« | »

Miantso fanampiana ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina

2008-01-15 @ 09:58 in Politika

Tsy ela tokoa, fa raha niangavy ny hilazan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny mikasika ity fanendren'ny Prefen'ny Polisy ny sefom-pokontany ity mpikarajia sy ny mpikidaona maraina (mpiantso amin'ny telefonna isaky ny maraina andavanandro) dia nasaina manokana na tonga tao amin'ny filazam-baovaon'ny Viva TV izay azy ihany izy tamin'ny 8 ora sy sasany alina teo.

Tsy naharaka hatramin'ny voalohany aho fa dia niangavy izy, raha azo atao mba hisafidianan'ny olona ihany ny sefom-pokontany. Nomarihiny manko tao anatin'ny resaka fa misy sefom-pokontany tsy hita intsony izay nalehany hatramin'ny nahalany azy izay ka nikatso avokoa ny taratasy ilaina ka mila ny soniany. Voalaza teo moa fa ity fanendrena ataon'ny prefen'ny polisy ity dia efa nokasaina ny 14 desambra 2007 (roa andro taorian'ny fifidianana ho ben'ny tanàna monja) fa izao vao nolazaina.

Manaraka izany dia nolazainy fa tsikaritra ho mahazo fanembatsembanana isan-kerinandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Voalohany ilay Raharaha solika (trosa) nampijanona ny fandraofam-pako iny. Noho ny raharaha solika tsy nisy teo iny dia efa nisy ny nanolotra gazoala 5000 litatra aloha, dia nisy 5000 litatra hafa ihany koa ary vao farany teo dia nisy nanome 2000 litatra. Faharoa indray ilay resaka Jirama izay nanana ny akony manokana sy nampivadika tanteraka ny hevitry ny maro momba ny ataon'ny fanjakana foibe. Nanangana fahavalo ho azy izy ary maro tamin'ny mpanohana aza no tohina ihany koa. Taorian'io tranga io dia tsy nisy firy intsony ireo nitondra tee-shirt Hery Rafalimanana. Ny fahatelo indray moa dia ity fanendrena sefom-pokontany tsy misy fifidianana ity. Ny fahaefatra angamba ANGAMBA dia tsy manaraka Can ny mpijery baolina malagasy satria amin'ny herinandro izy io no hanomboka sa inona re no azo eritreretina hafa?

Ankehitriny ary dia miantso ny malala-tanana rehetra ny Ben'ny tanàna hanao fanampiana ny tanàna satria tsy misy intsony ny vola hampiasaina. Hajoro na sokafana indray ny FAR (fanampiana an'Antananarivo Renivohitra). Toa filazana ankolaka fa efa mivonona ny tsy hahazo ny anjara tetibolany avy amin'ny fitondrana foibe ny Renivohitry Madagasikara.

Hevitra

Zany hoe mety mbola mandaitra le manao victime (na dia hoe tena victime aza izy) dia mba izay aloha ny lalana hambaboany ny vahoaka.

Fa ra ho rainizizo lava sy bekonetaka lava eo foana lery mety tsy handaitra tsony.

Ny hitako tena tsara aloha dia mba mandeha tsara ny communication. Isaky ny misy fika tsy milay d mba tonga d mahafantatra ny vahoaka. Fa izany akory tsy midika fa hoe azo atao fialan-tsiny @ tsy fahombiazana akory izany. Efa fantany ny nidirany t@ izy nirotsaka ka tokony efa nivonona ny @ zany izy...

Nampidirin'i simp @ 15:27, 2008-01-15 [Valio]

Ilairy tsy mikonetaka fa ny olona no nitaky ny hitenenany tamin'ity raharaha fanendrena sefom-pokotany ity. Nohararaotiny avy eo ny nilazany fa hatsangana indray ny FAR izay efa nosoratako nandritra ny lahatsoratra.

Nampidirin'i jentilisa @ 15:44, 2008-01-15 [Valio]

"mandaitra le manao victime" marina izany satria momba ny kely foana ny olona any Dago. misosa ho azy ny stratezia : tsy mila manao n'inona n'inona ny akama mandritra ny efa-taona fa mila miampanga ny fitondrana foibe dia azo antoka fa ho lany indray (satria kely tsindrian'ny ngeza). saingy lasa andriamanjaton'ny taonjato faha-21 ratezevé : mahay serasera dia izay.

raha tsy nesorin'ny fanjakana talohan'ny fifidianana i Pety sy Roland Ratsiraka dia mino aho fa mbola lany hatramin'izao n'inona n'inona loto sy tsy fahaiza-mitantana sy fanodinana tao. endriky ny demokrasia koa izany.

raha izaho aloha ilevalo dia omeko saosy bebe kokoa ny faritany sy ny ambanivohitra manomboka izao e. efa tsy hilatsaka ihany ilery amin'ny manaraka !

Nampidirin'i Rajiosy @ 21:22, 2008-01-15 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox