« | »

Momba ny firafitry ny governemanta vaovao

2007-11-05 @ 15:33 in Politika

Efa herinandro mahery sahady izao no nitsanganan’ny governemanta vaovao mbola tarihin’ny praiminisitra Charles Rabemananjara ihany. Mba manan-kolazaina ihany aho ary mandre ihany koa ny fanadihadiana sy ny tsikaritra ataon’ny mpanara-baovao politika. Ny fahazoana toerana ahafahana mitantana rafi-pitondrana no mety ho sarotra ho an’ny maro fa mba mbola afaka maneho ny heviny soa aman-tsara kosa ny olon-drehetra manana fitaovana ampielezany izany.

 Ny nolazaina voalohany indrindra aloha dia ny isan’ny mpikambana: 23 teo aloha ary lasa 19 kosa avy eo. Ezaka ho amin’ny fitsitsiana ve sa ireo aloha no tena atokisana hisahana ny andraikitra? Na izany na tsy izany mba manitikitika ny saina ihany ny mahalala hoe oviana moa no maro indrindra ny isan’ny minisitra tamina governemanta fa ny vitsy indrindra kosa ataoko fa tamin’ny andro nitondran’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Mbole mety ho diso aho na dia izany aza.


Faharoa manaraka izany dia ny filaharan’ny arofenitra, tahaka ny misy fiovana mromaro ihany na dia mety ho tsy ho tsikaritry ny maro aza. Misy dikany lehibe amin’ny laharam-pahamehana eo amin’ny mpitondra ihany io filaharan’ny arofenitra io na tsy dia misy miraharaha loatra aza. Tadidintsika tsara fony Atoa Zazah Ramandimbiarison no praiminisitra lefitra misahana ny asa vaventy fa tamin’izany fotoana izany dia izy no faharoa manaraka ny praiminisitra Jacques Sylla. Nisy aza ny fanadroadroana nataon’ny mpanao gazety fa ny resaka sosialy ihany sisa no tena nosahanin’ny praiminisitra. Fantatra ihany taty aoriana fa ny Praiminisitra ihany no ela nitoerana kokoa teo amin’ny andraikitra nosahaniny.


Ny eo amin’ny roa voalohany moa dia tsy nisy fiovany loatra. Sady praiminisitra no minisitry ny atitany ny Jeneraly Charles Rabemananjara. Mety ho mahatadidy isika fa ny Praiminisitra Tantely Andrianarivo tamin’ny fotoanany dia nitana ihany koa ny toeran’ny minisiteran’ny teti-bola (sa ny toe-karena moa? Ity indray no tsy fantatro intsony satria ilay tsy notanan’ny praiminisitra no noraisin’ny praiminisitra lefitra ). Endrika roa samihafa itondrana ny fitantanam-panjakana ireo tsikaritra ireo. Ny Jeneraly moa dia ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena no tena imasoana moa ny tamin’ny andron’I Tantely Andrianarivo kosa dia azo heverina fa ny fifehezana na ny fahalalana ny kitapom-bola no tena nobanjinina ka tsy azo lavina fa nisy tokoa ny fandrosoana indrindra teo amin’ny fandraharaharana tamin’ny fotoana nitondran-dRatsiraka farany teo (aleo hajaina amin’ny vitany kosa ny olona nitondra maharitra ny firenena arymanao fijery tsy mitongilana isika. Ny tena tsy zakan’ny olona tamin’izany fotoana izany dia ny fanjakazakan’ny zanany vavy indrindra indrindra fa tsy noho ny tsy fahaizana mitondra velively).


Ny laharana fahatelo dia ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, izay tena fantatra fa imasoan’ny fitondrana fatratra indrindra ny hisintonana mpandraharaha vahiny araka izay lazaina. Fa ny fahaefatra kosa dia izay niteraka ny adi-hevitra indrindra satria vehivavy no nampisahanana izany andrikitra izany ankoatra ny mahasivily azy (na dia vadina kolonely aza ramatoa). Ny somary mahatalanjona amin’ity resaka iray ity ankoatra ireo manamboninahitra ambony (atao hoe sasany) dia toa ny vehivavy indray no tena maro manohitra ny fanapahan-kevitryny filoha. Dia toa ny lehilahy indray no miaro ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoha Ravalomanana. Ny hevitra fanoherana moa dia hoe tena manana ny hay politika ve ny nampisahanana izany sy ny hoe nianatra tamin’ny sekolin’ny paikady sy ny sekolin’ny ady ve ny olona nampisahanana io andraikitra goavana io. Ny miaro kosa dia misy raisiko ny kely novakiako tamin’izay nolazain’ny Jeneraly Guy Ratrimoarivony manao hoe efa ela no nitakiako ny hisahanan’ny sivily io minisitera io satria fanapahan-kevitra politika no atao ao (fa tsy fanapahan-kevitra stratejika? Fanontaniana sendra mba lasa fotsiny ny ahy).


Ny mampieritreritra ihany koa dia misaina ihany ny tena hoe sao dia amin’ny mahasamy avy any avaratra ny teo aloha sy ny vaovao ary no nanaovana ny famindrana ny fahefana ho tahaka izao aloha? Marina fa tena goavana ny famindrana ny andraikitra sahala amin’itony ka any amin’ny lafiny hafa tsingolohan’ny sasany no nandraisana fisorohana mialoha. Izay tena sitraky ny mpirahalahy nanapa-kevitra farany tokoa moa ny amin’izy io. Ataoko fa efa hitantsika ihany ny fitakian’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao ny hisian’ny “quota” isaky ny fari-piadidiamparitra hoe mitongilana loatra amin’Antananarivo ny andraikitra.


Ny tsikaritra manaraka izany dia any amin’ny laharana faha-10 sy faha-11 vao mipetraka ny minisitera mikasika vola sy toe-karena rehetra rehetra. Mampieritreritra fatratra io zavatra io. Tsy laharam-pahamehana intsony ve ireo zavatra roa ireo? Tany andalam-pandrosoana rahateo isika. Fa ny manampy trotraka ihany koa dia ny fahitana ny minisiteran’ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany any amin’ny laharana faha-13 nefa dia vao nosarahina soa aman-tsara ireo sehatra roa ireo tamin’ny fanombohan’ny taona. Mbola maro ny zavatra mety ho azo lazaina tahaka ny hoe ny ao amin’ny fampianarana no andanian’ny fanjakana vola be indrindra amin’izao fotoana izao tsy tahaka ny tamin’ny andron-dRatsiraka izay ny fiarovana kosa no nanana anjara betsaka indrindra. Tena tia fanabeazana ve ny filoha? Fa na izany na tsy izany dia tsara ihany ny mametraka ireo laharan’ny minisitera sy ny mitana nyandraikitra voalohany hanaovantsika rehetra misintona izay any an-tsaintsika any aloha ifanakalozan-kevitra:
 1.Praiminisitra, sy atitany: Jly Rabemananjara Charles.
2.Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany: Randriasandratriniony Yvan.
3.Raharaham-bahiny: Jly Ranjeva Razanakombana Marcel.
4.Fiarovam-pirenena: Manorohanta Cécile Marie Ange.
5.Fitsarana : Ramanandraibe Ranaivoharivony Bakolalao.
6.Fambolena, fiompiana, jono : Ratolojanahary Marius.
7.Fanabeazam-pirenena sy fikarohana siantifika: Radavidson Andriamparany Benjamin
8.Asa vaventy sy famatarana ny toetr’andro: Randriamampionona Roland.
9.Fahasalamana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana: Dr Jean Louis Robinson Richard.
10.Toe-karena, varotra, indostria: Razafimahefa Ivohasina.
11.Vola sy teti-bolam-panjakana: Razafinjatovo Haja Nirina.
12.Tontolo iainana, rano, ala, fizahantany: Randriamanana Harison Edmond.
13.Angovo sy harena ankibon’ny tany: Razaka Elisé.
14.Asa sy lalàna sosialy: Tsiandopy Jacky Mahafaly.
15.Fifandraisana, paositra ary ny serasera: Andriatavison Ramaroson Bruno.
16.Fitaterana : Ravelonarivo Laporte Julien.
17.Spaoro, kolontsaina, fialamboly : Ramiaramanana Patrick Xavier Hugues.
18.Lefitra fahasalamana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana : Dr Rahantanirina Marie Perline.
19.Sekreteram-panjakana atitany miadidyny filaminam-bahoaka : IGPolice Rasolofomanana Désiré. 

Hevitra

Matoa aloha tafakatra ambony laharana tahaka izao io Ramatoa Manorohanta io (visy-ministra tonga ministra feno ao @ fiarovana) dia satria mafy toetra izy ary nanome fitokisana tamin'ny asany voalohany. Dia sady faly no mirary fahombiazana feno azy tsy am-pihamabahambana raha izaho.

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:43, 2007-11-05 [Valio]

> Misy dikany lehibe amin’ny laharam-pahamehana eo amin’ny mpitondra ihany io filaharan’ny arofenitra io na tsy dia misy miraharaha loatra aza.

Vaovao tamiko indray io. Raha izaho manokana dia ny fitarafana izay taha fitombo na fihenan'ny kitampom-bola atokana ampiasain'ny Ministera tsirairay no heveriko fa mampiseho izay tena laharam-pahamehana

Nampidirin'i tomavana @ 21:02, 2007-11-05 [Valio]

jentilisa a, fa ny spaoro angaha tsy voadikan'ny fanatanjahantena e ? misy antony manokana ve ny tsy ilazanao hoe fanatanjahatena fa spaoro ?

Nampidirin'i ikalamako @ 22:17, 2007-11-05 [Valio]

Ny resaka rang protocolaire/ordre de preseance angamba manome ny filaharana eo @ fitantanana ny fanjakana, toy ny isan'ny voninahitra t@ andro faha-panjaka fotsiny fa tsy dia milaza loatra ny laharam-pahamehana eo @ fitondrana ny raharam-panjakana akory e. Ny tena dikany dia hoe ra tsy eo i Rabemanjara dia i Yvan no responsable voalohany indrindra, ra tsy eo i Yvan dia i Ranjeva no tompon'andraikitra. Izany akory tsy midika hoe manan-danja kokoa ny portefeuille tantanan'i Ranjeva/Yvan noho ny ministera hafa.

Za ary mahita hoe tena tian'lery fehezina mintsy ilay resaka ekonomika. Nomena an'i Haja ny vola sy ny teti-bola, bandy tiko-boy super-technocrate niaraka t@ ravalo hatr@ voalohany ka hatr@ zao. Ivohasina no mitana ny ekonomia sy ny commerce, bandy avy ao @ presidence kou io. Ary io i Elyze Razaka naverina io. Za alou mahatsapa fa tena hanao percee goavana mintsy lery @ resaka defi economika io e.
Ny hitako tena lesoka fotsiny dia otran'ny minimiser-n'nedala ny resaka fambolena sy fiompiana, izay azontsika hatao tsy mila bailleurs kanefa... eny e, mety misy hidiran'ny resaka tiko-magro kou alou ngamba ny antony e...

Manorohanta, tsy asiana resabe fa aleo alou jerena ze ataony ;-)

Nampidirin'i simp @ 23:13, 2007-11-05 [Valio]

oops,
eratum:
TE hanao percee goavana izy fa tsy hoe hanao akory. Faniriana tsy voatery hitranga :)

mety any @ 2010 any ny fiaingany mazava ra toa ka tsisy krizy politika alohan'zay.

Nampidirin'i simp @ 23:17, 2007-11-05 [Valio]

Ikalamako> tena marina ny fanamarihana avy aminao fa tena niniako nosoratana io teny hoe spaoro io. Mieritreritra aho indraindray fa tena maka an-tendrony amin'ny fandalana ny teny malagasy saingy aleo atao hoe azo soratana daholo ireo e! teny iraisam-pirenena manko ny spaoro nihaviany fa tsy avy amin'ny tenim-pirenena tokana tsy akory.

Tomavana> Raha ny anaovana fandaniam-bola indrindra dia ny fampianarana, ao aorian'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny laharana misy azy.

Rajiosy> Misy fahamarinana ny lazainao. Marihana fa vitsy loatra ny vehivavy manaiky hisahana politika mivantana ka manantena isika fa ho voninahitry ny vehivavy ny zava-bitan'ireo ao anatin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao.

Nampidirin'i jentilisa @ 06:46, 2007-11-06 [Valio]

ministry ny fiarovana

Izy no manapaka ny politika, mandray avy hatrany izay ironan'ny fitondram-panjakana. Ny be bokotra kosa no manao ny stratejia fa eo ambany fitantanany.

Nampidirin'i miserana @ 10:48, 2007-11-06 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox