« | »

Tana Terminator

2008-01-16 @ 16:18 in Andavanandro

Araka ny fitadidiako dia izay vao nisy fanafihana nataona jiolahy paositra mpitandro filaminana teto Antananarivo niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana dia ny basy izany. Nisy ihany ny filazana taloha fony nodidiana ho tsy ara-dalàna ny kung fu tamin'ny androny, nihorakoraka teny amin'ny manodidina ny hotel de police teny tsaralalàna ny kung fu anjatony tamin'izany fotoana izany. Fa ity nitranga tamin'ity herinandro ity no nisiana fanafihana mitam-basy. Manamarika izany fa dia lasa toy ny miaina anaty lahatsary mihitsy ny mponina eto Antananarivo amin'izao fotoana izao.

Efa hitan'ny rehetra omaly fa nisy jiolahy roa maty notofirin'ny polisy teny Tsaralalàna, azo sambobelona ny iray ary afa-nandositra kosa ny iray. Izay nanatri-maso dia nilaza mazava fa tsy nisy bala nisolifatra mihitsy ny an'ny polisy fa ny an'ny jiolahy no mety ho nisy raha nisy izany. Ny alin'io ihany dia notafihin'ny jiolahy ny paositra tsotra iray teny Antsalovana... moa va tsy toy ny tamin'ny terminator hitako voalohany indrindra miaraka tamin'ny teny hoe "I'll come back" (tsatoka teny anglisy fotsiny io fa ny "je reviendrai" no narahina tamin'ny lahatsary). Valifaty avy hatrany no ambetintenin'ny rehetra.

Marihina aloha fa efa nahoraka teto an-tanàna ity resaka ity vao iny hitanareo rehetra iny vaovaon'ny fanafihana iny. Dia io no lohahevitra nibahana tamin'ny kidaona maraina araka ny tatitra nataon'ny namana mpiara-miasa. Niady hevitra momba io i Francis turbo sy gothlieb. Nolazain'i Francis ary fa efa fiché na fantatry ny jiolahy avokoa ny mpikambana amin'ny GIR sy ny FIP rehetra (groupe d'intervention rapide sy force d'intervention de la police). Toy ny manana QG ry zalahy izany! efa samy manana ny talentany ihany koa ny rehetra. Misy ny misahana manokana momba ny akanjo halatra, na jean, na blouson, misy ny satroka, ny ravaka volamena. Koa raha misy zavatra voaroba dia efa fantatry ry zalahy ireo hoe aiza ny lalan'iny halatra iny. Koa tsy mahagaga raha misy olona mitaraina amina "olo-pantatra" fotoana fohy aorian'ny fanendahana ny fandrobana dia tafaverina iny afaka kelikely satria "bandy akama" no nokitihanareo.

Misy ihany koa ny manamarika fa manana mpiray tsikombakomba ao amin'ny mpitandro ny filaminana mihitsy ry zalahy ireo. NIsy manko araka ny filazana fanangonana ny fitaovam-piadiana rehetra tany amin'ny mpitandro ny filaminana hanamarihana ny laharan'ny basy sy izay mitazona azy. Dia nangonina avokoa ny fitaovam-piadiana rehetra teny ampelatanan'ny polisy nanerana an'i Madagasikara. Tamin'io fotoana io no nisy nanafika ny manamboninahitra iray tsy nanana ny basiny intsony. Ny jiolahy kosa moa nanana ny azy, voa ny mpitandro ny filaminana tamin'iny indray mandeha iny.

Misy indray raha voahodidina ny jiolahy dia miantso ny laibany izay any andafy izy. Ka raha manorotoro ny toerana misy azy ilay jiolahy dia anjaran'ilay any andafy ny manoro azy ny lalana alehany ary dia tafatsoaka tokoa ilay voahodidina avy eo. Izany hoe manana "fanampim-baovao" tsy ampoizina ilay any andafy. Inona angaha no ampiasainy amin'izany?

Ny mahaketraka ny mpitandro ny filaminana hafa kosa dia ny fahafantarana tsotra izao ny tompon'ny basy (amin'ny mpitandro ny filaminana ihany) nefa dia tsy voakasika mihitsy iny tompom-basy iny. Io moa no miteraka ny ahiahy hoe ao amin'ny laiban'ny mpitandro ny filaminana ihany koa no misy be vinany. Manginy fotsiny ny fahafahan'izay voasambotra ka mampihorohoro izay nisambotra afaka andro vitsivitsy monja na dia tratra ambodiomby izao aza. Io no mahatonga ny sasany te-hanajedaka avy hatrany izay tratra ambodiomby satria lasa mitaintaindava ihany koa ry zareo rehefa fantany fa afaka izay nosamboriny, saingy matetika moa dia betsaka ny namany no misakana azy tsy hanao izany fihetsi-pahatezerana izany.

Fa na izany na tsy izany dia mety ho tsy mbola vita ity lahatsary "Tana terminator" ity sa dia hanjavona miaraka amin'izay ny jiolahy?

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox