Mionòna mionòna ialahy ry mpitia baolina Malagasy fa izay kely azon’ny Afnex omena an’ialahy ihany no sisa arahin’ialahy mivantana. Zara aza ialahy nomeny baolina valo hojerena amin’ity euro 2008 ity ka ampahaefatry ny famaranana ny roa, atsasaky ny famaranana ny iray ( fa maninona no tsy izy roa e?) ary ny famaranana ny iray. Zara aza ialahy nahita ny lalao fanokafana androany alina iny dia amin’ny alakamisy 12 marsa 2008 hihaonan’ny Alemana sy ny Kroaty indray ny baolina manaraka.
Fa iza anefa no nilaza tamin’ialahy hoe aty amin’ny faritra mahantra Afrika Atsimon’i Sahara ialahy no mipetraka? Ahoana tsara hoe? Maninona raha mividy ny fitondrana Malagasy hanome fahafaham-po ny vahoaka tsy mandady harona? Oadray! Izy anie afaka mijery amin’ny TPS sy ny Canalsat e! Maninona raha mampiditra ny iray amin’ireo ialahy? Soa ihany aho fa tsy naka “congé” fa izany no fanaoko rehefa avy ny Euro na ny mondial. Sa ve hoe rehefa tsy hijery baolina aho rahampitso dia heverin’ialahy fa tsy tia baolina mihitsy aho? Ka raha tia hanaraka baolina mivantana anie ialahy mitantara ny Radio Nasionaly Malagasy e! Ahoana tsara hoe? Izay aloha e! Ny mijery no tena izy fa tsy itantarana.
Dia inona anefa no hataon’ialahy? Himenomenona fotsiny any ambadika any? Ka sahin’ialahy ve ny hitaky Euro eny Mahamasina rahampitso? Izaho anie ho’aho tsy ho eny e! Io tsy fahaizana mivondrona io ihany no mahavoa an’ialahy? Fa raha misy fihetsiketsehana (izay ho nofinofy tanteraka aloha eto Madagasikara) rahampitso mety ho heno ihany ny hetahetan’ialahy ka! Saingy ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mitady akama manana TPS na Canalsat e! Izaho aloha tsy manana fa efa mahay mionona e! Zara aza nomeny baolina valo na dia tsy mahaliana loatra aza ny lalao omeny e! Foha! Foha! Ndeha matory fa tsiiiy iiiiiy! Ary tsy ramatoa no imenomenonana eo!
Efa nolazaiko mialoha ihany ny amin’ity soratra iray ity
satria mety hanafintohina ny maro amin’ny mpamaky ny votoatiny. Marihina aloha
fa resaka baolina fandaka izy ity (baolina kitra hoy ny fiteny mahazatra nefa
toa mitondra kitra hatrany ny Malagasy aminy). Misy fizaram-potoana ilay
eritreritra mba hifandrindra hatrany amin’ny zava-misy aloha.
Vanim-potoana voalohany, tsy mbola nanomboka ny
fifanintsanana hidirana amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana ho
tompon-daka manerantany hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 sy ny dingana
famaranana handrombahana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotontosaina any
Angola 2010 kosa. Niverina tamin’ny toerany ny FMF na ny Federasiona Malagasy
ny (baolina) Fandaka izay nahantona teo aloha. Ny minisitry ny fanatanjahantena
izay nampihantona ny federasiona kosa no tsy tafaverina tamin’ny toerany
intsony. Ady koropaka ny fanomanantenan’ny ekipam-pirenentsika malagasy.
Mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga, hany ligy tokana nanao fifaninanana
nandritra ny fotoana nampihantona ny FMF, ihany no nantsoina handrafitra azy.
Nasaina tao amin’ny fandaharana Savaravina mandeha
isan’alahady hariva ao amin’ny radiom-pirenena ny FMF. Naneho ny fanakianany ny
FMF ny maro amin’ny mpiantso ka nilaza hoe maninona raha mba mametra-pialana fa
tsy miandry esorina? Valy bontana no azo, mirotsaha raha mahasahy fa tsy eo no
be vava eo! Eo anatrehan’ny mpanaraka ny baolina anefa dia tsy ho tafala eo
amin’ny toerany mihitsy ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo satria ny
olony ihany no maro an’isa amin’ny ligy mahazo alalana hifidy. Ny tsy zakan’ny mpanaraka
dia ny ligy anarany no tena maro an’isa fa ny ligy mahita ny lesoka kosa sady
tena miasa dia vitsy loatra tsy hahavadika ny rasa mihitsy. Mirehareha ny FMF
satria tahaka ny mahazo fanohanana avy amin’ny FIFA.
Raha izany no izy, hoy aho anakampo, tsy mila ny
fandresen’ny Malagasy mihitsy aho amin’ity fifanintsanana mandritra ny volana
jona ity satria izay rehetra fandresena dia fandresen’ny FMF ahafahany mandresy
lahatra fa mahavita zavatra ry zareo ka handimby ny tenany avy ihany amin’ny
fifidianana ho avy. Ny faharesena rehetra kosa dia fampisainana ireo ligy
mpifidy hoe mbola hotazonina ve ireo ekipa tsy nahatafavoaka baolina ireo.
Amiko manokana olana ny FMF saingy ny fototr’olana dia ny ligy be tsy
andraofana tsy fantatra marina na misy ekipa miorina ao aminy na tsia
(famenoan’isa iarovan’ny FMF ny tenany araka ny fijeriko azy). Tsy mandà ny fahabangan’ny
foto-drafitr’asa ihany koa aho na dia izany aza.
Vanim-potoana faharoa, re fa nanao ady sahala samy tsy
nisy nitoko ny Malagasy sy ny Botsoaney. Sady tsy resy no tsy nandresy izany ny
Malagasy. Raha heverina amin’ny fanomanantena dia tsara ihany ny vokatra satria
tsy vaky ny fiarovana izay lesoka lehibe tamin’ny fifanintsanana teo aloha.
Mbola tsy nahavaky atody ihany anefa isika etsy ankilan’izany.
Nanam-panantenana ihany ny tia mijery baolina fa mety hihiratra ny
masoandron’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity. Samy ela niomanana ihany
manko ny rehetra fa ny malagasy no “tafaverina” tampoka hahazo mifaninana raha
nahantona teo aloha. “Limiter les degats” izany no tena tanjona tany
an-tanin’olona (mametra araka izay azo atao ny fahavoazana mety ho azo) sy ny
fihaonana voalohany.
Ny manakana ahy tsy hijery baolina eny Mahamasina kosa dia ny fiheverako fa ny fividianana
tapakila rehetra dia karazana fanohanana ara-bola ny federasiona tsy
ankasitrahako loatra (na dia noho ny fireharehana voalaza tetsy ambony ihany
aza nefa eo ihany koa ny lazan’ilay hoe “manaova resy” taona vitsy lasa izay).
Tsy mazava amiko manko ny fitantanana ara-bola tokony ho aingam-pampandrosoana
ny baolina fandaka indrindra indrindra. Tsy eken’ny eriteritro mihitsy izany
hoe tsy misy tapakila intsony aty amiko rehefa tafiditra ny kianja aho, nefa
iny no karazana fiantohana ho ahy raha sanatria ka... sanatria izay efa nisy
raha nihaona voalohany ny Malagasy sy ny Ivoariana ka teo ampandresena ny
Malagasy kanjo nosembanin’ny orambe nanondraka ny kianja ho “tsy azo
nilalaovana”. Naverina hatramin’ny voalohany ny lalao raha tsy vita hatramin’ny
farany, maika loatra ny federasiona fa ny ampitso ihany no nanaovany azy ary
mandoa vola indray izay te-hijery. Teo no nipoitra voalohany ny fanakianan’ny
mpijery fa tia vola ity federasiona, saingy inona moa no ataony satria tsy misy
manana tapakila intsony ny mpijery tamin’io andro Asabotsy nilalaovana teo
aloha io. Izay mpanaraka ny bolongako hatramin’ny ela ihany koa dia mhafantatra
fa saiky izaho irery no miresaka izany baolina fandaka izany raha ny eto
madagasikara no resahina.
Tetsy andanin’izany anefa dia nandoko ny gradins ny
Kaominina Antananarivo renivohitra. Loko marevaka isaky ny faritra izay azo
atao lokona tapakila ho an’ny mpijery ihany koa ary azo amaritana mialoha ny
toeran’ny mpijery koa raha vonona ho amin’izany ny federasiona. Raha jerena ny
lojikan’ny Kaominina dia azo atao tsara amin’io fotoana io ny manao
famandrihana mialoha na dia ny eny amin’ny gradins aza mba tsy hisian’ny
fifanosehana sy hisorohana amin’ny fihoaran’ny isan’ny mpijery efa fahazarana
isaky ny misy baolina malaza eto amin’ny tanàna. Amin’io fotoana io dia mba
mahazo matoky tena izay rehetra mividy tapakila fa misy toerana miandry azy
hatrany eny fa tsy hoe vao tara kely aho dia eny ambanin’ny gradins
(voararan’ny lalàna) sisa no anjara toerako na aleo mody fa tsy hahita na inona
na inona intsony. Tsy fantatra loatra anefa raha vonona hiaraka amin’ity
fivoarana ity ny federasiona na tsia satria tsy miteny mihitsy izy amin’izao
fotoana izao. Nahatsikaritra ihany koa ny mpanaraka baolina fa tsy nanao afisy
sy dokambarotra amin’ny fihaonana mihitsy ny federasiona. Tsy ilaina intsony ve
izany satria efa fantatry ny rehetra?
Tao amin’ny kidaona maraina, hany haino aman-jery azon’ny
mpihaino iadian-kevitra eto Antananarivo dia azo lazaina fa fampirisihana ny
mpilalao handresy no manjaka kokoa na dia misy ihany aza ny milaza tsy
hanatrika io lalao io (tahaka ahy).
Vanim-potoana fahatelo, nahita ny fizotran’ny lalao tany
Botsoana tamin’ny televiziona MBS halina (alarobia efa alina dia alina tokoa)
ny mpanara-baolina. Tsy honohono intsony izany no henoina fa nahita avokoa ny
rehetra na dia ratsy dia ratsy tokoa aza ny kalitaon’ny sary. Hita fa tsy nisy
afitsoka mihitsy ny lohalaharana Malagasy ary telo raha be indrindra ny tifitra
manandrify ny tsatoby nataony (daka malefaka). Hita ihany koa fa lavaka ihany
hay ny fiarovana, nahatafidirana baolina roa izay nolavina avokoa, azo
iadian-kevitra ny baolina faharoa fa maty amin’ny ara-dalàna raha ny fijeriko
azy saingy ny mpitsara moa no tompon’ny fanapahan-kevitra. Tsikaritra fa
sarotra ny manantena ho tafiditra amin’izany dingan’ny famaranana izany; saingy
boribory ny baolina, hoy ny fomba fiteny.
Nahery vaika tao amin’ny kidaona maraina alakamisy maraina
ny fanombanana fa ho resy ny Malagasy amin’ny fihaonany amin’ny Ivoariana. Lasa
vitsy an’isa tery ny tena resy lahatra na ny mampirisika fa handresy ny
Malagasy amin’io fotoana io. Karazany niady irery i Gothlieb izay milaza fa tsy
mety fanakiviana ny mpilalao amin’ny fihaonany amin’ny favori izao. I Francis Turbo
kosa milaza matetika fa mitovitovy hevitra amin’ny mpiantso. Izaho kosa efa
nanana ny hevitro hatramin’ny vanim-potoana voalohany: Tsy tiako hiverina
amin’ny toerany intsony ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo. Misy aza moa
no milaza (tamin’ny kidaona) fa na handresy na ho resy ny Malagasy tsy mahaova
na inona na inona izany satria ny fototry ny baolina (fandaka) mihitsy no tsy
ao.
Na izany na tsy izany, raha te-hahita na hifanena amiko
ianareo dia any amin’ny “Ndeha hihazakazaka” no misy ahy. Hazakazaka
hotontosaina ny alahady maraina miainga eo amin’ny lapan’ny fitsarana anosy,
mamakivaky an’Ampefiloha sy 67ha amin’ny lalam-baovao, Tsaramasay, Ankorondrano
ary mipaka eny amin’ny kianjan’Alarobia.
Efa ahafantarana ny fitondrana ka dia tohizany tokoa
rehefa mandray fanapahan-kevitra ny tsy manenina fa dia fikiriny
mandrakariva iny. Lohatenim-baovao voalohany nisongona ny valim-pifidianana ny
nandraisan’ny minisitry ny fanatanjahantena n mpanao gazety nilazany indray fa
tazoniny ny fandravana ny federasionan’ny baolina fandaka. Fanapahankevitra
hany neken’ny mora an’isa mpankafy ny fanatanjahantena eto Madagasikara aloha
amin’izao fotoana izao. Tsy araka ny fiahihiana ny mety haha anjorom-bala ny
baolina fandaka malagasy fa aleon’ny mpankafy io fanapahankevitry ny Minisitra
io toy izay fanohizan’ny federasiona ny asany izay tsy maintsy hoe ho lany
indray raha ny fanohanan’ny ligy azy no jerena.
Dingana manaraka tokony hataon’ny minisitera indray ny
fandravana ny ligy isankarazany amin’ity taranja baolina fandaka (kitra) ity
indray satria ireo koa no fototry ny fanakanana ny fampandrosoana ity taranja
iray ity. Izaho manokana moa dia ny fandaminana ny taranjam-panatanjahantena
amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy ao indrindra fa ny fanomezana toerana sahaza
azy ny mpijery (na dia ny tapakila tsy ampelatanan’ny mpijery intsony rehefa
tafiditra ny valan’ny kianja aza dia zavatra tsy azo leferina nefa neken’ny
maro an’isa hatramin’izay, nefea dia fototry ny tsy fahamatoran’ny fidiram-bola
io).
Ankoatra izay ny vaovao hafa dia lasa mampihomehy valaka
koa ny mahita ny mpitatibaovaon’ny fampielezan-tsary TVM faly ery manonona ny
100% azon’ny TIM tany amin’ny faritra maro tsy nananany mpifaninana nefa saiky
tsy hitany mihitsy ny fandresen’ny tsy miankina tany Antsirabe I, ary ny antoko
hafa tany Toamasina I sy Antsiranana I ohatra. Zavatra tokony hahamenatra
indray ve ry zareo no ireharehana?
Mety ho lahatsoratra faraparany mikasika baolina fandaka ity resaka ity taorian'ny faharesena an'isa manaporofo ny tsy fahaizantsika baolina izay. Na ahoana na ahoana amin'ny mahamalagasy dia manohana ny malagasy mandrakariva aho. Tsy manohana be fahantany fa manohana hampandroso io taranja io. Raha tsy mandray ny hevitra ny tompon'andraikitra dia anjarany izany fa dia hiteny ny lesoka lehibe aho.
Mba afaka nijery ny lalaon'ny Costa Do Sol sy ny Ajesaia aho ary mahita tsara hoe mbola aiza ny lalana lavitra dia lavitra diavin'ny malagasy amin'ny ankapobeny vao mety hahatratra ny hakitrokelin'ny any amin'ny firenenkafa isika.
Voalohany ny toetsaina, miala andraikitra ny malagasy amin'ny ankapobeny rehefa tarafina amin'ny lalaony. Deraderaina amin'ny fahaizana tranonkala (breziliana) ny malagasy nefa tsy misy dikany izany raha ny famerenambaolina ho any amin'ny fiarovana no betsaka. Misy ny olona (Sedera) izay tsy maintsy ampandalovina any aminy hatrany ny baolina. Mazava loatra fa dia tsotra kokoa ny fomba fiarovana rehefa izay no tanjon'ny mpanazatra na dia tsy mahay momba ny fanazarana aza aho.
Mivandravandra loatra manko ny fiaingana avy amin'ny vodilaharana havanana dia manavatsava (manao endrika S) mandrapahatongany ho any amin'ny lohalaharana havia. Tolotra olona 8 na 9 mihitsy aza vao tonga any amin'ny lohalaharana havia nefa tsy hitifitra mihitsy (2 ihany nandritra ny lalao iray manontolo ary tamin'ny fidirana voalohany aza). Baolina tsy tifitra velively fa 'video gag' ilay hany tokana tafiditra nandritra ny lalao.
Mitady hanatitra baolina fa tsy hitifi-baolina ny malagasy. Lesoka be taratry ny tsy fandrosoantsika Malagasy io. Ahoana ary ny tanjona apetrako izaho manokana?
Voalohany, raha manao tranonkala dia miafara amin'ny tifitra no kendrena. Tsara ametrahana tanjona hoe miaiinga amin'ny mpiandro ny tsatoby ka hatramin'ny mpitifitra dia tolotra dimy ihany raha be indrindra no manelanelana ireo. Ny fahadimy na fahaenina raha be indrindra dia manana adidy hitifitra na ho any na tsy ho any. Izany hoe na iza na iza indrindra ny mpanazatra dia mampiofana ny mpilalaony hitifitra hatrany na dia drodroka aza. Fizarana ihany izany. Zavabitika io nefa lesoka tsy ananan'ny malagasy tao anatin'ny 50 taona.
Vaovao mety tsy ampoizin'ny maro ny nisian'ny rotaka teto Antananarivo androany alahady 02 marsa 2008. Io rotaka io dia noho ny tsy nisian'ny baolina saiky hihaonan'ny Ajesaia sy ny Costa do Sol. Ny hany fantatro (satria tsy afa-mivoaka noho ny asa aho) dia ny poabasy no re ary ny tatitra no manambara fa potika tanteraka ny kianjaben'i Mahamasina. Resaka vola tokony ho averina no anton'io rotaka io. Ny tena nitrangan'ny raharaha dia tao Mahamasina. Amin'ny gazety rahampitso ho hahenoanareo ny antsipiriany fa dia fanairana ihany no ataoko eto. Misy milaza fa maro ny maratra ary misy fatiolona mihitsy saingy rehefa tsy mahita dia tsy afaka ny hitompo teny amin'izany resaka miely izany.