Mbola mipatitaka indray ny mpitsipaka tetezamita!

2009-04-04 @ 06:04 in Politika

Ahitan-javatra mihitsy ny toe-javatra amin'izao fotoana izao. Tsy maintsy ho gaga daholo ihany izay nahita ny filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha lasa masoivoho any Suisse amin'izao fotoana izao, Atoa Rajemison Rakotomaharo, nanatrika ny fihaonam-be karakarain'ny fitondrana tetezamita afak'omaly sy omaly zoma 3 avrily 2009. Tena nanana fahasosorana anaty tokoa ve matoa mahavita miseho vahoaka tahaka ireny? Tsy lazaina intsony ny an'i Zenaide Ramampy anisan'ny birao foiben'ny TIM ihany koa. Raha ny fijery azy amin'izao fotoana izao dia vita tokoa ny tantaran'ny TIM. Antoko hafa indray angamba no hijoro raha hisy izany fa tsy nety mihitsy ny rafitr'ilay teo raha izao zava-mitranga ankehitriny izao no tarafina. Izaho koa moa efa nahita fa tsy demaokratika mihitsy iny antoko TIM iny. Efa hitako hatrany ampiandohana sahady manko fa misy ny vondron'olona tsy afaka hofidiana na oviana na oviana fa izay tapaky ny any amin'ny foibe ihany no tena izy ary izay fepetra izay no tsy nidirako tao amin'io antoko io mihitsy.  Dia mety ho gaga ihany koa angamba ny mpamaky manaohoe ary toa mihamivadika tsikelikely koa i jentilisa izany? Tsia tompoko! Manana ny hevitro aho ka mijoro hatrany amin'izao hevitra nandresy lahatra ahy izay.

Hatrizay dia heverina fa ny eto Antananarivo sy Antsirabe, ary ny vao tsy ela akory izay no nanampy koa i Ambatondrazaka ihany no misy mpanao fihetsiketsehana mitsipaka ity tetezamita ity. Aoka anefa holazaina fa maro ihany koa ny avy any amin'ny faritra no te-haneho izany heviny manohitra ny fitondrana nangalarina izany saingy, voalohany miandry mpitarika izy ireny; faharoa, mba nisy ny natao hitarika tahaka ny tany Moramanga, saingy noho ny fandrahonana azo avy amin'ny mpanohana ny tetezamita dia nihemotra, fa tsy tia gidragidra loatra moa ny olona amin'ny ankapobeny. Ny mpamadika ihany koa moa efa maro dia maro, ka tsy fantatra intsony na entin'ny fo fotsiny na efa paika tafapetraka hatry ny ela no atrehina. Ny olona fanta-bahoaka fotsiny no hitan'ny rehetra, fa misy dia misy ny te-hanakorontana fotsiny izao ny hetsika fanoherana ny tetezamita, ary ao niainana indrindra izany nandritra ny fanomanana io fikaonandoha nokarakaraina teny amin'ny Carlton tamin'ny alakamisy 2 avrily 2009 io. Marihina mazava tsara fa ny fotoam-panomanana no lazaiko eto fa tsy ny andro nandritra ny fikaonan-doha notontosaina ny 3 avrily 2009.

Raha mba nanana fotoana ihany aho ny alakamisy voalaza io dia nanapa-kevitra ny ho eny amin'ny Carlton. Tonga tany tokoa ny tena ny folakandro tokony ho tamin'ny efatra ora tany ho any. Vao teo amin'ny fiantsonan'ny fiara aho dia ny fiara roa an'ny polisim-pirenena avy hatrany no hitako. Zendana ihany aho, nihevitra avy hatrany moa aho fa mety ho efa nisy fisamborana tao, saingy diso izany fihevitro izany. Hitako hatraty ivelany ihany manko ireo olona mijorojoro sy mivorivory eo amin'ny rihana voalohany. Noho izany, nandroso aho, niditra ny varavarana, niakatra ny tohatra ary nandeha nankeo amin'ny mpandray olona handray anjara amin'ny fikaonan-doha karakarain'ny parlemantera. Mazava loatra fa efa voafandrika sy efa voazara avokoa ny fanasana. Efa tsy tafiditra intsony ny tena, sady hisolo tena an'iza ihany koa moa? ny hitati-baovao no tena masaka tao an-dohako fa tsy matanjaka loatra moa ny sampan'ny fifandraisana sy ny serasera amin'ity vondron'olona mitsipaka ny tetezamita ity. Dia lasa koa ny tena nihainohaino tamin'ny resaky ny olona amin'ny ankapobeny. Mazava loatra fa tsy afaka hilaza ny antsipirian-javatra mety hanohintohina ny hetsika aho. Matoa aho manoratra dia ho aro-fanina ho an'ny rehetra, hilaza fa vakivaky sahady ny tolona iaraha-manana.

Noho ity hetsika ity niainga tamin'ny olo-tsotra aloha voalohany indrindra dia olona samy manana ny heviny no mihaona sy mifampiresaka. Ny tanjona amin'ny ankapobeny dia mitovy ihany fa ny fomba hanatanterahana azy no tahaka ny tsy mba misy marimaritra iraisana loatra. Tsy mahagaga raha mipoitra sahady ny fisarahan-kevitra nefa ny tanjona ity mbola lavitra ihany. Ny maro amin'ny mpitarika amin'ny ankapobeny, resy lahatra amin'ny fanaovana ity fikaonan-doha hivoahana amin'ny krizy ity, avy eo mahita ny dingana manaraka irosoana. Misy ny mihevitra mafy ny fahafahana manao fihetsiketsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ihany, eo moa ny milaza fa tsy tokony ajanona mihitsy na ahoana na ahoana ity eto amin'ny kianjan'ny 13 mey ity. Eo ihany koa ny mametraka hoe maninona raha miainga hatreny Ambohijatovo indray? Fa ankoatra izay dia misy ireo mihevitra fa efa anaty ady isika koa tokony idirana tanteraka mihitsy izany ady izany. Ireo no mihevitra fa tsy tokony atahorana mihitsy izany miaramila izany. Milaza tsotra aho fa tsy mahafantatra izay antsipiriany tian-dry zalahy ahatongavana kosa. Mieritreritra aho fa mety ho avy amin-dry zareo ireto ny nahavita nitoraka grenady tany Ambohitsorohitra ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy iny, ary mety ho ry zareo ihany koa no mbola nahavita ihany koa ny fanafihana alin'ny alakamisy hifoha zoma saingy tsy nahare ny akony afa-tsy tany amin'ny forum moov moa aho; tsy fantatro mazava loatra ihany koa na mbola Ambohitsorohitra ihany no notafihina na toeran-kafa indray. Raha ity vondrona farany lazaiko ity moa dia efa karazana 'ady anaty akata' mihitsy no efa idirany. Ny tanjona iraisan'ireo rehetra tsy mety mifanara-kevitra ireo dia ny hampisehoana hoe "tsy milamina velively eto Antananarivo".

Mety ho lasa eritreritra ihany angamba ianao hanao hoe: mety ho samy manana ny anjara asany fotsiny ireo olona ireo fa anaty fandrindrana fotsiny izany. Tsia! efa hita ho mifampisintasintaka araka ny heviny mihitsy ny mpitsipaka ny tetezamita. Taratr'izany fisarahan-kevitra izany ny zavatra saiky hatao omaly zoma: efa mba noheverina ihany fa rehefa misy ilay fikaonan-doha teny Anosy, dia nisy ny nikiry hoe tokony hasiana fihetsiketsehana hatrany eo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Nekena tsy fidiny io hevitra io noho ny feo niha-niakatra... ary dia nolazaina fa ho fotoam-pivavahana hahatsiarovana ny maratra sy ny maty hatramin'izay no hamoriana ny olona. Efa azontsika vinaniana amin'izany ny fisamatsamahana misy. Dia mbola azo tarafina ihany koa ny fotoana telo samihafa voalaza fa hanatontosana ny hetsika ny Sabotsy 4 avrily 2009. Misy ny milaza hamory olona eny Ambohijatovo satria eo no heverina ho azo antoka indrindra rehefa mivory nefa tsy misy fiantohana intsony raha vao miala eo an-toerana, eo ireo te-hifampigidraka amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpandroba eo Analakely tsotra izao, fa ny narahin'ny besinimaro kokoa sy hany nolazaina tao amin'ny radio mada dia ny sit in hatao eny Andraharo manoloana ny biraon'ny Firenena Mikambana ary ny heviny moa dia hoe dingana hanairana ny Fiarahamonina Iraisam-pirenena no hatao fa tsy ny hanaiky halatsa-dra eny amin'ny 13 mey isan'andro.

Marihina fa SAMBANY indray teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, taorian'ny tifitra nataon'ny FRS tamin'ny 13 mey 1972 no nahasahy nitifitra olona efa tafavory teo an-kianja (13 mey) ity ny mpitandro ny filaminana tamin'ny 2 avrily 2009. Tsy nanao izany Ratsiraka tamin'ny 1991 na dia nalaza aza fa mety hahavita izany ny RESEP. Tsy nanao izany ihany koa Ravalomanana na dia malaza ho mpanao didijadona aza, fa nahavita izany kosa i Andry Rajoelina satria tsy zakan'ny miaramila mihitsy ny mieritreritra ny mety hiverenan-dRavalomanana takian'ny mpanao fihetsiketsehana ankehitriny, noho no sazy fantany fa hiandry azy. Marihina kosa fa tsy milaza ny fanakanana olona tsy ahatongavana eny kosa aho. Ataoko fa efa saiky nanao izany fihetsika izany kosa ny mpitondra nifandimby rehetra teto. Marihina fa faritra roa no nokendren'ny zalahy tamin'io 2 avrily io; ny faritra iray teo afovoan'ny mpanao fihetsiketsehana efa tafapetraka amin'ny tany mihitsy; ny faritra iray kosa teny amin'ny mpanentana ka anisan'ny voa mafy ihany ny iray amin'ny mpanentana ny fihetsiketsehana hatramin'ny sabotsy 21 marsa 2009 lasa teo. Mazava loatra fa ny hamotika hatramin'ny fakany ny tolona no tanjona, ary tsy atao mahagaga raha nafangaron-dry zalahy potiby hiparitaka ny baomba tokony hakarenintsofina fotsiny sy handatsa-dranomaso fotsiny.



jentilisa, sabotsy 4 avrily 2009 amin'ny 1:44 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox