Tapa-baovao 020507

2007-05-03 @ 12:45 in Politika

Maro loatra angaha ny vaovao tiana hampitaina ka manjary tsy hitako intsony indray izay ampitaina. Niezaka manko aho mba ho iray isan’andro no avoaka nefa mihazakazaka ny toe-draharaha. Noho izany dia atao endrika tapa-baovao no avoaka eto aloha na dia manambara ny hevitro eny antsefatsefany eny aza aho. 

  • Tao Boriziny (Port-Bergé) dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teo ampivoriana ny filohan’ny fikambanan’ny mpanjifa nikonokonona fitokonana momba ny fahasahiranana azo amin’ny jirama amin’izao fotoana izao. Nilahatra ary ny fokonolona (izay mihitsy no nampitain’ny mpanao gazetin’ny Rnm tany an-toerana tao amin’ny fandaharana ampitampitao) nitaky ny hamoahana io mpitari-tolona io avy hatrany. Nankeny amin’ny tobin’ny zandarimaria ry zareo nanao izany fitakiana izany. Tsy nisy ny fifampiraharahana ka dia tezitra ry zareo ka namonjy ny trano fandraisana olo-mana-kaja an’ny Distrika. Navoakan-dry zareo avokoa ny entana tao sady nopotehiny. Nodorany hatramin’ny trano mihitsy aza.
 Avy eo dia nankany amin’ny fandoavam-bolan’ny jirama ary dia nopotehiny toy izany koa izay hitany tao. Nisy fitoeran-tsolika mahazaka 10.000 litatra tao fa nopotehiny ihany koa io, nolazain’ny tompon’andraikitra tao moa fa mbola nisy solika 5.000 litatra tao anatiny (zavatra very koa ve moa hisy azo anamarinana izany intsony !). Nilaza moa ireo izay nanapotika ny zavatra rehetra tao amin’ny jirama fa aleony tsy misy mihitsy toy izay misy nefa sady tsy mahafapo no asaina mandoa vola hatrany. Vokatr’ireo fihetsehana mahery vaika ireo moa dia navoaka ihany ny lehiben’ny fikambanan’ny mpanjifa tao an-toerana. Nilefitra teo anatrehan’ny herisetra mahery vaika izany ny mpitondra. 
  • Teto Antananarivo kosa dia niara-nientana ny mpiasan’ny jirama ho fiarahana amin’ny mpiasan’ny jirama ao anatin’ny fanenjehana sy ny fikasihan-tanana mihitsy aza. Ankoatra ny fitakiana ny fanondrotana ny karama efa nifanarahan’ny gem sy ny sim io mbamin’ireo fitakiana hafa ihany koa. Efa saiky voavaly amin’ny mahafa-po azy moa ireo fitakiana ireo dia ny fanomezana ny tambi-karama tsy voaloha hatramin’ny volana janoary ny mankaty.
 
  • Efa hitan’ny mpamaky ihany koa ny faneriterena ny mpanao gazety tsy ho afa-manao tsara ny asany any Antsiranana any. Tsy ny mpitondra fanjakana no manao ity faneriterena ity fa ny ankolafin’ny mpanohitra milaza ny teneny ho mpianatra nefa hitrikitrihan’ny mpanao gazety maro fa efa tsy mpianatra intsony ireo. Nisy aza moa ny fakana an-keriny mpanao gazety iray lazain-dry zareo ho mamoaka vaovao tsy marina.
 Fony nandre ity vaovao ity ny maro dia nihevitra avy hatrany fa an’ny mbs ity mpanao gazety ity, kanjo hay an’ny Les nouvelles. Nanao ny asany soa man-tsara indray ny mpanao gazety no tezitra ry zalahy. Rehefa nojerena dia tsy noho ny vaovao loatra no nisamboran-dry zalahy ilay mpanao gazety fa amin’ny mahamerina azy indrindra. Miala tsiny fa nitovitovy ihany ny vaovao navoakan’ny rehetra avy any nefa dia ity iray ity no tena nahatezitra an-dry zalahy. Ny an’ny mbs manko olona tena avy tao ihany no solontenany. Amin’izao fotoana izao moa dia raràny tsy hamoaka vaovao intsony ireo mpanao gazety rehetra any an-toerana. 
  • Eo ihany koa ilay namoahan’ny minisitry ny vola hoe lasan’ny praiminisitra teo aloha ihany ny volabe efa nosakanan’ny fanjakana malagasy mipetraka amin’ny banky soisa iray. Efa azon’ilay olon’ny fitondrana teo aloha tamin’ny volana marsa moa io vola io. Ny zavatra ti’ny minisitra ampitaiina ao ambadika dia tiany ampifanohizana amin’ny toe-draharaha eto an-toerana lasa mikorontana ity nahazon’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo ity vola ity. Asa tokoa aloha izay tena fahamariniany any ambadika any.
  

Mendrika hohelohina

2007-04-30 @ 16:38 in Politika

Mpanara-baovao aho indrindra fa ny vaovao mitranga eto Madagasikara. Efa tsy vaovao intsony ny nitranga tany Toliary fa efa maresaka indray aloha. Rehefa tafiditra amin’ny lalina tahaka izao indray ny firenena indrindra fa amin’ny fihetsika tsy dia mahomby loatra dia mijery izay ataon’ny ankolafin-kery rehetra ihany koa aho ary manana ny tiako ambara manoloana izany.

 Voalohany, niandry fanambarana avy amin’ny fikambanana na antoko na vondrona na zavatra hafa aho hihaino izay heviny manoloana iny raharaha Toliary iny ka saiky tena ketraka tanteraka. Toa mbola hitsofoka amin’ny tsy mety kokoa ny andaniny sy ny ankilany ary toa tsy misy loatra mandray andraikitra mitsangana hitsabo ny fery mianjady amin’ny maro amin’izao fotoana izao. Fifanilahana andraikitra sy teny tsy hentitra loatra hampitsahatra ny lonilony no hany hita aloha hatramin’izao. Tsy naheno fanambarana loatra tamin’ny haino aman-jery aho ary tsy nahita fanambarana tamin’ny gazety ihany koa na dia iray aza.

 Ny radio nasionaly malagasy no nahenoana fotsiny miserana fa tsy voarakitra tamina taratasy ho hitan’ny be sy ny maro fa tsy mankasitraka iny zava-nitranga tany Toliary iny ny Olobe ahitana ny foko 18 misy any Toliary. Milaza tsy fankasitrahana ihany koa ny avy amin’ny fiangonana enina dia ny Ekar, ny Fjkm, Ny Flm, ny Advantista, ny Anglikana ary ny Ortodoksa. Raha ny tokony ho izy dia tsara novakiana manontolo ny fanambarana nataon’ireo vondrona tsirairay ireo raha nisy izany. Nisento ihany aho rehefa nahita fa anisan’ny nitsangana ny fiangonana satria mpitaiza vahoaka izy ireny saingy mbola tsy ampy ilay izy amiko fa tokony hivondrona manokana mihitsy ary mijoro hampitony ny raharaha. Moa tsy ny zava-mitranga toy izao no tena ahalalana ny fiangonana kristiana eto Madagasikara ? 

 Fa ny eo amin’ny mpanao politika no tena tsy naharenesana na inona na inona afa-tsy hevitra mahavalalanina ihany. Ny filoham-pirenena moa dia manameloka ny mpanao politika (indrindra ny mpanohitra) amin’ny fanaovana ny tanora ho fitaovana politika hitadiavan-tseza indray. Nefa raha tena misaina izy dia tokony hihevitra izay fototry ny olana nahatonga izao fihetsika mamohehatra eo amin’ny samy mpiray tanindrazana izao. Efa tsy sasatra aho nanambara tany aloha tany fa ity delestazy ity no ho fositra hahavoa azy. Miendrika tsy firaharahiana manko ny tsy mba nitadiavana vahaolana hatry ny ela fa aina sy fototry ny fampandrosoana ny angovo. Toa propagandy politika fotsiny no nataony fa tsy hita izay tena mivaingana hatramin’izao. Nandefa gropy handefasana jiro tany Toliary ny fitondrana dia Antananarivo indray no tapatapa-jiro indrindra fa tamin’ny andron’ny omaly alahady aloha. Famonoana afo ihany izany no nataony.

 Ny tena meloka kosa dia ny avy amin’ny mpanohitra nanome vahaolana tsotsotra tamin’ny alalan’ny fankahalana. Izaho manokana kosa tsy mihevitra ilay izy ho vahaolana na oviana na oviana fa mametraka ny nataony ho fitaizana ny tanora hankahala merina foko iray hatrany. Olona iray ve no tsy tiana dia antokon’olona manontolo no hohelohina ? manaraka izany dia tezaina hatrany fa mpiavy izay olona tsy avy ao an-toerana na dia samy Malagasy izao ihany aza. Izany hoe mbola manjaka soa aman-tsara ny politikan’ny foko nampiharin’ny Jeneraly Gala zato taona lasa izay na dia efa nahaleo tena aza ny firenena. Izay fomba fihevitra manao ny sasany amin’ny Malagasy mbola ho mpiavy izay dia manaporofo fa mbola ho lavitra ny fandrosoana raha ny toe-tsaina iainana amin’izao fotoana izao. Iza no ho sahy hanameloka izay filazana hoe « mpiavy » eo amin’ny samy Malagasy eto Madagasikara izay ? Ny firenenkafa aza efa izao tontolo izao no sehatra iainany !

 Be dia be ny teny tian-kambara fa aleo aloha hatsahatra kely handinihana azy tsara. Ny hamintinana ny resaka dia izao : tsy misy sahy manameloka ny toe-javatra ny rehetra fa mifanome tsiny fotsiny. Rehefa tsy melohina ny tsy firaharahiana ny vahoaka amin’ny ankapobeny hampiaiky ny eo amin’ny fitondrana ny tsi-fetezany hamaha amin’ny fomba hentitra ity delestazy ity dia tena mpanohitra tsy izy no misy eto Madagasikara. Meloka avokoa ny vondrona sy ny fikambanana rehetra tsy sahy miteny fa tena tsy nety ary fady ny fanenjehana vondron’olona noho ny volo-kodiny na noho ny mahangita mahaolioly na mahatso-bolo. Fahadisoan’ny fitondrana ihany koa ny nampiasana ny miaramila avy hatrany nefa tsy natao hitandro filaminana ny raharahan’izy ireny fa hiaro firenena ka izay mifanandrina aminy dia antsoina hoe fahavalo avokoa fa tsy hoe vahoaka. Mbola mila ofanina manokana ny miaramila hitandro ny filaminana fa lasa manapoaka basy amin’ny tsy antony.

Toliary: tohin'ny raharaha

2007-04-27 @ 16:29 in Politika

Nalaza moa ny andron’ny alakamisy ny fisian’ny rotaka tany Toliary. Fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra noho ny tsy fisian’ny jiro no antony voalohany. Nitokona ry zareo tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Nanao fampiraharahana ny solotenan’ny mpianatra sy ny solontenam-panjakana. Ny vokatra avy tao dia mahazo jiro ny Oniversite ny maraina amin’ny 6 – 8 ora, ny atoandro amin’ny 12 – 2 ora mba ahafahana mikarakara sakafo ary ny hariva amin’ny 6 – 11 ahafahana mianatra alina ihany koa. Nahafa-po ny mpianatra izay marimaritra iraisana izay.

  Dia niteny indray ary ny tompon’andraikitra nifampiraharaha fa tsy tokony hisy intsony ny fidinana an-dalam-be. Tsy namaly teo noho eo ny mpianatra fa rehefa nanao tatitra no nilaza fa tsy maintsy asiana foana ny filaharana (hitakiana inona moa ?). Ren’ny tompon’andraikitra izay teny izay ka nomarihiny fa tsy maintsy aparitany raha mbola misy mitady hihetsiketsika tsy amin’ny antony eo. Tsy niraharaha ny mpianatra ary efa nivonona ihany koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny farintany.

 Tonga tokoa ny andron’ny alakamisy, niantsoantso namory ny mpianatra indray ny mpitarika. Teo indrindra no nakan’ny miaramila ireo mpitarika ny tolona efatra ren’ny mpanara-baovao voalohany. Tezitra noho ireo fihetsika ireo ny mpianatra sy ny tsy mpianatra ka nirohotra nankeny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fonja. Tena fanafihana ara-bakinteny no natao fa tsy fitokonana teo anoloan’ny trano. Izany no nahazoan-dry zareo ho babo ny lehiben’ny fonja sy ireo mpiasan’ny fonja anankiroa. Atao hoe voafehin-dry zareo ny sampan-draharahan’ny fonja hitakiana ny famoahana ireo namany heveriny avy hatrany fa ao am-ponja ( fa angaha moa tsy any amin’ny kaomisaria aloha ?).

 Nandray andraikitra noho ny zava-miseho ny tompon’andraikitry ny fandriampahalemana. Velona tao anatin’izany ny fifandonana. Ny « mpianatra » dia vato no fitaovam-piadiana ary ny miaramila kosa dia kobay sy ny entona mandatsa-dranomaso (miisa 20 hoy ny ankamaroan’ny fampahalalam-baovao). Nodoran’ny mpianatra ny trano fiasana sy ny fiaran’ny lehiben’ny fonja ary nentiny ho any amin’ny cité-n’ny Oniversite ireo babony tao amin’ny sampandraharahan’ny fonja. Tamin’io fifandonana io no namparatra ireo mpifanandrina sy nahasamborana olona sivily 8 ( izany hoe tsy mpianatra araka ny fahazoan’ny mpihaino azy fa olona ivelan’ny oniversite mihitsy nefa dia tao anatin’ny tolon’ny mpianatra).

 Noesorina ny fahafahan’ny oniversite satria miafina ao ny « mpaka an-keriny ». Karohina ao ny lehiben’ny fonja izay nalain’ny mpianatra araka ny fitantarana teo ambony. Azo hevitreverina avy hatrany ny « antsojay » tsy maintsy ho misy any anatiny any. Samy tadiavin’ny tompon’andraikitra manko na ny natao takalon’aina na ny tena atidohan’ny mpanao ankeriny. Marihina fa ny any Toliary hatramin’izao no tena mahasahy manafika biraom-panjakana tahaka izao teto Madagasikara hatramin’ny nahaary saina ahy. Tamin’ny taona 1971 manko ny fitokonana notarihin’Atoa Monja Jaona dia nifototra tamin’ny fanafihana ny tobin’ny Zandary rehetra hitany tamin’ny alalan’ny pilotra sy ny lefona fa tsy toy ny filaharana fanaon’ny olona amin’ny ankapobeny. Dia karazandrazany ihany koa izao tantaraina amintsika izao.

Ahoana ary ny tohiny ?

 Araka ny vaovao faramparany re ary dia navotsotra ihany ireo babon’ny mpianatra tamin’ny 4 ora maraina teo. Tsy nolazaina kosa raha navotsotra tahaka izany na tsia ireo lehiben’ny fitokonan’ny mpianatra. Ny Senatera Robert Razaka sy ny Depiote Limby Benaria indray no nitarika ny filaharambe nataon’ny « vahoaka » androany maraina ary mifototra hatrany amin’ny fanoherana ny delestazy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana indrindra ny tsy fisian’ny arina izany filaharana izany. Nentanina tamin’ny alalan’ny trakitra tsy nisy sonia moa izany ary namporisihina ny vahoaka hitondra sotro sy vilia hampanenoana.

  Vetivety teo dia nivadika fandrobana ny entan’ny mpivarotra nandalovan’ny zareo izany filaharana izany ary nisy ihany koa ny fanafihana tsena handrobana ny entan’ny mpivarotra rehetra tao an-tsena ( dia tena tsy tadidiko ry zareo ny anaran’ilay tsena !). Efa tsy fitokonana intsony indray izany fihetsehana izany fa efa fandrobana ka niditra an-tsehatra indray ny mpitandro ny filaminana nandrava, nanenjika ary nanao tifi-danitra mihitsy aza araka ny heno ( ka tsy misy mahita tsinona fa araka ny tatitra avy amin’ny vaovao ihany no tantaraina eto). Efa rava tanteraka ny fitokonana tamin’ny 12 sy sasany atoandro fa ny taorian’izay kosa dia tsy mbola fantatra ny tohiny.

 Fanamarihana :

 Mavitrika dia mavitrika Atoa Tarcisius Raherinandrasana solontenan’ny Radio Nasionaly Malagasy any Toliary ka voalohan-daharana avy hatrany amin’ny radiom-panjakana sy ny televizionam-panajakana ity raharaha ity. Ny tsy miankina aza dia tsy mahraka ny vaovao avoakany amin’ny ankapobeny. Tsy tahaka ny taloha hoe afenimpenina ity raharaha ity fa tena tantarainy hatramin’ny antsipiriany sy hitondrany ny feon’ny tompon’andrikitra mihitsy aza. Ny an’ny mpanohitra kosa aloha tsy entiny e ! iny indray dia any amin’ny Radio Don Bosco no ahafahana mihaino izay lazainy.

Politika: Nohenoina ihany!

2007-04-25 @ 09:23 in Politika

Efa hitantsika amin’ny gazety angamba ny fitokanana ny trano lehibe (fa toa kelikely jerena izy izany an !) natao hamoahana ny didim-pitsarana mikasika ny fifidianana mitranga eto amin’ny firenena. Trano izay naorina eo anilan’ny trano hamantaran’ny be sy ny maro ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana ihany hatramin’izao izany hoe ao anatin’ny faritra sy fefin’ny HCC ihany. Nanandrana nanaraka ihany aho hamantatra hoe mahazaka olona firy moa ity trano mitady hiendrika fiangonana ity fa ny teti-bidiny aloha dia re fa Ar260.000.000 eo ho eo( tena lafo izy izany k'ty!). Azo heverina anefa fa mahazaka ny olona asaina ihany ilay trano saika miendrika fiangonana jerena. Toa trano gasy tsotra ihany no fijery azy fa natao lehibe hahatafiditra olona maromaro fotsiny.

 Ny kabarin’ny filoham-pirenena moa no nahalalana fa nivezivezy mitady trano hatrany ny Mpitsara avo isaky ny tonga ny fotoam-pitsarana lehibe. Tsy mba nanana trano manokana ho azy ry zareo nandritra ny 46 taona fa mindrana trano etsy sy eroa (ary ataoko fa tafiditra amin’izany ny teny amin’ny Ermitage tamin’ny taona 2001 – 2002, izany hoe sans domicile fixe ry zareo rehefa fotoan-dehibe ?). Efa fotoana lava no nampiasana hatrany ny trano lehibe fanaovana fivoriana iraisam-pirenena tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Efa nanaovan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana fankasitrahana moa ny fahafoizan’ny manampahefana amin’ireny trano ireny nanaiky amin-kitsim-po ny fampindramana ny trano.

 Hatramin’izay ela izay izany dia toa ambinambin-javatra na heverina ho fandaniam-bola amin’ny tsy antony ny resaka fifidianana indrindra fa ny toerana famoahana didim-pitsarana mikasika ity fifidianana ity. Dia hoy aho nampifaly tena hoe : fony izaho nanoratra tany amin’ny Politika fanorona ny andron’ny famoahana ofisialy ny fifidianana ho filoham-pirenena tao angamba no nanorenana malaky ity trano lehibe ity. Nalaiko aloha ny sary anatin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy tamin’izay fotoana izay dia nanoratra aho hoe tokony ho tany amin’ity toerana ity no nanaovana ny fotoam-pitsarana fa tsy any amin’ny raharaham-bahiny eo akaiky izany ( raharaham-bahiny hatrany izany hatramin’izay ny fifidianana sa ny firenena vahiny ihany no tena manery hisy fitsarana ?). Nohenoina ihany aho izany ! 

Fa angaha moa ny amin’iny ihany ? Omaly vao omaly indrindra aho no nanoratra tato ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Hay va re » fa tahaka ny politika fanenjehana olona manokana no tena ataon’ny sosialista any Frantsa. Mahita ihany koa moa aho amin’ny filazana hoe azo atao ny mametraka minisitra avy amin’ny UDF rehefa lany Ramatoa Segolene Royal dia hoy aho hoe resaka fizaran-tseza sahady moa no ataony tahaka ny manao hoe omeko tombotsoa tahaka izao raha lany aho na hoe koa tombotsoa manko no tena idiranay eo amin’ny fitondrana e ! Dia tahaka ireny  hoe mahay mamaky teny malagasy ireny ery Andriamatoa Nicolas Sarkozy ka dia nitovitovy tahaka ny nambarako indrindra ny kabarin-drangahy tany Seine-Maritime halina (tena lasa mpanara-baovao politika frantsay tampoka teo aho izany !). Ny marina kosa angamba dia hoe tsy very loatra ary tsy lavitra loatra amin’ny marina mitranga any Frantsa aho angamba !

Hay va re

2007-04-24 @ 07:46 in Politika

Hiresaka politika any Frantsa aho eto. Milaza miara-mahita aho fa notontosaina tamin’ny alahady teo ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany. Tsy te-hiditra lalina aho fa tery nanoratra ihany Amin’ny zavatra afahana ny mpihaino indrindra fa ny aty amin’ny faritra Afrika. Be rahateo ny Malagasy mipetraka any Frantsa sy Malagasy mizaka zom-pirenena frantsay indrindra indrindra. Ny rfi mazava loatra no tena be mpihaino aty ivelan’i Frantsa.

 Etsy ankilan’izay ihany koa dia ninia aho niandry, nihaino izay hevitry ny olom-pantatra sy hevitry ny Malagasy ankapobeny fantatra hevitra. Dia hamoaka izay hevitra mety tsy hifanarahana amin’ny rehetra izao. Famoahan-kevitra rahateo ny eto na dia hiteraka adi-hevitra aza izany tsy mampaninona ahy fa izay no lalànan’ny fahalalahana.

 Voalohany, misy dia toy ny ompa na fanaovana tsinontsinona olona betsaka tsikaritro. Ny iray aloha dia efa nahitsy ihany tahaka ny fampifidianana mialohany mponina any DFA (departemanta frantsay any amerika) izay efa nitaraina hatrany taloha hoe mbola eo andalam-pifidianana ry zareo ary tsy mbola mikatona akory ny biraom-pifidianana dia efa mahare ny valim-pifidianana sahady ny maro. Be noho izany kivy mialoha sy mieritreritra fa hay tsy hisy dikany intsony izay safidy hataony eo. Na vitsy aza ry zareo dia tsara napetraka hatramin’izay ny fanajana ny mpifidy.

Efa voavaha moa ny amin’iny ka tsy asiana resaka lava intsony. Mahavariana hatramin’izao ihany koa, ahy manokana aloha, ary heveriko ho tafiditra indrindra anaty rafitra ilay izy dia famoahana ara-keviny (estimations) no tena avoaka amin’ny fampahalalam-baovao manomboka amin’ny valo ora hariva nefa dia eken’ny mpijery sy ny mpihaino rehetra ho marina avy hatrany izay ankevitra izay. Izany hoe to teny eo amin’ny rehetra ilay voka-pifidianana avoaka amin’iny ora iny. Ireharehan’ny sasany eto Madagasikara moa izany famoaham-bokatra any Frantsa izany hoe tena malaky fa tsy toy ny eto izay ela be vao voangona ny vokatra manontolo. Eo dia heveriko fa efa tsara petraka ny rafitra rehetra amin’ny fanatontosana sy ny fanaraha-maso hany ka na dia antso an-tarobia sy fax aza no ampitana ny vokatra dia heverina ho marina avy hatrany iny. Nitovitovy rafitra taminy frantsay moa ny malagasy ka izay fipetraky ny rafitra izay indrindra angamba no nahatonga ilay fitakiana fampitaham-bato tamin’ny taona 2001 – 2002 iny nefa tsy neken’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany satria manozongozona ny fahamarinany ilay fitakiana. Hoy aho hoe enga anie ka samy hanana ny fanisam-batony ny antoko tsirairay ka miasa tsara hanamarina fa tsy hiandry izay avoakan’ny hafa fotsiny. Tsy matoky saka manko aho fa trondro ny laoka.

 Manaraka izany indray dia tsy mendrika mihitsy ny fomba fiteny sasany tahaka ny hoe araka ny mahatanora sy manampahaizana ny mpifidy no nifidianana sosialista tamin’ny alahady ary arakaraka ny mahaantitra sy mahavendrambendrana azy no nifidianany Sarkozy. Fanadihadiana omaly tamin’ny 3 ora mahery teto Madagasikara na tamin’ny 2 ora mahery tany Frantsa no namoahana izany tao amin’ny rfi. Ny antitra izay conservateur no mifidy an’ilay laharana voalohany hoy izy ary ny tanora 18 – 24 no tena maro an’isa nifidy Sarkozy.

 Etsy ankilan’izay dia toa iniana aely hatrany ny tsy fitiavana Sarkozy ho toy ny ho loza ho an’ny firenena frantsay ny hahatongavan’io rangahy io eo amin’ny fitondrana. Misy moa fitenenana mampahonena mihitsy toy ilay mpiantso iray avy tao Afrika tao niteny hoe : « ianao izay mpifindra monina ve no misakana ny hafa rehetra te-hifindra monina any Frantsa fa maninona raha avelao hiditra ny hafa ? ianao mpifindra monina ve no te-hitondra an’i Frantsa ! tsy mendrika hitondra an’i Frantsa ianao satria mpifindra monina ». Izany hoe ireo Afrikana tsy tia indrindra ny hevitry Le Pen no mitondra indray ny heviny amin’ny radio mieli-patrana eran-tany ny feony. Tsy haiko aho na tokony halahelo na tokony hihomehy.

 Manaraka izany dia zara fa tsy ompa sisa koa no atao amin’ireo rehetra nifidy Sarkozy (adino indray teto ny nifidy Le Pen satria vitsy an’isa angaha !). Ny afa-miteny amin’ny rehetra (artista sy mpanao gazety) moa dia zara raha tsy teny mivantana hoe tena efa mpanavakavaka ihany koa ny 30% (adino ilay 10% fanampiny avy amin’ny nifidy Le Pen !). Moa tena izany tokoa ve no hevitr’ireo mpifidy ? dia kendrena ho haratsiana sy ho afa-baraka tahaka ny tamin’ny taona 2002 indray izay nifidy Sarkozy tamin’ity taona ity. Kendrena mba tsy hihoatra intsony ny 30% isan-jato no vato azony ( ataovy hoe 40%) satria hoe fanohintohinana ny demokrasia sy loza mananontanona ho an’ny Repoblika ny fifidianana azy. Karazana fampiasaraham-bazana eo amin’ny samy mpifidy frantsay no kendrena rehefa tsy hahavoa amin’ny fifidianan-ko avy. Tahaka ny fanomanana korontana sahady sa fanomanana ny sain’ny olona amin’ny mety ho fanodikodinam-bato ho avy ? Izaho manokana manko dia tsy mino hatramin’izao fa tena tsy nihetsika intsony ny vato azon’i Le Pen tamin’iny fifidianana tamin’ny taona 2002 iny. Halabato « ara-panjakana » no nisy tamin’ny famoahana ny vokatra ary izay rahateo no tsikerako amin’ny rafi-pifidianana frantsay nolazaiko tery ambony.

 Efa paika sosialista moa izao ny hoe karazana fitsapa-kevi-bahoaka hanekena na tsia an’i Sarkozy no atao amin’ny fihodinana faharoa. Tsiaron’ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ilay lalam-panorenan’i Eoropa nandresen’ny Tsia fotsiny izany amiko. Eny, sarotra manko ny hampandresy amin’ny alalan’i Segolene Royal dia afantoka amin’ny resaka Sarkozy ny adi-hevitra. Samy manana ny paikany tokoa. Amin’itony fifidianana itony na dia any ivelany aza no itarafana hoe manao ahoana moa izany ny paika politika fanorona eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.  

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox