« | »

Tsy ilaina ny mangarahara fa aleo mipirimpirina

2018-02-11 @ 20:02 in

Toa izany no tsapa rehefa nahita ilay tenimita navoakan'ny minisiteran'ny fitantanam-bola, izay angamba naroso ho amin'ny 31 janoary 2018 ny daty namoahana azy raha 7 febroary 2018 kosa no nampalaza ireo tahirinkevitra na lahatahiry "ofisialy" navoakan'ny ARMP.

Zary lasa lahatahiry niporitsaka ilay izy rehefa nambara fa diso fitendrena milina ireo mpampiditra azy, nefa hitako ho tsy dia mitombina izany, satria nahita ny vavahady fampidirana ny login sy ny tenimiafina ahafahana miditra amin'ny tranonkalan'ny MFB aho. Kisendrasendra fotsiny no nahitako ny home.armp.mg fa tsy nisy nanoro. Tsy afa-niditra tao anatiny velively kosa aho satria tsy manana ny lakile miditra amin'izany aho ary tsy hisovoka velively ihany koa.

 

 

Manaraka izany moa dia iarahan'ny rehetra mahita fa tsy hita nanjavonana ilay tranonkala nakan'ny olona ireo lahatahirin'ny fandaniam-bolan'ny fitondram-panjakana malagasy. Vao maika moa nanamafy ny ahiahin'ny besinimaro izany toe-javatra izany. Endriky ny fikoropahana ihany koa. 

Eto ny tena dia mangataka fiaraha-miasa aminareo izay manana ireo tahirin-kevitra maro tamin'io tranonkala io, Anomezo izay rehetra anananareo hatramin'ny 2007 ka hatramin'ny taona 2016 any raha manana ianareo

 

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox