Fandresena maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!

2009-10-18 @ 23:33 in Ankapobeny

Nandia fifaninanana iraisam-pirenena taranja Basket vehivavy ny teto Madagasikara nandritra ny herinandro mahery. Fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika io fifaninanana iraisam-pirenena io. Zoma 16 oktobra 2009 ihany aho no mba afaka nijery ary dia io no nanararaotana nanarahana izany lalao izany. Ampaefa-dalana no natrehina tamin'io fotoana io ka nifanandrina tamin'izany ny Malagasy sy ny Maliana. Fantatsika ny vokatra fa resy isika saingy azo lazaina fa tsy dia nahatezitra ny mpijery loatra amin'ny ankapobeny ny fampisehoana natrehinay. Nandritra ny fizaram-potoana fahaefatra, rehefa hita ho nihareraka ny mpilalao malagasy dia nisy tovolahy teo akaikikaiky teo nihorakoraka tampoka hoe: "Fandresena maimai-poana! omeo anay ! omeo anay!" Niherika sady nihomehy avokoa ny teo akaiky teo nandre io kivazivazy zary tenany nataon'ilay tovolahy io. Ny zavatra toy izany no mahatonga ny fotoana ho mahafinaritra ny manatrika azy na dia faharesena aza no natrehina. Tena mendri-piderana tokoa ny mpijery rehetra, noho ny fanohanana natao hatramin'ny farany, nandritra ny lalao nanaovan'ny Malagasy rehetra, na dia hita izao aza fa tsy haharaka ny mpifanandrina aminy intsony aza ny ekipa notohanany.

Ny mpiserasera any ivelan'i Madagasikara dia mety tsy hahatakatra loatra ny lanjan'io fomba fitenenana nipoitra tampoka io ka aleo hazavaina fohifohy araka izay azo atao. Amin'ny haino aman-jery dia misy dokambarotra momba ny angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro izay ka somary mandray toe-draharaha mifandraika amin'ny zava-misy eto Madagasikara io dokambarotra io. Ny fanombohany dia toy ireny amin'ny vaovao an-tsary ireny, ka artista mpanao hatsikana fanta-daza no mpanolotra na mpilaza vaovao milaza fa hisy fanadihadihana harahina. Rehefa mivoaka ary ny sary fanadihadiana dia olona manao fihetsiketsehana sy mitondra sora-baventy no hita ka ny horaka ataon'izy ireo dia manao hoe: "Hazavana maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!" Dia iny no nanaovan'ilay tovolahy fomba fiteny mirazotra ka nihorakorahany hoe "Fandresena maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!" Tahaka ny tamin'ny tantara an-dahatsary malok'ila nampalaza ny "Tenenina foana fa He-e-eh! Anarina foana fa he-e-eh!" izany ka nankalazaina teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ity taona ity.

Na dia dokambarotra aza iny! na lalao aza no jerena ka eto Madagasikara no tanterahina izany! tsy hisy hazavana azo avy amin'ny angovo vidiana maimaipoana izany fa tsy maintsy mividy ilay fitaovana aloha; tsy misy tompontanàna ka iangarana hahatafakatra azy fotsiny amin'izao raha mbola misy ny mahay sy kinga ary fetsy noho ny tena ankoatra ny tombony ara-batana. Fahamendrehana no mikaonty ary misy dingana arahina io. Dingana tokony arahin'ny mpanao politika rehetra ny hotsarain'ny mpifidy fa tsy ny famerimberenana hoe vahoaka vahoaka no midika fa mitondra ny tenin'io vahoaka io ianao na solontenan'io vahoaka io. Koa aza ataonao hahagaga raha misy ny antokon'olona tsy manaiky anao ho lasa mpitondra maimai-poana raha tsy mandalo fifidianana mifanentana amin'izany aloha ianao. Koa aza ataonao mahagaga raha horakorahan'ny mpijery ianao na ny vadinao raha misy ny fihetsika hisehosehoanao ho toy ny solontenan'i Madagasikara! Mbola izay aloha no vidin'ny nandrombahanao ny fahefana teto Madagasikara fa ny sisa manaraka ihany, araka ny kabarin-dRainisalama.

Marihina fa intelo izany izy mivady te-ho lohan'ny tetezamita eto Madagasikara ireto no nisedra ny horakoraka sy ny siotsioka ary ny rabirabin'ny mpijery tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra ity fifaninanana "Afrobasket women 2009" ity. Ny voalohany nandritra ny fanokafana ka nikabarian'Ingahikely tao anatin'ny fotoana fohy. Fotoana fohy satria nahery dia nahery ny sioka sy ny horaka. Dia nitohy izany raha saiky hitoraka ny baolina tany anaty harato izy. Tsy natao mihitsy moa ny tsipy baolina tamin'ny farany fandrao tsy tafiditra ka vao maika hampihoraka ny mpijery sy hanaovana azy ho fanalan'andro nefa "mihevi-tena" ho mpitondra ny firenena ihany. Fifandraisan-tanana no natao dia iny no lasa.

Ny faharoa kosa dia nandritra ity Zoma natrehiko ity, ramatoa indray rehefa resy ny ekipa Malagasy, dia nandeha nanatona ny mpilalao malagasy izy. Sioka sy hora-pandavana re izany! Ataoko fa gaga mihitsy ny vahiny nanatrika teo ka mety ho nifangaro hoe ny ekipany ve no orahan'ireto mpijery ireto sa iza. Rehefa niverina handeha hivoaka ny Lapa moa i Madama kely dia uuuuuu lava dia lava no nataon'i Mahamasina azy. Marihina kosa fa tsy voatery ho 100% no nanao izany hetsika tsy fankasitrahana izany fa difotra tanteraka, nisy mpitehaka ihany koa teo akaikiko teo, miohatra tamin'ny ren'ny besinimaro.

Ary ny fahatelo dia tamin'ny nanoloran-drangahy ny amboara tamin'ny tompondaka. Mety mbola hifangaro amin'ny vahiny mety ho tsy mahalala ny toe-draharaha eto Madagasikara ihany ny horaka satria tsy hay hoe ny ekipa mpandresy ve no nanaovana ilay horaka sa iza? Ny nahatsikaiky dia vao nanazava mihitsy ny mpanentana teo amin'ny televiziona nasionaly hoe aza atao mahagaga anareo mpijery fahitalavitra raha tsy ny mpitondra ny firenena no manolotra ny medaily ho an'ny mpandresy satria anjaran'ny mpikarakara madiodio ny manao izany. Vita tsara ny fanazavana no nandeha ny filazana fa ny Filoha Avon'ny Tetezamita (FAT) no manolotra ny amboara. Dia hitan'ny havany eo amin'izay moa hoe fa inona no tena zavamisy eto Madagasikara, ary ahoana ny fahatsapan'ny vahiny sy ny mpijery avy any anindrana ireny fanehoan-kevitra mivantana avy eny Mahamasina ireny.

Izany koa dia ilazana aminao fa tsy maimai-poana ny fandaniam-potoana hanoratana aminao ny zavamisy sy ny eritreritra mifandraika amin'izany eto Madagasikara. Tsy hisy izany fandresena maimai-poana izany na dia tompom-baolina sy tompom-basy aza ianao. Endrika tolona no ataoko, satria misy dia misy tokoa ny vola lany na dia amin'ny fahana iseraserana amin'ny aterineto amoahana hevitra fotsiny aza. Anjara tolona nandresy lahatra ny tena io tsinona! Mba fampaherezana mety hisy fiantraikany amin'ny mpamoaka ny heviny sy mpitatitra ny hitany an-tserasera ihany noho izany ny karazam-pifaninanana fankaherezana tahaka ny BOMBS izay tsy ifaninanako fa idirako ho anisan'ny mpitsara kosa. Karakarain'ny Foko-Madagasikara ity fifaninanana ity.


Amin'izao fotoana anoratana izao dia misy sokajy enina ny anaovanao safidy handrisihanao ireo mpamaham-bolongana Malagasy na miresaka momba ny Malagasy na/sy Madagasikara ary anentanana anao isaky ny sokajy.


Ny Vita Gasy no isafidiananao ny bolongana miresaka ny andavanandrom-piainana sy izay fitantarana ny ezaky ny Malagasy amin'ny sehatra isan-karazany.


Ny Kolo Gasy no isafidiananao ny bolongana miompana amin'ny kolontsaina sy zava-kanto Malagasy na/sy eto Madagasikara


Ny Tanora Gasy (tsy misy tohiny hoe vonona hatreto) no isafidiananao bolongana miresaka indrindra indrindra ny tanora malagasy amin'ny ankapobeny sy ny tontolon'ny adolantsento an-tserasera.


Ny Teny Gasy isafidiananao ireo bolongana amin'ny teny Malagasy amin'ny ankamaroan'ny lahatsoratra avoakany,hampiroboroboana ny tenindrazantsika an-tserasera ary nahazoako ny loka rahateo tamin'ny fifaninanana voalohany (2007). Misimisy izy ireo fa ianao no misafidy aloha


Ary eo dia eo ny Mpivoy Gasy, natokana ho an'ireo bolongana mavitrika mety ho famakinao isan'andro amin'ny famoahany hevitra. Matoky aho fa tsy hitongilangilana fahatany akory ny mpitsara any amin'ny dingana famaranana any fa masontsivana maromaro no ampiharina itsarana ny bolongana tsirairay.


Koa dia manetana anao izahay handray anjara amin'ny fifantenana ireo bolongana miresaka Malagasy na/sy Madagasikara ary hifidy ihany koa ireo ankafizinao isan-taranja na isan-tsokajy. Hatramin'ny faha-29 novambra no anaovanao izao fifantenana izao ary efa nanomboka ny fotoam-pihazana.



jentilisa 19 oktobra 2009, amin'ny 1:37 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox