Mampiseho ny vanginy amin'izay ny Rio Tinto

2008-04-22 @ 11:57 in Toekarena

Mety ho tsy manaitra antsika loatra ny lohateny nefa ny zavatra nataon'izany orinasa goavana izany tany Amerika latina no nanaitra sy nampisy izany Ché Guevara nalaza tamin'ny fitolomana mitam-piadiana sy nantsoina hoe revolisionera. Nanaitra ny hambom-pon'io lehilahy io ny natao tamin'ireo mponina nanjakazakan'ny mpandraharaha sy nataony ho toy ny tsy manan-jo mihitsy.

Manana ny sampany eto Madagasikara ankehitriny io orita io dia ny Qit Minerals Madagascar izay miorina any Faradofay izany. Nampilendalendaina tamin'ny karama ambonimbony sy ny karazana tombotsoa samihafa aloha ny gasikely tamin'ny voalohany. Efa nisy ihany ny fotoana nanoratako teto fa tokony hanorina trano ho an'ny mpiasa izy ary notanterahiny moa izany.

Ankehitriny mivadika ny tantara, nitaraina tamin'ny haino aman-jery ny mpiasa ka nomarihiny fa nofoanan'ny orinasa ny tombotsoa azo rehetra teo aloha ary nisy aza no nampidinina ny kilasiny. Raha nomena trano ny mpiasa dia lasa nampanofaina avo dia avo indray izany trano izany, ary hita hoy ny mpiasa fa ny hamerenana ny  vidin'ny fananganana ny trano mihitsy no atao ka ny mpiasa ihany no mandoa azy nefa tsy ho lasan'ny mpiasa akory ny trano avy eo.

Dia sanatria ve hiverina ny tantara ka ho tonga indray ny fanimbazimbana ny mahaolona ny mpiasa? Aza misy anie izany!

 

Renareo ve? 40 000 000 eo ho eo ny Malagasy?

2008-04-21 @ 20:16 in Ankapobeny

Izay nanaraka ny haino aman-jery omban-gazety dia mety ho nahatsikaritra antontan’isa mahavalalanina avy amin’ny zavatra nampitaina nandritra ny tontolo andron’ny alatsinainy. Mazava loatra fa misy ny fampitam-baovao tsy nety na tsy nifampitohy tany ananonanona tany.

 

Vehivavy 8 900 000 no ho voakasika amin’ity herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity, hoy ny lohatenin’ny gazety malagasy iray. Raha vao mandre izany ianao dia olona efa hiteraka no mby ao an-tsaina fa tsy ho tonga dia any amin’ny zazavavy vao teraka mihitsy. Mandeha ho azy ihany koa ny petrakevitra: ny vavy ihany ve no isaina mandritra ity herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity fa tsy isaina ny zazalahy entin-dreniny? Mba hafa ihany koa izany fanisana izany. Heverina noho izany fa olombelona vavy efa maoty hiteraka no tian’ny gazety lazaina amin’ny vehivavy 9 000 000 latsaka hotratrarina io.

 

Any amin’ny vaovao an-tsary any indray nisy niteny hoe zaza latsaky ny 5 taona 9 000 000 no kendrena amin’ity herinandro efa voasoratra lavabe eo ambony io. Henjana izany ry zalahy sy ry zavavy! Ny vehivavy (efa maoty) sy ny zaza latsaky ny 5 taona fotsiny no efa 18 000 000 sahady! Andeha mody atao hoe 9 000 000 ihany koa ny isan’ny lehilahy efa maoty noho ny fifandanjana tsy mifanalavitra eo amin’ny isa. Ataovy amin’izay ny fanisana fa 27 000 000 sahady izay. Ny ampahan’isa tsy tafiditra sisa dia ny zaza 6 mandrapahatonga amin’ny fahamaotiana (12 taona eo ho eo ho an’ny sipakely ary 14 kosa ho an’ny bandikely). Andeha mody atao hoe 9 000 000 monja ihany koa ny isany. Ô lehiretsy! Izany ve tsy efa mananontanona 40 000 000 e?

 

Iza indray ary no be resaka mahatonga izao fanisana tsy izy mihitsy izao? Angamba fitadiavam-bolan’ny sasany amin’ny fanatavezana indray izao. Mampahatsiahy ny kabarin’ny filoha Ratsiraka indray maka izay rehefa nifampiarahaba ny Asaramanitra izy hoe “raha jerena amin’ny tatitra voaraiko momba ny fambolen-kazo amin’ny velarana isan’hekitara voavoly dia feno zanakazo mbamin’ny ranomasina noho ny fahazotoan’ny Malagasy! Karazam-panesoana ihany anefa no nataony tamin’io. Eisy aho e!

 

Ho afa-miditra soa aman-tsara ve raha mbola misy gazety vaovao?

2008-04-21 @ 13:47 in Kolontsaina

Efa bebe ihany izay ny gazety eto amin'ny tanàna izay raha mitovitovy daholo ihany izay ambarany, ka jerena avokoa ny lohatenim-baovao avoakan'izy ireo. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe mety hahazo mpanjifa ve raha mbola misy gazety vaovao mivoaka indray? na gazety mivoaka isan'andro io na gazety mivoaka isa-kerinandro. Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga eo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety malagasy ka hahatafitra izay vaovao mikendry ny hahomby na ho tafiditra soa aman-tsara na hahaliana ny mpamaky ny zavatra avoakany? Ny vaovao amin'ny teny malagasy no tsara kokoa sa ny vaovao amin'ny teny frantsay?

 

Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany

2008-04-20 @ 20:58 in Kolontsaina

Loza mihitsy ity fiakinandoha amin’ny aterineto ity, fa tsy hay kosa aloha izy ity na mahadomelina na mandranitra. Nieritreritra ny tsy hikitika solosaina aty an-trano mihitsy aho androany alahady, fa tsy maintsy mikirakira azy mandritra ny fotoam-piasana, ho karazana fialantsasatra saingy e-he, nipololotra indray ny aingam-panahy. Revo tamin’ny fandaharana Anim’Artista na dia tsy ampy atsasak’adiny akory aza izay nojerena. Avela any ny filoha sy ny fahatezerany tany Toamasina amin’ny “asa tsy mandroso” satria rehefa dinihina toa noho ny tsy nahazoan’ny Alma (Asa Lalana Malagasy) ny tsena no mety ho ao ambadika ho fanomanana ny saina rehefa tonga ny fotoana esorina amin’ny Shinoa ny tsena dia omena ny orinasany.

 

Fandaharana mandeha isan’alahady alina ao amin’ny tvm ity Anim’artista ity. Ny mampiavaka azy dia artista no asaina nefa artista ihany koa no manentana, na manasa sy manontany ny vahiny, tsy adino (samy hafa amin’ny noadinoina) anatin’izany ny talentan’ny nasaina fa mandravaka ny fandaharana eny ihany. Tsimialonjafy tokoa ny fandaharana satria hita ao avokoa ny karazam-boninkazon’ny kanto malagasy amin’ny ankapobeny avy amin’ny lafy valo sy isa-taranaka ihany koa, na tanora vao misondrotra io na ny efa antitra mitezotezo.

 

Mpanao vako-drazana ela nihetezana fantatra kokoa amin’ny anaran’ny tarika no nasaina tao dia ny tarika Ny Voninavoko izany, ary tao mazava ho azy ny lehibe nanorina azy dia i Dadagaby. Efa be taona tokoa saingy tsy manaiky gisitra haneho ny talentany. Tsiriry ahitra ve? Raozy mavokely? Sa Zanak’Iarivo? Santionan’ny hira ahafantarana ny Voninavoko izany. Mety ho efa nokaloinao ny hira aza saingy tsy fantatrao izay tena mpihira azy. Fa raha mpihira ny ampahan’hira firedon’ny mpijery fanatanjahantena Malagasy mpamelombelona ny iô! Iô! iô ôhô! Ianao dia tsarovy fa nosintonina avy amin’ny hira mitondra ny lohateny hoe raozy mavokely ianao izay.

 

Fa inona no nahatery ahy hanoratra noho io fandaharana io? Malaza dia malaza eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny hira mampandihy fitombenana. Izay mihetsika iray dia io fipelipeliky ny malesa io no hisintonana mpijery. Manao azy avokoa ny bodo sy adala rehetra io hany ka na dia ry Francis Turbo sy ny Gothlieb aza boboka tanteraka, nampisy adihevitra azy ireo tamin’ny mpihaino mihitsy moa ny nilazan’izy ireo ny heviny momba ny dihy ankehitriny io. Rehefa be loatra tokoa anie ny sira mampangidy e! Endrey kosa fa hay tena misy fahafinaretana ny mahita dihy tsy ahitana io fampandihizana fitombenana io mihitsy. Revin’antitra ve izany? Raha izany dia efa antitra mihitsy aho.

 

Nahatery ahy hanoratra ihany koa ny mahatsapa fa tsy hahavory olona firy (eto an-drenivohitra) mihitsy ny mpanao vakodrazana raha hanao fampisehoana fa na izany aza dia misy ny lalana ahafahana manampy ireny mpanao vakodrazana ireny. Tsy hevitra vaovao fa fahita ihany rehefa misy ny fanasana amin’ny fampakaram-bady ka tiana hakotroka ny raharaha. Mba manasà ry zareo mpanao vakodrazana rehefa misy fotoana lehibebe hampisehoana amin’ny taranaka ho avy fa misy anie ny karazan-dihy an’ny Malagasy izay tsy mba mandeha amin’ny haino amanjery loatra e! Asehoy ny zanatsika fa manana izay antsika madio mangarangarana ihany koa isika malagasy na dia saiky ireo sarangan’ny tsy mpigalabona loatra aza ny ankamaroan’ireo mpanao vako-drazana ireo. Famporisihana azy ireo hanohy ny fitandroana ny kazarankira ihany koa ny fanomezana valinkasasarana ho azy ireo satria fandaniana ihany koa anie na dia ny mitondra olona maromaro aza e!

 

Toamasina : Tezitezi-poana indray Ravalomanana

2008-04-19 @ 20:05 in Toekarena

Reko tamin'ny atoandro avy tamin'izay naheno ny fahatezeran'ny filoha Ravalomanana raha nandalo tao Toamasina Andrenivohitra ekonomika izy, alohany hiondranany any amin'ny nosy Maorisy, ka nahita ny tsy mbola nahavitan'ny lalana tao. Misy ny lalana efa migodana lasa mampatahotra araka ny tatitra nataona mpanao gazety satria mirimorimo avokoa na ny fiara na ny posy-bisikileta mianoka ny hatsarany. Izao anefa, sady montotra ny lehilahy no niteny mihitsy hoe "tsy faly aho" fa mihisatra araka ny fijeriny azy ny fanamboaran-dalana.

 

Nanome baiko aho tamin'ny Paska (izany hoe mbola tsy ampy iray volana izay) nandalovako taty farany  ny amin'ny hamitana haingana dia haingana (izany hoe atao tsy maharitra ve izany ny zavatra vita satria ny vita haingana sarotra mateza?) ity fanamboaran-dalana eto Toamasina ity. Tsy hitany akory izay fandroson'ny asa. Izaho kosa aloha mieritreritra fa sarotra ho an'ny Shinoa ny hametraka foto-drafitr'asa tsara orina ambony fasika e! Tsy vitan'ny baiko hoe "misia...lalana" manko izy ity dia misy ny lalana. Nanome baiko indray ny lehilahy fa tsy maintsy vita ao anatin'ny tapabolana io fanamboaran-dalana io. Ilay Shinoa voakiana moa nihomehy fotsiny (angaha moa mahazo mihomehy ny Shinoan'ny Tanibe?).

 

Ny tao an-tsaiko indray moa dia nipaka tamin'ny hoe iza indray no ho voadaka eo amin'ny toerany? Sa iza indray moa no minisitra "coach" ny faritra misy an'i Toamasina? tsy tadidiko intsony na Analanjirofo no misy azy na Atsinanana. Sa ho sahy hanala ny Shinoa amin'ny fanaovana io lalana io ve izy tsy hovaliany amin'ny tsy fanamboarana ny trano fandraisam-bahiny miezinezina ao Ivato kasaina hovitaina handraisana manam-pahefana ambony mandritra ny vovonan'ny (fivoriana faratampony) filoham-pirenena sy filoham-panjakan'ny Firaisambe Afrikana (2009)? Angamba izany koa no efa nieritreretana hananganana Tranomihaja 50 nolazain'ny minisitry ny asa vaventy sy ny fitaterana tamin'ity herinandro ity.

 

Fa mahalasa eritreritra ahy ihany koa fa mailaka dia mailaka izy mitsikera mivantana (fa tsy sahin'ny mbs nalefa intsony ny alin'ny Asabotsy ny sary sy ny nitenenan'ny filoha, tatitra sisa no natao raha nalefa kosa izany tamin'ny tvm) izay tsy fetezan-javatra nisy tany Nosy Be na mampiovaova matetika ny delegasioona ao, sy izao any Toamasina izao ka iandrasan'ny maro izay ho tohin'ny raharaha... fa tsy mety hitany mihitsy ny tsy fahavitan'ny tsenan'Asabotsy Antsirabe Antampontanana efa mitarazoka dimy taona izao. Toa tsy raharahany akory fa misy fandravana trano manamorona iny lalam-pirenena iny nefa dia tsy onerana izany na dia ariary aza satria "baikon'ny filoha" ny fandravana. Rehefa anehoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana ny tsy fahafaliany anefa dia izy indray no tezitra.

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox