Asa ianareo raha toa ahy fa mba liana tamin'ny fandehan'ilay
"fanafintohinana momba ny telegrama" [scandale des notes diplomatiques] ny tena hoe inona izao tsiambaratelo tazonina mafy izao sy ny zavatra ifampitan'ny masoivoho Amerikana mielipatrana manerantany amin'ny sekretariam-panjakana amerikana izao saingy diso fanantenana tanteraka aho rehefa nijery ny
vohikalan'ny [fitaratr'i] wikileaks'. Mazava loatra fa niandry sy nikaroka izay resaka momba an'i Madagasikara nifampitana tao ny tena saingy tsy maharaka ny resaka rindrambaiko loatra ny tena fa tsy tsy mahita na inona na inona sady tsy mahalala akory hoe ahoana ny fitady ilay na ireo telegrama mifandraika amin'i Madagasikara izany? Dia niharihary teo ny havendranana amin'ny resaka solosaina... na izany aza dia misy ihany ny namana nahazo sombim-baovao ka
namoaka azy io ary izy irery no fantatro hatreto amin'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra nanana hozaraina amintsika mpamaky.
Dia mba namaky izay tao aho ka hitan'ny maro aho dia mbola nihomehin'ny fahadisoam-panantenako hatrany. Dia toa ny hitantsika amin'itony aterineto itony ihany no nivoaka sy hita tao fa tsy misy ilay zavatra tsy fantatsika mpamaky ka hanazava bebe kokoa ny zavanitranga teto amintsika hatramin'izay. Dia hoy aho hoe mety ho misy ihany angamba ny vaovao any fa noho ny tsy fahaizana dia tsy azo ireny sombim-baovao ireny fa izay nahazo azy kosa tsy hamoaka azy fa hanohintohina ny politikany na hita ihany ny mahaolona ny Amerikana fa toa mora fitahina amin'ny alalan'ny mpitsikilony ihany, ny mpitsikilony izay mety hisy Malagasy ka manana ny safidy politikany momba ny toe-draharaha eto Madagasikara. Dia hoy aho hoe mahatsapa zavatra aho ka tiako hamarinina amin'ny telegraman'izy ireo izany na mitombina na tsy mitombina dia izao manaraka izao:
Somary niato kely ny tena tao ho ao noho ny antony manokana. Hiverina vetivety indray anefa hametraka eto ny sandam-bola malagasy tao anatin'ny folo andro azo nalaina tamin'ny gazety teto an-toerana. Izany hoe somary ataoko mantamanta eo ilay tabilao noho ny hamehana. Ataoko fa ho azonareo ihany ny tiako lazaina avy eo na tsy hilaza zavatra betsaka aza aho satria tsikaritra fotsiny no aseho.
Dollar Euro
22 nov 1986,27 2715,57
23 nov 1982,34 2719,73
24 nov 1990,00 2703,43
25 nov 1997,84 2676,17
26 nov 1997,39 2675,31
29 nov 2006,00 2682,00
30 nov 2010,61 2691,95
01 des 2024,83 2703,69
02 des 2047,19 2730,24
Izany hoe ireo antontan'isa ireo dia amin'ny sandam-bola ariary avokoa. Napetraka ho tahiry ankoatra izay mety ho famoahanareo ny hevitrareo.
Jentilisa 02 desambra 2010 amin'ny 14:08