Moov Madagascar: Mba ilazao ny fiovana fa aza mamely tampoka e!

2008-04-11 @ 14:43 in Ankapobeny

Noho ny antony manokana dia voatery nampiditra izany aterineto izany any an-trano ny tena. Tsy afaka ny tsy afa-manao famandrihana isam-bolana izany ny tena fa izay takatry ny tena aloa mialoha ihany no ezahina itsitsiana. Tsy henoko loatra ny hatsara na haratsin'ny vokatra hafa fa dia izay efa misy milaza mialoha ihany no azo idirana e! Dia izay no nahatonga ny safidy ho any amin'ny moov aloha.

Ny azo ihafiana ihany moa no nidirako sady rehefa mahita ny karatra hoe 10 000ar ahazoana mivoivoy mihoatra (izay aloha no fahazoako ny + e) ny 5 ora. Tsy nahita ny 20 000ar mihitsy ny tena satria vitsy hoe ny mividy ireny ka tsy sahy maka ny mpivarotra. Mahihitra ihany ny tena ka dia noraisiko naoty sy natambatro tsara ny saran'ny efa lany. Efa nisy nahavariana ahy manko ny fahalaniany vetivety. Iny fa 4 ora sy sasany no lany dia tsy manana sanda azo idirana aterineto intsony, hono, aho. Tsy maintsy tezitra ny tena satria tsy vita akory izay natao dia tapaka ny fifandraisana.

Nankao amin'ny masoivoho tao Analakely aho nanadihady kely sy nilaza ny fahagagako nahalany sahady ny sara miandry. Dia namaly ny mpandray fa raha ora malalaka no 5 ora  fa raha amin'ny ora feno kosa dia 2 ora sy sasany iny dia lany. Eo aho vao gaga. Nisy fisondrotana ve sa izany hatramin'izay? ny tena manantena fidinambidin'ny sara nefa hay miakatra izy ity. Dia hoy aho an'eritreritra hoe tsy adalan'ny mpanolotra antsom-pifandraisana anie ny miteny mialoha ny fisondrotana sa mbola vitsy loatra ny manana aterineto any an-trano ka tsy mendrika ampilazaina mialoha? Dia milaza aminareo namana eto Madagasikara io valinteny azoko io aloha aho sao mbola misy tsy mahalala isika.

Miezaka ny manodin-dresaka ny fanjakana?

2008-04-10 @ 13:13 in Ankapobeny

Na dia tsy mahara-baovao firy aza dia misy ihany ny kely izay fantatra. Ohatra iray amin'izany misy ny fivorian'ny fanjakana Karana amin'ny mpitondra Afrikana. Indro ny filoha Malagasy fa mihazakazaka ho any Alemaina...toy ny manivaka mandeha irery. Tsotra kosa aloha no mety ho antony e, mba tafaraka sary tamin'ny chancelière aloha. Avy eo ny mpandraharaha Rainiboto no tadiavina, ny mpandraharaha Malagasy tsy hita izay tokotaniny. Tsy voasa ho any India va re ny filoha sa tsy te-ho any fotsiny izao?

Ankehitriny koa avy izao resaka tsy loa-body rehetra izao tian-ko porofoina fa misy miketrika korontana eto Madagasikara. Ka na ho inona na ho inona fitandremana rehefa feno ny kapoakan'ny malagasy tsy niteny teo dia misy zavatra miparitaka foana eto nefa dia ny fiainan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny hatrany no mihapotika avy eo. Na ny fandrenesana hoe lasa tapa-bolana isan-taona izao hoe sisa no zon'ny mpiasa tsy miankina amin'ny fanjakana mangataka andro tsy iasana raha iray volana teo aloha ve tsy hahatezitra ny mpiasa? Ny zony hatrany no ahena nefa tsy hita akory izay asa vaovao.

Mendrika ho andro tsy iasana ve ny 29 marsa?

2008-04-09 @ 08:59 in Politika

Manamarika dieny mialoha aho fa hanafintohina olona maro ity lahatsoratra manaraka ity. Noho izany dia mampitandrina ny be sy ny maro avy hatrany aho tsy handray an-tendrony izay voasoratra eto. Nosoratana izy ity, hiteraka adihevitra araka ny iheverako azy, nefa anairana indrindra indrindra antsika rehetra handinika tokoa io vanim-potoana iray amin’ny tantara io. Fanaikana antsika hamakafaka lalina, hijery ambony, hijery ambany. Hitsipaka izay mihoapampana ary hifikitra amin’ny mari-pototra. Marihiko ihany koa fa efatokony ho tamin’ny herinandro no nivoahan’izy ity saingy noho ny fotoana tsy mifametra no nahatonga azy izao vao mety hivoaka.

 

Izay nahamarika no nahita fa tsy nisy nivoaka ny gazety malagasy tamin’ny asabotsy 29 marsa 2008 teo afa-tsy ny gazety Taratra sy ny Ngah zety ihany. Ny Ngah zety moa dia ho amin’ny fampihomehezana ka avelantsika any fa ny gazety Taratra no tiako homarihina. Izaho ve no diso tia mamaky gazety asabotsy ka nahatonga ahy hankasitraka anaty ny nivoahan’io gazety io tamin’ny 29 marsa 2008 natao ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama (ho an’ny maro an’isa fa tsy natao ho ahy aloha)? Ny lohateny lehibe rahateo dia mikasika ihany ity datin’andro ity ihany: “Ny marina momba ny 1947: Lasa adihevitra goavana”. Faly aho tamin’ny nivoahan’io gazety io satria nisy hovakiana aho sady niompana tanteraka tamin’iny raharaha iny rahateo ny ankamaroan’ny takelaka tao anatiny. Manaraka izany dia hitako ihany koa fa vetivety ihany ny gazety dia lany teny amin’ny fivarotana azy. Midika izany fa liam-baovao ny olona, nefa etsy ankilan’izay dia azo heverina ve fa izahay nividy gazety tamin’io andro io dia tena tsy niraharaha ny andro na tsy niraharaha ny tantara nodiavin’ny firenena malagasy? Adihevitra atsangako sahady ny amin’iny aloha.

 

Faharoa manaraka izany, sady mifampitohy tamin’ny lohateny lehibe indrindra amin’ny gazety Taratra ihany, ny fiezahan’andian’olona hampiely ny hevitra tokony hanafoanana ny fankalazana ity 29 marsa ity. Io no tena raharaha satria karazany sambany raha olona “mpitaky ny fahaleovantena” no nihaviany. Olona iray no tena nihetsiketsika nitondra ity hevitra ity dia ny mpitarika ny Otrikafo Atoa Rajaonah Andrianjaka. Misy ihany koa anefa ireo mitovitovy hevitra aminy. Mampieritreritra sy mampitodika hijery indray ny fandehan’ny tantara. Tantara mbola mifamahofaho sy mifangaro tanteraka. Nisy ireo voakaraman’ny mpanjanatany hampisy ilay korontana, hamotehana tanteraka ny tolona tsy mitam-piadiana notarihin’ny MDRM. Nisy ihany koa ireo tsy nahandry ny lalana manara-dalàna nataon’ny antoko MDRM ary nivonona ny handray fiadiana noho ny likiliky tany anatiny tany. Voakendrin’ny voakarama ihany koa ireny indrindra fa ireo miaramila malagasy nalefa tany amin’ny ady lehibe faharoa tany Eoropa. Samy manana ny foto-pisainany ireo izay mety hifanohitra tanteraka aza na samy mihevitra ny tenany ho tia tanindrazana aza. Nefa mihevitra ny andaniny fa mpamadika ny ankilany.

 

Misy kosa olo-tokana izay noahiahian’ny mpitolona (mitam-piadiana sy tsy nanaiky hitam-piadiana) maro ho voakaraman’ny mpanjanatany dia Ravelonahina Edmond izany. Tsotra ny antony: Rangahy io no nahafantaran’ny mpanjanatany fa nisy izany fikambanana miafina VVS izany tamin’ny 1913. Nefa dia izy ihany koa no nampihorohoro ny tany amin’ny faritra sasany tany atsimo atsinanana fa tsy maintsy tanterahina ny fikomiana ny 29 marsa 1947 na ho inona na ho inona mitranga, ka izay tsy miady dia heverina ho mpamadika tsara vonoina. Nanery olona tamin’ny alalan’ny fanambanana basy mihitsy aza izy indraindray. Tsy ho afa-manameloka na oviana na oviana izay nandray fiadiana (lefona) tamin’izany fotoana izany anefa aho satria izay no noheveriny fa mety sy noheveriny fa baikon-dRaseta sy Ravoahangy ary Rabemananjara lohan’ny fitolomana. Raha raisina ohatra ny fitoloman’ny mainty tany Etazonia dia toy ny tolon’i Martin Luther King sy Malcom Little tsy nanaiky ny anarany ka nanova azy ho Malcom X izany. Ny vokatry ny tolona no ahafantarana izay nahombiazana kokoa na nandamoka tamin’ny tolony.

Telma: Io fanjakazakan'ny mpampiasa io

2008-04-06 @ 15:57 in Andavanandro

Mpiasa aho fa tsy mpandraharaha, noho izany tsy maintsy amin'ny fijerin'ny mpiasa no itondrako ny resaka. Eto aho tsy menamaso amin'ny mpampiasa fa rehefa tsy mety dia teneniko. Satria moa mpandraharaha no mpitondra ny firenena dia tahaka ny tsy manam-peo mihitsy ny mpiasa. Soa aza misy itony bolongana itony hamoahana ny feon'ny vitsy mpihaino sy ny mihavoatsindrin'ny hazolena ampitahorina lava amin'ny hoe "tsy misy ny tsenan'asa ka mahazo miala izay te-hiala fa be ny mpitady". Marihiko fa tsy tratran'izany tranga izany loatra aho fa mandre kosa ny manjo ny mpiasa hafa.

 

Efa nisy ihany ny fotoana delegen'ny mpiasa aho. Raha mahazo izany andraikitra izany tsy maintsy mianatra ny lalàna (dia ny lalàna sosialy na ny lalànan'ny asa izany). Tadidiko tsara fa toy ny mpampiasa ny firesahanao amin'izany "inspecteur de travail" izany. Raha nila hevitra tamina tranga vitsivitsy aho dia izy indray no namaly, nihoa-pampana noho izay nolazain'ny mpampiasa ahy izay Vazaha Tandrefana, hoe ianareo ao ary tsara toerana noho ny mpiasa hafa koa inona indray no takianareo? Vinitra mihitsy aho nivoaka io trano tao Antsahavola io ka nampitamberina ny resadresaka anjorony hoe efa nandray vola tamin'ny mpampiasa ireny "inpecteurs de travail" ireny ka tsy misy ilàna azy intsony. Niditra tao amin'ny birao nisy azy aho dia ery amin'ny 5m miala ny biraony ery no asainy mipetraka ary tsy maintsy miteny mafy miresaka aminy. Tahaka ireny mpiadina mitady mpiasa ireny no nahatsapako ny tenako.Andeha mody lazaiko hoe izaho angaha no mifanahin-jaza fa tokony ho izany no izy.

 

Ankehitriny, mitambolona indray ny tsiahin'ny omaly mieritreritra ny manjo ny mpiasan'ny telma izay iharan'ny fandroahana faobe (efa manakaiky ny arivo) nefa tsy misy tsipalo-teny avy amin'ny fanjakana akory. Efa tsy mahagaga intsony raha ny gazety no tsy miteny ihany koa.Mba mpijery vaovao vahiny ihany ny tena ka mahatsapa ny laharam-pahamehan'ny mpanao gazety any ivelany izany resaka asa izany indrindra ka hoe misy fandroahana faobe amina orinasa iray. Mba manao ahoana kosa ny lanja omen'ny gazety malagasy ny fandroahana faobe mahatratra 900 ao amin'ny telma. Ny gazetiko no naheno io resaka io voalohany fa zoro kely zara raha nahatratra folo andalana no anjara toerana sahaza azy tao anatinatiny tao. Raha gazety vahiny io marina tsy pejy roa natokany ho amin'iny fotsiny? Mety ho diso anefa aho amin'izany vinavinako izany.

 

Fa ny tena sampona dia ity: ny mpiasa ela niasana indrindra no roahina ka soloina tanora 200 heverina fa mahavita ny asa. Tonga manko dia nolazain'ny tompon'andraikitra iray fa tsy maharaka ny haitao ankehitriny intsony ireo mpiasa horoahina ireo ka ho fandaniam-poana fotsiny izy ireo. O ry zalahy! tsy ho antitra angaha ianareo? Tsy maharaka ny lalànan'ny asa intsony angamba aho fa araka ny lalàna eto Madagasikara fantatro dia ny olona nampidirina farany hatrany no tsy maintsy esorina voalohany raha misy fandroahana faobe tahaka izao. Tsy rariny mihitsy satria henoheno fa toa karama telovolana eo ho eo ihany no zo ho azon'izy ireo ho sandam-pandroahana. Olona firy taona sisa dia ho retirety ve no horoahina sahala amin'izao? Tsy firaharahiana ny zo mahaolona mihitsy... olona tsy hisy mpandray na oviana na oviana raha mitady asa fa ny tanora izay kendrena ho ampidirina ihany no be mpitady amin'ny tsenan'ny asa aloha.

 

Na dia heverina fa tokony hihetsika avokoa aza ny vondrokerin'ny mpiasa rehetra manoloana izao toe-javatra izao ary ny sendika no tokony ho lohalaharana amin'izany, dia sarotra ihany ny hanatanterahana izany noho ny haino aman-jery aloha voalohany. Ireo no mpanentana voalohany ka raha tsy misy fitenenana sy famoahan-kevitra hanoherana izao fandroahana tsy ara-drariny, satria sady mandroaka no mampiditra mpiasa izao, avy amin'ireo heverina fa solombavan'ny mpiasa mivantana ireo dia ho potika tanteraka ny tontolon'ny asa eto Madagasikara.Ho nofinofy izany hoe roapolo taona niasana izany fa ho avy ny fotoana 40 taona dia roahina ny mpiasa ka tsy hahazo asa vaovao intsony. Miaraka amin'izany na dia heverina ho mihamahay aza ny tanora dia tsy hisy na oviana na oviana ny fanatsarana ny tontolon'ny asan'izy ireo fa ny sipan'ny deba ihany no mety haharitra ao amin'ny toerany raha mahay mihazona. Ny hafa dia hitaintaina lalandava. Ny tena nahararak'ivy ahy dia ny filazan'ny gazety iray hoe nahazo fampitandremana avy amin'ny BIT sy ny OIT i Madagasikara fa aleo hoy izy amin'ny manaraka ny antsipiriany. Tsy aleo ve tsy miteny rehefa tsy hamoaka fa mahasosotra. Oviana izany amin'ny manaraka izany?

 

Mandinika aho fa tsy miasa ankalalahana ihany ny gazety eto Madagasikara fa matahotra ny mpitantana. Tsy hitako izay hanoherana mpitondra raha ny mason'ny mpitantana ao amin'ny orinasa iasanao aza atahorana. Tsy aleo mangina? Oadray! hay moa tsy misy milaza ny heviny ry zalahy amin'izy ity fa mitati-baovao fotsiny. Mba nilaza ny heviny ihany i Soava ao amin'ny Malaza fa maneso ny rehetra indray no ataony fa tsy manome tsiny ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny telma mihitsy izy. Hamaranako azy dia hoy ny fitenenana iray izay hoe na dia lehibe aza ny vatolampy rehefa tsy miteny angeren'ny vorona. Ny eto indray fisaratsarahana toy ny fasika no mitranga, ary ny fasika any amorontsiraka any tsy vitan'ny... fa tena andevenana mihitsy ary toy ny ilaharana vao maraina mihitsy aza. Enga anie mba tsy ho toy izany kosa ny hanjo ny mpiasa malagasy!

 

Ity setrasetranareo ity: 14 no maty

2008-04-03 @ 20:49 in Andavanandro

Loza mihitsy ange ity ataonareo ity e! Heverinareo fa anareo irery ny lalana. Izao ny vokany: 14 lahy no maty tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Naninona anareo izao ireo tra-doza avy tany Tsiroanomandidy hamonjy an’i Vangaindrano ireo?

 

3 Avrily 2008 vao maraina manaraka iny lalam-pirenena fahafito, iray amin’ny lalam-pirenena be mpivezivezy indrindra eto Madagasikara. Niainga avy ao Antsirabe vao maraina ny fiara fitaterana iray nitondra mpandeha vitsivitsy. Tsy feno ny fiara saingy aleo nandeha fa any an-dalana any ve tsy hahita hafa? Lalam-pirenena no andehanana ka hafahafa ihany raha hiadam-pandeha ny fiara. Samy manana ny tanjany na dia izany aza. Raikitra amin’izay ny ankimbahambahana ataon’ny te-hahazo mpandeha nefa kely hery. Tsy nahaleo ka voasongona ihany dia romotra aok’izany ingahy saofera handondona avy ao aoriana. Mitaintaina tsy fidiny ny mpandeha lasa mieritreri-doza hoe oviana no hifandona. Mieritreritra fa toy ny anaty vatam-paty mandehandeha avy hatrany rehefa karazan-tsaofera tahaka itony no mitondra anao nefa taratra ihany fa maro no manana toetra tahaka izany.

 

Kanjo, sahabo ho folo kilaometatra tsy hidirana an’Ambohimandroso. Indro Fiarabe iray haka toaka aty Antananarivo sy fiara fitaterana ‘mazda’ iray nitondra mpiasan’orinasa iray no hita ery ankavian-dalana (mariho fa avy any Antsirabe ny fandraisana ny fitantarana eto). Misy faty maromaro navalampatra teo afovoan’ny arabe, lambam-pandriana roa vao ampy nasarona ireo nodimandry tamin’ny setrasetran’ny sasany ireo. Tsy voaisa izay norakofana teo ka sarotra ny hitantara avy hatrany fa tsy maintsy hiandry ny vaovao rahariva na rahampitso maraina, satria tsy maintsy hisy hitantara io.

 

Nahita io ingahy saofera dia nihaniadana tampoka teo ny fandehany, tsy nisy intsony ilay fifaninanana hazakazaka tsy nifampierana teo. Tsy nijanona teo amin’ny toerana nisian’ny loza anefa izy ka tsy fantatra marina izay antony mety ho nahatonga io loza io. Ny tsipalotra ihany no hotantaraina. Hita fa tena nofaohin’ilay fiarabe (afa-mitarika) tokoa ilay fiara ‘mazda’ ka nataony toy ny nievotra niverina mihitsy. Voatsipy niverina tokony ho any ho any amin’ny 4 metatra miala ny arabe any ho any mihitsy. Fesona tanteraka iny manoloana ny fiara iny ka tsinjo avy hatrany fa tsy nisy noraisina ny saoferan’io ‘mazda’ io. Ny vaovao halina vao re fa tsy nisy niangana (tsy azoko, mbola nisy iray sa...olona telo manko no tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatolampy) ry zalahy tao amin’io fiara fitaterana io. Naratra mafy kosa ny saofera sy ny mpanampy azy tao amin’ny fiarabe. Eritrereto amin’izany ny halozanareo. Ao anaty fiarabe ve ianareo dia ho pempo tahaka izao koa sy haratra mafy? Azo heverina fa vokatry ny setrasetra indray io.

 

Efa nisy ihany manko vehivavy iray nitaraina fa nisy fiarabe izany nisongona azy. Fiara maivana no nandehanany fa niaiky izy: tsy hita intsony izay nalehan’ilay fiarabe. Midika izany fa mety nahatratra ny 100km/ora any ho any mihitsy ny hafainganam-pandehany matoa tsy tarataratra tany alohaloha tany intsony avy teo. Fa hiverina tamin’ilay loza noho ny setrasetranareo ihany aho. Mahonena ny mijery ireo enta-kelin-dry zalahy nopaohin’ny fahafatesana. Kitapo am-babena vitsivitsy mendrika ho fitondran’ny mpianatra no hany entan-dry zalahy. Manamarika avy hatrany fa mpiasa madinika ireo niharan-doza noterena ho any amin’ny varo-tsy mifody ireo. Hanao ahoana ny fandrenesan’ny fianakavian’ireo nilaozana ny loza? Hanao ahoana ny ho fiainan-ko avin'ny ankizy izay azo vinaniana avy hatrany fa mbola kely? Setrasetranareo mpanana fiara tsy manaiky hosongonana ihany manko izao.

 

Efa tonga tany an-toerana mihitsy ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta nijery ny zava-nisy, loa-bolana hoe: “tena tsy azo leferina mihitsy ny gaboraraka mahatonga ny loza tahaka izao, mendrika ny olona mahavita ny zavatra tahaka izao ny sazy henjana indrindra azo ampiharina aminy”. Rariny tokoa ny teny saingy moa fantatrao fa hipia-kelika indray ny zandarin’ny fifamoivoizana hitaky ny anjarany isaky ny fiara fitateran’olona mandalo indrindra indrindra nefa rehefa jerena toa ny mpitatitra entana izay tsy raharahan-dry zalahy loatra no tena mpitera-doza. Ny haka sisi-bola ihany no mahamaika fa tsy ny handamina velively. Toa tsy mba andrenesana sazy ho an’ireny mpitango ny “hilaminana” eo amin’ny taratasim-piara sy tsy hanaovana tatitra amin’izay fandikan-dalàna loatra fa ny olo-tsotra foana no tsy maintsy masaka sady tsy mahazo mamaly afa-tsy hoe manana olona azo hanindriana angaha!

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox