« | »

wikileaks nandiso fanantenana ahy sy tsiambaratelo hozaraiko

2010-12-08 @ 11:50 in Ankapobeny

Asa ianareo raha toa ahy fa mba liana tamin'ny fandehan'ilay "fanafintohinana momba ny telegrama" [scandale des notes diplomatiques] ny tena hoe inona izao tsiambaratelo tazonina mafy izao sy ny zavatra ifampitan'ny masoivoho Amerikana mielipatrana manerantany amin'ny sekretariam-panjakana amerikana izao saingy diso fanantenana tanteraka aho rehefa nijery ny vohikalan'ny [fitaratr'i] wikileaks'. Mazava loatra fa niandry sy nikaroka izay resaka momba an'i Madagasikara nifampitana tao ny tena saingy tsy maharaka ny resaka rindrambaiko loatra ny tena fa tsy tsy mahita na inona na inona sady tsy mahalala akory hoe ahoana ny fitady ilay na ireo telegrama mifandraika amin'i Madagasikara izany? Dia niharihary teo ny havendranana amin'ny resaka solosaina... na izany aza dia misy ihany ny namana nahazo sombim-baovao ka namoaka azy io ary izy irery no fantatro hatreto amin'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra nanana hozaraina amintsika mpamaky.


Dia mba namaky izay tao aho ka hitan'ny maro aho dia mbola nihomehin'ny fahadisoam-panantenako hatrany. Dia toa ny hitantsika amin'itony aterineto itony ihany no nivoaka sy hita tao fa tsy misy ilay zavatra tsy fantatsika mpamaky ka hanazava bebe kokoa ny zavanitranga teto amintsika hatramin'izay. Dia hoy aho hoe mety ho misy ihany angamba ny vaovao any fa noho ny tsy fahaizana dia tsy azo ireny sombim-baovao ireny fa izay nahazo azy kosa tsy hamoaka azy fa hanohintohina ny politikany na hita ihany ny mahaolona ny Amerikana fa toa mora fitahina amin'ny alalan'ny mpitsikilony ihany, ny mpitsikilony izay mety hisy Malagasy ka manana ny safidy politikany momba ny toe-draharaha eto Madagasikara. Dia hoy aho hoe mahatsapa zavatra aho ka tiako hamarinina amin'ny telegraman'izy ireo izany na mitombina na tsy mitombina dia izao manaraka izao:


Na dia lazaina ho laika aza ny fahefana bodoina eto Madagasikara ary dradradradraina hatrany ny tsy fifangaroan'ny politika amin'ny fivavahana dia ny fiangonana na ny fikambanam-pivavahana no tena andrin'izy ireo sy hananany hamaroan'olona tsy azo ambaniana velively. Ny voalohany amin'izany sady lehibe indrindra dia ny EKAR eto Madagasikara. Indray mandeha, fony mbola Ravalomanana no teo amin'ny fitondrana ary tsy mbola nisy fofony akory ny hisian'ny fiokoana tamin'ny 2009 dia niditra fiangonana EKAR iray tany ambanivohitra tany ny tena noho ny fanasana mariazy. Nandritra ny sermona dia toa natsidika kely ny famelezana ny mpanankarena ho mpitady tombontsoa ka tsy mahalala ny "madinika"; na dia tsy miteny mivantana aza ilay pretra dia toy ny filoha am-perinasa no tiany tondroina tamin'ilay sermona. Mbola tsikaritro hatrany io tamina toerana iray mbola nanasana ny tena ihany koa.


Tsy dia zatra ny any loatra moa ny tena fa tamin'izany fotoana izany ny hevitro tao anatiko tao dia hoe mpiaro ny "madinika" kosa ny Katolika ary efa ahafantarana azy izany ka tsy tokony hahagaga raha misy ny toriteny toy ireny. Ny zava-nitranga anefa dia izao, raha maro ny katolika no mpanohana an-dRavalomanana dia nihanangatsiaka tamin'izany fanohanana izany ry zareo avy eo ary nisy aza olona mafana fo teo aloha no latsa-pitenenana fa misy tsy mety mihitsy ny ataon-dRavalomanana, marihina fa ireo tsy mitsahatra ny mamonjy lamesa isan'alahady ireo nanana fangahatsiahana ireo ka toy ny mampanontany tena aza indraindray ny mahita Katolika mbola manohana an-dRavalomanana hoe sao dia tsy nazoto nankany ampiangonana loatra izy ireny ka tsy nahazo faharesen-dahatra loatra? Fanontaniana adaladala izany fa tsy voatery ho izany tsy akory no marina. 


Ny hita manko rehefa mafana ny adihevitra politika ao amin'ny facebook ao dia tia mijery hatrany ny mombamomba ilay olona iadian-kevitra aho hoe tahaka ny ahoana moa ity olona ity? Variana ny tena avy eo fa mahatratra na mihoatra ny 80% amin'ireo lazaina ho tsy miraharaha politika nefa mamely ny mpanohana ny ankolafy telo na ny ankolafy Ravalomanana manokana dia manonotena ho Katolika avokoa. Tranga tsy azo tsinontsinoavina velively izany amiko fa nisy fanefena tao ambadika matoa indraindray mivadika ho fankahalana ny olona manohitra izao fitondrana nangalarina izao aza ny hevitr'izy ireo. Tsy nisy nahasahy niteny loatra koa moa ny hafatry ny filankevitry ny Eveka eto Madagasikara tamin'ny volana Novambra 2010 iny ka nanentanan'izy ireo ny olona handray anjara amin'ny fifidianana ho avy rehetra, izany hoe manomboka amin'ilay fitsapa-kevi-bahoaka. Diso amiko noho izany raha ny Monsenera OMAR irery ihany no lazaina ho manohana (ankolaka) ny fitondrana fa ny rafitra an-tanantohatra katolika eto Madagasikara amin'ny ankapobeny mihitsy no manana ny heriny. Manaporofo izany ny fisian'ny olona nandrotsa-bato izay manana ny ampaham-bahoaka tokoa. Efa nieritreritra avy hatrany aho fa farafahakeliny efa ny 35%n'ny mpifidy no efa azo aloha noho izay fanentanana izay.


Fikambanam-pivavahana tsy azo ambaniana an-drenivohitra ihany koa ny fiangonana protestanta tsy miankina ka ny lohalaharana amin'izany ny FPVM. Mazava loatra fa azo heverina ho fiangonana niaritra fanenjehana manokana ny FPVM noho izany tsy hanohana velively an-dRavalomanana raha azony atao koa izany. Ankoatra izany koa ireo fikambanam-pivavahana vitsivitsy toa nahazo sehatra kokoa tamin'izao fahefana izao ary ireny hita matetika amin'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana karakarain'ny mpanohana izao fahefana misy izao ny mpitarika azy ireny. Na dia mbola te-hamahavaha kokoa aza aho dia atsahatro kely indray aloha fa manana ny adidy aman'andraikitra tsy maintsy sahanina fa ny tsara indrindra aloha dia ny mamakafaka fa tsy mandray am-bolony loatra. Marihina fa tsy natao velively hananjehana fiangonana na ireo olona ao amin'ny fiangonana ity lahatsoratra ity fa mba tsy aritra ifampizarana fotsiny ary tahaka ny hoe fady ny miresaka ilay izy dia toy ny hoe tsiambaratelo ilay resaka.



Jentilisa, 8 desambra 2010 amin'ny 13:50

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox