Mizotra tsimoramora eny na dia tsy misy mpilaza firy aza ankoatra ireo haino aman-jery mpanohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Mazava loatra fa ny feon’izy ireo irery no mipariaka any anivon’ny sarambambem-bahoaka amin’izay fotoana izay. Misy ihany anefa izay azo ambara momba ity famoriana atao tsikelikely eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha ity.
Marihina fa miditra amin’ny andiany fahadimy (farany) omaly ny famoriana ireo sefom-pokontany rehetra manerana an’i Madagasikara ka isaky ny faritra no ampiarahana azy ireo. Ny andiany iray dia misy sefom-pokontany eo amin’ny 3000 eo ho eo. Ny fampivondronana kosa dia miompana amin’ny fomba fitondrana olona ( fitarihana olona kosa no ambara ombieny ombieny entin’ny fampahalalam-baovao ilazany ny leadership).
Voalohany amin’izany ny hevitry ny sasany manao hoe : « naninona raha ny mpampianatra no mitety ny faritra ? » heverina ho fanaovana fampielezan-kevitra ankolaka manko ny itondrana ireo sefom-pokontany ireo mandeha amin’izany hoe lapan’Iavoloha. Misy ny rariny tokoa izay fanamarihana izay satria ny vola lany amin’ny fivahinian’ny mpampiofana no mora kokoa noho ny vola lany ivahinian’ny sefom-pokontany avy amin’ny lafy valo. Vitsy kokoa ny fahasahiranana amin’ny fikarakarana raha ny hamaroan’ny olona karakaraina no jerena.
Zavatra maro anefa no mety mahatonga ny fanapahan-kevitra hanaovana ny famelabelarana eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha. Ohatra tonga voalohany dia fanaovan’ny sefom-pokontany fizahantany vita ho azy indrindra ho an’ireo tsy mbola nahita mivantana hatramin’izay izany hoe Antananarivo izany. Fantatra ihany manko ny fomba fisainan’ny olona maro raha misy izay atao hoe tsy mbola nahita ny renivohitra hatramin’izay niainany nefa hoe hitondra olona. Ny fahitana zava-baovao aty andrenivohitra dia mety hampisokatra ny masontsainy amin’ny vina mety hotanterahiny.
Manaraka izany ihany koa dia ilay fidirana ny lapa mihitsy. Omena sehatra tokoa ry zareo, hoy ny fitenenana. Mba hahatsiaro ny zavatra natao azy kosa izy ireo, hoy aho rehefa nandinika. Mba manan-kotantaraina rehefa tsy hita na tsy azo izay tena holazaina tamin’ny fiofanana niantsoana ny tena, ary hahita ireo fampirantiana mampilendalenda momba ny fiompiana sy ny fambolena ary hikarakara momba ny tontolo iainana ihany koa.
Sekoly no ivantanana
Fa ny tsy dia misy mpilaza dia ny toerana ivantanana sy atoriana. Sekolim-panjakana izy ireo ary eto an-drenivohitra mazava loatra. Ny sekoly amin’ny mahasekoly azy izay dia misy ny fahabangana. Tsy misy ny efitra fisasana, indrindra ho an’ny vehivavy, ka voatery namoronana vonjimaika amin’ny rofia na gony plastika fantatsika. Tsizarizary ihany nefa andeha atao hoe aleo io toy izay tsy misy mihitsy. Eto Antananarivo rahateo tsy misy efitra fisasana an’ny Kaominina hatramin’izao aloha na dia fantatra aza fa hikarakara izany izy ireo.
Manaraka izany dia ny efitra fidiovana (azonareo fa ny mahasamihafa ilay efitra fidiovana sy fisasana ? tsy dia tiako loatra ilay teny hoe fivoahana !). tena tsy voahaja mihitsy ny fahadiovana. Ny fahazaran-dratsy any amin’ny misy azy ve no entin’ny sefom-pokontany aty sa misy kosa ny fahihirana mahalany be ? nefa dia mahatonga ny sefom-pokotany aty ihany. Fahabangana na fanadinoana ve ny fanomezana taratasy fidiovana ireo olona tsy zatra izany any amin’ny misy azy ireo nefa tsy dia lafo loatra ireny taratasy ireny ho amin’ny fikarakarana tahaka izao. Tsy mahagaga raha taratasy kahie fa famonosana na gazety no idiovan’ny olona nefa manentsina tatatra fanariana maloto lozantany ireny. Taratasy tsy sahaza manko. Vokany : tsy mandingana ny varavarambe akory dia mampiverina ilalana na dia poritra sahala amin’inona aza.
Na izany na tsy izany dia maneho ny mahaizy azy mihitsy izy ireo. Palitao tonta no mety hiaraka amin’ny pataloha jean sy kapa kiranyl. Ny satroka moa dia mbola mahazatra ny maro mihitsy. Ireo rehetra ireo dia amin’ny fahadiovana antonony. Afaka manoatra ho aiza moa sady aiza koa no hindramana ny tsara kokoa ?
Voasambotra Atoa Pety Rakotoniaina no ambentintenin’ny gazety maro teto an-tanàna. Ny mahavariana dia tsy nanisy resaka io mihitsy androany ny Le Quotidien izay fantatsika fa fananan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Raha amin’ny fiheverana tsotra fotsiny amin’izao dia nahomby ny tetika nataon’ny mpiandraikitra io raharaha io tamin’ny fampitahorana sy fampisamborana ireo rehetra manodidina ity Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa ambonivohitra ity. Efa nolazaiko tany aloha tany ny nisamborana ny vadiny izay mbola voatana any am-ponja aloha hatramin’izao raha tsy efa nisy ny fiovan-javatra taorian’ity fisamborana ity. Mbola vao ny andininy voalohany iny nisamborana ny vadiny toy ny takalon’aina iny.
Ahoana indray ny amin’ny zanany ? Mazava loatra fa tsy eo ny mpikarakara voalohany ny zanaka. Naseho gazety ny fitarainan’ny zaza ho tsy misy mpiahy. Ny antoko tambatra heveriko ho nanao izany dia nanao io fihetsika io hanehoana amin’ny mpiray firenena fa toy ny tsy mifaditrovana ihany ny mpitondra fanjakana. Ny ankilany indray zarany aza misy iny hiaka iny hanairana ilay ray voatery nandositra. Iza amin’ny Malagasy (na olombelona manana fo sy fanahy) no tsy hihovitrovitra manoloana ny fitarainan’ny zanaka ? Dia nifamonjy aloha ny mpiray antoko (Tambatr’i Madagasikara) hikarakara ireo zaza ireo. Fa olonkafa ve moa hahasolo ny tena ray aman-dreny ? Nahita ny fihetsiky ny antoko ny mpiandraikitra ny fitadiavana manokana an-dranamana dia nampiantsoina indray na notadiavina ihany koa ireo tena nanolo-tena hikarakara ny zaza. Ka iza no tsy ho vahotra ? Nanomboka hatreo dia ora sisa no nandrasana higadonan’ny rain’ny zaza !
Tsy maintsy nitsakotsako lalina tany antsain’ny ray ny manjo ny zanaka. Ny renin’ny zaza tsinona tazonin’ny manampahefana. Hatao ahoana ny hambom-po tamin’ny fihatsiana fa handoa avo roa heny ny vola nampanantenain’ny governemanta izy ? Iza no tsy mahalala ny tenany tamin’ny fahasahiana nananana ? Marina fa diso ny paika tamin’ny nampanantenan’ny Jeneraly Fidy ny hionganan’ny filoha nandritra ireny vanim-potoanan’ny fifidianana ho filoham-pirenena ireny. Raha notohizany izay nilofosany tahaka ny tamin’ny nananganana ny Tambatra nanerana an’i Madagasikara tsy ho toy ireny ny vato azony tamin’ireny fotoana ireny. Hay moa ka fipoahana tahaka ny fipiaky ny zozoro maina ihany no nataon’ilay Jeneraly mahery fo tamin’ny taona 2002. Ankehitriny, nitsonika ny hambom-po. Tsy tadiavina intsony fa andrasana. Voadona tany amin’ny naharary azy izy.
Na izany na tsy izany, nanahirana ireo nirahina hikaroka sy hisambotra azy ihany ny lehilahy. Nisy ihany ny fikorontanana teo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena. Tamin’ilay namparatra polisy roa tao Behoririka saiky hisambotra jiolahy ireny ka Officier ny iray tsy tokony ho ny polisy misahana ny adi-heloka bevava mihitsy no hiandraikitra ny fisamborana fa ny polisy misahana ny fisamborana jiolahy. Saingy lany andro foana tany Fianarantsoa io sampan-draharaha farany io. Singa iray ihany izany mba entiko ilazana fa toy ny naato mihitsy aloha ny asa andavanandro hisamborana olona iray. Mampahatsiahy tampoka ilay tantara mitondra ny lohateny hoe Robin Wood na mety azo atao hoe Robenan’ny Ala raha atao malagasy anarana io tantara io. Dia mbola lasa ihany ny eritreritra na dia izany aza hoe azo ampitahaina amin’io tantara vahiny io tokoa ve ity tranga misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ity ?
ity ilay lahatsoratra tokony ho nivoaka omaly ary tsy nisy novaiko mihitsy.
Dia somary malazalaza indray moa ny fifanolanana eo amin’ny samy lohandohan’ny ao amin’ny antokon’ny filoham-pirenena. Dia tahaka ny azo tsorina hoe Atoa Razoharimihaja sy Ranjivason no tena mifampiandry kendritohina. Raha tamin’ny famalin’ny filoham-pirenena tamin’ny resaka tamin’ny mpanao gazety dia toy ny mahazo tombony ihany ny filohan’ny TIM ankehitriny. Raha jerena ihany koa dia tahaka ny mety ho latsaka ihany Atoa Ranjivason. Izao manko no lesoka amin’ity farany: Tao amin’ny antoko MFM ny lehilahy teo aloha. Manana ny fahaizany sy ny fomba fisainany ny ao amin’io antoko io fa misy koa ilay lazany amin’ny fanakorontanana. Fa izao kosa no heveriny ho tombony: Samy avy any Alaotra ry zalahy ka mihevitra ny hahasolo iray ilay minisitra teo aloha.
Na izany na tsy izany dia nisy lesoka lehibe ihany koa ny an’ny filohan’ny TIM ankehitriny. Teo aloha ny avy amin’ny hevitra nabosaky ny andaniny dia ny fanadinoana ilay zaikaben’ny antoko. Manaraka izany ihany koa dia naneho tsy fanarahana ny toetr’andro na ny filamatry ny filoha ny endri-tsaina narantiranty manerana ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena teo iny. Ny sarin’ny Madagasikara dia misy fizarana araka ny fari-piadidiana (faritany teo aloha) fa tsy araka ny faritra 22. Manaitra ny maso io toe-javatra io na dia mety heverin-dry zareo ho sary fotsiny amin’izao aza. MampanOntany tena manko hoe tena manaraka ny toromariky ny filoha tokoa ve ry zareo?
Ho an’izay tsy mahalala dia izy no vadin’Atoa Pety Rakotoniaina izay karohin’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Ataoko fa efa renareo hoe nohidian’ny mpitondra any amponja io ramatoa io amin’izao fotoana izao. Ampangaina ho miray tsikombakomba tamin’ireo nandoro ny Amphi ao Andrainjato ao Fianarantsoa izy. Ataoko, araka ny hevitro manokana, fa fomba entina hitazonana azy fotsiny izay iampangana azy amin’izao fotoana izao. Hafa ny zavatra tian-ko tratrarina dia ny hanoloran’Atoa Pety Rakotoniaina tena any amin’ny manam-pahefana.
Mety hitroatra avy hatrany isika amin’ny fandrenesana izay nambarako izay sy avy amin’ny tsoa-kevitra fa karazana takalon’aina izany ramatoa amin’izao fotoana izao. Dia mety ho tonga amin’ny filazana fa mihoa-pahefana ny fitondrana amin’izao fotoana izao amin’izany fihetsika izany. Tsy hitsara avy hatrany ny zava-misy amin’izao fotoana izao aho fa te-hilaza fotsiny hoe efa fanaon’ny mpitandro ny filaminana eto an-toerana efa fotoana lava io tranga io fa izay vao nihatra tamina mpanao politika na olona fanta-bahoaka.
Indray mandeha aho nanao zavatra tamina kaomisaria iray teto Antananarivo. Fotoana mialoha indrindra ny taona 2000 ity tranga tantaraiko ity. Nisy olona nampanantsoin’ny polisy indrindra tamin’ny fotoana nandehanako tao fa tsy ilay olona no tonga tao. Ny vadiny sy ny reniny no tonga tao. Niteny mafy (maharary!) ihany ilay nandray ireo olona ireo ka nanao hoe: rehefa tsy tonga izany izy dia tsy maintsy mijanona ny iray aminareo mandra-pahatongany. Tsy nahalala izay tohiny intsony aho satria efa vita ny taratasy nataoko tao. Averiko indray fa fitantarana fotsiny no ataoko etoana fa tsy milaza ny amin’ny fanajana ny Zon’olombelona sy ny karazany aho eto.
Manoratra ihany rehefa manana fahafahana e!