Fandalovana an'i Dubai

2017-11-27 @ 19:27 in Ankapobeny

Nandalo tao Dubai ny tena raha hizotra ho aty amin'ny Vovonana Global Voices 2017 izay tontosaina eto Colombo, Sri Lanka. Mba be menomenona ery isika amin'ny fitohanan'ny fiara isaky ny maraina ao an-drenivohitra ao, ary anisan'ny lohany ny tena. Fa teto kosa ry zareo! andro amin'ny fito maraina ora ao an-toerana , amboteiazin'ny fiara mitatitra ny entan'ny mpandeha sy ny fiara mitatitra ny olona hiditra ao anaty fiaramanidina no mafotaka, amboteiazy ao anaty seranam-piaramanidina  "Terminal 3". Olona re izao! entana re izao! fiara re izao! raha izany angamba no ao Madagasikara dia horakoraka ny an'ny Malagasy hoe "ialahy aza tsy manana" saingy nofy izany hatramin'izao fotoana anoratana izao.


Ilay seranam-piaramanidina fotsiny dia efa goavana, nataony nahita mihitsy hoe efa ho 20 minitra eny an-dalana hatrany ao anaty fiarabe avy eo amin'ny vavahady B4 fidirana ho any anaty fiaramanidina, tsy mandeha mafy kosa nefa na izany aza! Ilay seranam-piaramanidina sy ny manodidina  azy ihany koa tsara rafitra natao hampiderana ny rentirentin'i Dubai sy ny fandrosoany, nefa dia fotoana vitsy no nahavitany izany tanàna izany. Be ery isika mimenomenona amin'ilay malaza fa misy Malagasy mpanao politika malaza hoe mipetraka aty fa tena ahitana ny fandrosoan'ny olona ilay toerana. Na dia toerana mahatamana sy tsy azo lavina ho lafo fiainana aza ao dia tsotra ihany no ambara ho antsika Malagasy: Manaova raha mahavita!


Jentilisa 27 nov 2018

 

 

Fiara Karetsaka

2017-11-17 @ 17:27 in Ankapobeny

Raha niezaka ny hamita ity vary mangatsiaka ity aho dia nampiasa ny teny hoe karetsaka na ikaretsaka, teny mahagasy fahiny mbola miasa ankehitriny fa amin'ilay dikany iray monja. Fantaro ho an'izay tsy mbola mahalala fa efa nametraka anarana alika ihany ny Malagasy fahiny, tsy milou na bobby no anarana nalaza fa ikaretsaka, nahoana no izay anarana izay? Noho ilay anarana natao hiambina na hidim-baravarana ve? Tsy izay ihany fa ilay afa-mivezivezy na mikaretsaka mety ho azo adika hoe 'vas et viens' araka ny tenintsika malagasy ankehitriny.

Dikany ihany koa ilay hoe mivezivezy haingana, tonga haingana any amin'ny toerana andehanana... avy amin'izany no nahatonga ny taxi hanana anarana hoe fiara karetsaka, mahatonga haingana amin'izay aleha, fa tsy hoe karetsaka ny hidim-baravaran'ilay fiara... Tadidio izay dikany faharoa izay.

 

Angon-kevitra Raharaha Mafana Aogositra 2017

2017-08-31 @ 08:07 in Ankapobeny

Noho ny fivoahan'ny hevitra ao amin'ny media sosialy dia toy ny nitsaha-ketrika ny taty amin'ny bilaogy. Fantatsika rehetra anefa fa mora tsy hita izay hevitra mivoaka ao amin'ny Facebook ohatra. Fantatsika fa navoakantsika ilay hevitra, nefa mety tsy ho hitantsika intsony izay nalehany. Tsy dia mety eo amin'ny fandraketana ny tsiaron'ny tantara izany anondroana fa tsy azo tsinontsinoavina hatrany ny bilaogy, izay mahatahiry ny zavatra tokony hotehirizina amin'ny ankapobeny.

Maro ny zava-nitranga teto amin'ny firenena tamin'ity volana ity, saingy toy ny mahazatra dia tsy nisy tohiny ireo rehetra mahaliana sy nahabe resaka ny besinimaro. Ohatra iray amin'izany ny nahatrarana fahitalavitra manify efijery miisa 1400 mahery naondrana teto Madagasikara nefa nolaingana ho lamba ireo fahitalavitra ireo. Raha ny fahafantarako azy dia toa miditra maimaim-poana amin'izao fotoana ny lamba fripy, dia izay no anararaotan'ny sasany tsy te-handoa haban-tseranana ho lamba fripy ireo entana hafa mandoa haba mihoam-pampana. Ny zavatra toy izao no mampanontany tena amin'ny fiarovana ny mpanitsakitsaka ny lalàna. Rehefa ny olon-tsotra no voampanga dia aranty ny sary fa ny masony ihany no afenina, dia izay mety ho mahafantatra azy ihany no mahafantatra, saingy matetika dia mivoaka an-gazety ny anarany. Fa rehefa ny goavana kosa no tratra amin'ny hosoka ataony dia tsy misy na inona na inona ahafantarana ilay nandika lalàna. Ny mpanara-baovao anefa dia mahita any amin'ny firenen-kafa ireo fahatafintohinana mahazo ireo orinasa goavana toy ny Samsung rehefa tratra nanao kolikoly ry zareo. Avoaka mihitsy ny anarany mba tsy ahafahany mibolilalila sy tsy ahafahany manindry avy any ambadika hanery ny hafa tsy hamoaka ny anarany. Volabe tokony hiditra amin'ny fanjakana hampiodinana ny raharaham-panjakana ihany koa izany.
 
Fa ny eto amintsika kosa, raha ny fijery azy sy ny tsy fahafantarana ny tohiny intsony, dia toy ny hoe (averina tsara hoe toy ny hoe) andrasana fotsiny ilay orinasa handoa ekôlazy, vola miditra amin'ny mpiasam-panjakana ambony afaka mamaha ny raharaha izany fa tsy misy vola miditra amin'ny fanjakana kosa na raha misy dia kely monja. Vola mazava loatra fa ambany noho izay tokony aloany saingy tsy kely  fa mampanankarena kosa izay mandray azy. Dia raha mbola minia mikimpy tsy mety mandoa ilay orinasa vao mety (fa tsy voatery) havoaka ny anarany, saingy raha ny fahamailoan'ny mpanao bizina dia heveriko fa voaloa haingana ny vola dia samy mangina ny rehetra. Afa-mivoaka tsy misy raorao mankany amin'ny nanafatra azy ny fahitalavitra ary afa-po ilay na ireo mpiasam-panjakana nahazo ny vola. Hevitra sy ahiahy ireo ambarako ireo fa tsy voatery izay no marina, fa ny hany takiana dia hoe rehefa ny goavana rangahy no tratra tahaka ireny dia ambarao ilay orinasa na dia mety ho orinasa anarany fotsiny iafenan'ny orinasa tena nanao azy aza ilay izy farafaharatsiny a! Raharaham-bahoaka ireny tokony ho tafiditra any amin'ny volam-panjakana fa tsy lasa volan'olon-tsotra manana toerana ambony eto amin'ny firenena.

Ny zavatra faharoa tiako lazaina indray dia ny raharaha famonoana ilay kaonsilin'i Malezia (teo aloha?) sady tompon'ny orinasa Z&Z Center ihany koa. Misy ny mieritreritra fa mety misy ifandraisany amin'ny raharaha voalaza etsy ambony ity raharaha iray ity, nefa tsy voatery ho izay. Misy ihany koa ny mieritreritra fa "reglements de comptes" amin-dry zareo samy karana, na samy manambola, na samy "jiolahy" iny raharaha iray iny. Misy manko ny manaparitaka fa sady efa niharan'ny fakana an-keriny izy no efa voaroiroy ihany koa amin'io fakana an-keriny io ihany koa... izay no mahatonga ilay eritreritra hoe misy fifamaliana faty angamba ao ambadika ao.

Fa ny isarihana ny sainao kosa dia ilay filazana hoe "kaonsily honorera", betsaka amin'ny mpandraharaha be vola eto an-toerana no naka io "voninahitra" ho  "kaonsily honorera" io indrindra fa nanomboka tamin'ny taona 2009. Toy ny hoe mahazo tsi-fisaziana maha-diplaomaty rehefa mahazo io voninahitra io ka afaka manafatra "entana diplaomatika" nefa mifandraika akaiky amin'ny fihariana atao izany ary tsy azo melohina eto amin'ny firenena raha tratra manao fahadisoana. Maka fiarovantena mety hanohintohina fifandraisan'ny firenena roa tonta ry zareo raha sanatria misy mikitikitika an-dry zareo. Mihamivoatra ny fiarovan-tenan-dry zareo nefa tsy mitodika loatra any amin'ny tombontsoan'ny Malagasy izany araka ny fijeriko manokana. Izay zava-droa loha izay ihany no resahina aloha fa efa lava dia lava mety ho tsy voavakinareo intsony aza izay voasoratra izay.

Jentilisa, 31 aogositra 2017 amin'ny 08:05

Mpitandrina Maty Nisolo ny Toerany

2017-07-04 @ 23:49 in Ankapobeny

Nivoaka tao amin'ny tambajotra sosialy Facebook, ny alin'ny fetim-pirenena fa hijoro vavolombelona tamin'izay nitranga ny andron'ny 20 mey 2010 teny amin'ny Mausolée ny iray amin'ireo nitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tamin'izany fotoana izany, ary mandritra ny fotoam-pivavahan-karivan'ny 2 jolay 2017 no hanatanterahana izany fijoroana vavolombelona izany. Niteraka resabe izay tsy dia ivalamparana eto moa io sata tamin'ny Facebook io. Ny tena niteraka ny tsikera dia ny hoe hanafangaro ny politika sy ny fivavahana izany fijoroana vavolombelona izany ka te-hanandra-tena ilay olona.

Na dia tsy tokony ho afaka tamin'izany fotoana izany aza ny tena dia niezaka manokana satria ny andro alahady hariva, manomboka amin'ny 5 ora hariva ny fotoana teny amin'ny FJKM Atsimon'Imahamasina, nefa ny tena lavi-podiana, 17-20 kilaometatra miala ny garan'Isoarano. Lavitra izany ho an'ny eto Madagasikara na dia iakarana sy idinana miasa mankao an-drenivohitra isan'andro aza.

Aleo tsorina fa efa tsy nanampo hahatratra ilay fijoroana vavolombelona ny tena satria tamin'ny enina latsaka fahefany vao tonga tao am-piangonana. Efa tao anatin'ny fanazavana ny lohahevitra (izay miompana amin'ny Fanahy Masina, Ny Fanirahana ary ny Fijoroana Vavolombelona angamba) banjinin'ny FJKM mandritra ny volana jolay 2017 ny mpitandrina Ranaivoniarivo Tiana Alisoa. Nifandraika loatra tamin'ny zavatra niainany sy niainan'ny fiangonana ilay lohahevitra ka izany angamba no nahatonga azy hanoratra sy hampilaza mialoha tao amin'ny Facebook.

Mariho fa noho ny fahatarako dia tsy mahafantatra izay mety ho fepetra mialoha aho hoe azo raisim-peo sy sary ve ny fotoana, fa ny nataoko aloha dia naka sary aho satria efa nisy ireo hafa naka sary. Azo lazaina ho diso fanantenana ireo nieritreritra hihaino ilay fijoroana vavolombelona ka tsy nialohavana famelabelarana ny tenin'Andriamanitra momba ny Fanahy Masina, na Fanahin'Andriamanitra izany. Ireo mpanao gazety no tena tiako lazaina amin'izany. Rehefa manaraka ny fotoana dia hita fa mirafitra tsara ao anatin'ny famelabelaran-kevitra momba ny tenin'Andriamanitra ilay izy. Mariho ihany koa fa voatery nivoaka nody amin'izay aho tamin'ny fito hariva, satria nangala-dia aho, nefa mbola tsy tapitra ny famelabelarana tamin'izany fotoana izany.



Maro ny zavatra voatantara tao fa ireto ihany aloha no avoakako, dia hotohizana sy hatevenina raha mahaliana anareo ilay izy:

  • Voalohany, tsy resaka 20 mey ihany no notantaraina tao fa misy zavatra hafa ihany koa, toy ny toerana nanirahana azy amin'ny maha-mpitandrina.
  • Faharoa, noho ny fitaka nahazo ireo niambina ny fananan'ny FJKM ... avy amin'ny mpitondra ambony tao amin'ny FJKM mba hisakafo kely, nanararaotana nakana ireo fitaovan'ny fiangonana no nitsirian'ny hevitra hananganana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF. Ny tanjon'ny HMF izany dia ny hiaro ny fananan'ny fiangonana manoloana ny mpandroba sy hiaro ihany koa ny fiainam-panahin'ny fiangonana. Raha mahatadidy ny mpamaky dia efa nanao fanazavana lava momba io halatra fitaovan'ny fiangonana io sy ny nipoirany teny amin'ny toeran-kafa aho, teny Ankatso izany.
  • Fahatelo, noho ny fifandisoana anarana sy fampitam-baovao miafina (renseignements) dia ny mpitandrina Ranaivo Rivo Arson indray no notifirin'ny sniper sy maty raha tokony ho izy Ranaivoniarivo Tiana Alisoa no notifirina tanaty sahotaka.

Izay ihany aloha fa efa lava sahady ny resaka, dia amoahana lahatsoratra hafa indray raha misy mahaliana anareo.



Jentilisa, 4 jolay 2017

Niova ny mpitantana ny zandary!

2017-04-20 @ 23:13 in Ankapobeny

Tsy mpanaraka vaovao loatra intsony, indrindra fa ny vaovao eto Madagasikara, saingy misy hatrany ny hevitra manokana isaky ny zavatra mitranga mba hitan'ny maso. Tamin'ny faran'ny volana marsa sy ny fiandohan'ny volana avrily ny tena nahita ny fanadiovana lalana manodidina ny zaridainan'Ambohijatovo sy ny fanapahana ny bozaka lava tao amin'io zaridaina io ihany. Ny vaovao no nahitana fa hatreny Anosy sy manodidina ny kianjan'i Mahamasina no nanaovan-dry zareo izany fihetsika izany. Andron'ny Zandary, hono, ireo andro ireo. Izaho kosa nahita zavatra hafa tao ambadik'izany ary mety ho nitovy hevitra tamin'ny tena ihany koa ny ao amin'ny governemanta matoa nanao io fanovana ny sekreteram-panjakana misahana ny zandary io.


Ny voamarika voalohany ary dia ny toerana nanaovana ny asam-panadiovana: Ambohijatovo, Anosy sy Mahamasina. Toerana afovoan-tanàna efa nitrangana fivorivorian'olona ireo toerana ireo ary ny kianjan'ny 13 mey irery ihany no tsy tafiditra. Angamba tsy natao intsony ity farany ity satria efa nosoloina dobon-drano ny toerana nahafatesan'olona voalohany indrindra tamin'ny tolom-bahoaka teto Antananarivo hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena, niampy fantsitsitran-drano izany. Manaraka izany ihany koa, tsy fandiavan'olona mandeha tongotra loatra intsony koa io toerana io ary efa madio hatrany amin'ny ankapobeny ka tsy mila diovina intsony. Ankoatra izay dia efa nanaovana fivoriana politika na fanarahana toe-draharaha indrindra ireo toerana voatonona ireo.


Heverina noho izany fa misy sariohatra napetraky ny zandary na ireo mpitarika azy ny nisafidianana ny fanadiovana ireo toerana roa ireo ary nanamafy ny hevitro ny tohin'io asam-panadiovana io. Nitranga ny "Raharaha Claudine" notarihan'ny BIANCO izany niafara tamin'ny fampandosirana any ivelan'ny firenena ilay ramatoa noampangaina tamin'ny raharaha fanodikodinam-bola maro teto Madagasikara. Raha nanandratra ny nataon'ny BIANCO ny maro, izaho kosa toa nanao antso an'efitra raha nilaza fa tsy nahavita na inona na inona ny famotorana nataon'ity Birao Miady amin'ny Kolikoly ity raha tsy nisy ny rantsana mpampihatra ny lalàna dia ny Zandary ihany, nomarihako mazava tao amin'ny Facebook io ho an'izay namana na manaraka ao amin'io tambajotran-tserasera io. 


Mariho fa raha nitondra olona teny amin'ny BIANCO ny Senatera Riana Andriamandavy VII dia ny zandary irery no niambina ny vavahady tsy idiran'ireo tangoron'olona ireo ny Birao. Tsy afa-nanamarina na nandiso izay nitondra ilay ramatoa ho eny amin'ny HJRA indray aho rehefa nodidian'ny CPAC hotazonina vonjimaika eny Antanimora Rtoa Claudine fa no nolazain'ny mpitati-baovao dia hoe EMMOREG no nitari-dalana azy. Dia jereo ihany koa ny ny Polisy misahana ny Sisintany, fa tsy ny Zandary, no nanoha-riana nilaza andro vitsy taorian'ny fampandosirana an-dRtoa Claudine fa ara-dalàna tsara ireo taratasy nahafahana nandefa azy hivoaka an'i Madagasikara. 


Koa aza atao mahagaga raha nisy ny fanovana ny mpitarika voalohany ny zandary teo anivon'ny governemanta satria mahafantatra tsara ny loza mitatao aminy nanoloana ny fiaraha-miasan'ny BIANCO sy ny Zandarimaria ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Ho hitantsika eo izay hataon'ny Zandary amin'izao fanovana ny mpitarika azy izao sy ny fitohizan'ny fiarahan'ny BIANCO sy ny Zandary miasa. Eritreritra mba mandalo, efa tokony nosoratana hatry ny nahitana voalohany ny fanadiovana nataon'ny zandary fa niova mpitondra ry zareo vao tery hanoratra fandrao mandalo tsy misy mahita ny zava-nitranga teto amin'ny firenena mba tsikaritry ny tena.


Jentilisa, Isahafa 20 avrily 2017 amin'ny 11 ora sy 11 minitra alina.

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox