Zipo sy pataloha
Mba hafahafa samy lohateny koa izy izany, hoy angamba ianao eo ampamakiana ity lahatsoratra ity. Tsy izany manko fa nisy adihevitra izay tao amina fandefasantsary tsy miankina iray tamin’ny alahady teo. Resaka vehivavy miasa sy mikarakara tokatrano no tena tokony hiompanan’ny adihevitra. Raha ny mpamaky eto aloha dia ataoko fa mety tsy hisy akory ny hoe mpikarakara tokantrano akory. Misy fiankinana amin’ny fari-pahaizana ihany manko ny mahatonga izany filazako izany. Aleo aloha lazaina fa efa fizarana faharoa amin’ny lohahevitra io nalefa tamin’ny alahady io. Ny fizarana voalohany manko dia nanasany ny vehivavy hiresaka kosa indray, tamin’ity dia ny lehilahy no nasaina. Tsy ho any velively ny tiako itondrana ny resaka eto fa ny fomba fihevitra iray izay tena notoherin’ny mpanatrika rehetra indrindra fa ny vehivavy rehetra nanatrika teo tamina lehilahy iray tsy manaiky hiasan’ny vadiny any an-toerankafa ankoatra ny ao an-tranony. Izany no tena nitsamboatra avokoa ny vehivavy rehetra teo na ny mpikarakara tokantrano izany na ny efa miasa any amin’ny toeram-piasana rahateo moa. Fa angaha moa izany ihany? Ankoatra ny tsy fanekeny ny vehivavy mivoaka miasa dia tsy eken’ny sainy ho vadiny ny vehivavy tsy maotona, laviny tanteraka ny fanapaham-bolo ataon’ny vehivavy na vehivavy mibory volo sy ny fanaovan’ny vehivavy mipataloha ary rehefa manao zipo dia lava iny zipo iny.
Aza misendoatra loatra raha vehivavy ianao fa mba mitatitra fotsiny aho eto. Ny hevitra nabosaky ny mpanatrika moa dia hoe saropiaro ranamana matoa tsy manaiky ireo mariky ny fandrosoana ireo. Diso mangeja sy manao didy jadona amin’ny vadiny. Tsy mametraka ny zo mahaolombelona ny vadiny. Nolazain-dranamana manko fa raha nanao “costume” amina pataloha hanatrika mariazy ny vadiny dia nodidiany hanolo iny pataloha iny. Nanontaniana mihitsy moa ny faripahaizan’ny vadin-dranamana ka notsoriny fa kilasy fahafito no niala dia nianatra zaitra avy eo. Nampitandrina avokoa moa ireo nanatrika fa indray andro any dia hitroatra io vadiny io fa ho leo amin’ny ataony. Heveriko fa na dia mety ho ambany mifanahantsahana amin’ny an’ny vadiny aza ny fari-pahaizan-dranamana dia betsaka ihany koa ny fitsarana mialoha sy fahadisoana nataon’ny mpanatrika. Teo ohatra ny filazana fa ho leo ho azy ny vadiny ranamana, amiko mpanoratra na hanao inona ny olona iray na ho metimety sahala amin’inona aza rehefa leo ny olona iray dia leo izy izay ary ratsy foana iny noho ny fijerin’ny fony satria olon’ny fo ny Malagasy. Impiry impiry moa aho no mandre tenim-behivavy manao hoe jereo ny haratsiny na dia hafa mihitsy aza ny fijeriko ( na tena tsy mitovy “gout” angaha izahay) satria ny fo no mijery alohan’ny maso na izaho no mbola tsy mahazo ny fomba fijerin’ny vehivavy mihitsy.
Eto izany dia ireo Malagasy tsy mpiditra serasera no resahina ary ahiana tsy mbola ho tafiditra amin’ity sehatra ity ao anatin’ny folo taona manaraka na dia misy ihany aza ny ezaka ho fampiroboroboana ny fampahafantarana ny lafy tsaran’ny aterineto. Araka ny bokin’ny Madagasikara AmPerinasa [version 2.0] pejy 54 dia ny 57%n’ny ankizy no nahavita ny sekoly fanabeazana fototra tamin’ny taona 2006 (raha nosoratana tamin’ny version 1.0 fa 55% no nahavita ny kilasy fito voalohany), ary raha 31% sisa no misoratra anarana ho amin’ny ambaratonga faharoa fototra dia 19% sisa no tafita an’io ambaratonga io ary 7% raha ireo nahavita ny sekoly ambaratonga faharoa amin’ny ankapobeny amin’ny tanora anelanelan’ny taona 15 – 18 taona (izany hoe afaka bacc na ny mitovy lenta aminy) sisa. Izany hoe manahy mafy aho, enga anie ho diso ny fanahiako, fa io 19%n’ny tanora io ihany ny Malagasy mety ho azo hiserasera amin’ny taona manaraka eo. Ranamana voatsikera mafy dia ahiako tsy nipoitra avy tao amin’ny 19% fa ny tena maro an’isa tamin’izay mpanakiana azy kosa mety ho voafetra ao anatin’ilay 19%.
Isika mpanovo ny vaovaontserasera eto ve afaka maminavina tokoa ny ao an-tsain’ny olona tsy ho tafiditra amin’itony serasera itony mihitsy? Izao manko, na izaho no tsy mpanaraka na hitako fa tsy mbola nahita ,alaiko ho ohatra eto, vehivavy mpihira gasy ankalamanjana (zaza navela), ireo izay tena avy amin’ny sarambambe fa isika eto aloha dia tsy kaonty, nipataloha aho nandritra ny fanaovany fampisehoana indrindra indrindra nefa azo raisina ihany koa amin’ny fiainany amin’ny ankapobeny. Noho ny fomba ve no nahatonga izany tsy fifidianana hipataloha izany sa noho ny fahazarana avy amin’ny fitaizana natao azy ireo? Heverina ho tena fahafahana tokoa ve aminy raha mipataloha izy sa tsy eken’ny eritreriny ihany koa izany mipataloha izany. Ny fihenjanana any amin’ny tany Arabo hatrany manko no jerentsika nefa moa ve tena hanakana azy tokoa ny vadin’ireo vehivavy eto Madagasikara indrindra fa ny any Ambanivolo ireo sa tsy mieritreritra ny tsy hipataloha koa izy ireo? Misimisy ihany koa ny fiangonana hafa misy amin’izao fotoana izao no tsy manaiky hitondran’ny vehivavy pataloha any ampiangonana aloha no tena fantatra fa ny andavanandro kosa an’ny tsirairay ny mitondra ny tenany. Tsy ho amin’ny fanohanana na ho fanoherana no anoratako fa eritreritra tsy tana nahita ny fijoroan-dranamana eo anatrehan’ny fanakianana mivaivay ihany ny ahy. Abosahy ihany ny hevitrao na izany aza fa aza avela handratra ny fonao ao fotsiny.
Hevitra