« | »

Katolika sy Fanjakana sa Katolika sy Protestanta?

2007-11-07 @ 11:15 in Finoana

Misy mandrakariva ny miezaka ny mampivily ny adihevitra ho amin-javatra hafa tsy ampoizinao mihitsy. Misy rahateo ny mahay manararaotra hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Fa naninona no lasa adi-hevitra be indray ny resaka finoana eo amin’ny katolika sy ny protestanta eto Madagasikara?

Ny fiandohan’ity adihevitra ity dia teo amin’ny fandavan’ny televizionam-pirenena tamin’ny ora farany ny fangatahan’ny Fiangonana Katolika handefa mivantana ny lanonam-pamaranana natao momba ny Sinodan’ny Pretra teto Madagasikara. Efa nisy ny vola naloa ka dia niangaviana ny tao amin’ny EKAR mba haka indray izany vola naloa izany. Ny tatitry ny gazety moa no nahitana fa efa hatramin’ny talata teo no efa vita ny fifanarahana momba ity hadefasana mivantana ny lamesa lehibe notontosaina teo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina iny. Nisy avy hatrany ary ny nitroatra (na nandranitra ny maro hitroatra) noho io fihetsika tsy matotra avy amin’ny fampahalalam-baovaom-pirenena io ka niheverana avy hatrany fa baiko avy any ambony matoa nitranga izany. Inona marina ny tena zava-nitranga tao?



Amin’ny zavatra misaritaka sahala amin’itony dia sarotra ny mitady ny rariny. Samy manana ny rariny ho azy manko ny rehetra. Andeha arahintsika amin’ny alalan’ny tohivakana ny tantara. Fantatra aloha fa tsy nandeha tamin’ny televizionam-pirenena tokoa io lamesa lehibe io. Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny midi madagasikara no nilazana eveka iray fa nofoanana tamin’ny fotoana farany io fikasana handefasana mivantana ny lamesa teny Mahamasina io. Mariho tsara ny teny hoe nofoanana.izany hoe raha izay teny izay no raisina dia misy fanekena avy amin’ny tompon’andraikitra aloha vao mety ho nisy baiko ny tsy handefasana io mivantana io.



Ny zavatra faharoa tsara homarihina ihany koa dia ny teny navoakan’ny niantso tamin’ny karajia voalohany tamin’ny alatsinainy maraina. Fanamarihana nandranitra avy hatrany ary tonga dia nisy nanohana tamin’ny antso manaraka, hoy ny teny: “Tena mila ady amin’ny Katolika ve ny fanjakana?”. Dia lasa amin’izay ny fitantarana. Ny tena nasisika sady voateny mivantana moa dia nanao hoe “mieritrereta isika amin’izay hofidiantsika amin’ny fifidianana ho avy izao amin’izay hofidiantsika”. Teo alohaloha teo moa dia nisy ny nahateny fony avy nanao fanambarana Atoa Andry TGV fa noesorin’ny Kaominina ny takelabin’ny domapub sy ny injet hoe: “Satria katolika manko ianao dia enjehina tahaka izao!” saingy navaivay avy hatrany ny fanakianana io teny io satria tsy noho ny finoany velively no antony nanenjehana azy ka nitsahaketrika teo iny. Ankehitriny dia toy ny mivandravandra amin’ny mpanara-baovao politika fa mitady hisy finiavana sahady hampitodika amin’ny fifidianana ny raharaha matoa mivoy sahala amin’izao fa tsy noho ny tsy nandefasana mivantana loatra ny lamesa no tanjona.



Ny zavatra nanahirana taorian’izay dia nisy tsy nahay nihaino ireo mpikarajia ka nivadika tampoka ho resaka katolika sy protestanta teo ny raharaha. Angamba noho ny mahaprotestanta ny filoha no nampitsimbadika tampoka azy teo foana. Nahoana hoy ilay niteny (ary nisy nitatitra  fa nanao izay fihevitra izay ihany koa Atoa Herizo Razafimahaleo) no nandeha mivantana tamin’ny televiziona ny Hetsika JKM (an’ny fjkm izay notontosaina teo Mahamasina ihany koa) no tsy nalefa ny an’ny katolika? Io indray dia fampifangaroana fampielezampeo sy fampielezantsary. Tsy nandefa io mihitsy ny TVM fa ny mbs no nandefa azy. Efa nihevitra koa ny tao amin’ny Fjkm fa handeha mivantana tamin’ny fahitalavi-pirenena izy saingy tsy nisy loatra ny fanamarihana rehefa nandeha tamin’ny fahitalavitra miahy tena ilay izy nefa an’ny filoha rahateo moa (izay mbola filoha lefitry ny Fjkm saingy tsy hirotsaka ho amin’izany intsony amin’ny fifidianana amin’ny herintaona). Nilaza ihany koa moa ny Advantista fa tsy nandeha mivantana koa ny azy ilay fihetsiketsehana lehibe teo Mahamasina [fa nalefa kosa rehefa afaka ora vitsivitsy izay nofantenin’ny mpanatontosa avy amin’ny advantista ihany: fanamarihana avy amin’ny mpanoratra ny ao anaty fonoteny] .



Dia misy koa moa ny nanamarika tsara fa tsy katolika sy protestanta anie no fandehan’ny resaka teo fa fanjakana ary ny ao amin’ny fanjakana tsy protestanta daholo fa misy katolika sy finoana hafa ihany koa. Fa ny maro an’isa amin’ny mpitondra dia TIM koa raha misy izany ny tsi-fetezana dia tsy ny protestanta no tokony enjehina fa ny mpitondra TIM no tsy tokony hofidiana aminn’y fifidianana. Nisy moa ny niteny avy eo fa noho ny nahatafiditra lalina amin’ny politika ny fiangonana indrindra tamin’ny taona 2002 nisian’ireny fandroahana demonia avy amin’ny Mpiandry nentina nitety minisitera ireny dia tsy mahagaga raha misy ny fifandirana noho ny finoana satria tombotsoa no tena tadiavina. Jereo koa ny samy Kristiana fa toa ny protestanta sy ny katolika no tena be taraindraina sy toa miady sisiny amin’ny politika fa ny hafa kosa toy ny MRE, ny Rhema sy ny hafa kosa raha mahita tsi-fetezana ataon’ny mpitondra dia ny mivavaka ho an’iny mpitondra iny no ifanentanan’ny mpiara-mivavaka. Nisy koa moa ny niteny hoe ny ho hita tele ve no nandehananareo tany Mahamasina fa tsy ny hivavaka?



Raha nisy ny fanapahana ny tsy handefasana mivantana io lamesa lehibe io dia ny filoha Ravalomanana avy hatrany no ao an-tsain’ny rehetra. Nisy ary ny mpanao gazety nanontany io raharaha io rehefa tonga izy ny alatsinainy folakandro dia nilaza ny fahagagany izy ka nanoso-kevitra hoe raha misy manana film (lahatsary) ianareo dia alefaso any amin’ny Tvm mba ho alefany manontolo fa tsy mety kosa izany. Mila arenina izany. Nisy moa ny tezitra fa manao film fotsiny ny filoha (Tsy nisy niteny mivantana ny fanakianana ny tsy fahatongavany nanatrika teo Mahamasina ny Alahady fa nisy namely sompirana izy amin’ilay hoe miangatra ihany fa tonga amin’ny fotoanan’ny sasany saingy tsy hita rehefa amin’ny fotoanan’ny hafa). Na izany aza dia mba manana ny tsy fahafahany ihany koa anie ny olona sady tany ivelany rahateo izy (Alemaina) fa tsy teto an-toeerana. Marihina fa tsy nalefan’ny Tvm io tenin’ny filoha io raha nandefa izany kosa ny televiziona hafa rehetra. Marihina ihany koa fa tsy eto an-toerana fa namita iraka any ivelan’I madagasikara ny Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fahitalavim-pirenena amin’izao fotoana izao. Etsyandanin’izany, voatery nahemotra iray andro avokoa ny fotoana momba ny firesahana miaraka amin’ny filoha izay anaovana ny atrikasa momba ny MAP mandritra ny tapabolana ao Iavoloha ankehitriny. Efa nanao fanambarana izany fanemorana izany ny governemanta. Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona io nefa afaka mihevitra zavatra hafa ihany ny olona.



Eto indray dia ampifamadihako ny filazam-baovaon’I RDB. Ny tenina solontena katolika nakany amin’ny TVM no ambarako voalohany raha ny tenin’ny Mompera Rémi Ralibera kosa no nampitenenina voalohany tamin’ny vaovao halina. Eto dia tena mila fiheverana tokoa ny fomba fampitam-baovao tahaka itony ary hitako tsara izay mety ho fiantraikany any amin’ny mpihaino. Hoy ary ny mpiandraikitra Katolika iray, rehefa naikily filoha tany amin’ny TVM ny raharaha hoe: ny tao amin’ny TVM izay nifampiresaka taminay dia nanaiky tsara ny handefasana ny mivatana fa miandry ny “feux verts” avy any Iavoloha sisa dia ataontsika io. Tsy tonga anefa izany “feux verts” izany ka dia nofoanana ny mivatana ary nasaina haka ny vola efa naloa izahay. Fa iza moa no any Iavoloha? Tsy misy olona andrasana anie avy any raha any ivelan’I Madagasikara ny olona tiana hotondroina amin’izany e! tena variana amin’io fomba fiteny io aho raha mpanara-baovao politika izy satria efa fantatra fa lasa any Alemaina izy rehefa avy nihaona tamina Kardinaly avy any ivelany tao Ambohitsorohitra.



Etsy ankilan’izany, dia nanamarika ny mompera Rémi Ralibera fa tsy ny filoha aloha no hanao baiko tahaka izany fa olona ao antenantenany ao no mihevitra ny hamalifaly ny filoha amin’ny fanakanana io fandefasana mivantana io kanjo moa dia ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Fantatra ihany ny mompera fa nisy fironana tamin’ny fanoherana kokoa tany alohaloha tany. Tsy ankasitrahany ihany koa ny ivoizana ity raharaha ity tahaka izao. Marihina moa fa nisy koa gazety nilaza fa nanampy trotraka ny fahatezerana tany amin’ny sokajin’olona sasany (Katolika) ny valintenin’ny filoha (izany hoe heverina ho mihatsaravelatsihy avy hatrany izy). Dia nomarihiny fa tamin’ny alahady teo iny anie ka nankalaza ny faha-140 taona nidirany teto Madagasikara ny Loterana, fotoan-dehibe izany, nefa tsy nisy solotenam-panjakana taona dia iray aza.(Marihiko etoana fa nisy tanora avy amin’ny Antoko mpihira tao amin’ny FLM 67 miisa 15 no niharandoza nandritra ny dia nitodihana ho aty an-drenivohitra rehefa avy nanatrika ity fotoana tany Betafo ity).



Raha feheziko izay voalaza teo dia azo tsoahina fa misy ny te-hampiverina indray ny raharaha talohan’ny nifidianana ny ho filohan’ny Antenimieran-doholona ka nilazana fa Katolika na Tanindrana no tokony hitondra io Andrimpanjakana io. Taoriandriana moa dia nolazaina amin’izay fa tokony ho olona efa nandalo tao amin’ny governemanta ilay olona tokony harotsaka hofidiana. Efa notantaraiko teto ihany izy io ka angamba nihevitra ireny sokajin’olona ireo fa nahomby izay nataony ka velomina dieny izao ity resaka ity mba hahatonga ny Katolika hifidy Katolika amin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna ho avy io. Efa nisy moa ny nanambara fa Katolika I Andry Rajoelina fa ny hafa kosa tsy misy fantatro izay fiangonana misy azy. Amiko dia efa fampielezankevitra mialoha ny fotoana izao efa voizina izao sahady saingy mbola eo amin’ny fotoanan’ny “fanasana ati-doha” aloha isika izao. Fa “ny tantara dia mbola hitohy… hitsara anao”. 

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox