Tsy ilaina ny mangarahara fa aleo mipirimpirina
Toa izany no tsapa rehefa nahita ilay tenimita navoakan'ny minisiteran'ny fitantanam-bola, izay angamba naroso ho amin'ny 31 janoary 2018 ny daty namoahana azy raha 7 febroary 2018 kosa no nampalaza ireo tahirinkevitra na lahatahiry "ofisialy" navoakan'ny ARMP.
Zary lasa lahatahiry niporitsaka ilay izy rehefa nambara fa diso fitendrena milina ireo mpampiditra azy, nefa hitako ho tsy dia mitombina izany, satria nahita ny vavahady fampidirana ny login sy ny tenimiafina ahafahana miditra amin'ny tranonkalan'ny MFB aho. Kisendrasendra fotsiny no nahitako ny home.armp.mg fa tsy nisy nanoro. Tsy afa-niditra tao anatiny velively kosa aho satria tsy manana ny lakile miditra amin'izany aho ary tsy hisovoka velively ihany koa.
Ary tsy misy fahadisoana ve rehefa mampiditra ny login? ny tenimiafina? #armpgate manjary hita mbamin'ny toerana fidirana... pic.twitter.com/htgr3XjXpI
— Zo Andriamifidisoa (@jentilisa) February 10, 2018
Manaraka izany moa dia iarahan'ny rehetra mahita fa tsy hita nanjavonana ilay tranonkala nakan'ny olona ireo lahatahirin'ny fandaniam-bolan'ny fitondram-panjakana malagasy. Vao maika moa nanamafy ny ahiahin'ny besinimaro izany toe-javatra izany. Endriky ny fikoropahana ihany koa.
Eto ny tena dia mangataka fiaraha-miasa aminareo izay manana ireo tahirin-kevitra maro tamin'io tranonkala io, Anomezo izay rehetra anananareo hatramin'ny 2007 ka hatramin'ny taona 2016 any raha manana ianareo
Saika hijery ny tranonkalan'ny armp hitsikera indray ny tamin'ny taona 2008, hay nikatona na tsy nety nisokatra tampoka ilay habaka. Mandra-pahoviana hitsikerako an-dRavalomanana sy ny CCPREAS? #modyataoanizany #armpgate
— Zo Andriamifidisoa (@jentilisa) February 10, 2018