« | »

Mifety ny ankizy

2007-11-01 @ 15:58 in Spaoro

Marina fa fety ihany ny andron’ny omaly any amin’ny ankamaroan’ny firenena tandrefana saingy tsy iny akory no resahina eto. Tsy Halloween na Fetin’ny Olomasina na Andron’ny Reformasiona no resahina eto fa ny Kids Games izay tontosaina eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Io moa dia araka ny fitenenana manao hoe aleo tratra aoriana toy izay tsy misy mihitsy. Nitety fari-piadidiamparitra manko ity karazan-kilalao nomanin’ny Miara-miezaka ity talohan’ny nahatongavany teto an-drenivohitra sy talohan’ny Lalaon’ny Nosy izay notanterahina teto Antananarivo tamin’ny volana Aogositra lasa teo iny izany hoe efa mihoatra ny roa volana sy tapany lasa izay.


Raha miresaka kilalao ho an’ny ankizy moa dia fanatanjahantena avy hatrany no ao an-tsaina fa tsy fandihindihizana sy fisotroana mahazatra ny tanora sy ny lehibe. Zavatra tsara eo amin’ny fanabeazana aloha izay na dia natao ho an’ny rehetra sy tokony ataon’ny rehetra mihitsy aza io fanatanjahantena io amin’izao fahazarana amin’ny karazam-pitaterana izao. Ny solika koa moa ity mihalafo no sady fantatra fa mbola hisondrotra avo dia avo tsy hijanona amin’io vidiny io mihitsy (Andro angamba sisa no isaina dia hahatratra ny $100 ny baril iray nefa mbola dingana fotsiny izany raha ny fijery azy izao) ka tsy maintsy hisy ihany ny fivoaram-pihetsika hatao raha tiana ny mbola hanaovana ity tany anatin’ny randramasoandro ity ho azo iainana.


Ny fety moa dia natomboka ny maraina dia maraina tokoa noho ny sekoly efa zatra miditra maraina rahateo. Nentanina avokoa na ny tany an-tsekoly rehetra na ny teny anivon’ny Boriborintany (indrisy fa izay tsinona no anarany na efa tsara aza ny teny hoe firaisana) teto Andrenivohitra. Ny maraina tokoa dia hipoka tanteraka ny kianjaben’I Mahamasina. Ny tena hafa aminy dia tsy ny olondehibe no tena betsaka fa ny ankizy. Misy aza moa dia ankizy maromaro no mifampitarika fa na izany na tsy izany dia mpiara-mianatra no tena miaraka ary tarhin’ny mpampianatra. Mazava loatra fa atao hoe mikatona avokoa ny sekoly rehetra na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Rehefa amin’ny karazam-potoana tahaka izao no tena ahitana fa efa karazan’ny ilaozan’ny toetr’andro sahady na dia amin’ny lafiny fijerena fotsiny ihany aza io lazaina fa kianjaben’I Mahamasina io. Omaly anefa dia nofenoina mbamin’ny antsasaky ny kianja filalaovana mihitsy ampidirana izay rehetra mbola tavela tany ivelany. Dia efa azonareo mpamaky eritreretina hoe tahatahaka ny ahoana moa tokony ho isan’ny olona indrindra fa raha ankizy no tena mpijery tao?


Inona moa no azo marihina amin’izany fihetsiketsehana izany? Manana fitokisana sekoly ihany ny ray aman-dreny na dia malaza eran’ny Afrika aza ny fangalarana (bontolo amin’ny alalan’ny fisintonana ankizy mandeha eny an-dalana ho any anaty fiara tsara tarehy ary ohatra aloha izao ny nolazaiko tany amin’ny vaovao iraisam-pirenena). Ataoko fa efa tsara hafatra avokoa ireo ankizy ireo tsy hanaranaraka fahatany izay olona tsy fantany sy mety ho fantany ihany koa aza any amin’ny fivilian-dalana izay efa fanaon’ireny mpangala-jaza ireny. Fialantsasatry ny sekoly koa moa amin’izao fotoana izao (izay no nahataraiky azy) ka dia hiala voly kely indray izany ny mpianatra indrindra fa ireo madinika (amin’ny habe).

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox