Fika ho an'ny mpanjifa moov

2008-05-23 @ 16:31 in Ankapobeny

Tamin'ny fanendrena ny DGn'ny Moov ho lasa DGn'ny Telma no nahitako fa mihoatra ny 500 000 ankehitriny ny mpanjifan'ny Moov. Raha nahita ny tarehimarika aho dia lasa tany amin'ny olan'ny orange tany alohaloha tany ny saiko. Raha nahatratra ny 1 000 000 araka ny nolazainy manko ny mpanjifa tamin'izany fotoana izany dia sarotra tokoa vao nahazo izay nantsoina ny olona iray. Matetika aza moa dia lasa toy ny messagerie vocale hatrany ny antso tamin'izany fotoana.

 

Ankehitriny dia mitovy amin'izany ny manjò ny mpanjifa moov izay misy ahy amin'izao fotoana. Marihina fa tsy ilay plug & surf 3G+ no ampiasaiko fa amin'ny alalan'ny antso an-tariby(telma) ihany. Nandritra ny ora telo farany niseranako manko dia  tsy tafiditra na tsy nahazo izay takelaka nozahako mihitsy aho ankoatra ny takelaka fandraisana nataoko google ny 53 miniotra amin'ireo raha atambatra. Ankoatra ny mahalafo azy kokoa noho ny any amin'ny cybercafé izany dia mbola hasosorana no azo amin'ny atsasaky ny niseranako (tsy ho ampahatelon'ny niseranako kosa aloha fa mihoatra e!). Heveriko ho fatiantoka lehibe ho ahy manko ny tsy mahazo fahafaham-po akory amin'ny fandaniana tsy fanaon'ny sarambambem-bahoaka loatra. Ny mankeny amin'ny cybercafé tsinona no fanaon'ny maro fa noho ny itiavako azy miserana amin'ny alina no nampidirako azy an-trano.

 

Na izany aza dia misy fika ataoko hampihenako ny fahasosorako, fa tsy hoe ahafahako miserana ampisosasosana na tsy mandoa vola tsy akory. Azo fantarina ihany manko amin'ny alalan'ny telefôna ny mahalala na mety ny miserana amin'io fotoana io na tsia; raha mety dia manararaotra eo amin'ny telo minitra eo aloha fa raha tsia dia aleo miala avy hatrany (mi-deconnecter).  Rehefa vita ny solon'anarana sy ny tenimiafina dia mitady fidirana aterineto ny telefôna.Amin'iny izy mikaroka fifandraisana iny dia mandefa chrono io telefona io. Faharetam-potoana hitanao tsara eo amin'ny efijerin'ny telefôna (ecran) io. Amin'iny izy mivadika ora iny raha toa ka latsaky ny roa segondra dia mipetaka amin'ny amin'ny efijerin'ny solosaina kosa fa ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia araraoty ny andro hitsidihanao izay tiana jerena rehetra.

 

Raha azo atao ary dia tsy mamaky izay tianao vakiana aloha fa isaky ny voasoratra ny 'done' na 'terminé' dia mamadika pejy indray ianao. Toy izany ihany koa amin'ny mailaka (yahoo ohatra) fa tsy akatonao fotsiny izy amin'ny farany fandrao tsy mety. Rehefa hitanao fa manomboka mihisatra ny fiseranana na afa-po amin'izay takelaka rehetra tianao jerena ianao dia mi-déconnecte amin'ny aterineto (moov) avy hatrany aorian'ny fanindrian'ny X menamena ery ambony somary ankavia iny. Raha efa izay dia ny bokotra mialoha (precedent) hatrany no tsindrianao hamakiana azy tsikelikely sy ampilaminana satria tsy manenjika fotoana intsony ianao. Raha tsy izany kosa dia mionòna mionòna amin'ny manaraka indray. Na dia hoe eo ampigadonan'ny faharoa segondra monja aza ny fivoahan'ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia efa sarotra ny raharaha.Fa rehefa miala tsy maintsy mi-deconnecte fa tsy hoe mijanona eo tsy akory. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fotoana fanararaotra manokana iseranana izany fa efa nifohazako ny tamin'ny telo maraina, dimy maraina na misasakalina fa tsapa mihitsy ny fahabetsahan'ny olona miserana noho ny fihisaran'ny connexion. Raha mahita fika hafa ianareo dia ilazao ihany aho fa izaho aloha mizara izay niainako nampihena ny fahasosorako. Marihina fa na saiky hividy ilay 3G+ aza aho dia misalasala hatrany amin'izay mety ho fisosa na fihisatry ny fiseranana.

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox