Maharesaka.VETO

18 Jan, 2008

Karajia banned by the malagasy government!

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 08:26

It's also amazing from the Malagasy government to suspend the popular program "karajia"  (discussion) broadcasted by the  Roman Catholic Radio (Radio Don Bosco). There, people can give all their opinion in what they would say about.

Lava ihany izay amin'ity tsy mbola fahaizako maneho hevitra amin'ny teny anglisy izay. Misy didim-panjakana mihitsy araka ny filazan'ny namana nivoaka ny ora tokony hanombohan'ny fandaharana isan'andro. Izaho moa eo amin'ny 8 ora eo ho eo no mamadika hihaino azy, tsy henoko noho izany ny fanambarana fa ny hirahira sisa no nandeha dia gaga ihany aho. Tany amin'ny fandaharana iray hafa "kidaona maraina" no nanehoan'ny hafa ny heviny indray momba ity "fanafoanana" amin'ny teny malagasy fa "suspension" kosa indray amin'ny teny frantsay.

Ny antony araka ny heno dia toa hoe tadiavina entina hanaikana ny olona hilahatra no antony. Olona mpihaino iray moa no nanao izay fitenenana izay ary efa novalian'ny mpanentana io saingy iny no fanararaotran'ny mpitondra hanakatonana azy. Miasà mafy ny Mpamaham-bolongana rehetra fa mandady ny trambo. Mety ho anjarantsika ihany koa ny manaraka, ary mety hisy ny fanakanana ny aterineto raha mitohy izao.

Nisy moa ny niteny tao amin'ny kidaona fa raha tsy afa-maneho ny heviny ny olona dia ahiana ny hielezan'ny graffitii hanehoan'ny olona ny heviny.

 


Hevitra

  1. manohina fo mihitsy ny zvtr toy izao!
    ny fandaharana toa ireny mantsy no hany mba anehoan'ny olona ny heviny. ny mahagaga ahy manokana dia tsy ao amin'ny RDB irery ange no misy ny fandaharana toy ireny e fa nahoana moa no tao irery no naato?
    Aiza ho aiza amin'izanya ry ny atao hoe demokrasia. Soa isika fa nanana ity serasera ity ahafahana maneho ny antsika e!

    Nampidirin'i sazykely — 18 Jan 2008, 08:54

  2. Aleo aloha andrasana tsara izay tena pitsopitsony rehetra e !
    Ny mpanentana ao @ Karajia mihitsy ve no nihoa-pefy sa mpandray anjara sasany no nibolila ka nahatonga ny fanapahan-kevitra ? Mety samy hafa ny azo handraisana an'izay. Ary ny olana koa dia ny lesoka eo @ lalàna mifehy ny serasera iarovana ny haino aman-jery sy ijerena hoe hatraiza ny andraikiny (responsabilité). Firy taona moa izay niresahana ny Code de la Communication izay, tsy hita ihany fa dia mbola ilay lalàna 90-031 foana aloha no hiainana.
    Resaka filaharana an-dalambe ve no olana sa fihantsiana hikomy. Raha ilay voalohany aloha dia misy ny fanosihosena zo fototra ao @ lalampanorenana. Raha ilay faharoa kosa dia tafiditra tsara @ resaka police administrative izay fitandroana ny filaminam-bahoaka.

    Nampidirin'i Shadow — 18 Jan 2008, 09:03

  3. raha tsy afa-maneho ny heviny ny olona dia ahiana ny hielezan'ny graffitii

    Hoy i Jesoa indray andro: Raha tsy avela hiteny ireo vahoaka ireo dia ny vato no hiantsoantso.

    Ny fanehoan-kevitra ange avela malalaka loatra toa mankarary sofina, teriterena vao mainka mamato-tena. Ny internet aloha izany dia efa milaza ny tompon'andraikitra fa tsy afaka manara-maso ny blaogy hébergé any am-pita, fa raha olona mipetraka eto Dago ka mampiasa internet any an-trano ary manoratsora-poana ao @ forum Wanadoo mety hisy ho maivoka indray andro any e!

    Nampidirin'i DotMG — 18 Jan 2008, 09:43

  4. Vaovao mampalahelo izany :(

    Fomba ratsy fanaon'ireo fitondrana JADONA (oh Myanmar/Birmania vao tsy ela) ny fanaampenam-bava.

    Raha toa ka misy diso lazain'io fandaharana io dia na toriana amin'ny fitsarana ho mpandainga na arenina amin'ny adihevitra. Raha ny fahitako ny fampielezan-kevitra dia heveriko fa ampy ireo fitaovana eo ampelan-tanan'ny fitondrana hilazany izay fomba fijeriny.

    Nampidirin'i tomavana — 18 Jan 2008, 12:54

  5. Tokony ny mpiandraikitra ny fandaharana no mi-censure ny fihetsika mitady hanohina ny filaminam-bahoaka toy izany (ra tena izay tokoa ilay izy)... Otran'ny hoe misy operateur @ ireny chatroom ireny ihany e. Ra misy miteny ratsy ve zao ao @ le karajia an'ny Don Bosco d mbola avelan'zareo manohy miteny eo ihany izy?? Otr'zay ihany koa no tokony handraisana azy :) Ny fanjakana koa tokony tsy tonga d mipanika be otr'zany. Efa izay foana le errera hatr@ zay, le phenomene pierrot t@ 2006 ireny, io kou TGV d mbola izay foana no averina. Zavatra tsy tokony ho malaza akory d norarana d vao mia lasa malaza wazy le izy tsssssssssss aiza ny stratejista @ zany eee.

    Nampidirin'i simp — 18 Jan 2008, 12:56

  6. Raha ny tompondaka amin'ny censure izao dia ny Shinoa. Vitan-dry zalahy hatramin'ny ngezabe ohatra ny youtube sy wikipedia mihitsy. Ry Google sy Yahoo sy MSN any Shina aza no voatery manaraka ny censure ampanaovin'ny fanjakana. Kanefa ny sinoa tsy mitsaha-mandroso ...

    Tsy hoe fitia te-hiaro an-dRavalo sy ny fitondrana akory, fa tsy aleo ve mba asiana foto-kevitra mpanohitra koa ny demokrasia ? :-P :-D

    Nampidirin'i lap — 18 Jan 2008, 13:29

  7. mihemotra ny demokrasia eto madagasikara ary tena manomboka eo @ io kihon-dalàna iray io (ny sivana) no miatomboka ny faharavan’ny fanjakana iray voamarina foana izany na aiza na aiza! satria tsy tafavoakan’ny olona ny alahelony fa voahangona ao ampony ao! ka raha mitraotra izy ao aorina kely ao dia: “mipoaka ny sarom-bilany�! tsy efa tantara niseho ve izany hoy ianao…ny ampitso no hanamarina izany!

    Nampidirin'i news2dago — 18 Jan 2008, 13:36

  8. Marihina ho famaliana ny soratry fanontanian'i Shadow fa tsy ny mpanentana velively no nihoa-pefy fa nisy mpihaino no nisy nitarika ho eny amin'ny 13 mey. Tsy tsaroako loatra fa toa tonga dia namaly an'io ny mpanentana hoe tsy dia fanaovana izany kosa angamba ny eto.

    Nampidirin'i jentilisa — 18 Jan 2008, 16:29

  9. Marina ny tenin'i Lap ... raha toa ka mpitondra milay ! Fa tsy le amin'izao. Tsy hoe fitia te hanohitra akory a :-P :-D

    Nampidirin'i pissoa — 18 Jan 2008, 17:38

  10. izaho indray aloha dia momba ny sivana amin'ny fitenenam-poana. efa tsapa tamin'ny lasa fa ny korontana tsisy làlany fa entanin'ny fo be fotsiny dia tsy mitondra mankaiza fa mampivarina.

    ka ilay radama IV anie mbola tsy mahovoka. ka tsy aleo aloha mitady na manomana radama V indray ? fa ny hahita mpitondra demokraty tanteraka sy tia vahoaka, tsotra sy tsara fanahy sy mivavaka sy mpanaja vady sady mahay no bôgôsy no manakarena ets ets aloha dia tsy hahita isika.

    "nous avons les dirigeants qu'on mérite" ozy ny vazaha izay.

    Nampidirin'i Rajiosy — 18 Jan 2008, 20:33

  11. ikalamako
  12. ka ilay izy ve "suspension" izany hoe nahantona fa mbola hotohizana ihany atsy ho atsy (rehefa manaiky ny mpikarajia fa hanatsara fanjakana ohatra) , sa tena nofoanana "supprimé" dia tsy hisy fanantenana intsony na hihodin-kavia na hihodin-kavanana, sa kosa noraràna mihitsy "interdit" fa manembatsembana fiandrianam-pirenena ?

    Nampidirin'i ikalamako — 19 Jan 2008, 02:19

  13. Tsy mbola mifehy ny atao hoe demaokirasia isika na ireo mpanao politika aza. Misy conditions maro voa tonga any amin'izany, ary na ny tandrefana aza tsy maha tanteraka ireo.

    Ny ita sy tsapa dia ny fisiany fifidianana sy fahalalahana manambara izay tiana ary manao izay tiana atao no takiany ny mponina andalampandrosoana (na mahantra). Kanefa inona ny vokatr'izany raha tsy manana tanjona ho any firenena ny mpitondra ary tsy manana tanjona hafa tsy ny handimby an'ireo na hizara ny fahefan'ireo ny mpanohitra?

    Ny ohatr'i China ( sy ireo firenena aziatika) voalazan'i Lap dia mampiseho mibaribary fa ny fanabeazana sy ny formations professionnelles ( tsy ny fanenjehana marimpianaraka fotsiny akory) no tokony ho voalohandaharana ao aminy hezakin'ny fitondrana firenena aorina. Tsy mitondra n'inon'inona hafa tsy korontana ny fanerena azy maka tahaka, manaraka ny fomban'ny firenena efa mandroso.

    Nampidirin'i Kitana — 19 Jan 2008, 08:21

  14. It is a shame that the goverment has decided to take such unnecessary and stupid decision.I remember that back in 2002, we were promised more freedom,a better life but it seems that we have taken one step forward and 50 step back.
    " Vox populi,vox Dei", so the people should decide whether it is alright to have the same people run the country or is time for a CHANGE.

    Nampidirin'i Ramary — 19 Jan 2008, 14:05

  15. "Vox populi, vox Dei" is WRONG

    Nampidirin'i lap — 19 Jan 2008, 15:13

  16. Take it at the context, when ity talks about democracy, politician should consider the people as God... but it's just an opinion

    Nampidirin'i jentilisa — 19 Jan 2008, 16:56

Powered by LifeType