Tohina tanteraka ny tena nahita ity tsanganana iray tao amin'ny Facebook ity. Vehivavy iray efa zokiolona 79 taona, mpampianatra ny asany teo aloha fa tsy nanao Cnaps ny mpampiasa azy tamin'ny sekoly tsy miankina iray. Manana ny diplaoman'ny Bacc ary manana diplaoma oniversitera tamin'ny Lalàna sy ny teny frantsay, araka ny fitantarana, tsy manambady, tsy mananjanaka, tsy misy miahy, tsy misy miraharaha, tsy misakafo rehefa tsy misy vola, tahaka ny tranon'akoho ny tranony nefa ofaina 15.000 ariary. Efa notoriany ny mpampiasa azy fa tsy nahazo rariny izy. Eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara no misy izany toe-javatra izany.
Sao dia heverinao fa tranga maningana eto Madagasikara izany toe-javatra izany? Mahasahy miteny aho fa tsia dia tsia ny valiny. Vokatry ny fanoritana ny fampianarana eto Madagasikara hitodika amin'ny teny vahiny dia lasa tsy mahalala ny harenany voalohany ny Malagasy fa jamban'ny fitodihana any ivelany. Fa raha tafavoaka eto Madagasikara ianao toa "avotra" ihany, fa raha tsy tafavoaka eto kosa dia gejain'ny vahiny sy ny mpiara-misaosy aminy eto an-tanindrazana. Notezaina ho mpiasa isika Malagasy, niniana tsy hahay na hahasahy mihary izay nandalo fianarana, tsy mahagaga raha ireo "tsy tafita" tamin'ny fianarana indray no nahay nihary satria tsy tratran'ny fandemen-tsaina ireny olona ireny.
Eto Madagasikara ve? Efa misy avy hatrany ny sokajin'olona ry zareo ihany no toa mahazo alalana hanao fihariana goavangoavana, dia lovain-janaka aman-jafy ilay fihariana. Ry zareo irery no afa-mindram-bola any amin'ny Banky sy mahasahy manorina. Isika kosa eto ankilan'izany efa nopotehina ny fahasahiana sy ny finiavana ho mpitarika sy mpitari-dalana. Efa malaza ihany koa moa ny hoe isika Malagasy ihany no mifaninana manintona hidina izay mitady hisandratra. Efa ela aho no te-hitabataba hoe tsy rariny izao mahazo ny Malagasy mpiasa izao fa matahotra ny haninkeliny daholo... "mbola kely ny zaza sao tsy misy mpiahy!"... Noadinoina tanteraka ilay hoe izay mahasahy maty no mifono lambamena, fa heverina ho adala ianao raha manao izany fihetsika izany. Tena marina ve ilay hoe taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra? Fa toa izaho irery no taitra fa ny hafa tsy mety taitra? Sa taitra tsy miteniteny?
Ry Malagasy ô! Raha tsy izao dia rahoviana? Amin'ny fotoana rehetra anie e: mila mijoro amin'izay ho'aho ianao, tohero ny tsy rariny atao aminao, tsy mbola mila herisetra izany fa mila herimpo, tsarovy fa raha itsahiny indray mandeha ianao no tsy miteny dia hohitsahiny hatrany amin'izay satria tsy manana ny lanjany intsony. Tsy misy lehibe tahaka ny vatolampy fa rehefa tsy miteny dia angeren'ny vorona. Aza gaga atsy ho atsy raha misy tantara renao atsy ho atsy.
Jentilisa, androany 3 jona amin'ny 23:30 ora Antananarivo
Rehefa tsy takatry ny besinimaro ny hevitra ao anatinao ao dia lasa mihevitra anao ho adala ny olona. Ny hafa faly mampita ny vaovao alefan'ny frantsay midradradradra fa tonga eto Madagasikara ny Zika, aretina azo avy amin'ny moka, lazaina fa miampita amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo ihany koa.

Izaho kosa, sy izay mety ho vitsy dia vitsy any ambadika any, mahasahy milaza fa tsy misy izany Zika izany eto Madagasikara na mety mamely eto aza ny tazo. Tsotra ny antony ary araka ny efa nosoratako tany amin'ny Facebook ihany: Mba zavatra malaza aty amin'ny sarambambem-bahoaka kosa aloha ilay vaovao dia mivoaka amin'ny onjampeo vao tokony hikorapaka ny masoivoho sasany fa toa finiavana hanapotika hatrany ny toekarena Malagasy, amin'ny alalan'ny famotehana ny fizahan-tany, no tsikaritra. Tsy nisy akory na dia tsaho aza teto Madagasikara hoe tonga eto Madagasikara izany Zika izany fa tonga dia teren'ny sasany hisy fotsiny.

Tsy tokony apetraka mangingina mihitsy ny raharaha toy itony fa ny voninahi-pirenena hatrany no tiana hopotehina. Manoratra aho sao lazaina fa tsy misy na dia Malagasy iray akory aza mijoro manohitra izao fanasoketana izao. Mipetraka ny fanamby vaovao eto: Mba firy amin'ireo nampiely ny fahatongavan'ny Zika ary izao no hanitsy ny teniny?

Fanampim-baovao farany:
Dia niarahan'ny rehetra nahita fa niova ny votoatin'ny fanazavana ao amin'ny France Diplomatie, ary nanitsy ny vaovaony ry zareo Frantsay. Izaho kosa milaza fa fandresen'ny bilaogera iny, satria bilaogera no nahasahy nanohitra iny filazana nataony iny na dia tsy manampahaizana momba ny fahasalamana aza izy.
Ny mpanao gazety tamin'iny indray mitoraka iny mety ho tsy nahasahy nanohitra fa nanaraka ambokony ihany. Ankehitriny saika ny filazam-baovao rehetra no nilaza ilay fanitsiana... Filazana avy amin'ny Minisiteran'ny fahasalamana teto Madagasikara mbola tsy tena nahasahy nilaza ny olona satria tsy dia inoin-teny loatra fa rehefa Frantsay mihitsy no nilaza vao nanaiky Ra-Malagasy fa hay tena diso tokoa ilay fampitam-baovao...
Tsy nivadika ny andro nanoratana azy...

Jentilisa 17 mey 2016
Araka ny efa hitantsika dia tsy malaza loatra intsony ny bilaogy, na dia tokony hanana ny anjara toerany hatrany aza, indrindra raha te-hametraka ny dian-tananao eo amin'ny sehatra nomerika ianao. Efa ho folo taona sahady izay ny taona volamenan'ny bilaogy malagasy, raha nanana ny lazany izy tamin'izany fotoana izany ka tsy mbola nahazo vahana ny tambajotra sosialy. Nahafinaritra tokoa ny fiarahan'ny bilaogera teto an-tanindrazana sy tany am-pitandranomasina, nahatsagana bilaogy niraisana mihitsy aza tamin'izany fotoana izany, ary nisy ihany koa ny "karazana fifaninanana" izay efa nivalona ho tantara sisa.
Fa tamin'izany fotoana izany ihany koa anefa no andro volamenan'ny namana serasera sy ny karajia mbamin'ny dinika tamin'ny serasera. Mahafinaritra sy mahatalanjona ny mamaky indray ireo nosoratana taloha, indraindray aza dia vaka ianao fa efa nanoratra zavatra tahaka izao na tahaka izany, nefa tadidinao ihany fa nosoratanao tokoa ilay izy. Embona sy tsiahy fotsiny izany fa avy amin'ireo nosoratanao teo aloha ireo ihany no ahafahana mijery todika ny lalam-bita sy ny fotoana nivialiana na ny tokony ivoarana. Tsy maty ny serasera fa efa lasan'ny tambajotra sosialy ny olona rehetra tao aminy, nahazo vahana ny tena anarana raha solon'anarana no tena nanjaka taloha.
Dia miverina amin'ny resaka tsy tokony hitohy intsony aho, any ampitan-dranomasina betsaka ny mpanao gazety no bilaogera ihany koa na raha amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia manana kaonty Facebook na/sy Twitter mbamin'ny tambajotra hafa ihany koa. Fa ny teto amintsika no somary nisy nifandaka kely teo amin'ny roa tonta na dia tokony hifameno tanteraka aza izy ireo. Tsy zakan'ny bilaogera fotsiny ny mangalatra ny asa-sorany natao tamim-pitiavana ka ny mpanao gazety izay kingalahy amin'ny fanoratana no lasa mangalatra asa... satria mampietry voninahitra amin'ny maha-mpanao gazety izany. Fa taloha izany, satria efa tsy manjaka intsony ny bilaogy, fa amin'ny tambajotra indray no hakana votoaty mbamin'ny sary ary hevitra isan-karazany. Mety ho tezitra ny tompon-kevitra fa tsy ho hita ny fahatezerany fa safotra ao anaty fanehoan-kevitra isan-karazany, nefa mety ho faly ihany koa satria i ranona mpanao gazety aza mba mitovy hevitra aminy ihany koa. Sady tombony izany no fatiantoka amin'ny fisian'ny tambajotra sosialy: nivoaka ny hevitra saingy lasa olon-kafa no tompony.
Fa misy kosa ny aretina hafa mahazo ny mpanao gazety sasantsasany. Tahotra ny sao dia voaroaka ve satria io no kapoaka sa tsy fahatsapana fa raha mandainga ianao na minia manafina ny marina sasantsasany dia tsy ny mpamaky ihany no fitahinao fa ny taranaka manaraka rehetra ihany koa ka mahita na mandre ny nosoratanao na noteneninao? Efa mahazo vahana ny lahatahiry ka hipongatra ihany ireny any aoriana any. Ny ohatra amin'izany dia ny anjara toeran'ny ambaratongan-drafitra sy fahefana tsirairay amin'ny fikarakarana ny fotodrafitr'asa toy ny lalana izany, ohatra, na ny toekarena amin'ny ankapobeny. Manao ny ataony ny politisiana amin'ny fiarovana ny sezany na te-hamely ny hafa hakana ny sezany, fa ho voninahitrao sy ny hasin'ny asanao, raha mbola mety, dia aza manaiky ny ho fitaovana mandainga fa toy ny salaka ny lainga ka ny tompony ihany no afatony. Izaho na dia nanana fironana sy lazaina ho fanatika aza dia tsy nikasa ary tsy hikasa mihitsy ny handainga amin'ny mpamakiko, satria araka izay soratako ihany no itokisana ahy na tsia, fa tsy menatra kosa mihitsy indray aho ny namoaka ny hevitro na dia mety hahatezitra ny maro aza izany hevitro izany.
Ny politisiana no avelao hitabataba fa nanome vola izao miliara ariary hanaovana an'izatsy na izaroa, nefa miharihary izao fa tsy volany io fa volam-bahoaka no ampiasainy hakana voninahitra. Tezao ny olona hiteny kokoa fa volambahoaka io fa tsy avy aminao izay nanolotra rehefa mitana andraikitra ao anatin'ny fitantanam-panjakana ianao. Aza faly ny hanenjika na hanoso-potaka an-dranona satria tsy mitovy firehana aminao na amin'ny patiraonao izy. Asandrato indray ny hasina maha-mpanao gazety mitaiza sy manabe fa tsy manasa ati-doha sy mampiasa fihetseham-po. Ampianaro hahay handalina ny olona ary ampianaro ihany koa hahay hitsikera anao fa tsy hoe ianao akory no tapi-pahaizana.
Hoteneniko ohatra, fa hatreto aho dia kivy amin'ny fampihenana ny anjara lalan'ny mpandeha an-tongotra, na amin'ny fampifangaroana ny lalan'ny mpandeha an-tongotra amin'iny manamorona an'iny Soarano iny. Ny hakelin'ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra no tena mahatonga ny fitohanana eo Behoririka ankoatra ny fahamaroan'ny mpivarotra tsy ara-dalàna, nefa dia toa tsy takatry ny ambaratongam-pahefana rehetra angamba hoe mba tokony hitovy kosa ny haben'ny lalana hoan'ny mpandeha an-tongotra sy ny lalan'ny fiara. Jereo iny Petite Vitesse Tsaralalàna iny, tsy ny hakelin'ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ve no lasa mampirona ny mpandeha an-tongotra ho ny arabe ho an'ny fiara indray no fandiavan-tongony? Nefa vao midina amin'ny arabe ny mpandeha an-tongotra dia mora ho an'ny mpivarotra tsy ara-dalàna ihany koa ny mmamelatra entana eny amin'ny arabe. Inona anefa no tena anton'izany? Toa ho fandraisana ny "Francophonie" eto Antananarivo fotsiny, dia ho lasa gaboraraka hifangaro tanteraka ny mpandeha an-tongotra sy mpandeha fiara avy eo, sa ve hoe avadika ho sisinabon'ny mpandeha an-tongotra indray ilay arabe? Toa tsy mino aho an!
Jentilisa 13 marsa 2016
Eto ampanombohana dia miarahaba ny rehetra indray nahatratra ity taona vaovao diavina ity. Ho taom-pahombiazana sy ho taom-pifaliana ho antsika anie ity taona ity. Tsy ho lava taria aho fa hiditra amin'ny anton-dresaka amin'izay.
Toy ny hafahafa ihany raha tsy tohizana ny fitantarana izay niainana tamin'ny volana desambra lasa teo. Tsy misy intsony ve izany ny tohin-dresaka? Sa nisy zavatra nitranga dia lasa ankamantatra amin'izay hoe mba nanao ahoana? Sa ve hoe efa taona vaovao izao no iainana ka aleo mba zavatra tsara aloha tantaraina voalohany? Izay angamba no nahatonga ny lohateny manao hoe :"Ny taona no miova..."
Minia tsy manoratra ny malaza amin'ny tambajotra sosialy toy ny fanasana olona hihinambe eny Iavoloha na hianoka ny fofona maimbon'Antananarivo feno fako aho fa resaka fiainam-piarahamonina hatrany izy ity na izany aza. Seha-piarahamonina mihatra mivantana amin'ny tsirairay ihany koa satria karazany mihatra aman'aina na mihatra amin'ny mahaolombelona. Karazana tombana no soratako etoana.
Vita ny fety, nisy ireo voatery niasa hatrany na krismasy na taombaovao. Nisy ireo afaka nifandamina ka izay tsy niasa krismasy no miasa taombaovao ary ny niasa krismasy kosa no tsy niasa taombaovao. Tsy ilaozam-pifamaliana anefa izany toe-javatra izany rehefa mitontona andro iray ny safidin'ny rehetra tsy iasana. Nisy ireo nahasahy nilaza fa sady tsy hiasa izy krismasy no tsy hiasa taombaovao saingy azo isaina amin'ny rantsa-tanana izany na efa naka congé mialoha (raha omeny!). Tsikaritra fa misy ireo karazana mpiara-miombon'antoka amin'ny fanomezana toerana ivarotana ho an'ny orinasa, afaka manao fampilazana mialoha rehefa tsy ho afaka ny hisokatra, no nahatsapa ny ngidin'ny manjò ny mpiasa ka nanapa-kevitra ny hikatona mihitsy tamin'ireo andro roa ireo, mba ahafahan'ny mpiasa miara-mifaly amin'ny ankohonany (latsaky ny atsasany izy ireo). Misy kosa ireo mpiara-miombon'antoka ireo no tsy miraharaha izany mahaolombelona izany fa ny vola miditra aminy ihany no fantany (mihoatra ny atsasany izy ireo). Manana fahafahana feno tsy azo teriterena loatra ireo mpiara-miombon'antoka ireo rehefa amin'ny tranga tahaka izao. Voamarika mazava tsara amin'izany fa mbola ezaka manokana hoan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny ny fitsinjovana ny hafa.
Zavatra iray nahavariana ihany koa dia nisy tamin'ny mpiasa ihany koa no nitalaho tamin'ireo mpiara-miombon'antoka mba hisokafan'ny toeram-pivarotany fa tsy misy atao, hono, izy amin'ireo fotoana ireo. Mbola tanora loatra angamba ka tsy mahatsapa ny hamamin'ny fiainam-pianakaviana sy ny fiarahana indrindra rehefa amin'ny andro fety. Mety ho eo ihany koa ny matimatin'ny mahazo ravin-taratasy iray rehefa miasa andro fety tahaka ireny, izany hoe atakalo ravin-taratasy misy sandany ny fiainam-pifaliana ao anaty. Mety ho antony iray hafa ihany koa ny te-ho tsara naoty eo anoloan'ny mpampiasa ka mety hiakatra voninahitra vetivety, tsy nisy fampanantenana ny amin'izany loatra anefa. Ny andro iasana andro fety anefa dia tsy soloina andro hafa tsy iasana... ankoatra ny an'ireo "nanery" hivarotra tsy niasa mangingina ny ampitson'ny andro fety.
Nenjakenjanina fatratra ihany koa ny fifampifehezana tamin'ny faramparan'ny taona teo ka raha nomena saran-dalana ho an'ny taxi ny mpiasa-mpivarotra manatitra entana sy fitaovana eny amin'ny foibe (fanao tsy mahazatra fa tsindraindray ihany) dia nandrasana tamin'ny fakantsary avokoa ry zareo ka izay tonga tamin'ny taxibe na an-tongotra teo amin'ny foibe dia nahazo sazy avokoa. Ny mampihomehy amin'ilay saran-dalana anefa dia vola tsy ampy mihitsy (indrindra rehefa faran'ny taona) no nomena ary raha sanatria ka very na misy manendaka na dia eo anoloan'ny foibe aza ireo mpiasa-mpivarotra ireo dia soloin-dry zareo (voaendaka) manontolo ny very. Karazana antsojay itadiavana antony amin'ny fanapahan-kevitra atao ao aoriana kely ao angamba no tena anton'io kendritohina io.
Fehiny: ireo heverintsika ho tsy rariny hitantsika mivandravandra rehetra ireo, toy ny fako misavovona, ny fanasana olona an'arivony hisakafo, ny fividianana mpividy vaventy miharo fandrahonana raha tsy manaiky fifanarahana mandritra ny fifidianana, ny tsindry eny amin'ny fitsarana dia miainga avy any amin'ny isan-tokantrano na isaky ny orinasa na isan'ambaratongan-drafitra ifotony avokoa. Raha tsy mahajoro amin'ny sehatra ifotony dia tsy mahagaga raha menomenona fotsiny no vita rehefa amin'ny sehatra mahasahana ny tanandehibe iray manontolo na mahasahana ny firenena iray manontolo ihany koa aza. Mifototra amin'ny tahotra izany, dia tahotra manoloana ny fahefana afa-mamelona na afa-mamono anao. Izay angamba no mahatonga ahy tsy niresaka loatra ireo olana atrehin'ny firenena raha misy ireo manao danin'ny kibony tsy voakitikitika na aroarovana any amin'ny sehatra kely na antonony any amin'ny misy azy any. Rehefa mahavita miray hina ny voatsindrihazolena rehetra any amin'ny misy azy ka mametraka fifandanjan-kery tsy manan-tahotra na dia amin'ny heverina ho tsy azo toherina aza dia ho tara loatra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mahefa hiaro tena rehefa mahatsapa ny heriny ireo voatsindrihazolena iharan'ny tsy rariny rehetra ireo. Ka tsy aleo ve mampihatra ny ohabolana milaza hoe "gouverner c'est prevoir" ny mpitondra fanjakana ambony sa mbola ny fitadiavam-bola ihany aloha izao no laharam-pahamehana?
Jentilisa 4 janoary 2016
Misaritadritaka ny ato am-piasananay amin'izao fotoana izao. Ny hafa rehetra miomankomana sy somebiseby avokoa amin'ny fikarakarana ny fetin'ny faran'ny taona fa ny ato aminay kosa mikorontandrotana sy feno tebiteby amin'ny hoe hiasa ve krismasy ary hiasa ve taombaovao. Efa mahazatra ny orinasanay ihany ny mampiasa anay rehefa andro fety, indrindra fa ny ao amin'ny departemanta misy anay miasa paska sy alatsinainin'ny paska, pentekôsitra sy alatsinainin'ny pentekôsitra, fetin'ny mpiasa, fiakaran'ny Masina Maria... izany hoe izay andro fety tsy iasana rehetra ho an'ny daholobe nefa andraisan-karama. Ho anay kosa dia toy ny andavanandro ireny fotoana rehetra ireny.
Ny departemanta hafa, maro an'isa tsy miasa ny alahady fa ny anay kosa misokatra tsy misy fitsaharany ny toera-pivarotana sy ny masoivohom-barotra rehetra manerana an'i Madagasikara. Izahay no tsy maintsy mifandamina ka indray mandeha isam-bolana no mahazo alahady fa ny andro hafa kosa no ahazoana solon'alahady iray isan-kerinandro tsy nahazoana fialan-tsasatra alahady. Ny anay manokana dia tsy maintsy mihoatra hatrany, tsy ahazoana tambiny na ariary aza ny 173,33 ora isam-bolana, ka rehefa mitaraina amin'ny fihoaran'ny ora dia mahazo valinteny hoe manaova fônksiônera [mpiasam-panjakana] fa any no misy an'izany. Tsy fantatra intsony hoe ho an'iza tokoa ilay lalàna sosialy fa toa tsy mihatra aminay velively izany. Ary amin'izay ny andro alahady no mafy sy betsaka indrindra ny asa (mariho fa toy ny andro tsotra io aminay "birao" ka tsy ahazoana tambiny na ariary aza satria izay no voalazan'ny fifanarahan'asa).
Hatramin'izay nitsanganan'ny departemantanay izay misokatra isan'andro io dia ny andron'ny krismasy sy ny taombaovao irery ihany no mikatona ny toeram-pivarotana, efa folo taona mahery izao. Taona vitsivitsy ihany koa izao ny departemanta hafa no tsy niasa intsony koa amin'ireo andro ireo. Tamin'ny nitsanganany voalohany tokoa dia niasa tamin'ireo andro ireo rehefa mitontona andro fiasana ny andro fety, nefa ny andro niasana tamin'izany fotoana izany dia ny alakamisy sy ny asabotsy ihany, niampy talata afaka volana vitsivitsy dia niampy zoma taona vitsy taoriana ary alarobia nanaraka avy eo.
Nivadika tampoka ny toe-draharaha tamin'ity taona ity, voatery nofoanana tamin'ny ora farany ny saika hisokafana tamin'ny fetim-pirenena sy tamin'ny andron'ny fifidianana ben'ny tanàna. Taloha tsy nisy fisokafana andro fifidianana mihitsy fa vao kinasa tsy tanteraka kosa tamin'ity taona ity. Ny tato amin'ny orinasanay no fantatro voalohany indrindra nanery ny mpiasa tsy maintsy miasa amin'ny andro fandalovan'ny rivodoza na dia vehivavy aza no maro an'isa tany alohaloha tany. Ary mety ho nahatsikaritra izay monina teto Antananarivo fa tamin'ny fandalovan'ny rivodoza farany teto Antananarivo tamin'ity taona ity dia maromaro ihany koa ny orinasa hafa nanaradia anay tamin'ny fampiasana ny mpiasa hiasa tamin'ireny andro ireny. Tamin'ny fotoana nandalovan'ny rivodoza, izay mpiasa tsy nanaiky ny hamonjy ny toera-piasany nefa mbola mpisolo toerana dia voaroaka tsy misy hatakandro, nahazo sazy kosa ireo efa mpiasa raikitra nandà tsy hiasa.
Ireo andro roa, fetim-pirenena sy fifidianana ben'ny tanàna, ireo no nolazaina ho antony nampiasana ny mpiasa krismasy sy taombaovao tamin'ity indray mitoraka ity. Io fanapahan-kevitra nivoaka ofisialy valo andro alohan'ny krismasy io no niteraka ny saritaka tato am-piasana. Tsy nitombina tamin'izay fety sy fikarakarana azy intsony ny saina fa lany tamin'ny fahakiviana sy ny lonilony. Hany andro saika hiarahana mifaly sy misakafo am-pilaminana miaraka amin'ny ankohonana na/sy ny fianakaviana. Maty tanteraka ny programa. Maro no tsy ho afaka akory hamonjy ny fotoana fiderana maraina any am-piangonana ary efa hariva (amin'ny telo ora) vao ho afaka hisakafo ao an-trano amin'ny olona efa tapi-nihinana, ho an'ny miasa maraina. Ny departemantanay indray, afaka mitondra ny ankohonana any am-piangonana ihany izay tsy voatendry hiandry birao maraina fa tsy maintsy efa mahalany ny sakafo rehetra kosa alohan'ny hiaingana hiasa amin'ny iray folakandro. Efa nolazaina tokoa manko fa tsy maintsy misy olona avokoa ny birao rehetra amin'ireo andro roa efa voalaza ireo.
Setrin'izany dia misy ihany ny valy bontana malemy dia malemy. Misy ireo mitabataba fa tena efa tsy rariny intsony kosa izao toe-javatra izao, tsy manana andro ifaliana intsony ny mpiasa. Efa rava sy simba tanteraka aloha izany fety izany na dia mety hisy aza ny fiovan-javatra amin'ny ora farany. Efa nisy aza ny fitakiana hihaona amin'ny tompon'andraikitra voalohany tompon'ity fanapahan-kevitra ity. Sambany koa tsy nisy resaka mihitsy ny "prime" faran'ny taona hatramin'ny ora anoratana ka mbola mitambesatra manampy trotraka amin'ny tsy faharisihana hiasa mihitsy koa izany. Maro dia maro kosa anefa ny mikombom-bava tanteraka satria ato ihany no fidiram-bola ary aleo miaritra fa rehefa tsy mahatanty mipitika. Ary hitanareo ihany fa sarotra dia sarotra ny toe-javamisy eto Madagasikara, ary hitanareo ihany fa mbola raiki-tapisaka ilay foto-pisainana malagasy manao hoe: "aleo mahazo kely toy izay mandry fotsy, ary aleo maty rahampitso toy izay maty anio."
Efa nisy ihany anefa ireo fitadiavam-pifanarahana toy ny fampitambazana hoe hoheverina ny isian'ny prime rehefa avy miasa krismasy sy taombaovao soa aman-tsara. Nisy ihany anefa ireo niteny hoe tsy fantatra akory izay mety ho sandan'ny prime mety ho azo fa aleonay tsy miasa mihitsy dia tsy mahazo prime toy izay miasa mety ho tsara fitapitaka tamin'ny zavatra tsy voasoratra an-taratasy. Dia nisy ary ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny departemanta be mpiasa indrindra sy be indrindra no mahasahy manohitra ity fanapahan-kevitra nialohavana tsahotsaho ity saingy tsy mazava mihitsy ny fandehan'ilay fitsapa-kevitra.
Tantara hafa mihitsy ity fitsapan-kevitra ity satria samy manana ny filazany ny mpiasa nanontaniana na samy manana ny nanontaniana azy. Misy ny milaza fa nanontaniana izy raha afaka miasa na tsia amin'ireo andro ireo. Raha matahotahotra ny ho voaroaka na ho tratran'ny antsojay any aoriana any dia mamaly tsy satry fa mety ho afaka miasa ihany, ireo izay tonga dia mahasahy miteny fa tsy afaka miasa kosa dia mila na omena permission izy amin'io fotoana io... permission andro fety. Misy indray ireo nanontaniana hoe raha afaka miasa dia mitondra ny fitaovana alaina any amin'ny foibe sy ny lakilen'ny kiôska ve? Izany hoe niampy kely indray ilay asa fa mamonjy maka fitaovana any amin'ny foibe aloha vao mamonjy ny toerana iasana raha tonga dia mamonjy ny toerana iasana kosa amin'ny andavanandro.
Hamaranana dia tsy fantatra intsony izay ho tohin'ity resaka ity fa mety ho mazavazava aminao kokoa amin'izay ny dikan'ilay lahatsoratra teo aloha manao hoe "Mivavaha ho anay!" Azoko natao tsara ny nindrana olon-kafa handefa ity lahatsoratra ity saingy aleoko izaho ihany no namoaka azy sao lazaina ho mandainga na tsy mino ilay ampindramina ka tsy ho avoakany ity lahatsoratra lava dia lava loatra ity. Tsy haiko intsony na tokony hirary fety sambatra ho anareo aho na tsia, raha eo amin'ny toerako na toeranay ianareo, fa ny fety tsy maintsy mandalo fa izahay no mety ho malok'endrika. Tsy ho tia tena akory sanatria fa omena anareo ihany ny firariantsoa hifalianareo fa mangataka hatrany izahay manao hoe : "Mivavaha ho anay!"
Jentilisa 23 desambra 2015