Ny Havantsoa !

2013-06-19 @ 16:46 in Andavanandro

Tany am-piasana aho no niantso ramatoa, nanontany raha azoko atao ny mody raha tena tonga ny fanairana farany hankanesana any amin'ny toera-pahasalamana, nilaza izy fa nipoitra ny fambara voalohany. Tsy nanan-kavaly aho satria tsy hanan-tsafidy loatra fa miankina tanteraka amin'ny mpiara-miasa ihany izany. Tsy tonga dia toy ny hoe zo ka ahafahana mandidy hoe handeha hody izao aho fa mihetsiketsika ramatoa fa miandry ny hamoram-pon'ireo mpiara-miasa mivantana, izay tsara fanahy sy mahatsapa ny halalin'ny problema. Milaza fotsiny aho hiomanana, hoy izy, fa miantso ihany aho rehefa tena tsy zakako. Toy ny teny tsotra izany fa mavesa-danja, tsy maintsy lasa ny eritreritra hoe iza no olon-dehibe azo antsoina hiandry azy akaiky.

Nefa etsy ankilany tsy tiany aho hiantso olon-kafa sao manaitaitra amin'ny tsy antony eo, hoy izy namepetra mafy. Rehefa misy tokoa manko ny fanairana ka miantso ramatoa, tsy mana-kosarangotina afa-tsy ny miantso izay olona akaiky afaka mihazakazaka mankany aminy aho raha mbola tsy afa-miala eo amin'ny asako. Fantany tsara io asa io, ka raha miantso izy, dia mikorapaka aho ka miantso izay olona heveriko fa mana-potoana hankanesana any aminy. Izy indray no tezitra hoe tsy dia misy olana lalina loatra nefa mampisahirana olona aho, izay no mahatonga ny fameperana fatratra fa izaho ihany no ilainy hody avy hatrany rehefa tonga tokoa ny tokoa.

Tsy niantso anefa izy mandra-pirava ka nihevitra aho fa tsy dia naninona izy izany. Nony nandodona ny varavarana anefa aho dia gaga fa ny rahavaviny no namoha ny trano. Hay niantso olona hafa izy noho ny fanahiana. Efa tao an-trano ihany koa ny anadahiny faralahy. Efa niandry ahy ry zareo vao nierireritra hoe antsoina ve radoko sa tsia? Sao manko dia manaitaitra olona amin'ny fambara tsy mbola any amin'ny mampanaitra ka mahatezitra olona. Tsy mana-kambara loatra aho, hoy aho nitsotra noho ny tsy fahalalana na tsy fahatsapana, ianao no tena mahalala ny toe-tenanao. Nanontany izy raha misy fahana ny findaiko na tsia, efa tao an'eritreritra ilay hividy fahana fa ilay fotoana mihitsy, na ny asa no marina kokoa, no tsy namela, tsy azo ilaozana, nefa iza moa ny olona azo irahina? Misy ambiny ihany, azo iantsoana fa ahiana tsy ahavitana resaka noho ny halafon'ny sarany. Teo izaho sy razaodahy no tapa-kevitra hijery mpivarotra mbola tratra alina sao mba misy fahana azo hovidiana. Tonga teny amoron'arabe izahay ary nahita mpivarotra iray nisokatra, mpivaro-toaka, fa dia hoe tsy mivarotra fahana ry zareo. Tsy mba misy mitady zavatra hafa ve izany ato amin'ity ranamana mpivarotra ity fa toaka ihany no tadiavina? mampieritreritra na izahay koa moa no tsy mahalala na inona na inona! Nody maina izahay.

Rehefa nitohy elaela teny ny dinidinika dia tsy nety nahatapa-kevitra hiantso dokotera. Ny andro efa alimbe, efa amin'ny folo ora alina, ka aleo aloha matory fa tsy maintsy hitady fiarakaretsaka ihany rehefa misesisesy ny fivonkonana (contraction). Henjana aloha isika Malagasy amin'ity fomba fisainana eo am-pandrasana mahita ny atiny ity. Tsy dia nanahy loatra aho fa diavolana ny andro ka ahatsinjovana ny lavidavitra ihany. Efa nanazava ihany anefa Ramatoa fa raha mbola mitohy ny fisehon'ny fambara dia mety any amin'ny maraimbe any no tsy ho tana intsony ny raharaha, amin'ny efatra ora na amin'ny dimy ora maraina. Tsy nisy loatra ny fitaintainana fa mba efa niomana ihany tsinona. Marihina fa manana fiantso an-taroby izahay fa tsy fantatro mihitsy ny aretiny. Isaky ny fotoana tsy misy ilana azy dia maneno tsara milaza fa malalaka afa-miantso, fa rehefa te-hiantso dia tsy mandeha mihitsy izy io, ary ny olona miantso anay ihany koa tsy mahazo anay ka mihevitra anay ho mamono telefonina indraindray, izay tsy fanaonay loatra. Hita fa tsy azo nianteherana io fiantso an-taroby io tamin'ity alina ity.

Tsy fantatro loatra na tsy nopizin-tory aho na tsia fa rehefa tonga ny sasakalina dia niarina aho fa poritra. Avy any aho dia niarina ihany koa ramatoa ka nanala fahaporetana. Nanontany azy aho raha nahita tory izy na tsia? nihivingivina ny lohany ho entiny milaza ny tsy nahitany tory mihitsy. Nilaza izy fa mihamisesisesy mitohitohy ny mangotika ao an-kibo, fambara fa efa mihamanatomotra ny fotoana. Teo izy no tapa-kevitra hiantso dokotera amin'izay satria hita fa tsy hahatratra ny andro maraina intsony izy ity. Nantsoina tamin'ny laharana voalohany fa tsy nandeha io, nantsoina tamin'ny laharana faharoa fa naneno, noraisin'ny dokotera ny antso. Rehefa nambara ny soritsoritra fambara dia nasainy namonjy ny toera-pahasalamana izahay. Lasa indray izahay sy Razaodahy nivoaka ny trano nitady fiarakaretsaka. Misasak'alina tamin'izany fotoana izany.

Lasa izahay namonjy ny fihaonan-dalana sy arabe falehan'ny olona. Vao niandry kelikely dia indro nisy fiara iray tamy, efa nisy olona teo aloha eo anilan'ny saofera fa raikitra ihany ny adi-varotra. Ny tena moa tsy mana-tsafidy loatra fa ny nampihomehy rehefa vita ny adi-varotra, raha nilazana izy hivily kely fa misy olona alaina, dia novelominy ny fiara, nafindrany ny vitesy dia lalany avy hatrany no notohizany. Gaga fotsiny izahay miaotra nefa afaka ny haninona moa? Mety ho matahotra ry zareo na dia miasa alina aza, na heveriny fa mandany fotoana izany mbola hivily izany (mihevitra angamba ry zareo fa mety mampatahotra ny lalana andehanana ka aleo mailo).

Niandry elaela teo indray fa tahaka ny tsy hisy izy izany. Lasa izahay roalahy somary namonjy fihaonan-dalana hafa heverina fa maro kokoa ny fiara mandalo saingy toa herimpo very maina. Tsy nisy na fiara iray aza niseraana. Tsia, nisy fiaran'ny fivondronana mpaka fako iray nirimorimo tsy hay loatra naninona. Nihodidina nanaraka ny arabe mihitsy izahay fa tsy nisy mihitsy ny fiarakaretsaka nandalo. Nizotra tsimoramora fa mbola eny lavitra eny ny alika no mivovo. Tsy maintsy nizorana ny lalana na dia manaraka akaiky toa handramatra aza ireto alika roa sahala ny tsy matahotra nefa rehefa miherika ianao toa mihemotra ihany ry zalahy nefa dia mbola manohy mivovo hatrany mandra-pahaleony tanteraka na efa nihoatra ny toerana iambenan-dry zareo ny dianay. Tsy nisy niteny izahay miaotra, tsy nisy natahotra loatra fa izy nieritreritra hoe tsy haninona ireo alika ireo satria alika gasy; izaho indray nihevitra fa rehefa tsy manao fihetsika manampoka dia tsy hanao na inona na inona ireo.

Tonga nanakaiky ny tsena izahay fa tsy nankany, somary mampihomehy ihany moa ny amin'izao fotoana izao, ny toerana bebe olona no tena atahorana indrindra rehefa amin'ny alina noho ny fifampiahiahiana sao dia mpanendaka miandry haza ireo olona mitanin'afo tsy manan-kialofana ireo. Efa nahita moa ny tena raha miteny izany satria tsy menatra mihitsy ireo olona ireo ny manendaka rehefa hitany fa mandeha irery ianao na hitany fa ho be noho vitsy ka tsy hahovoka raha misy ny fifampisintonana. Na dia maika sahala amin'inona aza, tsy fanao ny mitonatonana tahaka ny lolofotsy manatona afo hahamay azy. Lasa indray namonjy ny toerana voalohany niandrasana fiara. Mety hampihomehy ihany moa raha ny biby mety handramatra indray no atahorana noho ny olona saingy noho ny fahafantaran-javatra sy noho ny zava-misy iainana no antony. Efa nisy niherikerika aza ry zalahy fa nifampitazan-davitra ihany no natao.

Nizotra tsimoramora izahay nananika ny vohitra mangina tsy nisy tapikan'olona ankoatra anay sy ny fandrenesana vovon'alika any ambadika any an-tananan'olona any. Vao lavidavitra tsy ahatongavana teo amin'ny toerana niandrasana fiarakaretsaka voalohany izahay dia nahatsipalotra jirom-piara nipendrapendrana. Nampisy fanantenana teo aminay ny fahitana jiro tahaka izany. Somary nandeha mafimafy izahay fandrao mba fiarakaretsaka azo iresahana. Maherihery ihany ny jiro ka azo novinaniana fa tsy izay notadiavina io, fiaran'ny polisy ilay izy. Hita ihany anefa fa misy fiarakaretsaka iray teo akaikiny. Natoninay ilay izy. Mbola niresaka tamin'ny polisy tao anatin'ilay fiara tsy mataho-dalana ny saofera sy ny iray amin'ireo mpandeha tao anatiny. Natoninay sy nanontaniana raha afa-mitondra olona mankany amin'ny toera-pitsaboana fa namaly ilay saofera hoe izahay aza mbola sahirana be tamin'izay nanjo anay koa.

Teo dia toy ny nifampiandriandry kely teo. Naka laharam-pinday tamin'ny polisy ilay saofera. Nihevitra izahay fa tsy ho afa-mitondra anay ireto ka naleonay nihataka teny am-pita. Heno ihany anefa ny tenin'izay mety ho lehiben'ireto polisy manao fisafoana amin'ny alina ireto tamin'ny olona sy ny saoferan'ilay fiarakaretsaka nanao hoe andao ary araho tsimoramora avy ao aoriana izahay. Nitodika taty aminay ihany koa ilay mpibaiko sady niteny taminay hoe :" Mandehana mody any an-trano sao dia voatifitra eo ihany koa". Mba nahagaga anay ihany izany fitenenana izany satria misy antony anie matoa voatery mivoaka alina tahaka izao.

Raha mbola teo am-pijerena ny fandehanan'ireo fiara roa nidina tsimoramora izahay no naneno ny kiririokan'ny finday. Ramatoa no niantso raha efa nahita fiara izahay na tsia. Mazava loatra ny valin'ny fanontaniana. Nilaza izy avy eo ny hiantso ny rahalahiko ara-panambadiana iray manana fiara, monina tsy lavitra anay. Noho ny tsy hanelingelenana olona amin'ny torimasony loatra no tsy niantsoana azy hatrizay fa rehefa sehatry ny tsy azo anoharana tsy maintsy miditra amin'izay ihany. Vantany vao vita anefa ny resaka dia indro nisy fiara nisosososo avy any. Notsinjovina ka indro hita fa fiarakaretsaka. Nosakananay avy hatrany. Nisy olona anefa tao anatiny ka saiky hihemotra izahay satria tsy ho antonona anay raha hifampisisika eo. Nilaza ny saofera fa efa tonga indrindra ny mpandehany ka azo atao tsara ny miady varotra. Raikitra moa ny fanondroana toerana sy ny fanombanana ka rehefa tsy dia manararaotra loatra dia tsy mampaninona anay fa nilazana ilay saofera hoe misy olona tsy afa-mandeha lavitra tsy maintsy alaina ka azo atao ve ny maka azy. Nanontany izy raha misy azo ihodinana any dia novalianay hoe misy mihitsy moa izany. Dia nanaiky izy ka lasa izahay, nantsoina ramatoa hiomana fa efa nahazo fiara sy hilaza amin'ilay nofohazina alina hiverina hatory sy hankasitraka azy saiky hanatitra anay.

Eto angamba no hanao fonon-teny kely momba ilay fiarakaretsaka sy fiara tsy mataho-dalan'ny polisy aho. Azo atao tsara manko ny manombana fa ry zareo tanaty fiarakaretsaka ireto ilay notantarain'ny gazety, raha jerena ny andro sy ny toerana nitrangan'ny voina, fa voafitaka sy voatafika ry zareo tany Ampasapito tany. Nanakana teny an-dalana toy ny mpandeha tsotra ry zalahy hay mpanendaka, ka lasany avokoa ny teny amin'ireo mpandeha sy izay mba zavatra nentiny. Noho izay toe-javatra izay no nanakanan-dry zareo ilay fiara tsy mataho-dalan'ny polisy saiky hisongona azy ireo hitantaran-dry zareo ny zava-nanjo azy. Tombatombana ihany anefa ny ahy fa tsy naharaka loatra ny resaka izahay tsinona. Mifarana ny fononteny.

Izahay mivady ihany no nandeha ho any amin'ny toera-pahasalamana. Teny an-dalana indray dia nisy fiarakaretsaka iray nijanona afovoan-dalana ary miresaka amin'ny ao amin'ny fiara tsy mataho-dalan'ny polisy indray koa ny saoferany. Zotran'ny hifanena aminay ilay fiaran'ny polisy. Tsy tandriandriko na ilay efa hitako teo ihany ireto na hafa indray. Eo amoron-dalana akaiky dia akaiky eo anefa misy dabam-pako sy olona vitsivitsy misomokotra ao anatiny ary misy afo arehitr'ireo olona ireo hamindroana angamba. Nasaiko hisongona hatreo ankavanana moa ilay saofera sao manko mbola ho lava ny resaky ry zareo nefa ny tena ao anatin'ny hamehana ihany koa. Mba nitantara ilay zavatra vao niainana efa notantaraiko tao alohaloha tao aho.

Ela ny ela tonga tany amin'ny toera-pahasalamana ihany izahay rehefa somary nanivaka niakatra tamin'ny lalana tokony ho fidinana ihany ny fiarakaretsaka nitondra anay. Novohan'ny mpisahana ny fiambenan'ny tobim-pahasalamana ny vavahady rehefa nanontaniany ny anton-dia izahay ka namaly azy ireo tsotra ny saofera. Nijanona ny fiara, nivoaka izahay mbamin'ny enta-kely efa niomanana dia notarihan'ny mpiambina ho any amin'ny sampan-draharaha tokony andehananay. Natondrony anay hoe ao amin'ny farany ao ny mpampivelona dia lasa izy niverina nankany amin'ny toerana misy azy indray. Lalantsara fotsiny no misy anay, ary tsy misy olona hitanay mba azo natonina. Toa mihidy avokoa ny varavarana ka tsy misy azo nanontaniana. Saika natao ihany ny handodona teo amin'ny efitra fandroana (zazakely) satria io ihany no somary mitanilanila saingy feno fisalasalana tanteraka ny tena. Noteteziko indray ny lalantsara ary nidina thatra mihitsy aza fa mbola tsy nahita na iza na iza ihany. Nifanena tamina mpiambina hafa nanara-maso ny fanorenana lehibe indray aho ary mbola ny toerana ihany no natondrony. Dia nihazohazo nandritra ny fahefatr'adiny teo, miandry izay olona hafa afa-manondro tsara izay olona tokony handray anay.

Fotoana vitsy taorian'izany, indro tokoa fa nisy ramatoa iray lasa namonjy toera-pidiovana, angamba, dia izy no nandrasana ka hanontaniana rehefa miverina avy any raha mbola tsy misy olona hafa miserana. Efa nantsoina ihany koa ny dokotera hoe efa tonga izahay. Nilaza izy ny hiandrasana azy eo amin'ny rihana voalohany. Efa eo indrindra izahay fa ilay olona handray mihitsy no tsy hita. Ela ny ela fa nipoitra avy any ihany ilay ramatoa nandrasanay mba hanontaniana. Rehefa nanontany azy izahay dia tsy nisalasala izy ny hanampy ka tsy niahotrahotra nandondona tsimoramora teo amin'ilay varavarana somary mitanilanila efa voalaza etsy ambony ihany. Notenenin'ilay ramatoa amin'ilay namoha ny varavarana fa misy olona mitady azy. Nojeren'ilay namoha trano izahay ary nasainy hiroso any amin'ny efitrano fanaraha-maso (monitoring) somary ao amin'ny lalantsara ankilany. Nampidirina tao an'efitra izahay ary nakarina ho eo am-pandriana ramatoa ijerena raha tena akaiky dia akaiky ny fotoana na somary miandry ora vitsivitsy. Rehefa narahina teo dia hita fa efa mananontanona ny fahatongavan'ny vahiny ary nasaina nifindra tao amin'ny efitra fampiterahana izahay.

Tonga tao izahay dia nasaina novononina avokoa ny fitafiana rehetra handraisana ny vahiny. Efa eo amin'ny toerana misy azy ihany koa ramatoa, matory eo am-pandriana avoavo. Maherin'ny amin'ny roa sy sasany izay fotoana izay, nasiana serum ramatoa ary nametrahana oksizena ihany koa ny orony. Tonga avy any ihany koa ny dokotera, izao izany ho'aho ny asan'ny dokotera fa antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina. Misy ihany koa ny fampakarana ny tongony roa eo amin'ny andry roa fasiana tongotra andaniny sy ankilan'ny fandriana fampiterahana, dia misy fehiny hoditra roa miaraka amin'izany tsy hialan'ny tongotra amin'ireo andry avo fitoera-tongotra roa ho an'ny mpiteraka ireo. Manontany hatrany ny mpampivelona raha efa poritra na tsia. Nasainy niteny ramatoa rehefa mahatsiaro poritra hiomanany, miandry avokoa ny rehetra. Miandry ny tenin-dramatoa, indray mandeha no niserana ny fahaporetana fa teo amin'ny faharoa vao tena izy amin'izay.

Nohodidinin'ny mpitsabo manatrika eo anoloana, ny mpampivelona eo ankavian'ny mpitsabo ary ny mpanampy mpitsabo na mpanampy ny mampivelona eo ankavanan'ny mpitsabo, izay efa vonona hitondra ny zaza ao amin'ny efitra fanadiovana, ny mpiteraka. Izaho kosa nankeo ankavian'ny mpiteraka, mety hoe hibitsika na hiteny na hampahery, izay rehetra azoko atao eo akaikiny eo. Efa nanontany azy aho raha alaina sary ny fiterahany na tsia fa tsy nanaiky izy. Nipirina izany ny finday saiky hanaovako izany. Mandrisika ihany moa no tena ataon'ireo manodidina ny mpiteraka ary notenenina izy tsy hanena mamoaka feo, izaho hatrany moa no mamerina ny hafatrafatra tahaka izany eo akaikiny eo. Nasaina nataony lavalava ny fanenany, nampirisihana hatrany izy hanao izay fihetsika izay. Indro fa manomboka mipoitra ny lohan'ny zaza. "Izay!" hoy ny dokotera, "manao toy izay indray mandeha dia vita amin'izay". Nanena lavalava fanindroany ramatoa, tafavoaka soa amantsara ny zaza, mbola mangamangana ary mbola tsy nahatomany. Nokapokapohan'ny dokotera mafimafy tao aoriana tao ny zaza vao re ny tomaniny, tamin'ny telo ora sy fito minitra izay fotoana izay. Nalain'ilay mpanampy ny mpampivelona ny zaza hampandroana na hosasana. Miandry ny ilatsahan'ny tavony indray ny dokotera...

Tahaka izay sy tahaka izay leitsy ny fomba nahaterahan'ialahy ry Ny Havantsoa, tsy fahaterahana misy fahagagana na miavaka tahaka ny inona fa toy ny fahaterahan'ny olona rehetra ihany. Tsy fitantarana am-bava fa noraiketin'ny rain'ialahy an-tsoratra fa izay tian'ialahy anontaniana azo valiana am-bava ihany rehefa lehibe ialahy. Tsy nafenina anaty diary izay mety tsy hisy mamaky intsony na mety ho very na mety ho levon'ny afo fa tahiry nomerika no mitahiry azy ho an'ialahy. Mihevitra ihany aho fa sambatra ialahy, voantantara sy azo iverimberenana vakiana ny tantaran'ialahy satria tiako sy faniriako raha mba tompon'ny tantaran'ialahy ialahy. Asa raha voatantara toy izany ny nahaterahan'ireny zanak'andriana fahiny ireny na tsia, fa dia indro aloha fa maro ny zavatra voasoratra nialoha sy nandritra ny fahaterahan'ialahy mandra-pitomanin'ialahy ho fiarahabana ny tany. Ampiako kely hoe teraka 12 andro mialoha ny iheveran'ny siansa ho mety iterahan'ialahy ialahy. Niaritra zavatra maro ny renin'ialahy nandritra ny fotoana nahabevohoka an'ialahy, nampian'ny fintaintainana maro sy ny fanahiana, saingy teraka soa aman-tsara ihany ialahy. Isaorana anie Andriamanitra!

Jentilisa
18 jona 2013
(nosoratana manontolo tamin'ny solaitra nomerika [tablette])

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2013 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox