« | »

Baolina fandaka: Na ho tafintohina aza ianao

2008-06-05 @ 10:14 in Spaoro

Efa nolazaiko mialoha ihany ny amin’ity soratra iray ity satria mety hanafintohina ny maro amin’ny mpamaky ny votoatiny. Marihina aloha fa resaka baolina fandaka izy ity (baolina kitra hoy ny fiteny mahazatra nefa toa mitondra kitra hatrany ny Malagasy aminy). Misy fizaram-potoana ilay eritreritra mba hifandrindra hatrany amin’ny zava-misy aloha.

Vanim-potoana voalohany, tsy mbola nanomboka ny fifanintsanana hidirana amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana ho tompon-daka manerantany hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 sy ny dingana famaranana handrombahana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotontosaina any Angola 2010 kosa. Niverina tamin’ny toerany ny FMF na ny Federasiona Malagasy ny (baolina) Fandaka izay nahantona teo aloha. Ny minisitry ny fanatanjahantena izay nampihantona ny federasiona kosa no tsy tafaverina tamin’ny toerany intsony. Ady koropaka ny fanomanantenan’ny ekipam-pirenentsika malagasy. Mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga, hany ligy tokana nanao fifaninanana nandritra ny fotoana nampihantona ny FMF, ihany no nantsoina handrafitra azy.

Nasaina tao amin’ny fandaharana Savaravina mandeha isan’alahady hariva ao amin’ny radiom-pirenena ny FMF. Naneho ny fanakianany ny FMF ny maro amin’ny mpiantso ka nilaza hoe maninona raha mba mametra-pialana fa tsy miandry esorina? Valy bontana no azo, mirotsaha raha mahasahy fa tsy eo no be vava eo! Eo anatrehan’ny mpanaraka ny baolina anefa dia tsy ho tafala eo amin’ny toerany mihitsy ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo satria ny olony ihany no maro an’isa amin’ny ligy mahazo alalana hifidy. Ny tsy zakan’ny mpanaraka dia ny ligy anarany no tena maro an’isa fa ny ligy mahita ny lesoka kosa sady tena miasa dia vitsy loatra tsy hahavadika ny rasa mihitsy. Mirehareha ny FMF satria tahaka ny mahazo fanohanana avy amin’ny FIFA.

Raha izany no izy, hoy aho anakampo, tsy mila ny fandresen’ny Malagasy mihitsy aho amin’ity fifanintsanana mandritra ny volana jona ity satria izay rehetra fandresena dia fandresen’ny FMF ahafahany mandresy lahatra fa mahavita zavatra ry zareo ka handimby ny tenany avy ihany amin’ny fifidianana ho avy. Ny faharesena rehetra kosa dia fampisainana ireo ligy mpifidy hoe mbola hotazonina ve ireo ekipa tsy nahatafavoaka baolina ireo. Amiko manokana olana ny FMF saingy ny fototr’olana dia ny ligy be tsy andraofana tsy fantatra marina na misy ekipa miorina ao aminy na tsia (famenoan’isa iarovan’ny FMF ny tenany araka ny fijeriko azy). Tsy mandà ny fahabangan’ny foto-drafitr’asa ihany koa aho na dia izany aza.

Vanim-potoana faharoa, re fa nanao ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Malagasy sy ny Botsoaney. Sady tsy resy no tsy nandresy izany ny Malagasy. Raha heverina amin’ny fanomanantena dia tsara ihany ny vokatra satria tsy vaky ny fiarovana izay lesoka lehibe tamin’ny fifanintsanana teo aloha. Mbola tsy nahavaky atody ihany anefa isika etsy ankilan’izany. Nanam-panantenana ihany ny tia mijery baolina fa mety hihiratra ny masoandron’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity. Samy ela niomanana ihany manko ny rehetra fa ny malagasy no “tafaverina” tampoka hahazo mifaninana raha nahantona teo aloha. “Limiter les degats” izany no tena tanjona tany an-tanin’olona (mametra araka izay azo atao ny fahavoazana mety ho azo) sy ny fihaonana voalohany.

Ny manakana ahy tsy hijery baolina eny Mahamasina  kosa dia ny fiheverako fa ny fividianana tapakila rehetra dia karazana fanohanana ara-bola ny federasiona tsy ankasitrahako loatra (na dia noho ny fireharehana voalaza tetsy ambony ihany aza nefa eo ihany koa ny lazan’ilay hoe “manaova resy” taona vitsy lasa izay). Tsy mazava amiko manko ny fitantanana ara-bola tokony ho aingam-pampandrosoana ny baolina fandaka indrindra indrindra. Tsy eken’ny eriteritro mihitsy izany hoe tsy misy tapakila intsony aty amiko rehefa tafiditra ny kianja aho, nefa iny no karazana fiantohana ho ahy raha sanatria ka... sanatria izay efa nisy raha nihaona voalohany ny Malagasy sy ny Ivoariana ka teo ampandresena ny Malagasy kanjo nosembanin’ny orambe nanondraka ny kianja ho “tsy azo nilalaovana”. Naverina hatramin’ny voalohany ny lalao raha tsy vita hatramin’ny farany, maika loatra ny federasiona fa ny ampitso ihany no nanaovany azy ary mandoa vola indray izay te-hijery. Teo no nipoitra voalohany ny fanakianan’ny mpijery fa tia vola ity federasiona, saingy inona moa no ataony satria tsy misy manana tapakila intsony ny mpijery tamin’io andro Asabotsy nilalaovana teo aloha io. Izay mpanaraka ny bolongako hatramin’ny ela ihany koa dia mhafantatra fa saiky izaho irery no miresaka izany baolina fandaka izany raha ny eto madagasikara no resahina.

Tetsy andanin’izany anefa dia nandoko ny gradins ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Loko marevaka isaky ny faritra izay azo atao lokona tapakila ho an’ny mpijery ihany koa ary azo amaritana mialoha ny toeran’ny mpijery koa raha vonona ho amin’izany ny federasiona. Raha jerena ny lojikan’ny Kaominina dia azo atao tsara amin’io fotoana io ny manao famandrihana mialoha na dia ny eny amin’ny gradins aza mba tsy hisian’ny fifanosehana sy hisorohana amin’ny fihoaran’ny isan’ny mpijery efa fahazarana isaky ny misy baolina malaza eto amin’ny tanàna. Amin’io fotoana io dia mba mahazo matoky tena izay rehetra mividy tapakila fa misy toerana miandry azy hatrany eny fa tsy hoe vao tara kely aho dia eny ambanin’ny gradins (voararan’ny lalàna) sisa no anjara toerako na aleo mody fa tsy hahita na inona na inona intsony. Tsy fantatra loatra anefa raha vonona hiaraka amin’ity fivoarana ity ny federasiona na tsia satria tsy miteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao. Nahatsikaritra ihany koa ny mpanaraka baolina fa tsy nanao afisy sy dokambarotra amin’ny fihaonana mihitsy ny federasiona. Tsy ilaina intsony ve izany satria efa fantatry ny rehetra?

Tao amin’ny kidaona maraina, hany haino aman-jery azon’ny mpihaino iadian-kevitra eto Antananarivo dia azo lazaina fa fampirisihana ny mpilalao handresy no manjaka kokoa na dia misy ihany aza ny milaza tsy hanatrika io lalao io (tahaka ahy).

Vanim-potoana fahatelo, nahita ny fizotran’ny lalao tany Botsoana tamin’ny televiziona MBS halina (alarobia efa alina dia alina tokoa) ny mpanara-baolina. Tsy honohono intsony izany no henoina fa nahita avokoa ny rehetra na dia ratsy dia ratsy tokoa aza ny kalitaon’ny sary. Hita fa tsy nisy afitsoka mihitsy ny lohalaharana Malagasy ary telo raha be indrindra ny tifitra manandrify ny tsatoby nataony (daka malefaka). Hita ihany koa fa lavaka ihany hay ny fiarovana, nahatafidirana baolina roa izay nolavina avokoa, azo iadian-kevitra ny baolina faharoa fa maty amin’ny ara-dalàna raha ny fijeriko azy saingy ny mpitsara moa no tompon’ny fanapahan-kevitra. Tsikaritra fa sarotra ny manantena ho tafiditra amin’izany dingan’ny famaranana izany; saingy boribory ny baolina, hoy ny fomba fiteny.

Nahery vaika tao amin’ny kidaona maraina alakamisy maraina ny fanombanana fa ho resy ny Malagasy amin’ny fihaonany amin’ny Ivoariana. Lasa vitsy an’isa tery ny tena resy lahatra na ny mampirisika fa handresy ny Malagasy amin’io fotoana io. Karazany niady irery i Gothlieb izay milaza fa tsy mety fanakiviana ny mpilalao amin’ny fihaonany amin’ny favori izao. I Francis Turbo kosa milaza matetika fa mitovitovy hevitra amin’ny mpiantso. Izaho kosa efa nanana ny hevitro hatramin’ny vanim-potoana voalohany: Tsy tiako hiverina amin’ny toerany intsony ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo. Misy aza moa no milaza (tamin’ny kidaona) fa na handresy na ho resy ny Malagasy tsy mahaova na inona na inona izany satria ny fototry ny baolina (fandaka) mihitsy no tsy ao.

Na izany na tsy izany, raha te-hahita na hifanena amiko ianareo dia any amin’ny “Ndeha hihazakazaka” no misy ahy. Hazakazaka hotontosaina ny alahady maraina miainga eo amin’ny lapan’ny fitsarana anosy, mamakivaky an’Ampefiloha sy 67ha amin’ny lalam-baovao, Tsaramasay, Ankorondrano ary mipaka eny amin’ny kianjan’Alarobia.

 

 

 

Hevitra

Tena miray hevitra tanteraka amin'i jentilisa aho.
Tys miaro ny ministra tsy tafaverina aho fa saingy hitako ho nisy concession natao io resaka io ary nilefitra ilay ministra. Ny FMF amin'izao dia mihevitra fa betsaka no ho azony hanilihina rehefa tonga ny tsy fahombiazana, na ligue io, na tsy fahampiana fanomanana io, na tsy finiavan'ny mpilalao io......
Fizahantany bôjo sy fitiavan-kely no antony tsy nialàna fa raha tena fitiavana ny baolina fandaka sy ny fitiavana fampivoarana io taranja io dia efa ela no nanaiky ny hoe toerana ifandimbiasana, indrindra moa ka tsy fahombiazana hatrany no hita.
Ny an'ny olona aza tafita ho tompon-daka na erantany na faritra firenena maromaro, mba heno voakitikitika ihany ny mpikambana amin'ny FMF, ny antsika, aleo hialina andro ao na masiso aza.

Nampidirin'i M. @ 11:12, 2008-06-05 [Valio]

news2dago

Ny aty @tsika anie tsy mba manaiky residoika izay ry jentilisa e! atomboka hatrany @ mpitondra fanjakana ka hatrany @ mpitondra isan'ambaratongany na any ampiasana na eny @ fokotany na eny @ federasiona isan'isany! tsy anavahako taranja io! tsy mbola NAHENO MIHITSY AHO OE NAMETRAM-PIALANA rehefa tsy mahomby! jereo anie i award grant e! rehefa tsy mahavoa dia miala! ny aty na efa ho faty aza dia mifikitra eo ihany! mahagaga e!

za indray aloa tsy dia manantena inona @ ilay barea e! ireo mpilalao efa tsy nahomby ihany ireo miverina ireo ny Teo Ihany no Miverina e! tsy hita fa ny TIM ihany no TIM e

Nampidirin'i news2dago @ 11:58, 2008-06-05 [Valio]

Aza manafintohina fa ny fantatray aloha dia laharana voalohany avy aty amin'ny lohany no misy ny ekipa malagasy ankehitriny, amin'izao fanombohan'ny fifaninanana izao. Asa, any amin'ny faran'ny fifaninanana angamba mba ho laharana voalohany avy any amin'ny farany, araka ny nofinofin'i Jentilisa isika.

Zavatra iray novakiako koa dia tamin'ny fihaonan'i Madagasikara sy Botsoana rehetra hatramin'izay hono dia tsy nahavaky atody mihitsy ny ekipa mitsidika. Raha mba jamais 5 sans 6 io @ lalao miverina dia mba afaka manantena isa 2 izany ny Barea ao amin'ity vondrona ity: resy in-4, ady sahala 2.

Nampidirin'i DotMG @ 12:36, 2008-06-05 [Valio]

Tsy mahazo migrevy nga ny mpiasan'ny FMF ry zala?

mba mangala-tahaka ny JIRAMA sa ahoana? :P

Nampidirin'i simp @ 15:06, 2008-06-05 [Valio]

serieux @ zay an:

Za manokana alou efa niteny fa mila karazana sekoly hanofanana mpilalao profesionaly isika eee.

Ny ol koa otran'ny mora influencee n'ny media ny tena marina eee.
Iza moa no tsy mahalala fa tsy misy ilavana azy ny FMF??

Izay competition internationale hakana lesona lava ve dia alahelovana. Ra 18M ny malagasy tsy ampy lavitra hilalaovana @ isika samy isika ve izany. Tokony ny fitiavan'ny ol bolina mintsy no averina @ laoniny aloha. Ary tsy vita izany ra tsy ny lalao eto antoerana isaky ny ligy na faritra no atao masaka tsara. Eventuellement, tsy maintsy hivoatra manaraka an'zay ny niveau an'ny fahaizan'ny mpilalaontsika. Sady miara mivoatra doly, tsy misy an'le olana hoe misy mpilalao tsisy asolo azy...

Refa metimety ve ny eto antoerana tsy azo atao ihany ny miverina any @ FIFA avy eo?
Fa ny FiFA kou aloha jiolamboto e. Iraq norahonan'zala fotsiny d navelany wazy tao fa ny antsika no nanaovany zistoira ka asa... satria feno Amerikana sy tompodakan'i Asia ve ry zala sa tena fanavakavahana tsotra izao??

Tsy hita be ny ihany izy zany. Fa za miteny hoe aleo mivoaka an'ny FIFA ihany aleo isika mintsy no hanarina azy fa tsy hianteherana olon-kafa...

:)

Nampidirin'i simp @ 15:16, 2008-06-05 [Valio]

misaotra an'i jentilisa sahy milaza mivantana ny heviny. tsy maniry ny antsika ho resy izaho manokana fa atao hoe "mission impossible" ilay raharaha.

ny amin-dra-Patrick aloha dia nety ilay hevitra hanova ny rafitra saingy tsy nety ny tantana satria mafy laitra ny FIFA. rehefa jerena aty aoriana dia tokony tany no nanomboka niresaka ny fitondrana malagasy. any tsinona no misy ny paitra be. any no fototry ny tsikombakomba. dia any no mila diovina voalohany : mila fotoana sy fandresen-dahatra satria susceptibles koa ra-vazaha. dia rehefa voadio ny tany (izany hoe voaala ny mpiaro ny federasiona malagasy) vao diovina ny any an-tanàna.

Nampidirin'i Rajiosy @ 20:45, 2008-06-05 [Valio]

Ny olona no tena tia an'ilay baolina satria heveriny ho fanohanana ny ligue sy ny mpilalao. Nefa raha ny tena marina dia ny FMF no tena mahazo tombony. Izany hoe tafapetraka tsara ny rafitra hoe tsy azo sarahana ny FMF andaniny sy ny ligue/mpilalao etsy ankilany.
Nefa dia eo no misy ady atao raha toa ka tena te hanova zavatra.

Nampidirin'i M. @ 10:11, 2008-06-06 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox