Raha nitety ireo toerana notokanana tany Ambatomanga sy tao Androva Mahajanga ny filoha Ravalomanana dia nilaza ny amin’ireo lalàna hampiharina (fotoana ho avy no dikan’ny « h ») eto Madagasikara. Lalàna hampiharina roa no azo atao hoe mafonja tamin’izany :
Ny voalohany dia ny amin’ny kara-pamokarana, ny tonga dia nosoratan’ny gazety voalohany moa raha vao notenenina io resaka io dia ny karatra isan-dahy no nitamberina…asa kara-pokonolona angaha no anarany tamin’ny androny ? Maro, hoy ny filoha ny olona midonana-poana, asaina miasa any ambanivohitra tsy mahavita, rehefa asaina manao birao (an-tanandehibe) tsy mahay. Io kara-pamokarana io ihany koa no fitaovana ahafahan’ny mpamokatra (sy ny mpiompy) mahazo fihenam-bidy na laharam-pahamehana amin’ny esaka famokarana. Amin’io fotoana io dia manana avokoa na ny lahy na ny vavy.
Amin’ny ankapobeny dia hevitra tsara hamporisihana ny olona hiasa tokoa ilay kara-pamokarana. Ary manaraka izany dia mahalala ny adidiny handoa hetra mivantana ihany koa izany. Mifamaly amin’izay anefa dia mananjo amin’izay izy hitaky zavatra matotra na tsaratsara kokoa avy amin’ny fitondrana. Eo no olana : misy ny milaza avy hatrany fa tokony ho karazana « symbolique » ilay fandoavana noho ny tsy fahazarana mandoa hetra nefa aleo tsy manao toy izay ny vidin’ny taratasy aza tsy voaverina akory raha manao io kara-pamokarana io ihany. Alohan’ny hanaovana ny zava-drehetra ihany koa dia tsara dinihana ny mety ho fandrika rehetra amin’ny fametrahana ity kara-pamokarana ity.
Ny faharoa kosa indray dia ny amin’ny tsy fahazoana manambady alohan’ny faha-18 taonany na lahy na vavy. Eto Madagasikara anefa dia ny ambaratonga fototra ihany no fianarana tsy maintsy atao. Raha jerena dia ny any ambanivohitra no tena kendrena amin’ity lalàna ity nefa ny any no tena tsy misoratra indrindra ihany koa ny mpivady (raha misy dia misy ny ny 1/3n’ny mpivady ihany no misoratra) . Vokany mety hanosika ny olona tsy hisora-panambadiana indray ny lalàna tian-kampiharina. Ny tanora amin’io fotoana io « tsy misy atao » ka mety hanaonao foana ny olona. Toa vao maika ho be ny zanaka tsy teraka anaty fanambadiana ara-dalàna dia ahoana ny amin’ny kopiam-pahaterahan’ireny zaza ireny ?
Ny mpiady hevitra, ampian’ny dokotera ihany koa dia miteny fa tsy tsara loatra ny vehivavy raha alohan’ny faha-18 taonany no miteraka ka misy ny miteny fa tokony hisy lalàna mametraka ihany koa hoe tsy mahazo miteraka alohan’ny faha-18 taonany ny vehivavy. Ny filoha tsy manaiky ny fanalan-jaza. Dia ahoana ary raha tsy ampy taona ilay hiteraka ? Misy tokoa ny mafana fo loatra fa tsy mandinika tsara amin’ny zavatra rehetra tokony hataony. Voamarika tokoa fa ilana fisainana lalina ny fanaovana ny lalàna fa tsy tokony hanaraka izay baikon’ny ao ambony hatrany. Aiza re no ahitan’ny filoha mpanolotsaina tena matotra sy tsy matahotra azy e ?
Ny lohateny hatrany no mety ho teny vahiny fa ny lahatsoratra dia amin’ny teny malagasy mandrakariva. Tsy dia havanana loatra miteny na manoratra teny vahiny manko ny tena na dia mety ho mahazo izay lazainy ihany. Io ve no nandaniana ny androm-pianarana dia tsy hisy tavela na dia kely monja aza ? Ny tsikaritra amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra moa no tena votoatin’ity lahatsoratra ity. Tsy voatery ho zavatra vao haingana fa izao vao angaha ny fotoana amoahana azy amin’izay.
Tanaraid
Zavatra roa no hotantaraiko amin’ity fitetezana an’Iarivo ity. Tsy hoe mitety tanàna mba te-hitsangatsangana ry zareo araka ny fahalalako azy nefa mba nahavariana ihany ny lalana nodiavin’ity fiara misy mialoha sy manaraka ity (cortege). Andro nanambarana ny valin’ny fitsapa-kevi-bahoaka indrindra tamin’izay fotoana izay. Ataoko fa tamin’ny ora niravan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika.
Teo Ambohijatovo ambony akaiky indrindra ilay toerana ofisialy nolazaina fa namoanoana ny filoham-panjakana ny Kolonely Ratsimandrava tamin’izay fotoana izay no nosongonan’ity fiara misy mpialoha sy manaraka ity. Amin’ny ankapobeny moa dia matroka ny fitaratra ka tsy ahalalana hoe iza moa no ao anatin’iny fiara iny. Azo ambara kosa fa olona ambony ao amin’ny fitondram-panajakana matoa manan-jo hanana mpiambina sy mpitari-dalana. Avy any Ambatonakanga any izy iny no mihazo toy ny ho any Anjohy. Ny olona mahalala tsara ny eto Antananarivo dia afaka mahavinavina tsara fa tena ao amin’ny tsangambatom-pahatsiarovana ny namonoana ny kolonely voalaza teo aho.
Avy eo raha mbola nidina tamin’iny lalan-kely ambonin’ny lozoka mankany ambanidia iny aho no nahatazana indray ilay fiara sy ny miaraka aminy toa avy any Ankazotokana -Ambanidia any no hihazo an’i Mascotte amin’iny lalana mankany amin’ny Epp Antsahabe sy Epp Ampasanisadoda iny. Izany hoe nandalo ny minimarket sy ny alliance française Antsahabe iny indrindra ireo fiara ireo. Inona no azo tsoahina : azo vinavinaina ho tsy te-handalo ao ambanin’ny lozoka mihazo an’Ambanidia ry zareo. Raha heverina hoe avy any Ambohidahy ny fiara dia mety ho niakatra namonjy ny ambadiky ny Hotel Colbert izy no hitako voalohany. Tsy handalo ny lozoka’Ambohidahy sy ny lozok’Ambanidia izany no tena tanjona sa dia tsy tao an-tsaina izany ?
Tanaraid
Mbola tanaraid ihany ary vao tamin’iny herinandro lasa iny. Teny Mahamasina manoloana ny kianjaben’ny Kaominina indrindra aho no nandalo ny mpisava lalana ho an’ny filoham-pirenena. Soavaly vy roa izy ireo no narahina soavaly vy miisa folo teo ho eo. Avy eo dia fiaran’ny prezidansa (4 x 4 mercedes) tokony ho dimy ratsy filahatra be (filahatra minifi-tsofa) no nanaraka dia narahina mpamaran-dalana avy eo. Fiara amina fitaratra matroka avokoa izy dimy ireo. Dia anjaran’ny mpanatrika no maminavina hoe aiza amin’ireo fiara dimy ireo no nandehanan’ny filoham-pirenena.
Madaraid
Io indray dia ny vaovao fanarahantsika no ahalalantsika ny madaraid ataon’ny mpitondra ankehitriny indray. Fony nosokafana sy nampahafantarina ny Madagasikara Am-Perinasa dia nitety ny faritra 22 ry zareo. Nalaza tokoa moa tamin’izany fotoana izany ny tatitra isaky ny avy mandalo faritra iray ny ao amin’ny fitondrana. Nalaza tokoa ny fanentanana tamin’io fotoana io ka tonga avokoa na ny tsy nasaina aza. Hay moa ka nisy fanasana ho an’ireo manana andraikitra any amin’ny faritra any. Nanjary nampalahelo indray ireo tonga avy lavitra nefa karazan’ny nitanin’andro tany ivelan’ny trano malalaka.
Saiky notohizana isaky ny distrika ilay izy fa maty ho azy teo…na tsy nahenoana tohiny intsony. Efa reraka koa angaha ny minisitra tompon’andrikitra ka nanao hoe aoka izay ?
Amin’izao fotoana izao indray dia avy indray ny filankevitry ny governemanta atao isam-paritra. Dia faritra telo aloha no re. Izany hoe raha heverina dia karazandrazany manao ny fihodinana faharoa mitety ny faritra 22 indray ny mpikambana amin’ny governemanta ankehitriny. Filankevitra kely fa tsy toy ny fanao eto Antananarivo loatra. Minisitra vitsivitsy fa tsy voatery ho izy rehetra no mivory any. Fitiavana te-hanome vahana ny faritra tiana hisolo ny fari-piadidiana niantsoana ny faritany taloha.
Ary tsaroanareo moa ilay hoe hisy minisitra isaky ny faritra nolazain’ny filoham-pirenena iny ? Hay ve ka ny minisitra amin’izao fotoana izao ihany no misahana faritra tsirairay avy ! izay no ao Antsainy. Ohatra fantatro izao dia ny minisitry ny asa vaventy Roland Randriamampionona no miandraikitra ny faritra atsimo andrefana. Izany hoe manana andraikitra toy ny hoe minisitry ny asa vaventy sy misahana ny faritra atsimo andrefana ilay minisitra fa tsy misoratra ao amin’ny asany ofisialy io misahana faritra manokana io. Aza manontany ny an’ny hafa fa tsy ho fantatro ny valiny. Hay ve ilay olona tsy voatery ho avy any amin’ny faritra no ao an-tsain’ny filoham-pirenena. Voa mafy indray izay nieritreritra ny « olona avy aty aminay ».
Worldraid
Ity raharaha manga farany ity indray dia an’ny filoham-pirenena manokana aloha no tena fantatra. Nolazaina fa nentina nitety firenena vitsivitsy (Alemaina sy Shina ohatra) ny Madagasikara Am-Perinasa. Mitady fiaraha-miasa amin’ireo firenena afaka miara-miasa amin’ny firenena malagasy. Tany indray vao niteny ny lesoka nananan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena milaza fa tsy miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana akory ny fanampiana ataon’izy ireo. Tsy maintsy mitady ny tombotsoantsika Malagasy rahateo isika na mitady izay ho tombotsoany aza ireo mpandraharaha sy firenena vahiny tiana hiara-miasa amintsika ireo.
Na izany na tsy izany dia lasa ihany ny saiko sao dia tonga amin’ity tononkira ao amin’ny fihirana FFPM ity ny tonombavaka avoakan’ireo mpitondra antsika hoe :
Nivezivezy aho nikaro-java-tsoa,
Izay rehetra hita nandramako avokoa,
Nandany taona maro nanara-tsitra-po,
Kanefa tsy nahazo izay mahafapo ;
Ry raiko feno antra inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra raha lavitra aminao.
Gaga aho namaky ny gazety le quotidien omaly raha nilaza izy fa nisy fihaonana nifanaovan’ny mpanohitra sasany miseho ho mpiaradia akaiky ny firenena tandrefana sy diplaomaty vahiny sasantsasany. Tsy nanondro mivantana moa izy fa nolazainy fotsiny fa tamin’ny Zoma lasa teo izany tao amin’ny Hilton Madagascar. Izy irery no namoaka io lahatsoratra io omaly. Dia nieritreritra aho hoe tsaho tiana aely ve izy ity sa ahoana ?
Nanapa-kevitra aho hiantso ny Hilton Madagascar sy ny gazety le quotidien androany maraina momba io raharaha iray io. Najanoko anefa izany rehefa nataon’ny gazety « Ao raha » teo amin’ny voalohan’ny pejy no sady nataony vaventy ny lohateny. Rehefa novakiana ny tao anatiny dia tena pejy iray manontolo mihitsy no nanokanany azy. Tafiditra tsara ao amin’ny asan’ny mpanao gazety rahateo ny manadihady rehefa sendra ny vaovao fohy toy ny tsipalotra fotsiny tao amin’ny gazety voalohany nolazaiko.
Nanamarina ary ny gazety faharoa nolazaiko ary nanampy fa tamin’ny telo ora tolakandro no nanatanterahana ny fivoriana tao. Ny komity mpanohana ny tsia ireo nivory niaraka tamin’ny masoivoho ireo ka tao anatin’izany ny frantsay sy ny amerikana. Nisy koa solontena hafa izay tsy notononin’ny mpanao gazety ary io no nilaza fa tsy anjarany ny manao tatitra amin’izay fivoriana natao tao fa an’ireo mpanohitra izay nihaona taminy.
Ny mpanohitra kosa anefa izay fantatry ny rehetra satria filohan’antoko sady nirotsaka hofidiana ho filoha teo ny roa (iza ary izany fa tsy Herizo Razafimahaleo sy Lahiniriko Jean ?) samy nanda sy milaza ho tsy mahafantatra ny fisian’izany fivoriana izany avokoa. Dia mody gaga fa tany amin’ny gazety no nahitany ilay filazana fivoriana natao ny zoma tolakandro tamin’ny telo ora tolakandro izany. Raha nanao fivoriana miafina izahay, hoy ny filoham-boninahitry ny Leader Fanilo dia tsy ho any amin’ny hitam-bahoaka any velively.
Hitanareo moa fa mbola anatin’ny fanolokoloana ny tranonkalan’ny le quotidien ary tsy heveriko fa tsy mandeha amin’ny aterineto ny lahatsoratra mivoaka ao amin’ny « Ao raha ». izay no amoahako azy etoana ka asakasakareo amin’ny finoana ireo gazety roa samihafa roa ireo ihany. Toy ny voankazo an’ala hoy ny fitenenana izay io lahatsoratra napetrako io.
Samy manana ny fanonona tiany avokoa moa ny mpitondra rehetra rehefa manondro asa iray izy ka mifampiankina amin’ny fampandehanana ny asam-panjakana izany. Asa inona angaha no tsy nitiavany ny teny hoe filoham-pokontany ? Naleony angamba natao hoe sefo ilay izy fa tiany ho azy irery ny anarana hoe filoha. Raha nahatadidy ny teto an-tanàna dia efa saiky nosoloany teny hoe kartie ihany koa io teny hoe fokontany io, tahaka ny efa nanariany ny teny hoe firaisampokontany sy ny fivondronampokontany izay ny jeneraly Ratsimandrava no nametraka ny teny voalohany.
Tsy any moa no tena idirana fa ny amin’ny fifidianana ity sefom-pokontany ity. Mahavariana amin’izy ity dia ny tsy fanatanterahana ny fifidianana azy amin’ny fotoana tokana. Samy manana ny androm-pifidianany ny distrika tsirairay, na kaominina tsirairay na fokontany tsirairay. Tsy misy fotoana raikitra fa dia araka izay mahavonona ny tompon’andraikitra any an-toerana angaha. Dia tahaka ny hoe samy manao izay tiany atao ny tsirairay. Fifidianana sahala amin’izao ve no hametrahana ny fototry ny fampandrosoana ?
Manaraka izany indray dia samy manana ny fomba fifidianany ihany koa ny fokontany tsirairay, na kaominina tsirairay, na distrika tsirairay. Ny iraisana dia tsy misy ny lisitra avy amin’ny minisiteran’ny atitany fa izay lisitra ao amin’ny fokontany ihany no hanatanterahana ny fifidianana. Ny teto Antananarivo moa dia ny karam-pokontany no niasa (tamin’ny taona 2003 na 2004 izy iny fa tsy mbola nifidy sefom-pokontany ny eto tamin’ity taona ity).
Tao anaty fivoriambem-pokonolona moa no nanatanterahana ny fifidianana ary silatsilaka taratasy no hanaovana ny safidy. Alohan’izany aloha dia asaina manolo-tena ny olona izay hirotsaka. Tsy misy mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko fa amin’ny anaran’ny tenan’ny tsirairay avy ihany no hirotsahana. Rehefa izany dia omena laharana ireo olona ireo ary asaina milahatra eo anoloan’ny biraom-pifidianana. Mitazona baoritra misy ny laharany avokoa ny kandida tamin’izany fotoana izany. Tsy ny anaran’ilay olona no apetaka ao anaty taratasy fa ny laharana mipetaka eo amin’ny baoritra. Tsy nisy vata manokana ihany koa fa satroka (tsy mandainga aho na mivazivazy fa tena izany mihitsy tamin’ny taona nolazaiko teo io) no nandrotsahana ny vato.
Amin’ny mahafivoriambem-pokonolona azy dia fotoana fohy ihany no nanatanterahana ny fifidianana. Izay efa eo no manatanteraka azy. Io angaha no nahatonga ilay filazana hoe rehefa tsy mahatratra ny atasa-manilan’ny olona ampy taona ny olona nifidy dia tsy manankery ny fifidianana ka miantso fivoriambe manaraka indray ka any amin’ny fivoriambe fahatelo dia ekena hatrany ny latsabato na dia tsy mahatratra ny fetr’isa aza. Izay ny tamin’izany fotoana izany. Tsy fantatra moa hoe maharitra hafiriana ny fepotoam-piasan’ny sefom-pokotany fa ny fahalalako fotsiny no milaza azy ho telo taona, ny voafaritry ny lalàna mbola hofantariko aloha.
Fa ny tany Toamasina nampitain’ny namana iray no nahavariana ihany koa. Vao omaly manko no notanterahina ny tany. Ny taratasy fiantsoana no nentina nifidy. Talohan’izay dia nanontaniana hoe misy olona firy ny ampy taona ato…dia soratana iny. Dia tsy nisy lisistra araka izay nolazaiko teo ny fifidianana fa iny taratasy fiantsoana iny no karazana kara-pifidianana. Raha izany aho no nanao dikantsary iny taratasy iny izany dia nomeko ny namako dia afa-nifidy koa izy araka ny nambarany. Fa izany eo ihany fa dia nopetakana ranomainty sarobonoina ihany ny ankihibe rehefa vita ny fifidianana. Inona ary ity voraboraka hentitrentitra ity ? Dia ara-dalàna ve izany ity fifidianana ity ? Ahiako tsy mandalo Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana ihany koa manko ! Sa andeha atao hoe ara-panjakana na dia mety ho tsy ara-dalàna aza.
Niteny ireo olona akaiky azy ny filoha hiantso ny mpanaogazety rehetra na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Olona tezitra araka ny fitantaran’ny mpanao gazety azy no hita tamin’ny endriny : Nivoara-mena tahaka ny kravato nanaovany mihitsy ny filoha, hoy ny tao amin’ny gazety « Ao raha ». Amin’ny teny malagasy manontolo rahateo ny resany fa tsy tamin’ny teny frantsay tsy akory.
Rehefa avy nanao tatitra fohy momba ny diany avy tany Shangai Shina izy dia lasa amin’izay ny fantsy ho any mpitondra fivavahana : « Mbola mitambesatra loatra aminay ny vesatry ny fanjanahan-tany ka matahotra izahay, tsy sahy izahay koa ampaherezo izahay rehefa tratran’izany tahotra izany. Ankehitriny isika efa miezaka ny hitandro ny fiandrianam-pirenentsika. Manomboka izao dia miantso ny vahoaka Malagasy aho ho sahy amin’izay, hiara-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy misy hambahamba intsony…
Ianareo izay hanao mission aty na hanao asa soa dia ny iraka nampanaovina anareo atao fa aza mitsofoka amin’ny raharaham-pirenena malagasy indrindra fa ny politika. Tsy manome fotoana fohy akory aho handehananareo mody. Sahiko ny miteny izay. Taloha izahay no tsy maintsy naka hevitra tany aminareo sy ni-rendre compte taminareo fa amin’izao fotoana izao efa tsy izany intsony. Efa manana ny fiandrianam-pirenenay izahay.
Ho anareo Masoivoho vahiny mihevitra ny tenany hametraka fanontaniana na hanotanintany. Tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranonay aty ianareo amin’ny resaka politika. Rehefa tsy hainareo ny mipetraka dia ahorony ny entanareo dia mandehana mody. Ny masoivohonay angaha any aminareo mba mitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokatranonareo any aminareo any ? Mipetraka tsara izy ireny any.
Momba ny mompera Sylvain Urfer indray efa fantatro tsara izy. Tamin’ny naha-Maire ahy, asaivo manontany ny tenany izy ary anontanio ny fikambanana katolika hoe iza no nibahana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe tsy ho amboarina tamin’izany fotoana izany ? ». Hatreo dia tsy nanda mihitsy izany ny filoha fa avy aminy izany ny baiko nandroahana ny mompera. Toa vao maika aza nanamarina ny tenin’ny mompera izy tamin’io lafin-javatra hafa io.
Nanao ahoana kosa ary ny ako voalohany ?
Tena nizara tokoa ny olona fa maro an’isa kokoa ireo nanohana ny nataon’ny filoha. Toy izao kosa ny hevitra fanoherana sasantsasany niboraka avy tamin’ny karajia androany : Manao teny an’avona mihitsy ny filoha, Olona avy natory tao anaty fiaramanidina ve ny tairina amin’ny fisesehan’ny fanontaniana tsy ho teny maneho fahatezerana toy ireny no hivoaka ? Tamin’ny taona 2000 na 1999 dia natao interview tao amin’ny tv5 ny mompera Pedro(Opeka), nanakiana mafy ny fitondrana tamin’izany fotoana izany izy nefa dia mbola afa-niditra soa aman-tsara teto amin’ny firenena ihany. Tamin’ny taona 2002 dia mbola nantsoin’ny tv5 ihany izy ka nanasohaso ny fitondrana fotsiny no nataony nefa dia mbola tafiditra teto Madagasikara ihany ny tenany.
Ireto ihany koa ny hevitra hafa : tamin’ny taona 2002 ireny dia nisy teratany frantsay nilahatra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Moa tsy tonga dia nalefa nody avy hatrany ireny olona ireny raha nanao izany ny fitondrana tamin’izany fotoana izany ? Ny masoivoho anglisy tamin’ny nitondran’ny filoha dia nanasohaso fatratra ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Inona ny vokany ? nasaina nody ilay masoivoho dia foana teo ny Masoivoho anglisy teto Madagasikara. Tsy nandroaka ilay olona ny Malagasy fa ny tany Angletera mihitsy no nampody ilay olona nanasohaso be ny fitondrana teo. Inona no nataon’ilay olona avy eo ? Niverina teto Madagasikara izy dia nanangana ONG (ny marina dia nitantana ny tahirim-bolan’ny prezidansa ny lehilahy). Ny tsikera mampihomehy moa dia hoe manao mizana tsindrian’ila ny fitondrana fa izay manasohaso tsy mba roahiny fa ny mitsikera ihany no roahiny…zavatra mazava be tsy mila hazavaina akory !