« | »

Tandindonin'ny ady an-trano?

2009-11-24 @ 11:36 in Ankapobeny

Marihina dieny mialoha fa raha miresaka ady an-trano aho eto dia tsy maniry ny hisian'izany mihitsy eto Madagasikara. Mitaratra kosa ny zavamisy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao (izay firenena nisy fanonganam-panjakana) aho ka manahy dia manahy ny hisian'ny ady an-trano ambolen'ireo mahazo tombotsoa amin'izany.

Nampisaina lalina ahy hitodika tsara tany amin'ny 26 janoary 2009 (andron'ny fandrobana) indray ny toe-draharahan'i Ejipta sy Alzeria nandritra ny lalao baolina fandaka tamin'ny herinandro lasa iny. Nadikako ho amin'ny teny malagasy mihitsy moa ny lahatsoratra mitantara izay tsy ambaran'ny haino aman-jery mahazatra loatra tamin'iny raharaha tsy baolina fandaka intsony iny. Hitako tao anatin'izany fitantarana izany fa nentina manokana tamin'ny fiaramanidina maromaro ny jiolahimboto Alzeriana tsy mpijery baolina mahazatra, handrava tsena, hampihorohoro ny tanàna, hamono izay Ejipsiana hitany fa tombony ho azy ireo fotsiny ny manatrika ilay lalao izay nandresen-dry zareo ihany koa. Mariho tsara ilay hoe fiaramanidina an'ny miaramila no nitatitra ireo jiolahimboto ireo. Manahy aza aho fa miaramila ihany ireo nampihorohoro ireo matoa miaramila Sodaney 15000 aza tsy nahafehy an-dry zareo. Moa tsy azo sainina ho nisy tahaka izany koa ve teto Madagasikara tamin'ireny 26 sy 27 janoary 2009 ireny? Hita any amin'ny gazety (Taratra sy Tia Tanindrazana) indray fa mbola mitaky ny valin-kasasarany ny "miaramila amperinasa teo aloha" na "rezervista tanora" nametraka ny tetezamita amin'ny toerany. Nojereko tsara indray mandeha fa nisy kamiao tsy an'ny miaramila (noho ny lokony fotsy ary heveriko ho nitondra ireo fitaovam-piseraserana azo nentina tao) nivoaka ny RNM sy ny TVM tamin'iny andron'ny 26 janoary iny rehefa nanomboka may ireo tranom-panjakana roa ireo.

Manaraka izany, efa hitahitantsika eny ihany koa ny adin'ny "mpanjaka" eo amin'ny samy Antakarana amin'izao fotoana izao. Navoakan'ny gazety iray indray koa fa bokon'hozatra maro dia maro no notaterina tamin'ny kamiao ka nanafika ny zomba sy ireo tao anatiny. Ny olana amin'ity raharaha iray ity dia noho ny fomba fanomanana ny tsanga-tsaigny nokasain'ny iray hotontosaina  amin'ity herinandro ity fa izay mahatsangana ny saina amin'ny fomba rehetra manko no hekena ho mpanjaka. Efa tsy dia nahazatra loatra angamba ilay fifanafihana nisy noho ny marimaritra iraisana nahazatra ny mpiray foko nefa toa ao anatin'ny "fanao" ilay hoe amin'ny fomba rehetra. Karazana kilalao ratsy ihany izy ity ary ny tena manahirana dia ny nitsabahan'ny fitondrana foibe tamin'ity raharaha iray ity. Mety ho resaka politika no antony ambadik'ity raharaha ity nefa mety hisy ihany koa ny lafiny vola mety mandehandeha ao anatiny (fampanofana tany sy ny tombontsoa mifandraika amin'izany). Mariho tsara indray fa mbola tafiditra mpikarama an'ady ihany koa ity raharaha iray ity.

Mampanahy ihany ny ataon'ny mpitia baolina lavalava sasantsasany satria tsy mahazaka resy mihitsy ry zareo hany ka manapaka hatrany ny fizotry ny lalao. Soa aloha fa tsy tonga hatrany amin'ny gidragidra tambambe tamin'ity indray mitoraka ity. Ny manahirana aminy dia ny lonilony ao amin'izy ireo rehefa resy ka mora entim-po. Mora tarihina amin-javatra tsy azo visavisaina manko ny olona tahaka ireny, nefa ny tena tsy mifanalavitra amin'izy ireo ihany koa ka sao mipitika aty aminay ary ny rà hoy ny fomba fitenenana izay. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy no hihavian'ny soa. Ny tena mahakamo manko dia enjehina am-pitenenana hatrany aloha ny mpanohana ny ankolafy ho sakana hatrany amin'ny fampandehanan-draharaha misy amin'izao fotoana izao. Ilay resaka manko tsy ilay olona mpitarika intsony no enjehin'izy ireo na haratsian'izy ireo sy melohin'izy ireo fa ireo mpanaraka ihany koa. Eto aho no miteny fa tsy mitondra mankaiza mihitsy ny fifandrahonana ambava mety hitondra mankamin'ny fifamonoana eo amin'ny samy mpanaraka ny andaniny syny ankilany satria tsy mipaka velively any amin'izay naniraka ny faharatram-po mety ho teraka avy amin'izany.

Mivadika indray ny resaka eto, manahirana ahy ny mbola andrenesana ireo minisitra teo aloha, miresaka ny amin'ny asany izay efa tokonyho fampandehanan-draharaha tsotra sisa. Ny tena tsy ankasitrahako dia ny mbola hakan'ny mpanao gazety resaka amin'ny maha-minisitra azy ireny hatrany. Karazany fanakorontanan-draharaha sy fampisavorovoroana ny fiaraha-monina amiko ny fanaon'ny mpanao gazety manontany azy ireo amin'ny mahaminisitra azy ireo izay. Maninona moa raha mampitandrina ny manao gazety rehetra hoe ireo izay mitonona ho minisitra rehetra dia efa tsy tokony ho minisitra intsony ary tsy mba manaja tena manao taratasy fialana na filazana ampahibemaso fa fampandehanan- draharaha sisa no atao mandra-piavin'ny tokony ho governemanta iraisana. Karazana etika no apetraka amin'ny mpanao gazety tsy hanontany ireo olona ireo amin'ny maha-minisitra azy intsony. Heverina ho fanakorontanam-bahoaka ny mbola finiavana manontany azy ireo amin'ny raharaham-panjakana izay tsy tokony hanaovan'izy ireo filankevitra na fanapahan-kevitra ao anatin'ny minisitera intsony.



jentilisa, 24 novambra 2009 amin'ny 13:45

Hevitra

Mmm

alut Jentilisa Elaela izany, maharaka mamaky ny tena na misy fahatarany aza fa tsy mahavita manoratra ombieny omibieny fa haigana be foanan ny fihodin'ity zavatra ity. Efa lasa lavitra loatra ny eritreritrao matetika, ny olona mbola ato amin'ny fiadiana minsitera hoe iza no hikarama be amin'ny faran'ny volana? Angamba tsy ianano no hatoro fa efa nalevim-belona izany fitiavna-tanindrazana izany ary efa ela mihitsy. Ianao efa any amin'ny "4ème pouvoir", efa nisy "article navoakanao momba ny gazetin'ny commune. Combien de gens se rendent compte de ce type d'enjeu? Ny mpanongana ihany angamba satria io no asany ary maka toro-hevitra avy aty an-dafy. Izaho aloha amin'izao fotoana izao dia kivikivy mihitsy. Tohizo hatrany anefa ry Jentilisa ny famoahan-kevitra mba tsy ho very finoana. Peace
Nampidirin'i @ 18:45, 2009-11-24 [Valio]

Mety ho lasa lavitra loatra ny eritreritro, hoy ianao. Asa! Ny olana tsy mety mahatanteraka ny fametrahana minisitra amin'izao fotoana izao anie dia noho ny fifikiran'ireo minisitra ireo amin'ny toerany. Miezaka manao izany izy ireo mba hijanonana ela araka izay tratra eo amin'ny fitondrana. Ny antony mampanahy ahy be indrindra amin'izao fotoana izao, ny mafana fo sasany amin'ireo mety holazaina fa mpitokona hiaraka amin'i Alain Ramaroson anie ka jiolahimboto ary manambasy e! ireo mpiambina azy moa dia mampideradera mihitsy ny basiny tahaka ny hoe mitondra iny izy vao lehilahy. Eo no mipetraka ny olana.

Zavatra iray mampalahelo ahy dia betsaka no efa mahataratra fa sarotra be ny tsy iafaran'ity resaka ity amin'ny ady farimbona. Tena fotoana anie sisa no andrasana ry zareo e! Amin'ny fifidianana, fivoahan'ny valim-pifidianana voalohany ve sa mandritra ny fampielezankevitra sa mandrapahatongan'ny fitsanganan'ity governemanta ity na vantany vao tafatsangana ny governemanta? Ny ahiako manko ilay fidinana an-dalambe tsy fanoherana ny mpitondra iraisana eo loatra fa famaizana ny tsy mitovy hevitra amin'ny tena. Tsarovy fa nandalo fanonganam-panjakana i Madagasikara tamin'ity taona ity, ary tsy ho tafajoro ela eo io governemanta io raha tsy mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana minia tsy manampy tosika ankolafy iray. Manahy aho fa hanafika ny mpitolona mivory eo amin'ny Magro no kendren-dry zalahy ireo. Mbola hanao fampitandremana ireo mpitolona mafana fo te-hampiditra gidragidra toa an-dRasomotra solombavambahoaka aho. Tafiditra amin'ny fandrika raha minia hifandona amin'ny ankolafy hafa izany na midina an-dalambe handravana ny tolona indray. Lazaiko azy fa teo akaikiny sy i Zafilahy aho tamin'ny 11 septambra 2009 nikasana ho eny Ambohijatovo ireny. Olona mpitsikilo no tena nanodidina azy ary nandrisika azy ireo hibolila. Be hevitra teo atsimo atsinanan'ny Lapan'ny tanàna eo andalam-panorenana io indray fa tsy mahateny an-dry zalahy ery akaikin'ny Le Glacier. Diplaomasia dia maharava an-dry zalahy ireo, ary rehefa tsy miditra amin'ny fandriny ianao dia ry zareo samy zareo ihany no hifandevona eo.

Nampidirin'i jentilisa @ 21:55, 2009-11-24 [Valio]

ADY AN-TRANO?

Cette affaire maintenant échappe totalemant aux Malgaches. Et je crois que le r"dacteur pas eu tort d'ecrire dans Tribunede Madagascar du 23 novembre 2008:
"pour ne pas avoir soulevé les problèmes permanents qui fâchent, et pour s'être cantonnés à un consensus strictement juridique,les accords d'Addis Abeba n'ont fait que repousser la mise sur le tapis des vrais problèmes et nous réservent, hélas et dans un délai assez bref, une plus sanglante tragédie".
Comme il faut le rappeler - peut-être à tort- "mbola an-kandasitra no hitantsika izao, fa ny tena ady mbola tsy nipoaka". et, sans être cynique, il faut avouer que Madagascar, à la différence des autres pays qui ont bénéficié d'une indépendance (fictive ou non), n'a pas encore vraiment payer "l'impôt du sang" qui est la liquidation de toutes les hypothèques couvertes par un manteau de Noë (cf: Burundi, Congo(s), Guinée(s), Côte d'Ivoire, Vietnam etc... et même à la limite Inde et Pakistan...)
Il faudra donc s'attendre à des terribles et sanglantes secousses avant de connaître une "normalisation".
Dieu fasse que ces conjectures soient erronnées!

Nampidirin'i beditra@moov.mg @ 07:21, 2009-11-25 [Valio]

ALEO HIADY FA HENDRY!!!

Aleo hiady fa antsika ny saina sy ny hery...

Nahongana Ravalomanana noho ny fahantran'ny vahoaka hono. Efa manan-karena izy izao ka afaka mampiseho fa vahoaka misaina tokoa. Ka aleo izy mba hampiasa ny sainy.

Tsy maniry loza akory, fa ny zavatra tsapa dia ny hoe nitady ka hahita, ary aleo hahita amin'izay angamba vao mety ho tonga saina.

Nampidirin'i Alidera A.R. @ 11:14, 2009-11-25 [Valio]

ALEO HIADY FA HENDRY!!!

Aleo hiady fa antsika ny saina sy ny hery...

Nahongana Ravalomanana noho ny fahantran'ny vahoaka hono. Efa manan-karena izy izao ka afaka mampiseho fa vahoaka misaina tokoa. Ka aleo izy mba hampiasa ny sainy.

Tsy maniry loza akory, fa ny zavatra tsapa dia ny hoe nitady ka hahita, ary aleo hahita amin'izay angamba vao mety ho tonga saina.

Nampidirin'i Alidera A.R. @ 11:14, 2009-11-25 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox