« | »

Zipo sy pataloha

2007-11-20 @ 06:44 in Kolontsaina

Mba hafahafa samy lohateny koa izy izany, hoy angamba ianao eo ampamakiana ity lahatsoratra ity. Tsy izany manko fa nisy adihevitra izay tao amina fandefasantsary tsy miankina iray tamin’ny alahady teo. Resaka vehivavy miasa sy mikarakara tokatrano no tena tokony hiompanan’ny adihevitra. Raha ny mpamaky eto aloha dia ataoko fa mety tsy hisy akory ny hoe mpikarakara tokantrano akory. Misy fiankinana amin’ny fari-pahaizana ihany manko ny mahatonga izany filazako izany. Aleo aloha lazaina fa efa fizarana faharoa amin’ny lohahevitra io nalefa tamin’ny alahady io. Ny fizarana voalohany manko dia nanasany ny vehivavy hiresaka kosa indray, tamin’ity dia ny lehilahy no nasaina. Tsy ho any velively ny tiako itondrana ny resaka eto fa ny fomba fihevitra iray izay tena notoherin’ny mpanatrika rehetra indrindra fa ny vehivavy rehetra nanatrika teo tamina lehilahy iray tsy manaiky hiasan’ny vadiny any an-toerankafa ankoatra ny ao an-tranony. Izany no tena nitsamboatra avokoa ny vehivavy rehetra teo na ny mpikarakara tokantrano izany na ny efa miasa any amin’ny toeram-piasana rahateo moa. Fa angaha moa izany ihany? Ankoatra ny tsy fanekeny ny vehivavy mivoaka miasa dia tsy eken’ny sainy ho vadiny ny vehivavy tsy maotona, laviny tanteraka ny fanapaham-bolo ataon’ny vehivavy na vehivavy mibory volo sy ny fanaovan’ny vehivavy mipataloha ary rehefa manao zipo dia lava iny zipo iny.



Aza misendoatra loatra raha vehivavy ianao fa mba mitatitra fotsiny aho eto. Ny hevitra nabosaky ny mpanatrika moa dia hoe saropiaro ranamana matoa tsy manaiky ireo mariky ny fandrosoana ireo. Diso mangeja sy manao didy jadona amin’ny vadiny. Tsy mametraka ny zo mahaolombelona ny vadiny. Nolazain-dranamana manko fa raha nanao “costume” amina pataloha hanatrika mariazy ny vadiny dia nodidiany hanolo iny pataloha iny. Nanontaniana mihitsy moa ny faripahaizan’ny vadin-dranamana ka notsoriny fa  kilasy fahafito no niala dia nianatra zaitra avy eo. Nampitandrina avokoa moa ireo nanatrika fa indray andro any dia hitroatra io vadiny io fa ho leo amin’ny ataony. Heveriko fa na dia mety ho ambany mifanahantsahana amin’ny an’ny vadiny aza ny fari-pahaizan-dranamana dia betsaka ihany koa ny fitsarana mialoha sy fahadisoana nataon’ny mpanatrika. Teo ohatra ny filazana fa ho leo ho azy ny vadiny ranamana, amiko mpanoratra na hanao inona ny olona iray na ho metimety sahala amin’inona aza rehefa leo ny olona iray dia leo izy izay ary ratsy foana iny noho ny fijerin’ny fony satria olon’ny fo ny Malagasy. Impiry impiry moa aho no mandre tenim-behivavy manao hoe jereo ny haratsiny na dia hafa mihitsy aza ny fijeriko ( na tena tsy mitovy “gout” angaha izahay) satria ny fo no mijery alohan’ny maso na izaho no mbola tsy mahazo ny fomba fijerin’ny vehivavy mihitsy.


Eto izany dia ireo Malagasy tsy mpiditra serasera no resahina ary ahiana tsy mbola ho tafiditra amin’ity sehatra ity ao anatin’ny folo taona manaraka na dia misy ihany aza ny ezaka ho fampiroboroboana ny fampahafantarana ny lafy tsaran’ny aterineto. Araka ny bokin’ny Madagasikara AmPerinasa [version 2.0] pejy 54 dia ny 57%n’ny ankizy no nahavita ny sekoly fanabeazana fototra tamin’ny taona 2006 (raha nosoratana tamin’ny version 1.0 fa 55% no nahavita ny kilasy fito voalohany), ary raha 31% sisa no misoratra anarana ho amin’ny ambaratonga faharoa fototra dia 19% sisa no tafita an’io ambaratonga io ary 7% raha ireo nahavita ny sekoly ambaratonga faharoa amin’ny ankapobeny amin’ny tanora anelanelan’ny taona 15 – 18 taona (izany hoe afaka bacc na ny mitovy lenta aminy) sisa. Izany hoe manahy mafy aho, enga anie ho diso ny fanahiako, fa io 19%n’ny tanora io ihany ny Malagasy mety ho azo hiserasera amin’ny taona manaraka eo. Ranamana voatsikera mafy dia ahiako tsy nipoitra avy tao amin’ny 19% fa ny tena maro an’isa tamin’izay mpanakiana azy kosa mety ho voafetra ao anatin’ilay 19%. 



Isika mpanovo ny vaovaontserasera eto ve afaka maminavina tokoa ny ao an-tsain’ny olona tsy ho tafiditra amin’itony serasera itony mihitsy? Izao manko, na izaho no tsy mpanaraka na hitako fa tsy mbola nahita ,alaiko ho ohatra eto, vehivavy mpihira gasy ankalamanjana (zaza navela), ireo izay tena avy amin’ny sarambambe fa isika eto aloha dia tsy kaonty, nipataloha aho nandritra ny fanaovany fampisehoana indrindra indrindra nefa azo raisina ihany koa amin’ny fiainany amin’ny ankapobeny. Noho ny fomba ve no nahatonga izany tsy fifidianana hipataloha izany sa noho ny fahazarana avy amin’ny fitaizana natao azy ireo? Heverina ho tena fahafahana tokoa ve aminy raha mipataloha izy sa tsy eken’ny eritreriny ihany koa izany mipataloha izany. Ny fihenjanana any amin’ny tany Arabo hatrany manko no jerentsika nefa moa ve tena hanakana azy tokoa ny vadin’ireo vehivavy eto Madagasikara indrindra fa ny any Ambanivolo ireo sa tsy mieritreritra ny tsy hipataloha koa izy ireo? Misimisy ihany koa ny fiangonana hafa misy amin’izao fotoana izao no tsy manaiky hitondran’ny vehivavy pataloha any ampiangonana aloha no tena fantatra fa ny andavanandro kosa an’ny tsirairay ny mitondra ny tenany. Tsy ho amin’ny fanohanana na ho fanoherana no anoratako fa eritreritra tsy tana nahita ny fijoroan-dranamana eo anatrehan’ny fanakianana mivaivay ihany ny ahy. Abosahy ihany ny hevitrao na izany aza fa aza avela handratra ny fonao ao fotsiny.

Hevitra

Ny ahy tsy ny hoe hipataloha na tsy hipataloha no olana fa ilay fanakanan-dRanamana ny vadiny. Ny fanontaniana apetrako, asa na nisy nametraka an'ity ireo vehivavy izay niady hevitra:Moa ve mba misy zavatra andidian'ny vadin-dRanamana azy eo amin'ny fiainany ka manaraka izany Ranamana? Ohatra tsy avelan-dRamatoa hanalava volombava izy, na asa? Raha toa ka samy mahazo manome lalana sy mahazo mandrara mantsy dia angamba atao hoe fifanarahana izany, fa raha mandeha ila kosa dia tsy rariny, na pataloha io na volombava.

Nampidirin'i su @ 08:43, 2007-11-20 [Valio]

Ny ahy tsy ny hoe hipataloha na tsy hipataloha no olana fa ilay fanakanan-dRanamana ny vadiny. Ny fanontaniana apetrako, asa na nisy nametraka an'ity ireo vehivavy izay niady hevitra:Moa ve mba misy zavatra andidian'ny vadin-dRanamana azy eo amin'ny fiainany ka manaraka izany Ranamana? Ohatra tsy avelan-dRamatoa hanalava volombava izy, na asa? Raha toa ka samy mahazo manome lalana sy mahazo mandrara mantsy dia angamba atao hoe fifanarahana izany, fa raha mandeha ila kosa dia tsy rariny, na pataloha io na volombava.

Nampidirin'i Su @ 08:44, 2007-11-20 [Valio]

Mila tsiny fa lasa in-droa ilay izy. Toa tsy nety tamin'ny voalohany dia naveriko indray, hay lasa ihany ilay izy.

Nampidirin'i Su @ 08:46, 2007-11-20 [Valio]

Misaotra an'i Jentilisa aloha amin'ilay statistika kely, ohatra ny mahafinaritra rehefa mba misy statistika mipoitra momba ny gasy sy Madagasikara :-)

Fa ity aloha tonga amin'ny fanontanian'ilay bandy akamako izay : rehefa tia olona ve ianao, dia ilay olona no tianao sa ny tenanao ?

Raha mametra-panontaniana ilay vadin-dranamana, hoe fa maninona no tsy bodivola atsy andrefana no asainy mi-zipo ? dia ny valiny hoe : satria tsy misy irarahiany an'izay bodivola any. Ny tiako tenenina dia hoe : Fitiavana sy fiahiana no mahatonga an'ilay ranamana tsy mamela ny vadiny hipataloha! Fitiavam-bady sa fitiavan-tena ? mbola tsy haiko ny valin'ilay fanontaniana etsy ambony (de tt façon miray ireo). Noho izany tsy tokony hahasorena an'i madama mihitsy izany zavatra izany, tokony ho zarany aza.

Su, tsy mitovy ary tsy hitovy mihitsy ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny lehilahy ihany no mamaritra ny hatreto sy hatreto azon'ny vehivaviny atao. Dia miankina amin'ny lehilahiny izany ny fahafahan'ny vehivavy. Raha tsy sarotiny dia tsara, mety homeny anao tanteraka aza ny volant, raha sarotiny izy anefa tsy azo omen-tsiny. Ny filozofia moderina tsy mifanaraka amin'izany dia contre-nature sy anti-fitiavana.

Ankoatra an'izay, tsy dia mino loatra aho hoe miankina amin'ny kilasy voadingana ny fihetsika ohatra an'izany. Miankina amin'ny tontolo niainana hatramin'ny fahakely angamba.

Nampidirin'i lap @ 11:11, 2007-11-20 [Valio]

Tsy nisy aloha ilay vehivavy nanontany fa azo vinaniana ihany hoe mety ho tsy misy izay fandidian'ny vadiny izay. Ny valinteny heno matetka manko rehefa manontany ny mpanatrika dia hoe tsy mbola nanao izay mihitsy izy, na tsy mbola niteny izy.

Manaraka izany indray mety ho zavatra hafa tokoa angaha no mety handidian'ny vadiny azy indray nefa mety ho tsy mbola fantatra aloha io. Tsy mpody alina manko izy ary heverina ho tsy mpisotro tsy mpigoka indray raha ny fijery azy. Mirava amin'ny efatra hariva izy araka ny filazany ary tonga dia mody.

Nampidirin'i jentilisa @ 11:32, 2007-11-20 [Valio]

Momba ilay antontanisa indray moa dia ny ao amin'ny MAP ihany anie no vakiako dia mba avoakako eto e!

Nampidirin'i jentilisa @ 11:37, 2007-11-20 [Valio]

Eto izany dia ireo Malagasy tsy mpiditra serasera no resahina ary ahiana tsy mbola ho tafiditra amin’ity sehatra ity ao anatin’ny folo taona manaraka

Eto izany dia hifosa isika :-p

Nampidirin'i lap @ 12:12, 2007-11-20 [Valio]

ie! manadihady isika hoe mba mety ho tahaka ny ahoana tokoa moa ny toe-tsain'ny malagasy amin'ny ankapobeny?

Nampidirin'i jentilsia @ 12:17, 2007-11-20 [Valio]

"tsy mitovy ary tsy hitovy mihitsy ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny lehilahy ihany no mamaritra ny hatreto sy hatreto azon'ny vehivaviny atao. Dia miankina amin'ny lehilahiny izany ny fahafahan'ny vehivavy" LLLOOOOLLL!!!

Mbola ho ela vao ho tafarina ny Malagasy raha i lap no antenaina ampivoatra. Lalàna taiza, nosoratan'iza ary mitondra ny laharana fahafiry no milaza hoe ny lehilahy ihany no mamaritra izay azon'ny vehivavy hatao?

Nampidirin'i Su @ 13:29, 2007-11-20 [Valio]

lap a, tsy mamaritra ianareo fa maneho ny hevitrareo.
Oh : "tsy dia tiako ianao ramatoa mipataloha". Dia na tianao toa inona aza ve ramatoa kanefa tena mba reveny ny mipataloha dia ianao no hametra azy tsy hipataloha ? sa tianao ramatoanao dia ekenao ihany ny fitiavany mipataloha fa sady manendrika azy fa tsy hoe tsia. Mino aho fa fitiavantena izany ny filazana fa izaho no mandidy fa izaho no lahy, sady fanivaivana zon'olombelona, lol.
Amiko dia fifanakalozan-kevitra no mitondra azy fa tsy didin-ko fe lehibe - na didin-ko fe lehilahy. Izaho koa dia manaiky fa tsy mitovy mihitsy isika, misy vitanareo tsy vitanay, fa vice-versa koa (nareo angaha mahay miteraka,???). Matoa ianareo maka vady dia satria mila mifameno amin'ny olontianareo ianareo fa tsy ampy ny lehilahy fotsiny.
Ny olona mandidy toa izany raha amiko - na lahy na vavy - dia tsy tia fa sadique.

