Miarahaba ny mpamaky rehetra indray amin'ity anio ity.
Mandingana herinandro vaovao isika, niova ihany koa ny volon'andro eto
an-drenivohitra amin'izao lohataona izao. Raha nangatsiaka fatratra ny andro
nandritra ny herinandro dia niova kosa izany nanomboka ny zoma farany teo.
Nifanontona indrindra tamin'ny fankalazan'ny ao amin'ny finoana Islamo ny "Eid
El-Fitr" izany fiovam-bolonandro izany. Tsara andro ry zareo, araka ny fomba
fiteny fa teo vao nanomboka nihanafana ny andro taty anivontany. Izay tokoa
angamba vao tena lohataona ny eto amin'ny tanàna.
Etsy ankilan'izany, nankalaza ny taombaovaony ihany koa
ny vondron'olona sasantsasany eto Madagasikara, vondron'olona mpandala ny
nentin-drazana manana fotoam-pankalazana mitovy amin'ny an'ny Silamo isaky ny
Eid saingy tsy afa-misitraka kosa ny fahafahana tsy miasa nefa mandray karama.
Eny Anosimanjaka no foiben'ireto mpandala ny nentin-drazana malagasy ireto.
Tsindraindray ihany aho no mba mahara-baovao fa ny hitako dia tsy mba misandoka
ny fetiny sy ny taombaovaony ho taombaovao malagasy ry zareo eny amin'ny haino
aman-jery rehetra eny. Tsy tahaka izay nitranga tamin'ny volana marsa izay
milaza ny taombaovaony ho taombaovao malagasy fa nahay nanetry tena na dia maro
dia maro aza ny itovizana amin'ity taombaovao ity sy ny tamin'ny volana marsa.
Raha mijery ny tantara dia ity taombaovaon'Anosimanjaka ity no nahazatra sy hita
tamin'ny fanisan'andro (navoakan'ny teny Imarivolanitra aza) ary be mpanaraka
kokoa fa somary vao haingana kosa vao miezaka ny mampandresy lahatra ny azy ny
Trano Koltoraly malagasy.
Ankoatra izay, nifanindry tamin'ireo fotoana roa efa
voatonona ireo ihany koa ny fanaovan'ny maro ny famadihan-drazana, indrindra fa
ny eto anivontany hatrany, ka azo heverina fa tamin'iny faran'ny herinandro iny
sy izao fanombohan'ny herinandro izao no faratampony tamin'ny fanaovan'ny olona
mpanao izany raha ny amin'ity taona ity. Na dia samy manana ny androny aza ny
mpanao famadihan-drazana dia efa azo vinaniana izay fahamaroan'ny fanaovana azy
izay satria tsy maintsy nisy ny fijerena andro tany amin'ny mpanandro (na mpanao
hatsarana, hoy ny anganon'ny Ntaolo nangonin'i Lars Dahl izay) amin'ny
hanatontosana ny fomba ka eo no anisan'ny andro tsara indrindra. Fotoana hakana
ny tso-dranon'ny Razana, toa ahatsiarovana indray ny fandroana faha-mpanjaka sy
ny fitsofan-drano ataon'ny mpanjaka ho fanombohana ny taona indray.
Ny itovizan'ireo fety telo nolazaiko teo ireo dia
fotoam-piravoravoan'ny rehetra ao amin'ny fiaraha-monina ilay izy. Izay any
amin'ny faritra hafa dia miezaka mody any an-tanindrazany (ambanivohitrany) ary
mandeha avokoa ny fianakaviana rehetra tsy misy anavahana. Fety fanaovana sakafo
mafilotra ihany koa eo ary anisan'ny nahatonga ny hanim-pitoloha na dia vary be
menaka aza no tena ahafantarana ny sakafon'ny famadihan-drazana. Maro ihany koa
ny maka fanapaha-kevitra goavana amin'io fotoana io. Indraindray aza
mampieritreritra ahy manokana fandrao avy amin'ny fety iray no nipoiran'ny roa
farany. Mariho fa Habib no anaran'ny nampiditra ny fandroana, ary azo lazaina fa
nampifanandrifiany tamin'ny Eid ilay fandroana (tetika hanasilamoana tsikelikely
ny teto anivontany saingy tsy tontosa hatramin'ny farany noho ny
fanapaha-kevi-dRadama rainy hirona ho amin'ny fampiasana ny soratra latinina).
Raha vao mandre izany anarana Habib izany anefa dia anarana Arabo avy hatrany no
ao an-tsaina. Mba erirteritra tsy tana ny ahy!
Farany, mba nanao fiarahabana ireo olom-pantatro aho
tamin'ny sehatra nahafahako nanao izany fa Miozolomana iray ihany no faly sy
nihoraka tamin'ny arahaba nataoko fa ny hafa nihanahana sy tsy mahazo izay
lazaiko angamba (ka afa-nihevitra ahy ho toy ny adala!).