Horakoraka ny an'ny mpomba ny TGV hatramin'izao rehefa nandre tamin'ny radio Antsiva androany alahady 8 marsa 2009 ny fiantsoana ny miaramila rehetra hiditra an-dakazery ka tsy handray baiko hamono vahoaka intsony. Nahatsapa tena ve izany ry zareo fa namono vahoaka tokoa? Na izany na tsy izany tsy hain'ny tafika tokoa ny mifanandrina sy mifehy vahoaka satria tsy asa nampiandraiketana azy loatra izany. Ny zandary no manana io talenta hifehy ny vahoaka io sy ny hanenjika dahalo moa izany, manana asa an-drenivohitra sy ambanivohitra noho izany ny zandary. Ny polisy kosa natao hanenjika ny mpangalatra sy ny mpanendaka an-tanan-dehibe. Koa raha naka ny CAPSAT ny miaramila sasantsasany efa notononin'ny radio tany aloha tany hoe "collectif des sous-officiers" dia azy izany, fantany ny miandry azy raha tsy mahomby izy nefa azo heverina ho fantany ihany koa ny tanjona tiany hatao. Mety ho azo heverina ny hoe tsy manao na inona na inona, sy ny hoe tsy mandray baiko na avy amin'iza na avy amin'iza, nefa moa ve hijanona hatreo? Hatreto aloha dia ireto miaramila ireto ihany no manao ity fiokoana ity, tsy mbola nandrenesana kosa ny avy amin'ny zandary, ny polisy moa tsy anatin'ny tafika nefa mpitandro ny filaminana ihany saingy mbola tsy nandrenesana ihany koa hoe ao anatin'ny fiokoana. Ny fiantraikany aloha hatreto dia "foana" ny emmo nat. Nizara tsinona ny tafika koa...
Rehefa tonga ny folakandro dia nisy ny sasantsasany tamin'izy ireo nampideradera ny fitaovam-piadiany arifomba sy matanjaka toy ny "lance roquette", nanakana fiara sy nanambana basy ireo izay tao anatiny... hiaro ny vahoaka izy amin'io fotoana io. Tsy fantatro loatra izay tena nendahiny tao anaty fiara tao ary nisy vitsivitsy aloha no nanaovany izao fihetsika izao. Malahelo aho milaza hoe moa va tsy ry zalahy indray no mpanakana ny lalambe? raha manakana fiara tsy maka na inona na inona tsy maninona loatra fa mihoatra izany dia ataoko fa mihoa-pefy ry zareo.Manaraka izany koa, tapatapaka lahatsary koa moa no nojerena tao amin'ny tvplus, tsy azoko loatra ireto lehilahy azo heverina ho mpandalo nasain-dry zalahy nanala akanjo ambony, dia notapahina koa ny lahatsary... tsy nanao fanazavazavana loatra koa moa ny mpitantara ka dia ny manatrika izay hitany fotsiny no ataon'ny mpijery fahitalavitra. Efa nampidirin-dry zareo anaty tany miady aloha isika amin'izao fotoana izao ka tokony hampanginina ny fanamelohana izany fihetsika izany? Efa fiokoana moa ny ataony amin'izao fotoana izao ka inona moa no tena tanjony tamin'izao fihetsiketsehana mifanatrika lavitra amin'Iavoloha izao ankoatra ny fihantsiana ny mpiambina ny filoham-pirenena? Toa ela loatra koa angamba ilay resaka vahoaka koa aleo raisina mihitsy ny fitaoam-piadiana. Rehefa izany no izy dia tokony hihatakataka ny sivily fa aleo ho an'ny miaramila ny hifampitifitra. Nefa ny nampihomehy nampalahelo ahy dia ireto olona marobe nanodidina ny miaramila mpioko tsy mahalala hatrany izay mety hahafaty azy. Izay tokoa angaha vao nahita miaramila nanao fihetsiketsehana an-dalambe. Tena zava-doza ry zareo ny fihetsiketsehan'ny miaramila an-dalambe fa modia any an-trano mipirina mba tsy ho maritioran'ny fitiavan-tanindrazana a!
Nandeha indray moa ny fanentanana tao amin'ny radio viva (mbola mandeha tokoa na dia efa nalain'ny emmo nat omaly sabotsy 7 martsa aza ny fitaovana tao) ny hamoriana ny olona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey rahampitso alatsinainy 9 martsa, mety ho fifaliana ho an'ny mpitolona izany nefa ahoana ny eo anivon'ny tafika? fiheverako manokana ny hanatontosana izay fihetsehana an-dalambe ataon'ny TGV izay no tanjon'ireto manamboinahitra lefitra araka ny voalaza ireto. Nefa inona no ataony raha misy indray ny fandrobana ataon'ny sasany avy nanao fihetsiketsehana? Hampiasa basy "hamono vahoaka" sa tsy hanao na inona na inona satria tsy andraikiny izany? Enga fotsiny anie mba tsy hisy ny fandrobana ary tsy hisy ihany koa ny fanafihana ny tanananay lasa malaza ho fokontany TIM satria nilaza ny mbola hamaly faty anay indray ny "sasany" resy tosika tamin'ny Asabotsy farany teo. Eto izany aloha, raha hitohy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta dia manana ny tombony kokoa ny TGV. Fa moa ve mamelavela fotsiny amin'izao ny tafika manoloana ity fiokoana ity? Tsy dia fanaon-dry zareo loatra aloha izany mitifitra amin'ny rahalahiny am-piadiana izany hatramin'izao. Saingy tsy fantatra aloha ny hiseho satria 'mpanaja lalàna' mandrakariva ny tafika amin'ny ankapobeny fa tsy 'mpanoa ny filoha' loatra na dia sarotra inoana aza hisian'izany fifampitifirana izany.
Mampahatsiahy ny tantara ny zavamisy ankehitriny, efa teo moa ny fiokoana nataon'ny Jeneraly Andrianafidisoa teny Ivato, tsy nahomby moa iny ka tsy lazaina loatra. Ny tany amin'ny 1975 no nitamberina, raha nioko tao Antanimora ny GMP (Groupe Mobile de Police). Tsy nety nifanandrina tamin'ireo mpioko ny tafika raha tsy maty aloha ny filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany. Nangidihidy ny lehilahy teto Antananarivo, hanafika ny mpioko saingy nosakanan'ny miaramila izany hatezeram-bahoaka izany, ary voatery ry zareo tafika nanafika "tsy fidiny" ireto mpioko ireto. Tsy nisy lohany intsony moa i Madagasikara ka izay no nampitsangana ny "directoire militaire". Efa azo veroka ihany fa hery hafa no tena namono sy nampamono ny Kolonely lasa Jeneraly Ratsimandrava rehefa nodimandry izy saingy efa natolaka tany amin'ny iray tamin'ireo mpioko ny rihitra. Ankehitriny, mafanafana ny toe-draharaha, tsy fantatra avokoa ny hery mifanandrina any ambadika any fa nanaitra ny sofiko aloha ny fanambarana nataon'ny fivondronamben'ny Eveka teto Madagasikara nanaraka ny fanambaran'ny Arshevekan'Antananarivo namely mafy ny fitondrana. Ny Arsheveka rahateo efa niantso ny tafika "hiaro ny vahoaka sy ny fananany" ka samy nanana ny fandraisany azy na ny manamboninahitra lefitra efa ela no te-hioko sy ny zandary hanaja ny "lalàna sy tanindrazana". Ny ankehitriny ihany koa efa mizarazara be ihany ny olona indrindra fa ny eto Antananarivo. Ankehitriny, toa mitovitovy amin'ny hery anatiny sy ivelany ahiahiana ho tena ambadik'izay namono sy nampamono ny filoha tamin'ny 1975 ihany ny hery ambadik'ity fanonganam-panjakana eo am-panatanterahana azy ity. Mariho tsara fa notapahina fotsiny ny fitsarana raharaha namonoana ny filoham-panjakana tamin'ny 1975 indrindra rehefa nitady hipoitra ny marina.
Na eo aza izany rehetra izany, tsy hitako mihitsy ny antony hifalian'ny sasany amin'ity fikomiana miaramila ity. Moa ve tsapan'izy ireo izay milaza ho manameloka ny fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana aminy fa efa antomotry ny ra mandriaka i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Izany ve no ifalianao sa hoe tsy maintsy miongana amin'izay ny filoha Ravalomanana? Fa angaha izy ity haongana fotsiny amin'izao indrindra fa efa tetehina ihany koa ny hamonoana na ny hanagadrana azy ary fantany tsara izany, izay indrindra ilay hoe antomotry ny ra mandriaka isika izao fa efa anatin'ny ady an-trano tanteraka kosa. Niantsoantso valifaty amin'izay manko ny maro tamin'ny mpitolona. Fiovana tsy ara-dalàna matetika izany ho hiainan'i Madagasikara koa nefa tsy hampandroso azy na oviana na oviana izany. Karazana sangisangy zary tenany no hamaranako ity lahatsoratra etoana ity: Inona izany no hitranga amin'ny 18 martsa 2009 andro faha-77 amin'ity taona faha-7 nitondran-dRavalomanana an'i Madagasikara ity?
jentilisa, alahady 08 martsa 2009 amin'ny 23: 08 ora
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity taona vaovao 2009 ity indray. Fifaliana mandrakariva izany na taiza na taiza, na inona na inona natao hiandrasana izany taona vaovao izany. Tsy ny fahantrana na ny fahasahiranana velively sanatria no idifiana fotoam-pifaliana tahaka ny amin'izao fotoana izao. Mirary fahasalamana, fahavitrihana, fahombiazana, fifaliana, fahasambarana ho anao izay mandalo amin'ity sehatra ity ny tenako.
Ho tso-drano mandrakariva ho an'ny eto Antananarivo ihany koa anie ny orana nilatsaka halina mba hampangatsiatsiaka ihany koa ny tontolo izay naha-ana loatra teo aloha teo. Dia hanoratra lava be indray aho amin'ny manaraka fa izao fohy ihany ny hafatra atao aloha!
jentilisa, 01 janoary 2009
Nihora-kafaliana ny tena nandre ny tenin'ny Minisitra Bruno Andriatavison, izay misahana ny fifandraisana, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, milaza fa malalaka ny fitenenana eto Madagasikara ka ohatra amin'izany ny aty amin'ny aterineto izay ahitana ny karazan-kevitra sy fitenenana rehetra; fa anjaran'ny mpampahalala vaovao ny mamoaka na tsia izay voalaza any. Eo amin'ny fiheverany izany dia tsy toerana fakana loharanom-baovao loatra ny eto amin'ny aterineto fa rediredy no betsaka. Teniny nandritra ny fotoana nanontanian'ny mpanao gazety azy momba ny fanakatonana ny Viva TV io.
Hatramin'izao izany dia tsy misy atahorana ny fanehoan-kevitra aty amin'ny aterineto. Mety ho tsotra ny antony, mbola vitsy ny olona mivoivoy amin'itony toerana itony ka ny Malagasy dia ny mijery sy ny mamaky no mahazatra azy kokoa fa tsy ny manoratra loatra. Ankoatra izay Malagasy efa zatra ny manoratra sy maneho ny heviny dia olona tezitra tanteraka na tena faly matoa izy maneho hevitra izay. Midika koa izany fa eo anatrehan'ny mpitondra fanjakana dia tsy matotra tsy misy atahorana loatra koa izay voalaza amin'ny aterineto, satria ny maro amin'ny mpitabataba tsy manisy hisatra (frein) amin'izay ambarany dia olona mipetraka ivelan'i Madagasikara na tsy mbola miseho masoandro tahaka ny sariko ka hitandrina.
Amin'ny ankapobeny izany dia tsy voasokajiny ao anatin'ny fampahalalam-baovao ny bolongana sy ny dinika ary ny karajia amin'ny aterineto. Lafiny tsara ho antsika Malagasy eto an-toerana izany indrindra indrindra, nefa tsy tokony hohararaotina handikana ny lalàna sy ny fitsipika efa napetraky ny serasera ohatra.
Izay no ela fa hirediredy anatin'ny fitandremana ary aho, malalaka aho izany satria tsy misy fahalalahana tsy misy lalàna izany fa baranahiny matoa tsy misy lalàna. Efa nanoratra ny filazan'ny Minisitra ihany aho momba ny Viva TV ka tao no nahenoana fa ankoatra ny famerenana manontolo ilay lahatsary dia nanambara ny mpanao gazety fa mbola averina manontolo indray afaka fotoana fohy amin'iny alin'iny sabotsy iny ihany (sy amin'ny fotoana manaraka) ilay lahatsary. Midika izany ary mivandravandra fa tena natao hanakorontana sy nikendrena handravana ny fihaonana tontosaina anio any Iavoloha mihitsy ny raharaha fa tsy hoe tsy fahaizana mifehy ny fampahalalam-baovao.
Mety hilaza ianao hoe: dia ahoana ireny kabarin'ny filoha na mpitondra fanjakana averimberina ireny. Mazava be, tsy misy fitenenana anaty vaovao hoe averina manontolo ity amin'ny vaovao rahariva na manaraka. Fa mitokelaka tampoka aho mandre ny voalazan'ny gazety La Gazette de la Grande Ile eto ampanoratana hoe: "Hokendren'i Andry Rajoelina ihany koa (izay hanakatonana) ny mbs"... eisy e! tena miaraka adala ireto marina! Efa tamy ihany koa izany ny "mpanao didy jadon(a)" an'Antananarivo e!(mbola tsy mpitondra ny firenena akory!) izany ve no atao hoe valy fingika fingaka? Fa dia efa miomàna aloha ialahy ry jentilisa fa Tsiafahy no miandry an'ialahy rehefa izaho no mitondra an'i Madagasikara, izaho no lazain'ialahy fa mpanao didy jadona sahady eto? Sady tena alaheloko mihitsy ny tsy nahazoako ny Madagascar Tribune teo an!
Na izany na tsy izany tena vao maika mihamitombina ilay ahiahy nandritra ny fifidianana hoe ataon'ny sasany saribakoly ity reharehan'ny tanora ity na misy mpanimpy hoditr'akondro lalandava eo anatrehany. Eto no tena ahatsapana fa ny fahalalahana tsy midika velively fa manao izay tiany atao ny mpiara-miasa amin'ny tena akaiky fa misy fitspika tsara apetraka mazava ihany koa mba tsy hifamitahan'ny mpiara-dia.
Gravy tena gravy kosa izany filazana henoko androany alahady izany. Mba nivoaka hitako an-taratasy ny gazety Madagascar Tribune ny Sabotsy teo dia nalaza androany alahady fa nakatona hoe ny tele sy ny radio Viva izay an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny Andry Rajoelina. Nojereko ny tele ka tsy nisy fandaharana tokoa, nohenoiko anefa ny radio fa misy hirahira mandeha soa aman-tsara.
Gravy tena gravy fa toa tsaho ihany izany izy ity aloha raha ny fijeriko azy, nefa gravy tena gravy raha izany tokoa no tena marina. Inona loatra no antony hanakatonana azy? Amin'izao fitadiavan'ny filoha ny antoko politika rehetra hivory amin'ny 17 desambra 2008 izao ve no lazaina fa hakatona amin'ny antony tsy mazava loatra? Izany kosa ve tsy efa fihantsiana? saingy aza manantena Malagasy hitokona andro fety izany aloha fa zavamasina amin'ny Malagasy loatra izany fety izany. Ataovy izay atao fa ny fety tsy maintsy tontosa. Rehefa vita ny fety ka lany ny vola, any indray isika miresaka!
Hoy aho hoe dia efa misy kosa ny mitady hisian'ny korontana eto amin'ny firenena e! Fa toa tsapako ihany koa avy amin'ilay tsaho fa tena mety mora mipoaka be ihany ity toe-draharaha eto Madagasikara ity! Tsy mpahay momba ny fanakorontanam-pirenena loatra anefa aho na dia izany aza.
Fa natao androany alahady ihany koa ny fifaninanana mialoha ny famaranana eo amin'ny hira fiderana an'Andriamanitra karakarain'ny Mbs ao amin'ny "Raise your voice", fa dia nampiavaka ny tontolo androany ny hira Amerikana tavaratra sy ny teny anglisy, ankoatra ny teny Malagasy fa tsy hita tabilao kosa ilay tenim-pirenena fahatelo haintsika sy ankafizintsika loatra iny. Sa tsy mety hiderana na tsy misy fiderana an'Andriamanitra ny teny Frantsay?
Andeha atao hoe nahafinaritra ihany ilay fandaharana noho ny fikarakaran'ny mpifaninana rehetra ka izay diso paika kely fotsiny dia vita ny azy! raraka hatreo. Miavaka ireo antoko mpihira 4 niakatra ho any amin'ny famaranana satria antoko mpihira mpianatra ny roa amin'izy ireo dia ny Aumonerie Catholique Universitaire sy ny LJF's Choir (Lycée Jules Ferry), Antoko mpihira avy any amin'ny FJKM Ilafy ny tokana amin'ny antoko mpihiran'ny Fiangonana tafakatra ary ny Kapelaony avy any Toliary kosa ny iray izay vondrona mpihira mpiray fihaviana na mpihavana no marina kokoa.
Ny Kapelaony amiko manokana no mety mampiady hevitra satria tsy hitako izay maha-chorale an-dry zareo, ny sôlô no tena manjaka ary olona iray ihany no tena manao izany sôlô izany. Ireo manao hira lafika kosa anefa tsy dia mihira akory... noho izany, amiko, dia tarika mpihira ireo fa tsy antoko mpihira... raha hainareo ihany koa ny manavaka izany. Noho ny fampiakarana mba hisian'ny avy any amin'ny faritra fotsiny, araka ny fijeriko azy, amin'ny famaranana dia lasa sorona tsy tafakatra ny antoko mpihira iray izay tena mba nahafinaritra tokoa ny nataony nefa dia raraka ry zareo: ny Tomima sy Orima (Fahazavana sy fahatanterahana). Nefa anie efa tsy misy tokony idiran'ny fifandanjam-paritra intsony amin'itony e! nef amoa izay no sitraky ny mpitsara dia akory atao nefa tsy maintsy milaza ny hevitro ny tena.
Efa revo dia revo amin'ny fety ho avy amin'ity faran'ny taona ity ny tontolom-bolongana Malagasy ka tsy mahatsikaritra zavatra tsy mahazatra intsony. Marina tokoa aloha fa tsy azo helingelenina amin'ny fetiny mihitsy ny Malagasy fa zavatra masina tanteraka io aminy. Na izany aza tsy maintsy manoratra ihany ny tena eo anoloan'ny zavamisy.
Andro vitsivitsy izay dia tsy nivoaka teny an-talantalana amidy intsony ny gazety an-taratasy Madagascar Tribune raha mbola mivoaka kosa ny lahatsorany an-tserasera. Noho izay antony izay no mahatonga ny any ivelany tsy hahatsikaritra izay toe-javatra izay. Mifanontany ihany noho izany ny zatra mividy azy hoe lasa aiza ny nalehany. Dia mandeha ny resaka fa amidy na mitady mpividy ity gazety ity amin'izao fotoana izao, tsahoihany aloha izay fa ny ampitso no hanamabara amintsika izay tena marina.
Raha nisy ny gazety malagasy iray nanintona ahy tany alohaloha tany dia ity gazety ity. Nahay namakafaka tsara ireo manao gazety tao aminy. Singa iray tena nitiavako azy ny tsy nisian'ny horoscope tamin'ny takelany. Heveriko fa nanana ny fahalalahany ireo mpanao gazety tao, na nahay nifantina olona ny tompony, hany ka tsy mahagaga raha tafavoaka sy miavaka ireo mpanao gazety tao aminy ka lasa nikopak'elatra hanangana na hiasa amina gazety hafa.
Ny kilemany kosa indray dia ny tsy fahazoany dokambarotra mihitsy. Mety ho ny politikany tsy hanambaka ny mpividy ao aminy ho be takelaka nefa tsy misy vakiana no anton'izany nefa toa nandiso azy izany karazana fepetra tao aminy izany. Mety ho kilemany ilay tsy fametrahana ny fanandroana nolazaiko teo fa toa mila laingalainga ihany ny olona amin'ny ankapobeny. Sandan'ny fitiavan-kametraka ny marina tsy misy fitaka araka izay tratra angamba izao tsy fivoahan'ny gazety an-taratasy izao.
Enga anie handalo fotsiny izao fahasahiranany izao ka hiroborobo indray izy rehefa avy eo.