Akon'ny tenin'ny filoha teny Ivato omaly

2007-05-19 @ 10:42 in Politika

Niteny ireo olona akaiky azy ny filoha hiantso ny mpanaogazety rehetra na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Olona tezitra araka ny fitantaran’ny mpanao gazety azy no hita tamin’ny endriny : Nivoara-mena tahaka ny kravato nanaovany mihitsy ny filoha, hoy ny tao amin’ny gazety « Ao raha ». Amin’ny teny malagasy manontolo rahateo ny resany fa tsy tamin’ny teny frantsay tsy akory.

 Rehefa avy nanao tatitra fohy momba ny diany avy tany Shangai Shina izy dia lasa amin’izay ny fantsy ho any mpitondra fivavahana : « Mbola mitambesatra loatra aminay ny vesatry ny fanjanahan-tany ka matahotra izahay, tsy sahy izahay koa ampaherezo izahay rehefa tratran’izany tahotra izany. Ankehitriny isika efa miezaka ny hitandro ny fiandrianam-pirenentsika. Manomboka izao dia miantso ny vahoaka Malagasy aho ho sahy amin’izay, hiara-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy misy hambahamba intsony…

 Ianareo izay hanao mission aty na hanao asa soa dia ny iraka nampanaovina anareo atao fa aza mitsofoka amin’ny raharaham-pirenena malagasy indrindra fa ny politika. Tsy manome fotoana fohy akory aho handehananareo mody. Sahiko ny miteny izay. Taloha izahay no tsy maintsy naka hevitra tany aminareo sy ni-rendre compte taminareo fa amin’izao fotoana izao efa tsy izany intsony. Efa manana ny fiandrianam-pirenenay izahay.

 Ho anareo Masoivoho vahiny mihevitra ny tenany hametraka fanontaniana na hanotanintany. Tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranonay aty ianareo amin’ny resaka politika. Rehefa tsy hainareo ny mipetraka dia ahorony ny entanareo dia mandehana mody. Ny masoivohonay angaha any aminareo mba mitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokatranonareo any aminareo any ? Mipetraka tsara izy ireny any.

 Momba ny mompera Sylvain Urfer indray efa fantatro tsara izy. Tamin’ny naha-Maire ahy, asaivo manontany ny tenany izy ary anontanio ny fikambanana katolika hoe iza no nibahana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe tsy ho amboarina tamin’izany fotoana izany ? ». Hatreo dia tsy nanda mihitsy izany ny filoha fa avy aminy izany ny baiko nandroahana ny mompera. Toa vao maika aza nanamarina ny tenin’ny mompera izy tamin’io lafin-javatra hafa io.

Nanao ahoana kosa ary ny ako voalohany ?

 Tena nizara tokoa ny olona fa maro an’isa kokoa ireo nanohana ny nataon’ny filoha. Toy izao kosa ny hevitra fanoherana sasantsasany niboraka avy tamin’ny karajia androany : Manao teny an’avona mihitsy ny filoha, Olona avy natory tao anaty fiaramanidina ve ny tairina amin’ny fisesehan’ny fanontaniana tsy ho teny maneho fahatezerana toy ireny no hivoaka ? Tamin’ny taona 2000 na 1999 dia natao interview tao amin’ny tv5 ny mompera Pedro(Opeka), nanakiana mafy ny fitondrana tamin’izany fotoana izany izy nefa dia mbola afa-niditra soa aman-tsara teto amin’ny firenena ihany. Tamin’ny taona 2002 dia mbola nantsoin’ny tv5 ihany izy ka nanasohaso ny fitondrana fotsiny no nataony nefa dia mbola tafiditra teto Madagasikara ihany ny tenany.

 Ireto ihany koa ny hevitra hafa : tamin’ny taona 2002 ireny dia nisy teratany frantsay nilahatra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Moa tsy tonga dia nalefa nody avy hatrany ireny olona ireny raha nanao izany ny fitondrana tamin’izany fotoana izany ? Ny masoivoho anglisy tamin’ny nitondran’ny filoha dia nanasohaso fatratra ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Inona ny vokany ? nasaina nody ilay masoivoho dia foana teo ny Masoivoho anglisy teto Madagasikara. Tsy nandroaka ilay olona ny Malagasy fa ny tany Angletera mihitsy no nampody ilay olona nanasohaso be ny fitondrana teo. Inona no nataon’ilay olona avy eo ? Niverina teto Madagasikara izy dia nanangana ONG (ny marina dia nitantana ny tahirim-bolan’ny prezidansa ny lehilahy). Ny tsikera mampihomehy moa dia hoe manao mizana tsindrian’ila ny fitondrana fa izay manasohaso tsy mba roahiny fa ny mitsikera ihany no roahiny…zavatra mazava be tsy mila hazavaina akory ! 

Tsy tokony idiran'ny frantsay

2007-05-16 @ 15:14 in Politika

Efa saiky omaly moa izy ity no navoakako saingy ninia nihaino ny hevitry ny hafa ihany koa aho aloha. Efa hitan’ny rehetra satria natao lohatenim-baovao sy ngeza tokoa teo amin’ny pejy voalohany ny alahelon’ny fitondrana frantsay nanoloana ny fandroahana ilay mompera Zezoita hiala teto Madagasikara. Nanaitra ny hambom-pon’ny maro teto antanindrazana ilay filazana ofisialy nataon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny frantsay.

 Raha nieritreritra ny mpanao gazety nametraka ny vaovaony ho tena matoany dia hafa dia hafa kosa ny nandraisan’ny mpamaky ilay vaovao. Ny mpanao gazety no mety hanao hoe hanimba ny fifandraisana amin’ny roa tonta io ary matoa ny frantsay miteny tahaka izay dia tena zavatra tsy rariny ilay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana malagasy. Toy ny nametraka moa ry zareo fa noho ny famoahan-kevitra nataon’ilay teratany frantsay no nahatonga ny fandroahana azy. Eo dia tahaka ny hoe mahazo miteny sy mitsikera ny ataon’ny eto nefa mipetraka eto an-toerana ny teratany vahiny.

 Ny mpanara-baovao kosa dia nametraka avy hatrany fa raha fandroahana amin’ny mahamisionera azy no natao taminy dia ny any Vatikana aza no tokony hiteny sy hilaza ny alahelony ary hanontany ny antony fa tsy ny frantsay na oviana na oviana. Ny hitory ny evanjely no tokony andehanany aty fa tsy ny hitsabaka amin’ny raharaha politika malagasy afa-tsy hoe mangataka izany ny manam-pahefana eto an-toerana. Vatikana araka ny heviny (izaho moa protestanta ka tsy tena mahalala ny ba sy bi…ny) no naniraka io olona io ho tonga teto Madagasikara. Tsy i Frantsa no tokony haneho ampahibemaso tahaka izao ny heviny manoloana ity raharaha ity.

 Ny tsara marihana dia izao : tampoka no nandefasana ilay teratany frantsay ka azo eritreretina ihany fa noho ny hamehana sy zavatra tampoka izany no nandefasana ilay olona. Tamin’ny nandefasana ny mpiambina manokana ny filoha (JMK) iny dia ny laza fa nandona olona teny Talatamaty ny soavaliviny no nisy ihany koa fahatratrarana karazana soavalivy mitovy amin’ny azy teny amin’ireo olona mpaka takalon’aina nalaza tamin’izany fotoana (Lama sy Mahandry). Roa andro raha be indrindra dia tsy maintsy niala ny faritry Madagasikara ranamana raha vao niandoha ny fanadihadiana. Amin’izao fotoana izao moa dia efa mipetraka eto an-tanindrazana indray ranamana io na dia tsy miambina ny filoha aza.

 Rehefa tsy nety nolazaina manko ny antony dia tonga daholo izao karazana tsahotsaho rehetra izao. Tsy fantatra intsony izay marina sy tsia fa misy moa ny resaka heno tena ratsy dia ratsy tokoa nefa tsy mendrika ny hosoratana eto izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mamoaka izany raha te-hamoaka izy fa angamba metimety kokoa raha mifampitony ny rehetra amin’ny zavatra tsy hahazoam-baliny intsony araka ny fahitako azy hatramin’izao.  

Ilay tetika saiky namonoana ny filoha

2007-05-09 @ 16:49 in Politika

Efa manomboka mivoatra tsikelikely ihany ny fanadihadiana momba ilay fanonganam-panjakana saiky notontosain’ny sasany tamin’ny alina mialoha indrindra ny fitsapa-kevi-bahoaka farany teo iny. Isika mahatadidy fa folo andro taorian’ny andro saika hanaovana ny hetsika indrindra no nilazan’ny praiminisitra io raharaha iray io. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy nino ny ankamaroan’ny olona. Noheverina ho « sarimihetsika » nambara fotsiny izy io hanodinana ny resaka izay somary efa nihamafana tamin’izany fotoana izany. Moa ilay andro koa Zoma faha-13n’ny volana. Nanomana hamoaka fanambarana indrindra ny mpanohitra tamin’izay fotoana izay.

 Avy eo ny gazety iray amin’ny teny malagasy no nahitana ny paik’ady saiky natao tamin’io fotoana io. Ny nambara moa dia hoe saiky hotifirina ny tafondro hatrety ampita (Ambatovinaky) ny trano misy ny filoha Ravalomanana. Izaho manokana dia tsy nino io fomba fitantara io. Ny lafintrano aiza moa no tena kendrena amin’ny tafondro ? azo itokiana ve fa tena ao tokoa ny filoha Ravalomanana amin’ny ora hanapoahana izany tafondro izany ? Heverina anefa fa tetika hivoahan’ny marina avy tamin’ny gazety taratra ihany io fitantarana somary kinanga io. Na izany aza dia misy ny lafiny azo heverina ho marina tao anatin’ny lahatsoratra dia ny filazana fa tsy nitovy ny vola raisin’ny tsirairay tao anatin’ny fanomanana fa ny tena miasa mafy indray no kely vola raisina indrindra. Nanindry bokotra fotsiny manko ny hafa nefa te-hisilaka vola bebe kokoa noho ny hafa. Io fitiavan-tena diso tafahoatra io rahateo no mety ho nampandamoka ny tetika rehetra.

 Manana loharanom-baovao ihany koa aho, saingy mbola anjarantsika ihany koa ny mamakafaka na izy ilay tantaraiko etoana na tsy izy ihany koa. Efa ela no nahazoako azy ity saingy tsy te-hamoaka azy mihitsy aho noho ny fanadihadiana mbola mitohy. Na izany aza efa fotoanany angamba izao hamoahana ny tetika nomanina.

 Ny mpandray anjara dia miaramila avokoa ary azo heverina fa ao amin’ny vondro-tafika mpiaro manokana ny filoha ihany na manana fifandraisana akaiky amin’ny vondro-tafika miaro ny filoha. Ny fotoana dia amin’ny alina mazava loatra ary mandritra ny fotoana fisafoana ireo mpiambina ny filoha. Tsy amin’ny alalan’ny fidirana amboletra, araka izay efa naely ombieny ombieny, fa tena amin’ny fomba tsotra mihitsy. Tonga eo amin’ny vavahady dia miarahaba ny mpiambina sy manatsafa. Mazava loatra fa tsy maintsy misy manamboninahitra ambony ao anatin’izany mpisafo izany. Avy eo milaza fa hisafo ny tanàna manontolo sy hijery ny manodidina. Amin’io izany dia ny lehibe no tena miresaka. Manana olom-pehezina manaraka azy ireo lehibe ireo na dia izany aza. Amin’izany fotoana izany tsy misy fandrarana hoe tsy mahazo mitondra fitaovam-piadiana satria sady miaramila ireo no mpisafo rahateo.

 Rehefa tafiditra anatiny tsara dia anjaran’ny olom-pehezina sisa no mampiasa ny basiny indrindra fa rehefa akaiky ny filoha ka tsy afaka ny hiraty ny tifitra mihitsy (eto aho dia mieritreritra hoe raha tena nitifitra tokoa ranamana na ry zalahy dia ilay na ireo lehibeny nitarika azy ihany no nitifitra azy na azy ireo voalohany ). Teo indrindra no mety ho mailo tampoka ireto olom-pehezina no tsy nanatontosa ny andraikiny intsony. Ny baiko moana mety ho nisy fa ny hiteny ny baiko tsy ho azon’ireo lehibe natao mihitsy. Mety ho nifampiandry kendri-tohina ry zalahy samy « mpanafika » dia samy tsy nahavanona. Tsy ho andraikitry ny lehibe mihitsy manko ny hitifitra avy hatrany ny filoha fa ry zalahy olom-pehezina ihany no tokony ho nanao izany. Iretsy anefa tsy nety nanatanteraka ny baiko efa nifanarahana mialoha. Farany, andao andeha hivoaka sisa no vita. Rava maina teo ny tamin’iny.

 Tezitra iretsy lehibe ka nampihorohoro an-dry zalahy madinika moa ireto farany matahotra ny ainy sy ny an’ny vady aman-janany koa naleony nitono-tena tamin’ny manampahefana sady nitantara ny tetika rehetra. Izany hoe nety dia nety ny tetika fa zavatra roa no mety nampiahotra ny mpanatontosa farany. Na dia tena resaka ara-bola araka ny nambara tokoa na tsy natoky tampoka ny amin’ny fomba ivoahana ny toerana tsy maninon-tsy maninona ry zareo. Mety ho misy koa antony hafa, mbola tao ny Fanahy Masina hoy ny mpivavaka kristiana, saingy tsy mahita intsony aloha izaho manokana. Marihiko farany fa io ny an’ny loharano azoko. Tsy voatery ho diso io nefa tsy voatery ho marina ihany koa. Ilay fizotry ny tetika sy antony mety ho nampandamoka azy ihany ireo nambarako ireo.

Bye Bye Ravinala sy fanendrena vaovao

2007-05-08 @ 07:24 in Politika

Izay vao tena tsy hita nanjavonana intsony. Raha vao resy tamin’ny fifidianana ny kandidà Ratsirahonana Norbert Lala dia namidiny ny radio televiziona ravinala. Nalaza moa fa ilay mpanomana fampisehoana « Live » izay fantatra amin’ny anarana hoe Andry TGV (Andry Rajoelina no anarany feno) no nividy azy. Dia nihevitra ny maro fa hifaninana amin’ny rta izy io amin’ny famokarana fandaharana miompana be dia be amin’ny kolontsaina.

 Raha mbola ravinala ny ravinala dia tao no tena nahenoana sy nahitana adi-hevitra isan-karazany. Na radio na televiziona dia afa-niditra sy nandray anjara hatrany na ny mpanohitra na ny mpanohana. Azo heverina fa ny mpanohitra aza no nahazo vahana kokoa amin’ny fahazoana fitenenana. Raha somary mikatona kokoa ny mbs dia tao amin’ny radio tele ravinala kosa no nahenoana ny hevitra maro na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra. Karazandrazan’ny nanana fahafaham-po noho izany izay mpanaraka adi-hevitra indrindra fa misahana ny politika.

 Noesorina avy hatrany ny anarana hoe ravinala sy ny famantarana ny radio tele ravinala fa nisolo halavan’onjam-peo sy sary fotsiny rehefa nandray an-tanana azy ny mpitantana vaovao. Niandry ny maro amin’ny fivoarana mety ho entin’ity mpitantana vaovao ity saingy sarimihetsika sy hirahira ihany no tena mifandimby. Foana avokoa ireo adi-hevitra isankarazany. Tsy maheno ireo karaza-kevitra loatra intsony izay liana ny amin’izany eto Madagasikara. Noheverina ho tetezamita ihany anefa izay tsy fahenoana fandaharana miompana amin’ny adi-hevitra politika izay mandra-pahavita ny fandaminana vaovao.

 Herinandro anefa izay dia tsy nandeha intsony ilay televiziona vao novidiana. Dia re ihany koa fa lasan’ny groupe PREY ny rta ( ny groupe REY no fantatro fa tsy io PREY nosoratan’ny gazety io, Razafindravaha Edgar Yvon ilay REY, avy any Imerinkasinina ihany koa araka ny tsiliantsofina). Saingy tsy any amin’ny rta moa ny resaka izao fa ilay tele tsy mandeha intsony. Tsy rta no tsy mandeha intsony fa ny ravinala teo aloha. Nandrasana ny faran’ny herinandro fa tsy nisy na inona na inona intsony. Izay izany no izy amin’ny resaka sy adi-hevitra politika.

 Ny karajia sisa no tena fanehoan-kevitra. Ny kidaona maraina manko an-dry zalahy mpanentana ihany ny tena famoahan-kevitra fa vazivazian-dry zalahy raha vao somary matotra ilay resaka hany ka tsy tia miditra amin’io intsony ny mpiady hevitra. Tokana sisa no tena misahana politika eo amin’ny samy mpihaino. Misy ihany ny « invité du Zoma » sy ny isan’alahady ao amin’ny tvplus saingy tsy ampy, ny savaravina ao amin’ny rnm moa dia olona tsy mahazo 1% matetika no mahazo laka ao ka tsy manintona ny mpihaino loatra. Noho izany, ho banga dia banga eo amin’ny mpanara-baovao sy mpanaraka adihevitra politika ny fanjavonan’ny radio tele ravinala izay be fandaharana politika (sy sosialy) tamin’ny androny. Tsiaro azy sisa no antony hanoratana ho azy etoana.

 Fanendrena vaovao

 Nisy filankevitry ny minisitra moa omaly alatsinainy maraina. Ny tena nanaitra ny olona indrindra dia ny fanomezana tambiny Ar100.000.000 izay olona na vondron’olona manome vaovao ahazoana misambotra an’Atoa Pety Rakotoniaina Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Fa ny tena lava tao amin’ny tatitra dia fanendrena mpiasam-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Nahatratra 33 izany fanendrena izany ka 19 amin’ireo no lehilahy ary ny 14 kosa no vehivavy. Mbola tsy tena nitovy tsara noho izany ny isan’ny lehilahy sy ny isan’ny vehivavy notendrena.

 Na izany aza dia 2 amin’ny fanendrena filohan’ny faritra 2 vaovao dia vehivavy avokoa. Ary raha velarina dia 3 amin’ny fanendrena olona 4 ao amin’ny Minisitera ao amin’ny Fiadidiana ny repoblika miandraikitra ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany no vehivavy. Ny 10 amin’ny fanendrena 22 vaovao ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ny fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana no vehivavy. 1 amin’ny fanendrena 2 vaovao ao amin’ny Minisiteran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy no vehivavy. Ireo minisitera ireo no betsaka nanendrena vehivavy ho mpiasam-panjakana ambony.

 Ireto manaraka ireto kosa indray no tsy nahitana vehivavy notendrena na dia tsirairay aza ny fanendrena tao anatiny : Ny minisiteran’ny fitsarana, Ny minisiteran’ny toekarena, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra.

Vaovao androany 050507

2007-05-05 @ 11:38 in Politika

Mahavariana ny eto an-tanàna amin’izao fotoana izao ry zareo. Fantatra moa fa mihamangatsiaka ny toetr’andro fa misy somary mampihomehy ihany. Amin’ny maraina dia misy hafanana ihany. Amin’ny atoandro indray no lasa mitady akanjo mafana (mety ho ao indrindra ny rivotra mangatsiaka) nefa rehefa tolakandro dia miverina mafana indray ny andro ary voatery esorina indray ilay akanjo mafana nanaovana teo. Tena tsikaritra mihitsy io toe-javatra io hatramin’ny alarobia indrindra indrindra. Lasa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy mihitsy ilay toetr’andro sa ririnindasa tsy tsaroana sahady ? 

  • Eto Antananarivo ihany, miasa mafy indray ny mpampitandro ny fifamoivoizana androany maraina (izay efa namaky ny andavanandron’iarivo moa mahalala ny antsoina hoe Soanagaly iray sy fahefany !)

 dia lasa avy hatrany ny eritreritra hoe hivoaka aiza eto Antananarivo indray ary ny filoha Ravalomanana izany ? Hay tokoa moa anio no manomboka ilay herinandro ikarakaran’ny Advantista ilay fitoriana ny filazantsara lehibe eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina.

Io fitoriana io moa dia nampitondraina ny lohahevitra hoe Asandrato i Kristy (ka ny  t dia natao sarina lakroa somary mifehy ny sarin’i Madagasikara izay, loza indray ity tsy manana fakantsary ity). Ny filohan’ny fiangonana Advantista amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny Oseana Indiana sady filoha lefitry ny fiangonana Advantista manerantany Atoa Paul Ratsarasaotra, pastora izay hita avy hatrany fa Malagasy no hanao ny famelabelarana isankariva ao amin’io kianjabe io.  

Nanasa olom-panjakana ambony ry zareo amin’ity fanokafana ity. Ireto avy izany nasaina izany : Ny filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, ny filohan’ny Antenimieran-doholona Atoa Rajemison Rakotomaharo, ny filohan’ny antenimieram-pirenena Atoa Mahafaritsy Samuel Razakanirina, ny praiminisitra Atoa Charles Rabemananjara ary ny minisitry ny fahasalamana Atoa Robinson Louis. Raha jerena ireo olona rehetra ireo dia tsy misy mivoaka avy ao amin’ilay fiangonana.

Tsy dia mahazatra loatra aloha ny hahitana izany ireo tompon’andraikitra ambony ireo hiaraka amina fiangonana tsy ao anatin’ny ffkm ka asa raha ho tonga daholo izy rehetra anio. Efa azo vinaniana avy hatrany kosa fa ho avy ny filoha hanatrika izany fotoam-panokafana izany. Tsy navela handehanan’ny fiara intsony manko ny lalana mankany amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany maraina (mandra-pahavitan’ny lanonana ka efa lasa « nody » ny filoha mazava ho azy).

 Izay efa zatra ny fiainana eto Antananarivo indrindra amin’ny fitaterana dia mahalala fa izay fiara fitaterana mankany Mahamasina avy aty andrefana dia tsy manana zo hijanona eo amin’ny fiantsonana eo Anosy intsony. Noho izany dia voatery teny anoloan’ny tany malalaka Antanimbarinandriana mifanatrika amin’ny ranon’Anosy ihany no fiantsonana vonjimaika. Ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra mazava loatra no lasa iakaran’ny fiarabe. Rehefa lalao goavana eo Mahamasina anefa dia afaka mijanona eo ampitan’ny Kaomisaria ihany ireo fiara fitarerana ireo. 

  • Toliary indray : Zavatra adinoko ny nanoratra azy omaly dia ilay tsy fitenenana momba ilay arina antony faharoa nampikorontana ny mponina ihany koa.

 Nalaza manko fa norarana tsy hahazo miditra tao an-tanàna ny arina. Isika rehetra dia mahafantatra fa eto Madagasikara dia mbola io aloha no fandrehitry ny Malagasy rehefa hahandro hanina. Izay nandre dia nihevitra avy hatrany fa nisy famelomana korontana mihitsy izany fandrarana ny arina tsy hiditra an-tanàna izany. Izay ihany no tena natao mahoraka eran’ny vazantany.

Kanjo olona avy amin’ny mpanohitra ihany no namoaka teny kely (mino aho fa tsy tandrina io teny io ary tsy tao anatin’ny paikam-pandaingana amin’ny alalan’ny tsy fitenenana ny zavatra rehetra) manao hoe nanery ny olona hividy ny arintany (arina avy any Sakoa !) ny mpitondra fanjakana tao an-toerana. Io karazan’arina io izany no hany navela hiditra ny tanàna mba hanajanonana ny fanaovana ny voamboana (io moa no palissandre ?) tsy hatao kitay intsony. Mahalala ny hasarobidin’ny voamboana angamba isika rehetra.

Tsy neken’ny be sy ny maro io arintany io fa lafo loatra. Arivo ariary ny kilao ka tsy takatry ny fari-pananana loatra. Izany hoe niniana nampanginina ny fisian’ity arina tsy misy mpividy ity fa ny saribao avy amin’ny hazo vidiana mora ihany no tadiavin’ny rehetra. Amin’izao fotoana izao moa dia efa nilefitra ny tompon’andraikitra ka navela hiditra avokoa ny arina rehetra. 

  • Toliary ihany ary mbola nohadinoiko ihany koa. Tsy ireo mpandroba loatra no voalaza fa  niteny hoe mandehana mody fa ny tao amin’ny Toby miaramila mihitsy no nanome hevitra ireo nialokaloka tao hoe

 tsaratsara kokoa aminareo raha mody any Antananarivo mihitsy ianareo mandra-pilamin’ny raharaha. Izany hoe na ny tao aza dia mbola mihevitra ny hafa ho « mpiavy » ihany koa. Ny tena zava-doza amin’ity teny ity anefa dia mitady hirona amin’ilay fampiheverana efa nataon’ny mpanjanatany tamin’ny androny ihany fa tsy Malagasy ny ny merina sy ny betsileo ihany koa  « mpiavy » fa avy any amin’ny firenenkafa mihitsy nanafika ireo Malagasy efa nonina teto. Izany hoe araka ireo mpiandraikitra ny toby ireo dia tahaka ny hoe ny fisian’ireo olona ireo mihitsy no olana any an-tanàna. (Dia mahasahia indray miteny fa mpanavakavaka izay mahasahy miteny tahaka izao sy hanameloka ilay fomba fiheverana misisika ambadika ihany).

Dia nisy moa ny nanameloka hoe nahoana ny nambenana mafy ny magro fa ny hafa indray tsy noraharahiana loatra. Dia nisy namaly izany fa ao amin’ny lalam-panorenana mihitsy (hatramin’ny lalam-panorenana teo aloha izany) no milaza mazava fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny miaro ny filoha sy ny ankohonany ary ny fananany. Isika anefa mahafantatra fa fananan’ny filoha indrindra ny magro. Izany akory tsy milaza hoe tsy raharahiana ny fananan’ny hafa, tsia ananana adidy avokoa ny fananan’ny olona rehetra. 

  • Mahajanga indray, nikasa hamory vahoaka omaly sy anio ny Komity mpanohana ny Tsia tamin’ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin’ny iray volana lasa iny

 hanao fampielezan-kevitra amin’ny tsy mahamety ity lalam-panorenana kasaina hampiharina eto amin’ny firenena ity. Tena tsy vazivazy ka kisangisangy ity lazaiko ity fa izany mihitsy no marina. Malahelo moa ry zareo fa tsy nomena alalana hamory vahoaka ry zareo. Ny tenin’ny tompon’andraikitry ny tanàna no nanao hoe hisorohana ny korontana no tsy namelana azy ireo hamory vahoaka any amin’ny toerana efa mahazatra ho famoriana vahoaka (izay efa tany Mahajanga izany dia tokony hahalala izany toerana izany : mbola tsy tany manko aho). Nihevitra moa ireo Komity Mpanohana ny Tsia ireo fa tsy maintsy hamory vahoaka ry zareo na ho inona na ho inona mitranga. 

  • Any Antsiranana indray dia voatery nody taty amin’ny ray aman-dreniny taty Antananarivo ny mpianatra miisa 50 eo  ho eo noho izy ireo tsy mety mandray anjara amin’ny fitokonan’ny mpianatra any.

Nifanaraka manko ireo mpitokona fa hodorana avokoa ny trano sy ny fananan’ireo mpianatra tsy nety nitokona. Izany hoe amiko dia sahala amin’ny hoe fananan’ireo mpianatra ireo ny trano ipetrahany fa tsy an’ny Oniversite velively. Azo lazaina hoe mitovitovy amin’ny efa nolazaiko momba ny tany Sambava ihany no anton’ity antery voatery nody taty amin’ny ray aman-dreniny aty Antananarivo ity.

Mazava loatra fa tsy maintsy ho nisy ny mpianatra tsy manana sara hodiana. Nifanaraka tamin’ny mpanao fitaterana izy ireo fa rehefa tonga aty dia miantso olona amin’ny alalan’ny finday hitondra ny vola saran’izy ireo. Mpianatra nody avy tany no nanatona ny mpanao gazety ary ny radio don bosco no loharanom-baovaoko amin’ity. Marihina fa tao anaty vaovao mihitsy no namoahana ity vaovao ity fa tsy antso antsofindavitra tsy akory. 

  • Mbola any Antsiranana ihany dia malaza ny tsaho any an-toerana fa misy olona mpaka ankeriny indrindra fa vehivavy mandeha any an-tanàna any amin’ny alina.

Noho izany toe-javatra izany dia tsy misy loatra intsony ny mahasahy mivoaka amin’ny alina nefa fahazaran’ny olona any mihitsy ny mivoaka harivariva, hoy ny tatitra. NIfandraindraika tamin’ilay fakana viavy ankeriny tany amin’ny faritra Sava koa moa ity tsaho ity ka tena nandaitra tokoa. Mangina ny tanàna. Voambin’ny mpianatra tsara ihany koa ny Oniversite ka sarotra ny hidirana any.

  Karazany fehiny ihany dia nampahatsiahy ny mpanara-baovao iray fa efa nampiomana anie ny antoko mpanohitra amin’ny hihetsehany tsy ho ela iray na roa volana lasa izay. Aminy dia efa nomanina ireo toe-javatra hita amin’izao fotoana ireo.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox