Izay hitako sy niainako ny andron'ny 10 novambra 2010

2010-11-10 @ 23:39 in Andavanandro

Dia raikitra indray ny sakoroka ny andron'ny alarobia 10 novambra 2010. Indrisy moa fa tsy nitondra fakantsary ny tena hamoahana an-tsary ny zava-nisy niainana androany. Na izany na tsy izany dia mety ho nanana olana lehibe izay mpaka sary rehetra ka tsy manana karatra maha-mpanao gazety, sahirana indray noho izany izay olo-tsotra tia mamoaka vaovao sy ny zavatra hitany an-davanandro raha tsy mahay miafina sy mipirina mandritra ny fotoana misy fihetsiketsehana ireny.


Azo lazaina ho tsara vintana ihany ny tena raha nahita imaso sy afa-nanaraka lavidavitra ny toe-javatra nisy teto Antananarivo satria nandritra ny fotoana niasana no nisian'ilay sakoroka ary somary nampivezivezy ihany ilay asa. Raha somary nandreraka ahy ilay asa tamin'io andro io dia nahafaly ahy kosa indray satria ahafahana mijoro vavolombelona. Ilaina ny manoratra izay sasinteny izay fandrao misy milaza indray fa nandao ny asako aho dia lasa nijerijery ny zavamisy.


Ny maraina raha somary nitohatohana izay ny arabe teny Andohan'Analakely ka teo anoloan'ny BNI-CA no nisy ny fiara nandehanan'ny tena tokony ho tamin'ny sivy ora maraina iny dia nahatazana kamiaon'ny mpitandro ny filaminana heveriko ho ampolony samy feno avokoa niakatra ho any Ambohijatovo. Vantany vao nahita izany ny tena dia ny fitokonana tany Ankatso avy hatrany no tao an-tsaina. Nanontany tena ihany raha hahasahy handika ny fahafahan'ny Anjerimanontolo ireo ka handrava ny fihetsiketsehana misy ao. Etsy ankilany ihany koa dia mety hisy angamba ny fanahiana hoe hivoaka ny faritra misy azy ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Hay tsy diso loatra ny eritreritra saingy niandry lavidavitra kosa ry zareo fa nitoby teo anoloan'ny Shoprite Antanimora (misy an'izany koa eo fa mety mbola tsy fantatrareo na hitanareo). Etsy andaniny mety hisy koa ny mpanararaotra ka dia aleo misoroka raha azo atao.

Teny ampodiana atoandro ny tena dia nahatazana kamiao feno mpitandro ny filaminana miisa dimy manakaiky ny fitoeram-panafody etsy Antanimena, izany hoe efa latsaky ny 100m andrefan'ny Kianja Malacam hivorian'ny mpanaradia ny ankolafy telo. Efa hita mijorojoro eny ihany koa ny ireo olona hita mihitsy fa mivonona ny hiditra ao an-kianja na dia mikatona aza ny vavahady. Reko moa avy eo fa raikitra ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso tokony ho tamin'ny iray ora folakandro teo ho eo. 

Rehefa namonjy asa indray anefa ny folakandro dia toy ny tsy nisy na inona na inona ireny nitranga fa dia mizotra milamina ny olona hamonjy ny fanaony. Rehefa tena teo akaikin'ny vavahady ny tena vao tena latsa-dranomaso tsy fidiny fa toy ny voantsakay ny maso. Mahery dia mahery ihany baomba mandatsa-dranomaso ry zareo a! nisy fotsiny ireo mpitandro ny filaminana no karazany miambina ny toerana tsy hidiran'ireo heveriny mety ho mpanao fihetsiketsehana fa mamela malalaka kosa ny olona handeha manaraka ny lalan-kely satria lala-manivaka rahateo io lalankelin'ny kianja Malacam io. Dia hitako ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana nameno ny arabe manoloana na nadrefan'ny Blueprint teo aloha fa magro eo akaiky moa no tena fantatry ny besinimaro. Mbola afaka nizotra soa amantsara avy any Antanimena nankany Soarano ny fiarakodia tamin'io fotoana io (efa amin'ny roa ora filakandro).

Nisy ny nanirahana ny tena ka dia lasa nankany. Teo amin'ny fiverenana no nahita toe-javatra. Teny Ambohijatovo mankeny Analakely aho dia gaga raha nikatso tampoka ny lalana nefa nalalaka ery avy any Antsahabe tany. Tia tsofotsofoka ny tena koa dia nitady lalana hatrany. Teo andrefan'ny mpivaro-boky na ampita atsimo atsinanan'ny tranon'ny Minisiteran'ny mponina sy ny tanora aho vao variana fa be dia be ny olona no mitazana miankandrefana toy ny hoe misy inona ireny. Hay ilay lalana Analakely misy zotra efatra iny ka ny roa miakandrefana ary ny roa miatsinana dia mivadika tsikelikely ho zotra efatra miatsinanana avokoa. Misy zavatra izany any ananonanona any saingy tsy hita hoe aiza fa ny fiara mirepirepy sy mampaneno ny anjombona no nahataitra ny olona. Mbola nisisika ihany aho ka teo ampitan'ny BNI-CL (indroa aho izay no nanoratra io orinasa io androany) ni niantsona kely. Tsy te-hiverina hiantsinanana velively ny tena satria efa mikatso tanteraka ny lalana. Niova ho lasa zotra tokana (sens unique) avokoa ny lalana rehetra. Tsy nahitana polisy intsony nandamina ny fifamoivoizana. Efa ho adiny iray angamba na latsaka kely vao nihanadiodio ny arabe dia mbola ninia ihany aho niakandrefana satria any no misy ny birao fiasako tsinona.

Nihanalalaka tanteraka ny arabe teny ampandehanana saingy tsy nitodi-doha ho any Ambodifilao ny lalako fa lasa aho namonjy ilay lalana fandehanan'ny olona ka iny ampita anoloan'ny Lapan'ny tanàna iny no nandehanako fa tsy ny arabe tsy akory. Dia tonga tany am-piasana ihany. Efa zatra ity mikatona sy misokatra isak'izay mihetsika ity moa hatramin'ny herintaona ka tsy maka lagy amin'izany intsony. Saika izaho irery no nitondra fiara (soavalivy) nandeha tamin'ilay arabe malalaka dia malalaka tsy nahitana fivezivezena fiara hafa intsony. Kanjo vao tonga kelikely aho dia nirahina indray ho any amin'ny faritra andrefan'Antananarivo any (efa tafavoaka ny faritry ny renivohitra). 

Noho ny fitiavana mitsofotsofoka fa tsy hiaritra ny tsy fihetsehan'ny fiara dia lasa tany Faravohitra nanaraka ny Pavé indray ny zotra fa tsy nidina nankany Behoririka. Hay nisy zavatra nitranga tokoa tao Behoririka tao ka tsy hay na efa nisy ilay fiara may na tsia. Tonga manko dia tsy azon'ny fiara naleha intsony ny mankeny amin'ny Irresistible na Gauloise araka ny fahafantaran'ny taloha azy ka nitodi-doha niverina avokoa ny fiara rehetra. Hatreny Faravohitra aho no nidina namonjy an'Antaninandro sy Ankadifotsy. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'io fotoana io saingy afa-nandeha ihany aho satria tsy nahitana fiara loatra ny andaniny mpifanena. Nony tonga teo amin'ny tobin-dasantsy Ankadifotsy dia tsy maintsy niova lalana hizotra handalo ny FJKM ANkadifotsy indray satria nitohana tsy afa-nihetsika intsony ny fiara rehetra mikasa ho any Antanimena. Voatery nandeha tany Ambodivona noho izany ny tena ka ilay mandalo ny tobin'ny Jirama na centre Commercial iny no niafiana nandehanana. Feno olona ny sisindalana tamin'io mijery izay fivoaran'ny toe-draharaha fa tsy hoe mpandelo ireo tsy akory. Marihina fa nitohana tanteraka zara raha afa-nihetsika ny fiara tamin'ireo lalana ireo fa soavalivy moa no nentin'ny tena ka tia tsofotsofoka. Teny Ankorondrano Anoloan'ny Jesosy Mamonjy vao nalaladalaka kokoa ny lalana ary tsy voambahambahana loatra intsony ny fiara nandeha.

Niandry fotoana elaela mihitsy indray aho vao nikasa hitodi-doha ho any amin'ny birao fiasana indray. Nifanena tamin'ny kamiao iray sy fiara tsy mataho-dalana iray feno mpitandro ny filaminana aho teo Ambodimita dia nieritreritra fa efa milamina izay ny tany an-tanàna (Antanimena -Behoririka - Soarano) hay mbola diso fihevitra ny tena. Nizotra tsy dia nisy tomika loatra ny lalana nanaraka an'Ambohimanarina iny. Teo Antanimena amin'izay dia gaga nahita ireto zatovolahy nihazakazaka avy any atsinanana any. Ny andro amin'io efa amin'ny enina ora hariva teo ho eo. Hay mbola manala azy tsara mihitsy ny mpitandro ny filaminana nandefa baomba mandatsa-dranomaso. Mbola nidrikina nandeha tamin'iny lalana avy any Antanimena ho any Soarano iny ihany aho, izany hoe ilay mandalo Malacam io, fa tonga dia toy ny nahitsin'ilay miaramila iray izay ny basy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ary natodiny taty amiko ka nalefany amin'izay. Tena kofona tanteraka sy nikohaka mihitsy aho ankoatra ny ranomaso latsaka fa tsy maintsy nalefako hatrany ny fiara. Nihevitra manko aho fa tsy ho azoko atao velively ny hijanona eo. Nialoha izany anefa dia hitako tsara ny miaramila nandefa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny olona anatin'iny lalan-kelin'ny kianja Malacam iny. Tsy misy lalana andehanan'ny olona anie izany hoy aho anankampo. Teny akaikin'ny Piment Cafe Behoririka amin'izay aho vao somary niato kely nanisin-delo sy namaoka ny ranomaso satria teo no somary mba nilamindamina dia nanohy ny dia amin'izay avy teo. Tonga tany amin'ny birao ihany avy eo.

Raha tonga aho dia mbola betsaka hay ny miaramila teo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana teo Soarano sady toy ny mifampihantsy vinany tamin'ny olona tia jerijery ihany. Tsy nahitana fiara betsaka intsony ny arabe fa betsaka tsy toy ny mahazatra kosa ny olona nandeha an-tongotra. Ireo rehetra tratran'ny voa manodidina avokoa angamba satria tsy misy ny fiara hitatitra azy ireo mody. 

Rehefa nirava dia mbola nijerijery ny zavamisy tany Behoririka nisy ilay fiara may. Hay mbola tsy azon'ny fiara naleha tany fa ny mpandeha an-tongotra ihany no nizotra teny. Nalain-dry zalahy ny hazo heverina ho fefy na tranon'ny mpivaro-damba dia ireny no nodorany natao ho karazana barazy. Teo anoloan'ny Shell no nisy ny barazy voalohany, fefy afo avokoa no lazaina amin'izany ary rahonan-dry zalahy izay mitady hitondra fiara mankany. Mbola hita teo ilay fiara may ary maromaro ry zalahy no mitady piesy mety azo ampiasaina tamin'io fiara io. Efa voavadiky ry zalahy kosa ny fitoeram-pako teo ambany tetezan'i Behoririka ka nataony barazy ho azy koa. Nisy koa ny takelaka fanaovana dokambarotra nopotehin-dry zalahy ary nataony sakana ihany koa. Misy afo ihany koa moa teo. Teny amin'ny fiviliana ho any amin'ny fiantsonan'ny fiara eny Andravoahangy kosa ny sakana fahatelo ary sakan'afo hatrany. Tanora tsy ampy taona ny ankamaroan'ireo lazaina ho mpanao barazy ka toy ny manala azy fotsiny. Tsy ela moa fa dia hita tamy avy any ny fiara tsy mataho-dalan'ny mpitandro ny filaminana sy ny kamiao miaraka aminy misosososo toy ny manao befihavy hampandositra ny mpanao barazy angaha! nefa matetika dia tsy mitoetra ela eo ry zareo fa mandalo fotsiny hany ka miverina indray iretsy tsy mahita atao fa mamelona indray ny afo hanaovana barazy. Hay, hono, efa toy izany hatrany no nitranga nandritra ny ora vitsivitsy.

Nody ny tena avy eo ka gaga ihany fa betsaka indray ny fiara fitaterana mbola mitatitra olona tamin'izany ora izany ka mandeha mankany an-tanàna. Raha andro mahazatra anefa dia efa tsy hahita izany taxibe hankany an-tanàna izany intsony ianao. Betsaka ry zareo tamin'ity indray mitoraka ity. Asa inona no mbola nampazoto an-dry zalahy tamin'izany ora izany sa izay vao manenjika versement? Rehefa tonga teto an-tanàna indray aho dia nahita ireto polisy roa lahy namily lalana ny fiara rehetra tsy hankany aminay. Fantatro avy hatrany fa handalo eo izany i Andry Rajoelina ka tsy maintsy asiana karazana fiarovana ihany eny amin'ny lalana diaviny. Tsy ela tokoa dia indreo ry zareo miaraka amin'ny fiara mpialoha lalana sy fiaran'ny mpiambina mizotra amin'ilay lalana nefa tsy mitabataba na mandefa ny jiromangany loatra fa manao valala manjohy hatrany. Dia izay ary aloha ny notantaraina satria izay no hita (sy ny kely re)


Jentilisa, 11/11/10 amin'ny 01:39

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox