireo. Ny rantsatongotra kosa aloha tsy mitovy mihitsy e! Tamin’ny Ntaolo moa dia natao mari-pandrefesana io tanana io ka ny Ankihy no mari-pandrefesana kely na akaiky indrindra. Heveriko fa noho izy mari-pandrefesana kely na akaiky azy indrindra amin’ny fandrefesan’ny Ntaolo avy amin’ny vatany na ratsambatany no nahatonga ny teny hoe ankehitrio na ankehitriny.


Mety ho miainga avy amin’ny teny hoe ankihitriny na ankihitrio ny teny fa tratran’ny fanatsaran-teny na fanatsaran-tsoratra. Manondro ilay refy kely indrindra nefa tsy voafaritra amin’ny andro: Ankihy hatramin’io na ankihy hatramin’iny no niteraka ny teny hoe Ankehitrio na nakehitriny. Raha ireo no jerena dia mbola kely kokoa ny refin’ny ankehitrio noho ny refin’ny ankehitriny. Io manondro ny eo akaiky mijanona fa ny iny mety manondro ny akaiky manatona na mandeha izany hoe misy fihetsehany na fitsoriahana. Raha jerena tokoa (amin’ny fomba fijeriko manokana) dia toy ny milaza ny teny hoe izao dieny izao ny Ankehitrio fa ny Ankehitriny kosa toy ny manambara fotoana mivelabelatra ihany, mety manondro ny teny hoe amin’izao fotoana izao nefa mety hanondro vanim-potoana lava na mandritra ny fotoana iainan’ny olona iray mihitsy aza ny teny hoe ankehitriny rehefa tafiditra ao ny fotoana itenenana.


Dia somary lasa any amin’ny anio sy ny androany indray ny eritreritro. Efa fanavaka fa ny anio dia mitodika amin’ny fotoana ho avy fa ny androany kosa mitodika amin’ny fotoana lasa. Ahoana ary no fanazava izany? Anio dia mitovy fanonona (sy mitovy dika tanteraka) amin’ny an’io izay fanafohezana ny teny hoe “an’ny io” toy ny hoe hita maso na ny atrehina no lazaina. Ny androany kosa dia azo raisina avy amin’ny teny hoe “An’ireo any” izay tratran’ny fanatsaran-teny. Mety mbola eo ilay tondroina nefa efa tsy hita intsony: raha somary tondroina dia izay ambadiky ny ravintsofina roa tsy ijerena fitaratra dia efa tsy hita intsony nefa miarak amin’ny fotoana iainana rehefa tsy itodihana. Marihina fa hevitro izaho samirery toy ny revin-gadra eto ampanoratana fotsiny izany fanazavana rehetra izany.


Dia lasa any amin’ny omaly sy ampitso indray ny eritreritro, mbola miainga amin’ny fanondroana ihany io (araka ilay eritreritra tsy tana ato amiko ato). Ny Ampitso dia toy ny manondro ny hoe Ampitan’ny itsy nohafohezina hoe ampitso(tratran’ny fanatsaran-teny ny ‘y’ lasa ‘o’), ny alina no iampitana, ny itsy manondro zavatra akaiky nefa ny ampita manamarika zavatra lavitra (lavitra akaiky ny any aminao raiko ô!) nefa tsy ho vitako angamba ny fanazavana raha tsy rahampitso. Ny omaly indray dia manondro ny efa lasa na tsy atrehina intsony fa mifanakaiky teny amin’ny hoe “omban’ny ali(na)”. Fifanandrifian-javatra ve ny fanazavako sa sao dia izay tokoa ary no marina? Raha misy moa ny olona efa nanazava izany rehetra izany talohako dia arahabaina izy izany fa tsy mbola nahita aho tsinona. Fa raha jerena ny hoe herinandro dia miherina ny andro na amin’ny herintaona dia efa miherina ny taona. Aoka izay angaha ny amin’iny!


Fa hiverina amin’ny hoe ankotriho (sa atao hoe ankitriho, izay ilay hoe tsy matotra mihitsy) amin’izay aho. Toy ny efa miteny sahady aho manao hoe tsindrio ho amin’ny ankihy ilay refy akaiky indrindra amin’ny fotoana ihany koa “ankihy tsindrio” no lasa ankihitrio fa noho ilay teny efa misy akaiky dia akaiky io teny farany io no nanaovako azy ho ankotriho. Fomba fanagasiantsika teny aza anie ny hoe aktializeo koa maninona moa raha mba ny teny malagasy “ankehitrio” no mba hanaovana fanagasiana (adala?) hoe “ankotriho”?


Fa ity koa mbola misy zavatra iray manaporofo ny tsy fahamatorako ihany koa. Ny teny vao azoko izao ao an-tsaiko ao dia ny teny hoe hoe “bolongana”. Ny teny Anglisy moa no teny fototra nihavian’ity web 2.0 ity dia ny teny hoe web-log (tranonkala misy fanalahidy! Na toile avec mot de passe!). Dia teraka ny teny nohafohezina hoe blog (we blog? Yes we are blogging now!). Fa rehefa nohatsarain’ny Frantsay ny teniny dia nataony hoe “billet” ny dikan’ny lahatsoratra iray izay napetraka( c’est à dire qu’il y a émission d’un billet comme s’il y a émission d’un chèque! Que c’est bon à entendre mon vieux!) ao amin’ny blaoginy. 


Ny antsika malagasy indray moa manao ahoana ? Toraka bilaogy avy amin’ny teny hoe « toraka bilao » izay ratsy ampihainoana satria mandainga no dikan’izany teny faharoa izany. Mampihomehy ihany koa ilay bilao atoraka eny amin’ny tranonkala…Bilao amin’ny ankapobeny dia vy mavesatra no mandrafitra azy. Fa izao, hay moa mba misy voambolana malagasy akaiky ny teny hoe blog ampanononana ihany, ilay feo ihany izany no masontsivana raisina eto dia ny voambolana hoe bolongana. Ny vary matetika no ahenoako teny miaraka amin’ny voambolana hoe bolongana. Ny vary anefa fihinan’ny Malagasy koa maninona moa raha manao “émission d’un billet” ny Frantsay  raha mba “mampiditra bolongana” kosa isika Malagasy? Eritreritra tsy tana iny, mampiseho ny tsy fahamatorako nefa naleoko “nampidirina ihany ity bolongana ity” hotsakotsakoinareo! Raha mamy atelemo moa raha mangidy aloavy! Izany an! 

Hevitra

Tsy matotra

Tena tsy matotra mihitsy ianao ra-Jentilisa raha ny hamaroan'ny hevitra aposakao no dinihina. Ary tena variana aho namaky azy. Inona indray ny manaraka fa liana ny mpamaky?

Nampidirin'i Su @ 12:27, 2007-10-31 [Valio]

Dia efa ela tokoa no tsy nahitako ny famoaha-kevitrao fa miarahaba indray e!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:23, 2007-11-01 [Valio]

Ie, elaela ihany aho no tsy teto fa lasa nikarenjy tany Angletera sy Ekosy nandritry ny volana septambra sy oktobra.

Nampidirin'i Su @ 07:08, 2007-11-02 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox