Antontanisan'ny CENI mialoha ny famoahany ny vokatra farany 17 novambra 2018 + fanazavana

2018-11-17 @ 12:41 in Politika

Araka ny fangatahan'ny maro tany amin'ny tambajotran-tserasera dia avoakako eto ihany ireo vokatra nangonina, ary ny pejy Facebok an'ny CENI Madagascar ihany no nakako ireo lahatahiry ireo mba tsy isian'ny fitongilanana.


Ny fafana (tabilao) roa voalohany no ahitantsika ireo "vokatra farany" navoakan'ny CENI. 

Jereo fa hatrany ambany ny daty:

Ny fafana roa farany kosa no nampidirako ny elanelan'isan'ny biraom-pifidianana, isan'ny mpifidy , vato manankery ary ny isanjato azon'ny tsirairay tamin'ireo vato nampidirina, izany hoe nisy ny fifanalana nataoko dia io no vokatra. samy afaka mieritreritra sy mamakafaka daholo amin'izay isika avy eo.

Toy ny fanaon'ny bilaogy no nataoko, izany hoe ny nivoaka farany no mipoitra eny ambony indrindra

fanazavana:

Mahita isika fa Excel ny tabilao nampiasaintsika. Ny fafana roa voalohany dia ireo navoakan'ny CENI, ahitana ny daty sy ny ora, voasoratra ihany koa ny isan'ny biraom-pifidianana, ny isan'ny nisoratra anarana ary ny isan'ny vato manankery. Nasiana loko amin'izay ny vato azon'ny kandidà telo voalohany. 

Ny asehon'ny tabilao roa farany kosa dia ny elanelan'isan'ireo BV sy ny voasoratra anarana sy ny vato manankery ary ny vato azon'ny kandidà tsirairay avy. Jereo fa mitovy tsara ny isa rehetra ambany indrindra eo amin'ny tabilao faharoa sy fahaefatra satria eo no miainga ny fanisana ny elanelam-birao sy vato hafa rehetra. Ohatra: ny isan'ny BV ambany indrindra amin'ny faharoa sy ny fahaefatra dia 358.

Jereo indray ny alohan'ny farany amin'ny isan'ny BV amin'ny tabilao faharoa fa manondro 490, ny isan'ny BV amin'ny alohan'ny farany amin'ny BV amin'ny tabilao fahaefatra kosa dia manondro 132, dia mariho ary fa ny 358+132=490. Ny CENI manonona ny "vokatra farany (8/11/2018 amin'ny 20h59) ny tabilao kosa mikajy hoe raha 490 ny isan'ny BV dia firy izany ny isan'ny BV nampidirina tanelanelan'ny tamin'ny 17h22 sy 20h59? dia atao ny kajy 490-358=132, izany hoe 132 ny isan'ny BV nampidirina ka nahafeno ny 490 tononin'ny CENI, resaka elanelan'ny BV izany no asehon'ny tabilao fahatelo sy fahaefatra.

Ny tabilao voalohany milahatra amin'ny tabilao fahatelo ary ny tabilao faharoa miaraka amin'ny tabilao fahaefatra.
Manaraka: Eo amin'ny tabilao fahaefatra izany isika mahita fa nanampiana vato 13 726 i Andry Rajoelina raha nanampiana vato 12 087 kosa i Marc Ravalomanana, ireo notononina ireo miampy ny andalana ambany indrindra izay 35 950 ny an'i Andry Rajoelina ary 33 292 ny an'i Marc Ravalomanana  izay manome hoe (13) 35 950+.13 726= 49 676 izay hitantsika alohan'ny ambany indrindra eo amin'ny tabilao faharoa ary ny (25) 33 292+12 087= 45 379 hitantsika eo amin'ny tabilao faharoa ihany.

Dia miverina tamin'ny tabilao fahaefatra farany indray aho, Eo amin'ny andry telo farany havanana isika mahita hoe s.%13 izany hoe raha natao kajy manokana ilay andalana alohan'ny farany dia hevero toy ny hoe bolongana iray ilay alohan'ny farany fa ny ampaham-bato azon'ny (13) izany dia 45% raha 39,76% kosa ny azon'i (25). Mody atao hoe (fa tsy izay ilay izy) tanàna roa samihafa izany ilay eo ambany indrindra sy ny alohan'ny farany io, ka 44% sy 45% no azon'i (13) tamin'ireo tanàna ireo... dia toy izany hatrany avy eo, mandra-piakatra any ambony.

Fehiny: ny tabilao roa voalohany dia fitambaran'isa fa ny fahatelo sy fahaefatra kosa dia ny isa nanampiana nahatonga ilay fitambaran'isa amin'ny roa voalohany. Tsy haiko na azonareo ny resaka na tsia aloha?

 

Mazotoa daholo.

 

 

Mba fantatrao ve? CENI sy ny fampidiram-bato ny kandidà

2018-11-17 @ 02:42 in Politika

Nandany andro aho nanao antontanisan'ny fampidiran'ny CENI ny vaton'ny kandidà anankitelo voalohany hatramin'ny andron'ny 16 novambra 2018.  Elanelam-potoana 46 no nanaovana ny jery antontanisa tanelanelan'ny 8 novambra tamin'ny 17 ora 22 ka hatramin'ny 16 novambra tamin'ny 19 ora katroka. Mampieritreritra ny tsikaritra avy amin'izany. Mariho anefa fa avy amin'ny vokatra ankapobeny avy amin'ny CENI ihany no nanaovako io famakafakana io. Ataoko karazana fanontaniana kely ary ireo tsikaritro tamin'izany:

Fantatrao ve fa tamin'ireo fampidirana ny VATO VAOVAO dia indray mandeha ihany ny kandidà laharana faha-25 no nampidirana isambato 50% mihoatra? Tamin'ny 11 novambra 2018 tamin'ny 23ora 59 minitra irery ihany izany tranga izany (tamin'ny 11 nov tamin'ny 21 ora 20 min kosa ny fotoana fiaingana tamin'izany).  Isan'ny biraom-pifidianana nampidirina 375, isan'ny voasoratra anarana 164 337, isan'ny vato manankery 87 956, vato azon'i ANR 25 924 (29%), vato azon'i MR 47 786 (54,33%), ary vato azon'i RRHM 3480 (3,96%). Eritreritra tsotra be avy aty amiko no toy ny manambara raha io tsikaritra io fa 2,2% (01/46) tamin'ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara ihany no nahazoan'i Marc Ravalomanana 50% na mihoatra izay tsy marina velively. 

Mariho ihany koa anefa fa tamin'io fotoana io irery ihany koa no nampidirana ny vaton'i Andry Rajoelina voaisa ka latsaky ny 30% ny azony, ny sisan'izay dia 30% mihoatra avokoa. Dia miverina ihany amin'ilay tsoa-kevitra etsy ambony aho hoe tsy azo inoana velively kosa raha 2,2% tamin'ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara ihany no nahazoan'i ANR latsaky ny 30%. 

Fantatrao ve fa indray mandeha irery ihany koa ny kandidà laharana faha-13 no nampidirana isambato 50% na mihoatra? Tamin'ny 15 novambra 2018 tamin'ny 8 ora sy 2 min irery ihany izany fotoana izany (tamin'ny 15 novambra 2018 tamin'ny 7 ora sy 6 min ny namoahan'ny CENI ny vokatra talohany noraisiko). Isan'ny biraom-pifidianana nampidirina 142, isan'ny voasoratra anarana 57 256, isan'ny vato manankery 25 479, vato azon'i ANR 12 678 (50%), vato azon'i MR 4 774 (18,74%), vato azon'i RRHM 2 917 (11,45%). Toy ny midika izany fa 2,2% amin'ny biraom-pifidianana rehetra manerana an'i Madagasikara irery ihany no nahazoan'i ANR ny atsasa-manilan'ny vato manankery izay sarotra inoana. Toy ny efa kinendry avy amin'ity tsikaritra ity fa sarotra dia sarotra ho azy ny hahazo izany 50% izany na dia mety hanakaiky io isanjato io aza ny azony manerana an'i Madagasikara. Izany hoe tsy azo eritreretina velively ny tsy isian'ny fihodinana faharoa.  

Fantatrao ve fa mihoatra ny atsasamanilan'ny (52,2%) fampidirana ny vaton'i ANR nataon'ny CENI no nahazoany isanjato anelanelan'ny 40% ka hatramin'ny 49%? Latsaky ny ampahadimy na 19,56% kosa tamin'ny nampidirin'ny CENI ho an'i MR no tranga nisian'izany isambato anelanelan'ny 40% ka hatramin'ny 49% izany.

 Fantatrao ve fa  41,30% ny isanjato nampidiran'ny CENI vato manelanelana ny 30% ka hatramin'ny 39% ho an'i ANR, raha 47,82% kosa ny fotoana nampidiran'ny CENI vato anelanelan'ny 30% ka hatramin'ny 39% voalaza etsy ambony ho an'i MR.

Fehiny, tsy mahagaga raha miahiahy amin'ny vokatra avoakan'ny CENI avokoa ny kandidà rehetra rehefa mahita ny fivoahan'ny vokatra tsikelikely. Efa fantatry ny rehetra rahateo fa tsy fantatra mihitsy, tamin'ny voalohany hoe ahoana no nahazoan'ny CENI  nampifandanja avy hatrany ny vato azon'i ANR sy i MR ka nanomezana tombony avy hatrany ho an'i ANR, na dia hita aza fa i MR no mitarika any amin'ny maro amin'ireo faritra be mponina eto Madagasikara. Ho avoaka ihany ny antontanisa feno raha ilainareo izany.

 

Naninona Rajao no resy be?

2018-11-09 @ 20:43 in Politika

Zavatra vitsivitsy no azo marihina amin'izao aorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena teto Madagasikara taona 2018 izao. Ny zavatra lazaina eto ka nanaitra ny besinimaro dia ny isambato sy ny isanjato kely azon'ny filoham-pirenena farany teto amin'ny firenena, Atoa Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, tsy nampoizina tokoa ny vokatra izay tena kely dia kely tokoa raha jerena tamin'ny naha-filoham-pirenena azy ka mahalasa ny eritreritra hoe inona no mahatonga izany vokatra ratsy dia ratsy izany?---

 

 

Tena ratsy dia ratsy mihitsy angaha ny fitantanana nataony no sazian'ny safidim-bahoaka izy? Sa tsy nanao na inona na inona mihitsy izy nandritra ny fotoana nitondrany? Mba mieritreritra ihany ny tena hoe tsy mendrika ny zavatra nataony sy vitany kosa ilay isam-bato azony. Nisy ihany ny tanàna na renivohi-paritany teo aloha nananganana foto-drafitrasa, ary mba nanantena ihany izy hoe hahay hankasitraka ny zava-bitany ny tao amin'ny tanànan'i Fianarantsoa sy ny manodidina, satria heveriko fa tao no anisan'ny nomena tombondahiny manokana amin'ireny foto-drafitrasa ireny. ---

Azo singanina ihany koa fa nandritra ny fotoana nitondrany no nananganana ny fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisampirenena eo Ivato sy ny fanitarana ny trano goavana mifandraika amin'izany. Fotodrafitrasa tsy maintsy natao izany satria io no vavahadin'i Madagasikara misokatra amin'ny any ivelany, nefa efa kely loatra sy toa zary efa nilaozan'ny toetr'andro ny fotodrafitrasa misy amin'izao fotoana izao. ---

Etsy ankilany, tsy lavina fa misy ny foto-drafitrasa noheverina ho reharehan'i Madagasikara tamin'ny nandraisana ny fihaonana an-tampon'ny Fikambanana miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay. Nisy ny fotodrafitrasa natsangana, toy ny Village Voara (dobla V), saingy tsy vita hatramin'ny farany ny fananganana io toerana io ka zary henatra ho an'ny firenena, ny trano fandraisam-bahiny mihaja "an'olon-tsotra" ao Ivato indray no vita tsara sy natao handraisana ireo delegasiona avy any amin'ny firenena maro. Mifanila amin'izany ihany koa ilay lalana mampitohy an'Ivato Seranana amin'Isoavimasoandro izay nanify loatra ny tara natao taminy sady tonga dia lavadavaka be raha vao nandalovan'ny orana indray mandeha monja. Asa kitoatoa ka niteraka fahatezerana ho an'ireo nahita izany. ---

Tsy adinoina ihany ny ny tantara nanafintohina tamin'ny 'carte grise' sy 'permis' lazaina fa "biometrique" izay naloa tamin'ny vidiny lafo dia lafo. Efa nitaraina ireo nahatsikaritra fa tsy misy izay maha-"biometrique" ireo zava-droa loha ireo saingy norahonana ny hogadraina fa manakorontana ny fiainam-bahoaka. Kanjo Malagasy iray monina tany Etazonia, nilaza fa tsy izy ary tsy "biometrique" mihitsy ireo taratasy roa ireo, dia mody nolazaina fa misy rindrambaiko manokana mamaky ny zava-boasoratra ao anatiny. Ny zatra zavatra "biometrique" mahafantatra avy hatrany fa misy zavatra tsy milamina matoa tsy namoaka na inona na inona rehefa tarafina ilay kaody QR maha-biometrika ny biometrika. Efa hifarana ny fehim-potoana fiasana vao niaiky fa hay tsy nilamina tokoa ireo taratasy nosandaina volabe ny nanaovana azy, sady nandaniam-potoana lava dia lava. Alahelon'ny olona tany anaty ireny ka tany amin'ny fandrotsaham-bato ny olona no nanasazy ireo mpitondra voasaringotra tamin'ireo raharaha ireo ka niezaka ny hirotsaka hofidiana. ---

Lesona ho an'ny mpitondra manaraka io toe-javatra io fa ny tsy tokony hohadinoina dia kandidà nanoloana olona hafa tsy navela hirotsaka io rangahy iray nitantana an'i Madagasikara tao anatin'ny dimy taona latsaka io. Nanjary anaram-bositra azony nandritra ny fotoana nitondrany ny hoe "Rajaonarimampiesona". Saingy tamin'ity fifidianana ity ihany koa no nahitana hoe raha nampiesona izy dia nisy kandidà iray mbola "original" kokoa tamin'ny fampiesonana... ary ny tanora sy ny midoka tena ho mbola tanora no tena roboka sy sodòkan'ny fampiesonana ataony, saingy avelao ho tantara manaraka indray ny amin'izay...

Misehoa! Zarao ny fandresen-dahatrao!

2018-10-25 @ 00:05 in Politika

Dimy volana nanoratana tamin'ny fiandohan'ity taona ity... dia tsy hita indray dimy volana manaraka izay. Nanao tsidi-pahitra ihany tsindraindray nefa misy ny fotoana maniry indrindra ny hanoratra indray saingy tsy mety tafa. Tena mila finiavana be vao mahasoratra. Fa fotoam-pifidianana isika izao ka misy ny tsy maintsy soratana ho fitadidiana, araka ny efa vakianareo mahazatra. Dieny aty am-piandohana dia mariho fa ny teny mahazatra antsika hoe propagandy dia soratako hoe fanentanana fa tsy fampielezan-kevitra. 

Mila tadidiana ary fa tamin'ity taona ity, nisy fiovana filamatra ny fanentanana mialoha ny fotoana, afaka manao ny fanentanana goavana mialoha ny fotoana voafaritry ny lalàna sahady ny kandidà amin'ny fitetezana faritra, ary tena nitarika sy nanjakazaka tamin'izany toe-javatra izany Atoa Andry Nirina Rajoelina, filoha mpanorina ny vina IEM, tsy nanan-kambara loatra ireo rafitra tokony hifehy ny toe-draharaha fa ny hany re dia hoe rehefa tsy manao hoe "Fidio aho" na "Fidio Ranona" izy dia tsy mandika ny lalàna izy izay. Hany ka roboka ihany koa ny kandidà sasantsasany mba nitety faritra fa andeha atao hoe niasa mangina izy ireny fa tsy dia re loatra, tsy nanana haino aman-jery mpanohana mivantana manko.

Vao nanomboka izany ny fotoam-panentanana voafaritry ny lalàna dia niparitaka avy hatrany nanerana an'i Madagasikara ny t-shirt amin'ny loko laoranjy ahitana ny sarin'i ANR izay efa notononiko etsy ambony. Heverina ho very lavitra dia lavitra kosa ny hafa, saingy hay efa nisy ny niova famindra sy fomba fitaizana olona. Efa mahazatra tamin'ny andron'ny Arema ny loko mena midorehitra saingy tsy dia tena hoe betsaka no nitafy ireny fitafiana ireny. Nisantatra ny fizarana t-shirt ho an'olona maro dia maro kosa ny kandidà sady Ben'ny Tanànan'Antananarivo tamin'ny taona 2001. Nahatadidy mihitsy aho fa nisy hevi-dRatsiraka Didier Ignace (na mety ho avy amin'ny mpanohana azy) nampitaha ny hetsika TIM tamin'izany ho toy ny fanaon'ny Nazi tany Alemaina satria tena izaitratra ny isan'ireo t-shirt niparitaka ireo. Azo heverina ho mitovy tamin'izany ny fiparitaky ny t-shirt miloko laoranjy tamin'ity taona ity.

Ny tsikaritra hafa: nitobaka tokoa ny vola lanian'ny kandidà iray mandritra izao fotoam-panentanana izao, ny masoko mihitsy no nahita tao Anosimiarinimerina Avaradrano, teo anoloan'ny QG-n'io kandidà io ny vola nozaraina ho an'ireo nentina fiara hitety tanàna rehefa niandry fotoana maharitraritra tao anatin'ny hain'andro mingaingaina tamin'ny Asabotsy 20 oktobra 2018 lasa teo rehefa ho tolaka ny andro. Hita ihany koa fa saika goavana hatrany ireo karazana QG an'io kandidà io. Trano lehibe goavana azo atao Banky mihitsy ny QG etsy Ankadikely Ilafy raha efitrano kely iray ambony rihana kosa ny Foibem-panentanana an'ny TIM eo Ankadikely Ilafy ihany. 

Tsikaritra ihany koa ny fitiavan'i ANR mamandrika fotoana hanaovana fandaharana manokana indray miaraka ho an'ireo fahitalavitra telo manana fantsona ao amin'ny Canal+ dia ny KoloTv, ny Viva ary ny TvPlus. Tadidinareo ve ilay fotoana manokana tamin'ny volana avrily niarahan'ny Depiote Mapar-Tim-MMM-Indépendants iny? Ilay nilazan'ny Depiote Guy Rivo Randrianarisoa voalohany iny fa hanao tatitra eo amin'ny tokotanin'ny Lapan'ny Tanàna ny depioten'Antananarivo e! Iny no notohizan'i ANR ka na izy sy ny mpanolotsainany no nandrafitra ilay hetsika 21 avrily 2018 na nahay nanararaotra ny fahazoana mampiaraka ireo fantsona miisa telo "misandrahaka" manerana an'i Madagasikara izy mba hampiely haingana ny vaovao avy aminy. Dia toy ny mahatsinjo ny valin'ilay fanontaniako tamin'izany aho hoe tompon-kevitra ve ny depiote TIM sa kofehy nanara-panjaitra tamin'iny hetsika iny.

Raha nirobaroba tamin'ny vola ary ny kandidà sasany dia toa zara raha nisy kosa ny t-shirt ho an'ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana? Fa angaha tsy maharaka intsony ny vola? Saingy misy toe-tsaina amboarina ao ambadik'ilay fahavitsian'ny t-shirt, raha ny fijeriko manokana: Satria Marc Ravalomanana no nisantatra tamin'ny fanamaroana azy ho an-tapitrisany 17 taona lasa izay, dia te-hametraka kosa izy amin'ity taona ity fa tsy voatery zaraina t-shirt ny olona vao hifidy na hampandany anao. Taratasy kely nantsoiny hoe "Manifesto" na "fanomezan-toky (miisa 10)" indray no nezahiny hozaraina amin'ny olona sady nilazàny hoe tehirizo iny fa iny no hotanterahana raha vao lany aho. Nahita ny fahombiazany ve ny mpanohana an'i ANR fa dia mba lasa ihany koa ry zareo nametraka ny hoe "Velirano miisa 13" ifanaovan'ny kandidà amin'ny vahoaka.   

Nahita ihany koa isika fa feno ny hiran'ny mpanohana an'i ANR na ny radio na ny fahitalavitra rehetra ankoatra ireo izay tsy mety handray azy ireny. Mahita ihany koa isika fa manokana ny dokambarotra any amin'ny faran'ny pejin'ny gazety maro ny mpanohana an'i ANR n°13 ankoatra ny gazetin'ireo mpanohana mivantana an'i n°25 na n°12. Mahita izany rehetra izany ny mpanohana an'i n°25 dia gaga fa tsy mba manokana pejy iray feno tahaka izany ny kandidà tohanany na dia any amin'ireo gazety malaza amin'ny fanohanana azy aza fa sarin-dRatsiraka n°21 indray aza no hita amin'izany. Dia velona ho azy ny fisantarana andraikitra avy amin'ireo olom-pirenena tsy manaiky ny ho resy tsy miady.

Fihaonana miavaka amin'ity fotoam-panentanana ity ny fanao isaky ny Asabotsy ao amin'ny kianjan'ny demaokrasia ao Ambohijatovo Antananarivo. Satria tsy misy ny fizarana t-shirt ho an'ny mpanohana dia ireo mpanohana indray no mifanangom-bola hanaovana izany ho azy ireo. Misy ny manjaitra ny akanjony manokana ho entina amin'izany fihaonana izany. Dingana iray hafa dia hafa tsy fahitan'ny teto teo aloha izany. Lasa misy isan-karazany sy mamoaka ny fahaiza-mamorona ao aminy ny tsirairay... tsy miandry tolorana toy ny hafa intsony. Efa mampiditra toe-tsaina olompirenena tompon'andraikitra izany fa tsy zary ho mpangataka lava izao. Koa na ho inona na ho inona voka-pifidianana dia efa manana tombony ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana amin'ny fizorana mankany amin'izay maha-olompirenena tompon'andraikitra (sy ho mpitarika=leadership) izay. 

Aiza ho aiza amin'izany toe-javatra izany kosa ary ny mpanoratra? Lazaiko anareo etoana fa tsy ao amin'ny Facebook ihany aho no lasa manentana fa eny an-kianja ihany koa. Teo am-piandrasana ny fandalovan'ny vadin'ny kandidà n°25 avy any Volonondry tamin'ny Talata lasa teo, raha toa lasa hira fotsiny no nandany ny fotoana fa tsy nisy loatra ny fandraisam-pitenenana dia nandray ny fanamafisam-peo aho ary nanao karazana fanentanana tamin'ny alalan'ny famakiana fotsiny ny Manifesto narahina fanazavana vitsivitsy, araka izay hita tamin'ny fahitalavitra ihany. Tsy menatra manoloana olona maro tsy fantatra intsony fa ny be ao an-tsaina dia hoe rehefa tsy izaho no hiteny dia iza indray?  Dia izay no mahatonga ny lohatenin'ity paositra ity ho tahaka izao: Misehoa, zarao ny fandresen-dahatrao. Tsy voatery hanao ny tahaka ny nataoko mandray mikrô fa amin'ny fifampiresahana amin'ny olona fotsiny... mety hampisy zavatra ho azy izany, tsy voatery hifanasa vangy fa maneho tsotra fotsiny ny tsi-fitovian-kevitra rehefa sendra izany. Dia izay... Omena anao ny sehatra.

Raha miala Rajao dia ahoana ny tohiny?

2018-05-06 @ 02:38 in Politika

Araka ny efa nosoratana teo aloha dia ny "Miala Rajao" no tarigetran'ny eny an-kianja amin'izao fotoana izao. Mpanara-baovao ihany ny tena fa toa tsy hita soritra ny fahavononana hifampiresaka na hifampiraharaha, ka raha misy ny olona te-hanao izany fifampiresahana na fifampiraharahana izany dia tondroina avy hatrany ho mpamadika ny tolona. Nosoratako ihany koa moa talohaloha tao fa hoe namoaka mpianatra ny mpitolona, efa mazavazava kokoa fa teny Nanisana teny hatrany no niaingan'ireo tanora manakorontana sekoly teto Antananarivo, heverina fa noho ny fahakamoana hianatra no tena antony, fa tsy dia nisy idiran'ilay tolona loatra fa ilay tolona fotsiny no natao fialana bala.


Mivantana moa ny teniko ary mbola voatazona indray ny anaran'ity bilaogy ity hoe "Hevitra Mpanohariana", satria efa manohitra kokoa ny zavatra atao eny an-kianja, mety holazaina ihany koa ho "mpamadika ny tolona", fa averiko ilay fomba fitenin-dRamakavelo, Jeneraly misotro ronono sady poeta, izay hoe "tsindrilentam-pahefana", maninona moa aho raha mba mametraka ny hevitro hosaintsainina fa tsy terena hanaraka am-bokony ny baikom-pitolomana? Koa aza tsiny raha mety hanafintohina ny mpamaky ny zavatra soratako fa izay aho, mamoaka ny hevitro dia samy mandini-tena avy eo. 


Nandeha ny sahoan-dresaka fa "nifampiresaka mangingina teny Iavoloha Rajaonarimampianina sy Ravalomanana" ary efa in-droa mihitsy aza izany fihaonana izany. Raha ny fihaino ny kabarin'ny depioten'Antananarivo I avy amin'ny TIM dia mety ho marina ilay sahoan-dresaka, maro no tafintohina, indrindra fa amin'ny mpitolona, fa tsy izany kosa ny mpanoratra fa faly aza, satria efa misy izany ny fifampiresahana na natao mangingina aza, satria na ahoana na ahoana tsy maintsy hiafara amin'ny fifampiresahana ampahibemaso aza izany, raha tiana hilamina ny firenena, fa sanatriavina kosa ve dia ady mitam-piadiana no tadiavina?... Avy amin'ny fandrenesana ny kabary eny an-kianja no azo iheverana fa te-ho mpitari-tolona, andry manokana tsy te-hiankina amin'ny mpitarika azy ny depiote TIM eny, tsy mahasahy milaza mahitsy ny lalan-kizorana sy ny tanjona farany satria tsy tanjona ny fanalana an-drajao fa dingana fotsiny ihany, fa maniry aho mba ho diso ny fijeriko amin'izay fiheverana izay.

Ka fanontaniana ary no apetrako hoe: Raha miala Rajao dia ahoana ny tohiny? Iza no handray ny toerany? Ahoana ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny fiainam-pirenena, eo amin'ny toe-karena? Sa hiandry ny tafika handray fahefana? Manahy aho fa lasa mandeha an-jambany fotsiny ilay tolona fa mbola mitsapatsapa amin'izay lalan-kalehany, raha tsy hoe efa voapetraky ny hafa tsara ny tetipanorony fa ny sasany kosa zary kofehy manara-panjaitra satria efa natomboka ihany izy ity?


Lasa miverina kely amin'ny tantaran'ny 2009 aho. Raha ny fomba famaky ny tantara tamin'izany fotoana izany dia nanao izay tsy hifanatrehana hifampidinika Ravalomanana, fony mbola teo amin'ny fitondrana. Aty aoriana isika vao nahita fa ny lehiben'ny delegasiona notondroiny ho eny kay efa miara-dia miafina amin'ny mpitolona (ka nandrisika an-dRavalomanana hoe aza tonga aty ianao fa tahaka ny hafahafa aty amin'ny Le Hintsy Ambohimanambola aty), ary ry zareo mpitolona kosa saiky hanao rodobe tsy hanaja ny fetr'isan'izay tokony handray anjara fifampidinihana. Nandeha daholo ny karazam-pitapitaka mialoha na mandritra ny fifampidinihana hanaratsiana ny andaniny na ny ankilany. Amin'izao fotoana izao, izay mihevi-tena ho manana ny hery sy ny vahana tsy manaiky hifampidinika nefa izay no lesoka voalohany ao aminy, sa mahatsiaro kosa izay natao tamin'ny taona 2009?


Manaraka izany indray dia karazany mampihomehy ihany koa ilay hoe alaina any amin'ny toeram-piasany any amin'ny minisitera ny mpiasam-panjakana, noho ny ramatahora. Olondehibe ireo mpiasa ireo ka tsy tokony ho alaina izany fa ry zareo no mamaha ny olany amin'ny fahaizana miara-mientana fa matoa ry zareo tsy mandeha dia tsy manana ilay faharisihana handeha mihitsy, fiheverako samirery izany. Tamin'ny taona 1991, nikatso tanteraka ny asam-panjakana teto Antananarivo, tsy nisy mpiasa intsony na nisy fa tena vitsy ny mpiasa nijanona tamin'ny minisitera, fanaterana minisitra no natao tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny taona 2009, fanaterana minisitra an-dalambe no natao tamin'izany, tsy voatery ho betsaka na vitsy ny olona isaky ny minisitera, fa tsy nitovy velively tamin'ny taona 1991 kosa ny fikatsoan'ny asam-panjakana. Taona 2018, fitetezana minisitera tsy manatitra minisitra fa maka mpiasa, nefa hoy aho hoe raha alaina ilay mpiasa dia tokony ho isan'andro no maka azy fa tsy indray mandeha iny ihany. Mivadika tanteraka ny fomba fitolona ary tsy tokony hitovy velively rahateo. 


Koa raha fehezina ny resaka dia izao: marina fa efa nataonareo ny tolona ary efa malalaka ianareo amin'izay atao eny an-kianja saingy mba miangavy ihany ny hanokafam-baravarana isian'ny vahaolana tsy miantraika ratsy loatra amin'ny toe-karena. Sa hifanendry ho minisitra indray ianareo nefa efa nambaran'ny tafika sy ny polisy fa tsy hanaiky toe-javatra tahaka izany velively ry zareo? Torohevitro: ianareo no manondro ny andro sy ny toerana ihaonana sy ny lohahevitra ifampidinihana dia anjaran'ny hafa ny mieritreritra raha te-hanavo-tena amin'ny alalan'ny fanetre-tena ry zareo na mbola ho diso eritreritra ao anatin'ny avonavona ihany. Fitadiavam-bahaolana haingana io fa lasa tolona lavitr'ezaka be izany fitadiavana hanaisotra ny filoha tsy mandalo fombafomba avy amin'ny HCC izany, ary ny HCC rahateo toa tsy teren'ny lalàna hamoaka ny didiny ao anatin'ny fotoana voafetra... Azonareo atao ny mitondra ny kibay (miala Rajao) fa tokony hisy kosa ny karaoty (dinika an-kitsimpo) avy aminareo dia hita ho mahay mitondra ianareo fa tsy ny mpitolona no avezivezy etsy sy eroa ho reraka ambony ihany.  


Dia izao ihany koa, tsy nety mihitsy ny isan'ny depiote nofidiana tamin'ny taona 2013 iny satria nokendrena hahavitsy ny solontenan'ny faritanin'Antananarivo taloha nefa natao hahabe isa ny tany amin'ny faritany... Na raha tsorina dia hoe nokendren'ny MAPAR iny hahabe isa an-dry zareo ary dia betsaka tokoa ry zareo nivoaka avy tao, fa izao kosa lanjalanjao izay tena tokony ho isan'ny depiote hifanaraka kokoa amin'ny isan'ny mponina amin'ny fari-pifidianana misy azy avy. Hevitra tsy maintsy atsipy ireo...

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox