Vahoaka an'aliny eny an'arabe sy eny an-kianja anaty Covid-19

2020-08-05 @ 17:29 in Andavanandro

Gaga sy talanjona tanteraka aho nahita amin'ny sary ao amin'ny media sosialy, ary avy amin'ny kaontin'ny Filoha mihitsy araka ny noraisiko avy amin'ny namana fa dia vahoaka sesehena no eny an'arabe miandry ilay fanampiana ahitana vary amin'ny gony omen'ny fanjakana tarihan'ny filoham-pirenena mihitsy.


Ny anton'ny fahagagana dia avy amin'ilay famerana tsy hivorian'ny olona 50 isa akory nefa ireo vahoaka hita efa an'arivony. Omaly ohatra nahitako ny sary tao amin'ny Coliséum etsy Antsonjombe, mba misy ihany ny fanajana ilay iray metatra elanelana fa androany kosa tsy misy elanelana voahaja izany intsony.


Mety ho mahatonga ny hagagana ihany koa ny tsi-fanarahana intsony izay vaovao eto an-toerana ampitain'ireo haino-vaky-jery rehetra eto Madagasikara. Tsy maharaka intsony ny fironan'ny olona. Mahita aho fa amin'iny manamorona ny arabe rehetra iny ao Antananarivo sy ny manodidina ao dia feno dia feno olona tokoa ireo toerana nifampitaina an-tohotsofina fa hisy fizarana vary amin'ny gony araka ny arentirenty. 


Toa miverina indray ny fampielezankevitra ao anatin'izao fandrarana tsy hivorivoriana izao. Sary hitako no milaza fa mbola miandry ny fahatongavan'ny Filoha ny fizarana fanampiana ao amin'ny Kianja iray ao Ankadikely Ilafy raha efa dila ora iray mihoatra ny tsy fahazoana miantsena olona iray isa-tokantrano.


Fireharehana no asehon'ny sasany amin'izao fisian'ny fanampiana izao, izaho kosa mahita fa ankoatra ny ho fahasarotan'ny fiainana atsy ho atsy dia efa endriky ny fahasahiranan'ny olona no mahatonga izao firohotana tsy misy fanajana elanelana izao, ary ahiana mafy dia mafy ny fipoahana ara-tsosialy raha sanatria tsy mahazo izay nambara hozaraina ny olona.

Andavanandro 67ha, vakansy lehibe 2017

2017-09-12 @ 21:06 in Andavanandro

Andro maromaro lasa izay, voaendaka atoandrobenanahary ny zana-drahalahiko nanao vakansy tao 67ha, tanàna nahalehibe. Teo amin'ny Parking akaikin'ny CEG 67ha no nisian'izany. Olona iray manana fiara izay efa voaendaka teo amin'io toerana io ihany koa no nitondra azy tao amin'ny "chef quartier" ary ireo no nitondra azy tao an-trano hilaza fa voaendaka ilay zalahy. Efa maromaro ny olona nitaraina fa voaendaka teo amin'io faritra voalaza io nefa sady ao afovoan'ny fokontany 67ha avaratra andrefana izy io no misy mpiambina maromaro izay milaza ho samy manana ny faritra ambenany, io parking io.


Faritra tsy azo andehanana alina intsony ilay tanàna nahabe. Tsy mivondrona intsony ihany koa ny olona fa samy mizaka mangina izay mahazo azy ireo. Tantara sisa ilay firaisankina tao anaty savorovoron'ny taona 2009, fotoana nampivaralila tanteraka ilay firaisankina. Efa nisy ny fivoriana handraisana fepetra amin'io tsi-fandriampahalemana io saingy tsy nahare ny tohiny aho. Mitovy daholo ny andehanan'ny ahiahin'izay anontaniana fa tsy mandeha irery ireo. Lasa mitovy ihany koa ny tenenin'ny olona rehefa misy ny voaendaka... izy koa dia efa voaendaka tao an-tanàna ihany, ary efa fantatra ny tohin'ny raharaha rehefa amin'ny tranga tahaka ireny fa dia mivalona any avy hatrany ireny. Ny tsoa-kevitra iraisan'ny rehetra dia hoe afoizo any izay azony fa raha mitaky ny hanarahana ny finday iray manana IMEI ianao dia volabe tokony hahavidy finday hafa koa no takiana aminao ka anjaranao ny misafidy. Ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afa-mibaiko ny orinasa ahafahana mitsongodia ny misy ilay finday nangalarina. Vokany: mahazo vahana tanteraka ny mpangalatra. Tranga ao Antananarivo amin'izao taona 2017 izao izany resahiko izany.

jentilisa 12 septambra 2017

Taratasy fifirana tsy levon'ny rano

2017-05-11 @ 20:40 in Andavanandro

Zavatra iainana saingy toa tsy misy mpiresaka nefa dia tena manimba ny tontolo iainana mihitsy, satria manentsina tsy araka ny tokony ho izy ny fantsona natokana izorany. Efa nahatsikaritra ihany aho fa tsy tonga saina loatra, lasa mivalombalona be tsy mety lasan'ny rano ny taratasy vao avy nifirana. Efa nametraka fanariana taratasy manokana mihitsy na dia ny orinasa aza, noheveriko ho an'ny taratasy tsy natokana ifirana saingy noho ny tsy fahatakarana na fahalaniany dia mampiasa taratasy hafa no anton'io fanariana taratasy io, hay diso tanteraka ny hevitro fa tena natao ho an'ny taratasy natokana ifirana mihitsy io fitaovana fanrariana taratasy eo anilan'ny toeram-pangerena mihaja io, mihaja amin'ny lafiny madio moa izany.

Ny mpivarotra mihitsy amin'izay no miteny hoe ireto taratasy fifirana ireto tsy levon'ny rano fa mora ny vidiny fa ity ihany no taratasy fifirana levon'ny rano saingy lafo dia lafo. Dia lasa ny saina, fa angaha tsy natao ho levon'ny rano ny taratasy fifirana no lasa maro dia maro karazana ireo tsy mety levon'ny rano ka lasa misy daba natokana ho azy mihitsy? Moa ve tsy lasa fitaka ho an'ny rehetra izany taratasy fifirana tsy levon'ny rano izany? Ary ny fanontaniana farany: Eto Madagasikara irery ve no misy ireto taratasy fifirana tsy levon'ny rano ireto sa be koa ireo firenena misy izany tranga izany? Ny Malagasy any am-pielezana ihany no afaka mamaly izany fanontaniako izany angamba...

Jentilisa 11 mey 2017

Delestazy sy Jirama

2016-12-15 @ 21:36 in Andavanandro

Raha tsy tena maty tanteraka ny delestazy nandritra ny frankofonia fa nisy naningatsingana ihany tany ambadimbadika tany, tsy Antananarivo renivohitra irery akory i Madagasikara ka hoe rehefa tsy nisy teto dia tsy nisy nanerana an'i Madagasikara. Nisy dia nisy hatrany ny delestazy tany amin'ireo tanàna atao hoe madinika mba manana ny lazany ihany, atao hoe lehibe toa kely loatra raha oharina amin'Antananarivo.

Niverina amin'ny heriny tanteraka indray io delestazy io ankehitriny, eto Antananarivo. Fantatra mazava fa misy izy any amin'ireo tanandehibe hafa, ary mbola mafy noho ny eto aza, saingy izay angamba ilay hoe izay akaiky vilany feno arina, ny akaiky ihany no fantatra fa ny kely tsy mba mamindro, tsy mahazo hafanana amin'ny alina sy ny hazavana tarafiny. Mahatsiaro ho kely ve ilay Malagasy ka tsy re taraina intsony afa-tsy ny eto Antananarivo? Tsy izay loatra intsony angamba fa efa mahay mionona amin'izay omena azy angamba ity: "fataliste" hoy ny tenin'ny mpanjanaka. Tsy maka lagy, izay ataon'ialahy eo!

Fa ny hany olana amiko dia diso fiantefa ny tsikera ataon'ny olona, tsy ny JIRAMA ry zareo no olana fa izay manome ny baiko hampisy io olana io an! Tsy hoe JIRAMA no miandraikitra mivantana ny fanomezana ny jiro sy ny rano eto Madagasikara dia izy irery no tompon'andraikitra amin'ny fahavoazantsika. Manana andraikitra daholo ny rehetra, izaho sy ianao mamaky io, raha eto Madagasikara ianao, ary ny fitondram-panjakana no lohany amin'izany. Maninona no vitsy ny miteny hoe ritra ny ranon'i Mantasoa? Maninona no vitsy ny miteny hoe latsaka ambany dia ambany ny haavon-dranon'Andekaleka ka tsy afaka manome herin-jiro feno intsony? Iza no tompon'ny fahadisoana raha tsy mety milatsaka ny orana amin'ny faritra sasany? Iza no mpandoro tanety? Fakafaka tsara iverenana henoina ny fandaharana rivotra androany 15 desambra tao amin'ny RDJ hahazoanao bebe kokoa ny tian-kolazaina.

Rehefa miditra politika sy fitadiavam-bola dia lesona azoko hatramin'ny taona 2009 ny hoe tsy ny hamahana ny olana no tanjona fa ny hahazoanao tombontsoa amin'izay tolokevitra naroso, ary vao maika aza manampy trotraka sy miteraka olana saro-bahana bebe kokoa izany tolo-kevitra izany ahafahanao mitsentsitra bebe kokoa izay azo tsentsefina ary ny orinasam-panjakana no lasibatra voalohany amin'izany. Ataoko tsipalotra fotsiny ny fanontaniana hoe fa maninona no tsy afa-mampiditra foto-drafitrasa manokana ny JIRAMA hamahany ny olana fa olon-kafa hatrany no tadiavina sy atao laharam-pahamehana amin'ny fampanofana milina mpameloha herin'aritra, olon-kafa tsy mahalala hafa tsy ny tombontsoany manokana, ary ny mpanome alalana amin'ny fampanofana zavatra lafovidy tsy ho takatra kosa kosa mihevitra fa mahazo ampaham-bola ho azy manokana ihany koa fa tsy misy fitsinjovana velively ny orinasa sy ny mpiara-belona?

Ka raha amin'izao fotoana izao no hitetateta hoe omeo ny tsy miankina io orinasa io hotantaniny dia efa miharihary sahady hoe iza ireo vondron'olona hahazo izany fitantanana izany, fa izaho tsy hilaza aminareo, satria ireo manao izay hahakenda an'i JIRAMA ihany ireo mitilitily miandry mahazo sy te-hanao rapa-dango sy ampihimamba io tokony ho filàna fototry ny Malagasy iray manontolo io. Tahaka ny taribin'ny PTT taloha ihany e! tsy tokony ho orinasa tsy miankina tokana no hahazo ilay fotodrafitrasam-panjakana teo aloha fa tokony hisitraka izany avokoa ireo miasa ho amin'ny fifandraisan-davitra, saingy efa nisy moa ny hafetsifetsena dia na ny tany sy zavatra hafa tsy tokony ho azy aza lazaina fa tao anatin'ny fifanarahana ho tafiditra tamin'ny nividianana azy avokoa.

Lava sahady izay voasoratra nefa zavatra hafa, natao nandritra ny fotoana nahafaty ny jiro, no tena saiky notantaraina fa ataoko amin'ny lahatsoratra hafa eo ihany angamba izany.

Jentilisa, Alakamisy 15 desambra 2016

Fanararaotana toe-draharaha!

2016-11-12 @ 08:25 in Andavanandro

Vaovao manerantany tamin'ity herinandro ity ny fifidianana amerikana sy ny nahalany an'i Donald Trump izay lazaina fa tsy nampoizina saingy ho an'ny manampahaizana sy ny fampitam-baovao angamba izany, fa fanararaotana toe-draharaha kosa ny tetika fampanginana na fanakanana ankolaka tsy hanaovan'ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo intsony ny asam-panadiovana eto amin'ny renivohitr'i Madagasikara. Izaho izay anisan'ny nifidy azy kosa tsy manaiky izany tetika maloto itadiavana izay hanjakan'ny saritaka sy ny gaboraraka eto amin'ny tanàna itoerako izany. Antony voalohany nifidianako azy io fanadiovana io. Ianareo mpamaky aza moa efa mahafantatra ny hevitro hoe aleo esorina eto Antananarivo sy atao lavitra azy amin'izay izany tsena ankalamanjana izany.

Tsy azo lavina fa tsy maintsy misy ny fibolisarana amin'izany asam-panadiovana izany, sady tsy vitsy ny fihantsiana avy amin'ireo tsy tia manara-dalàna, saingy tsy izany kosa no amoahana miaramila iray toby hanaovana fahirano ny lapan'ny tanàna sy hitakiana ny amoahana miaramila iray sy ny vadiny bevohoka nifampigidraka tamin'ny polisy kaominaly teny am-pivarotana amoron-dalana na anaty lalana. Efa mihabetsaka rahateo no nihevitra fa velam-pandrika nataon'ny fitondrana foibe io toe-javatra io matoa tsy ampy adiny iray taorian'ny fisamborana dia efa tonga nitaky ny famoahana ny miaramila namany nivarotra amoron-dalana sy nihevi-tena ho mafy sy mahay miady noho ny polisy kaominaly, ireo miaramila misatro-mena tarihin'ny lefitra faharoan'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika misalotra ny grady Jeneraly izany.

Etsy ankilan'izany dia mody fanina tamin'ny fisian'ny fitakiana famoahana ny namany ny Jeneraly minisitry ny fiarovana ka milaza araka ny loharanom-baovao avy amin'ny gazety iray eto an-toerana fa hampanjaka ny filaminana no nahatongavan'ireo miaramila ireo ary ao anatin'ny asany mihitsy iny fanafihana iny, mba tsy hisy ihany koa ny fihoaram-pefy avy amin'olon-tsotra mety hanafika ny lapan'ny tanàna ary ny hiaro ny lapan'ny tanàna no nahatongavan'ireo teny... fa angaha tsy ny miaramila no manafika ny lapan'ny tanàna?... dia mieboebo moa hoe tsy nisy naratra na maty.

Efa mihabetsaka moa no mihevitra fa tetika hanaisorana ny Ben'ny Tanàna no tanjona farany tamin'ireny fihetsika ireny, saingy maro loatra ireo mpankasitraka ny asam-panadiovana dia ny fandemena ireo mpanao ny asam-panadiovana voalohany, amin'ny fitondrana ny polisy kaominaly eny amin'ny fitsarana no atao aloha mba hihemoran'ny kaominina. Izahay kosa mitaky hoe aza mihemotra intsony fa tohizo hatramin'ny farany. "manara-dalàna loatra" ianareo ka manaiky itondrana ny polisy kaominaly hohadihadian'ny zandary fa toa tadiavina tsy asiana tohiny kosa ny fanafihana lapa nataon'ny miaramila? Akaiky ity ny faran'ny taona ka tian'ny sasany tahaka ilay miseho ho mafy sy tsara mpiaro avy amin'ny lehibeny nampaniraka ny namany "hanavotra" azy ny hanomezana alalana ny fanaovana gaboraraka hampandeha ny bizina eny amin'ny lalan'Antananarivo. Koa asakasaky ny kaominina fa eto ny kihon-dalana ijerenay nifidy anareo izay fanapahan-kevitrareo. Ho ekenareo ve ilay gaboraraka amin'ny fametrahana ny tsenan'ny noely eny an'arabe?


Asabotsy 12 novambra 2016

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox