Kaperinahomy

Fa inona koa angaha izany anarana izany? Tsena sy fiangonana... toerana heverin'ny tandrefana ho samy fitabatabana angaha ka andeha mody raisina araka izany ihany koa. Ho hitanao ato ilay tsenan'Asabotsy tsy mety vita sady tsy andalam-panamboarana akory ka manahy mafy aho fa tsy ho vita ao anatin'ny 20 taona izy ity. Io tsena namboarina io ilay nanaovana hoe may ny simenitra sy ny vy saiky nanamboarana azy. Dia eo ihany koa manodidina azy ireo mpivarotra nesorina tamin'ny tsena ka lasa nibahana arabe! Ny fiangonana indray heveriko fa sary mahafinaritra mila nampidirina. Tsy izy rehetra tsy akory na dia izany aza!

 
Fiangonana nanaovam-batisa ny tena sy fiangonana vaovaolehibe eny Mahafaly. Tahaka nyhoe tsy FJKM izany no fijery ny fiangonana vaovao
fiangonana 001.jpg
Fiangonana nanaovam-batisa ny tena sy fiangonana vaovaolehibe eny Mahafaly. Tahaka nyhoe tsy FJKM izany no fijery ny fiangonana vaovao
fiangonana 002.jpg
Fiangonana nanaovam-batisa ny tena sy fiangonana vaovaolehibe eny Mahafaly. Tahaka nyhoe tsy FJKM izany no fijery ny fiangonana vaovao
fiangonana 003.jpg

fiangonana 004.jpg

fiangonana 005.jpg

fiangonana 006.jpg

fiangonana 007.jpg

fiangonana 008.jpg

fiangonana 009.jpg
Atsinanan-tsena Sabotsy. lalana faleha fahiny rehefa tonga teto Antsirabe. Lasa ny lalana ambanin'ny hopitaly no fandehanana ankehitriny nefa mahamenatra be tsy nalaiko sary izany lalana izany.
tsena 001.jpg
Ilay tsena eo andalam-panamboarana nefa toa tsymisy na inona amboriarina nandritra ny fotoana nandalovako teny.
tsena 002.jpg
Ny fikasana dia hoe hatao tahaka ireto trano vy ireto avokoa no mameno ny tsena. Toa nofinofy izany aloha raha ny fijeriko azy.
tsena 003.jpg
Mody any Ambalakisoa ianareo raha tsy diso aho. izany ô? An ghan! (Eny ô)
tsena 004.jpg
Eto no atao hoe any amin'ny sakay raha hiantsena any Sabotsy. Somary atsimo atsinanan'ny tsena amboarina aryanaty arabe izyity raha nytokony ho izy saingy noho ny tsena TSY amboarina dia eto daholo aloha ny mpivarotra
tsena 005.jpg

tsena 006.jpg

tsena 007.jpg

tsena 008.jpg

tsena 009.jpg

tsena 010.jpg

tsena 011.jpg
 
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox