Baolina fandaka: Na ho tafintohina aza ianao
Efa nolazaiko mialoha ihany ny amin’ity soratra iray ity
satria mety hanafintohina ny maro amin’ny mpamaky ny votoatiny. Marihina aloha
fa resaka baolina fandaka izy ity (baolina kitra hoy ny fiteny mahazatra nefa
toa mitondra kitra hatrany ny Malagasy aminy). Misy fizaram-potoana ilay
eritreritra mba hifandrindra hatrany amin’ny zava-misy aloha.
Vanim-potoana voalohany, tsy mbola nanomboka ny
fifanintsanana hidirana amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana ho
tompon-daka manerantany hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 sy ny dingana
famaranana handrombahana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotontosaina any
Angola 2010 kosa. Niverina tamin’ny toerany ny FMF na ny Federasiona Malagasy
ny (baolina) Fandaka izay nahantona teo aloha. Ny minisitry ny fanatanjahantena
izay nampihantona ny federasiona kosa no tsy tafaverina tamin’ny toerany
intsony. Ady koropaka ny fanomanantenan’ny ekipam-pirenentsika malagasy.
Mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga, hany ligy tokana nanao fifaninanana
nandritra ny fotoana nampihantona ny FMF, ihany no nantsoina handrafitra azy.
Nasaina tao amin’ny fandaharana Savaravina mandeha
isan’alahady hariva ao amin’ny radiom-pirenena ny FMF. Naneho ny fanakianany ny
FMF ny maro amin’ny mpiantso ka nilaza hoe maninona raha mba mametra-pialana fa
tsy miandry esorina? Valy bontana no azo, mirotsaha raha mahasahy fa tsy eo no
be vava eo! Eo anatrehan’ny mpanaraka ny baolina anefa dia tsy ho tafala eo
amin’ny toerany mihitsy ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo satria ny
olony ihany no maro an’isa amin’ny ligy mahazo alalana hifidy. Ny tsy zakan’ny mpanaraka
dia ny ligy anarany no tena maro an’isa fa ny ligy mahita ny lesoka kosa sady
tena miasa dia vitsy loatra tsy hahavadika ny rasa mihitsy. Mirehareha ny FMF
satria tahaka ny mahazo fanohanana avy amin’ny FIFA.
Raha izany no izy, hoy aho anakampo, tsy mila ny
fandresen’ny Malagasy mihitsy aho amin’ity fifanintsanana mandritra ny volana
jona ity satria izay rehetra fandresena dia fandresen’ny FMF ahafahany mandresy
lahatra fa mahavita zavatra ry zareo ka handimby ny tenany avy ihany amin’ny
fifidianana ho avy. Ny faharesena rehetra kosa dia fampisainana ireo ligy
mpifidy hoe mbola hotazonina ve ireo ekipa tsy nahatafavoaka baolina ireo.
Amiko manokana olana ny FMF saingy ny fototr’olana dia ny ligy be tsy
andraofana tsy fantatra marina na misy ekipa miorina ao aminy na tsia
(famenoan’isa iarovan’ny FMF ny tenany araka ny fijeriko azy). Tsy mandà ny fahabangan’ny
foto-drafitr’asa ihany koa aho na dia izany aza.
Vanim-potoana faharoa, re fa nanao ady sahala samy tsy
nisy nitoko ny Malagasy sy ny Botsoaney. Sady tsy resy no tsy nandresy izany ny
Malagasy. Raha heverina amin’ny fanomanantena dia tsara ihany ny vokatra satria
tsy vaky ny fiarovana izay lesoka lehibe tamin’ny fifanintsanana teo aloha.
Mbola tsy nahavaky atody ihany anefa isika etsy ankilan’izany.
Nanam-panantenana ihany ny tia mijery baolina fa mety hihiratra ny
masoandron’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity. Samy ela niomanana ihany
manko ny rehetra fa ny malagasy no “tafaverina” tampoka hahazo mifaninana raha
nahantona teo aloha. “Limiter les degats” izany no tena tanjona tany
an-tanin’olona (mametra araka izay azo atao ny fahavoazana mety ho azo) sy ny
fihaonana voalohany.
Ny manakana ahy tsy hijery baolina eny Mahamasina kosa dia ny fiheverako fa ny fividianana
tapakila rehetra dia karazana fanohanana ara-bola ny federasiona tsy
ankasitrahako loatra (na dia noho ny fireharehana voalaza tetsy ambony ihany
aza nefa eo ihany koa ny lazan’ilay hoe “manaova resy” taona vitsy lasa izay).
Tsy mazava amiko manko ny fitantanana ara-bola tokony ho aingam-pampandrosoana
ny baolina fandaka indrindra indrindra. Tsy eken’ny eriteritro mihitsy izany
hoe tsy misy tapakila intsony aty amiko rehefa tafiditra ny kianja aho, nefa
iny no karazana fiantohana ho ahy raha sanatria ka... sanatria izay efa nisy
raha nihaona voalohany ny Malagasy sy ny Ivoariana ka teo ampandresena ny
Malagasy kanjo nosembanin’ny orambe nanondraka ny kianja ho “tsy azo
nilalaovana”. Naverina hatramin’ny voalohany ny lalao raha tsy vita hatramin’ny
farany, maika loatra ny federasiona fa ny ampitso ihany no nanaovany azy ary
mandoa vola indray izay te-hijery. Teo no nipoitra voalohany ny fanakianan’ny
mpijery fa tia vola ity federasiona, saingy inona moa no ataony satria tsy misy
manana tapakila intsony ny mpijery tamin’io andro Asabotsy nilalaovana teo
aloha io. Izay mpanaraka ny bolongako hatramin’ny ela ihany koa dia mhafantatra
fa saiky izaho irery no miresaka izany baolina fandaka izany raha ny eto
madagasikara no resahina.
Tetsy andanin’izany anefa dia nandoko ny gradins ny
Kaominina Antananarivo renivohitra. Loko marevaka isaky ny faritra izay azo
atao lokona tapakila ho an’ny mpijery ihany koa ary azo amaritana mialoha ny
toeran’ny mpijery koa raha vonona ho amin’izany ny federasiona. Raha jerena ny
lojikan’ny Kaominina dia azo atao tsara amin’io fotoana io ny manao
famandrihana mialoha na dia ny eny amin’ny gradins aza mba tsy hisian’ny
fifanosehana sy hisorohana amin’ny fihoaran’ny isan’ny mpijery efa fahazarana
isaky ny misy baolina malaza eto amin’ny tanàna. Amin’io fotoana io dia mba
mahazo matoky tena izay rehetra mividy tapakila fa misy toerana miandry azy
hatrany eny fa tsy hoe vao tara kely aho dia eny ambanin’ny gradins
(voararan’ny lalàna) sisa no anjara toerako na aleo mody fa tsy hahita na inona
na inona intsony. Tsy fantatra loatra anefa raha vonona hiaraka amin’ity
fivoarana ity ny federasiona na tsia satria tsy miteny mihitsy izy amin’izao
fotoana izao. Nahatsikaritra ihany koa ny mpanaraka baolina fa tsy nanao afisy
sy dokambarotra amin’ny fihaonana mihitsy ny federasiona. Tsy ilaina intsony ve
izany satria efa fantatry ny rehetra?
Tao amin’ny kidaona maraina, hany haino aman-jery azon’ny
mpihaino iadian-kevitra eto Antananarivo dia azo lazaina fa fampirisihana ny
mpilalao handresy no manjaka kokoa na dia misy ihany aza ny milaza tsy
hanatrika io lalao io (tahaka ahy).
Vanim-potoana fahatelo, nahita ny fizotran’ny lalao tany
Botsoana tamin’ny televiziona MBS halina (alarobia efa alina dia alina tokoa)
ny mpanara-baolina. Tsy honohono intsony izany no henoina fa nahita avokoa ny
rehetra na dia ratsy dia ratsy tokoa aza ny kalitaon’ny sary. Hita fa tsy nisy
afitsoka mihitsy ny lohalaharana Malagasy ary telo raha be indrindra ny tifitra
manandrify ny tsatoby nataony (daka malefaka). Hita ihany koa fa lavaka ihany
hay ny fiarovana, nahatafidirana baolina roa izay nolavina avokoa, azo
iadian-kevitra ny baolina faharoa fa maty amin’ny ara-dalàna raha ny fijeriko
azy saingy ny mpitsara moa no tompon’ny fanapahan-kevitra. Tsikaritra fa
sarotra ny manantena ho tafiditra amin’izany dingan’ny famaranana izany; saingy
boribory ny baolina, hoy ny fomba fiteny.
Nahery vaika tao amin’ny kidaona maraina alakamisy maraina
ny fanombanana fa ho resy ny Malagasy amin’ny fihaonany amin’ny Ivoariana. Lasa
vitsy an’isa tery ny tena resy lahatra na ny mampirisika fa handresy ny
Malagasy amin’io fotoana io. Karazany niady irery i Gothlieb izay milaza fa tsy
mety fanakiviana ny mpilalao amin’ny fihaonany amin’ny favori izao. I Francis Turbo
kosa milaza matetika fa mitovitovy hevitra amin’ny mpiantso. Izaho kosa efa
nanana ny hevitro hatramin’ny vanim-potoana voalohany: Tsy tiako hiverina
amin’ny toerany intsony ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo. Misy aza moa
no milaza (tamin’ny kidaona) fa na handresy na ho resy ny Malagasy tsy mahaova
na inona na inona izany satria ny fototry ny baolina (fandaka) mihitsy no tsy
ao.
Na izany na tsy izany, raha te-hahita na hifanena amiko
ianareo dia any amin’ny “Ndeha hihazakazaka” no misy ahy. Hazakazaka
hotontosaina ny alahady maraina miainga eo amin’ny lapan’ny fitsarana anosy,
mamakivaky an’Ampefiloha sy 67ha amin’ny lalam-baovao, Tsaramasay, Ankorondrano
ary mipaka eny amin’ny kianjan’Alarobia.