Nampidirin'i ikalamako @ 14:36, 2007-11-20 [Valio]

Ny fitiavana eo ihany, fa mahafeno manakaiky ny ara-dalàna ny filan'ny tokantrano ve ny vola ampidirin-drangahy ? Ny tiako lazaina dia hoe ny vola ampidirin-drangahy ve mba mahavita manamaivana ny andraikitry ny vadiny ao an-tokantranony ? Ary raha tsy mamela ny vadiny hiasa any ivelany izy, moa ve mandray anjara amin'ny fikarakarakana tokantrano ilay ranamana sa kosa hoe izy no nametra hoe izay asa ataony no mampidi-bola ary efa asa natokana ho an'ny vehivavy irery ihany rahateo ny resaka raharaha sy asa ao an-tokantrano miampy ny fitaizàna ny ankizy ? Satria na mody amin'ny 4 ora aza anie rangahy nefa mamaky gazety no ataony miandry tolorana sakafo masaka, dia vesatra ho an'ny tokantrano izany. Fanontaniana apetraka monja ireo fa tsy hanerena na iza na iza hamaly akory saingy mba ilaina fieritreretana ihany. Ary ilay vehivavy tsy avela hi-pataloa aloha dia porofo fa i ranamana izany dia isan'ny mijery na mihevitra zavatra hafa mihitsy rehefa mahita vehivavy mi-pataloa matoa ny vadiny tsy avelany hanao ireny.
Nampidirin'i zety @ 14:40, 2007-11-20 [Valio]

Isika mifosa an'ireo ol tsy hahita serasera ao @ 10 taona hoavy kanefa za mahita fa isika mpisera mihintsy no tena ol diso teorika loatra :)

Su, ikalamako,
ahitsiko kely alou fa ilay izy hoe ny lelah no "milaza" ny tokon'ny ataon'ny vevavy fa misy adino kely hoe, ilay vevavy tsy nahita argument hanoherana izany ;-) Enfin mahita izy fa tsy nahavita nandresy lahatra ny vadiny e.

Ny mariazy dia olona 2, noho izany tsy tokony hieritreritra hoe izay tiako hatao ihany no ataoko. Ra izay manko dia otra'ny hoe tsy manambady ilay olona.

Izany hoe na hoan'ny lahy na hoan'ny vavy dia rehefa tsy maharesy lahatra ny 1 ny 1 dia tsy raikitra io e. Ary @ cas pratika dia ny vevavy no tratran'io matetika. Izany akory tsy midika hoe manao didi-kofehi-lehibe le ranga fa izay no lalan'ny natiora, ary lojika tsotsotra hoe refa tsy resy lahatra izy dia tsy azonao atao izay. Enao kou refa tsy resy lahatra dia tsy azony atao ilay izy. Betsaka mintsy ny otr'zany hoe misy investissement tian'le ranga atao kanefa le ramatoa kitahorina tsy te handray riska mintsy dia voatery tsy atao le izy...

@ le resaka pataloha sy zipo manokana,
io angamba resaka koltora nanalehibiazana ny tsirairay e. Ny tandrenivohitra mahita hoe ao anatin'ny epanouissement an'le vevavy izay ary tsy koi satria efa izay no norma eo @ tanana. Ny tambanivohitra mahita hoe tsy maotina ary tsy mendrika ny vevavy lehibe manambady :)

Le resaka hoe tsy mahazo miasa any ivelany,sns: hagegena miaro tsinjaka :P
Hitady vola aza atao kle :)
fa araka ny voalaza teo dia tokony asehon'le vevavy an'ny vadiny hoe tsy misy atahorana sy ny hoe hoan'ny tombotsoan'ny tokatranony ihany izany, na ho ela aza vao ho tsapany dia zay no lalana tokony harana e...

Nampidirin'i simp @ 15:32, 2007-11-20 [Valio]

Izy aloha dia niteny fa mifandimby mifoha maraina ry zareo mikarakara izay tokony atao. Ny lazainy io fa izay tena fiainany aloha tsy fantatra.

Fa mety hihomehy ihany aho raha mahita "ramatoa" (izany hoe vadina pastora) mipataloha an!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:46, 2007-11-20 [Valio]

fa tsy mba misy ho'aho lehilahy manao hoe tsy tiako hanao zipo ianao ramatoa fa pataloha ihany no mety !

Nampidirin'i Rajiosy @ 18:36, 2007-11-20 [Valio]

Mety ho efa nisy izany Rajiosy a! indrindra fa bikana ny vadiny ohatra!

Fa ny any Shina anie ka mipataloha no ahafantarana ny vehivavy kokoa noho ny mizipo moa ny any Ekaosy indray akanjo mihaja ho an'ny lehilahy ny manao zipo (oadray kilt manko e!)

Nampidirin'i jentilisa @ 06:47, 2007-11-21 [Valio]

Mahafinaritra sy mampitsiky indraindray ny mahita vehivavy feministe ohatra an'izao ;-)

Fa andramo koa ange ry zalahy manao zipo mivoaka ny trano e ... dia jereo raha raràn'i madama :-)

Nampidirin'i lap @ 09:32, 2007-11-23 [Valio]

Raha tany Ekaosy aloha mety ho sahiko ihany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:58, 2007-11-23 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox