Izay misy saosy dia ekeny

2008-08-02 @ 17:15 in Politika

Ataoko fa rentsika mpanara-baovao tsara ny nandehanan'ny filoha Ravalomanana tany Afirika tamin'ity herinandro ity. Teo aloha ny nanekeny indray ny hijanona hatrany ao amin'ny Asecna raha efa nilaza ny fialana tao izy tamin'ny herintaona. Nolazainy fa nijanona ao ihany isika rehefa hita fa nekena avokoa izay notakiantsika. Tsara aloha izay satria nisy tombontsoantsika izany azo tao ambadik'izay. Tsy atao mahamenatra mihitsy ny filazana fa karazany nahazo vola hanaovana fanorenana fotodrafitr'asa isika.

Taorian'izay indray dia nolazaina fa nankany Lybia hiresaka amin'ny filoha Lybiana Muammar El Khaddafi indray ny filoham-pirenena Malagasy Marc Ravalomanana. Noresahina sa nanontaniana tsara tamin'izany ny amin'ny goverinemanta afirikana iraisana ary namahavahan'ny tompon-kevitra izany (Khaddafi) nandritra ny ora telo. Eo no mahavariana, inona indray no nahataitra ny filoha malagasy ka nidodododoany mihitsy nankany Lybia. Mety ho tsara ve izany goverinemanta iraisana izany, nefa ny Eoropeana niroso ho amin'ny fampiraisana tsikelikely nandritra ny ampolotaonany maromaro aza mbola tsy tonga amin'izany sehatra izany akory?

Manao ahoana no mety ho endriky ny goverinemanta iraisana? Filohampirenena iray no mety ho filohabe, ary miharihary fa i Khaddafi ihany no te-ho filohaben'izany voalohany (ka mety ho mandra-pahafaty izany, fantatra ihany fa te-hitondra mandramaty avokoa ny ankamaroan'ny mpitondra Afirikana). Ny tsy naneken'ny filoha Khaddafi ny firaisambe Mediteraneana nahafatifaty ny filoham-pirenena Firantsay Sarkozy dia mety ho ilay endrika mahalatsadanja ny filoha Lybiana Khaddafi na ny endrika fifandimbiasantoerana fahita ao amin'ny firaisambe Eoropeana miova isaky ny enimbolana ankehitriny. Eo amin'ny sehatra Afirikana indray mety hisy ny fifampizaran-toerana saingy mety ho zavadoza ho an'ny vahoaka Afirikana iray manontolo io.

Sarotra ihany manko ny hino fa raha mitambatra avokoa ny firenena Afirikana dia misosa ho azy mankany amin'ny fahatsarana ny fomba fitantanana eto Afirika. Ahiana ho goverinemanta tsy refesi-mandidy tsy matahotra ny ho voaongana mihitsy no hijoro eo ka raha misy ny sezan'ny filoha iray voahozongozona na miongana teo amin'ny toerany dia hiditra antsehatra amin'ny mahagoverinemanta federaly azy ilay goverinemanta iraisana hamerina ny filoha teo izay efa lasa namana akaiky. Koa na inona na inona mety ho fandresen-dahatra tsy maintsy visavisaina ihany ny ratsy mpitranga kokoa. Nolazaina ankolaka fa nihaino (fe nihaino) ihany ny filoha Ravalomanana nefa tsy fantatra izay fifanarahana ambadika izay mbola saosy ihany no antony.

Fanahiana ihany no tenenina nefa noho ny fitadiavam-bola atao amin'ny fandraisana ny Vovonan'ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana hotontosaina amin'ny herintaona eto amintsika tsy fantatra izay mety ho fifanarahana miafina any. Ohatra, nanaiky hanampy ny Malagasy amin'ny fikarakarana io vovonana io ny filoha Khaddafi nefa ho takalon'izany dia manaiky ny hijoroan'ny goverinemanta iraisana ny Malagasy amin'ny alalan'ny filoham-pirenena Malagasy. Vola io ary fantatra tsara ny fahaizan'ny filoha mitady vola amin'ny lafiny rehetra tsy ijerena fotokevitra politika, ka mampivadika ati-doha ny mpanao politika zatra ny zavanisy taloha, rehefa misy ny zavatra tian'ny filoha hovitaina sy ireharehana.Poah! poah! aza hitako anie, nefa eritreritra tsy tana ka aleo soratana ihany.Enga anie ka resaka fe resaka nefa sehatra dipilaomatika tsy fantatra mihitsy izay koboniny e!

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox